Ny fitsipika mandrakizain’ny fitiavana
Tena misy ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay. Eo Izy ho an’ny tsirairay.
Ny fitsipika mandrakizain’ny fitiavana dia miseho amin’ny fiainana ilay didy roa lehibe hoe: tiava an’ Andriamanitra amin’ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao rehetra, ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.1
Tsaroako ny ririnina voalohany nipetrahako teto Utah, feno ranomandry teny rehetra teny. Koa satria vao tonga avy any amin’ny Désert de Sonora aho dia nankafy izany tamin’ireo andro voalohandohany, saingy andro vitsy taty aoriana dia tonga saina aho fa nila nifoha maraina kokoa hanala ireo ranomandry manakan-dalana.
Tera-tsemboka aho indray maraina tao anatin’ny fifofofon’ny ranomandry raha nanala izany, ary tazako ny mpiray monina tamiko iray namoha ny garaziny teo ampitan’ny arabe. Mbola zokiko izy ka nieritreritra aho raha mahavita aloha ny anjarako dia mba afaka manampy azy. Noho izany dia niantso mafy azy aho nanontany hoe: “Rahalahy, mila fanampiana ve ianao?”
Nitsiky izy sady niteny hoe: “Misaotra ry Loholona Montoya”. Avy eo izy dia naka milina fitrohana ranomandry avy tao amin’ny garaziny ka nandefa izany, tao anatin’ny minitra vitsy dia afany avokoa ny ranomandry rehetra nanoloana ny tranony. Niampita ny arabe izy avy eo niaraka tamin’ilay milina ary nanontany ahy hoe: “Mila fanampiana ve ianao ry Loholona?”
“Eny, misaotra anao” hoy aho tamim-pitsikiana.
Te hifanampy isika satria mifankatia, ary lasa zavatra ilaiko ireo zavatra ilain’ny rahalahiko ary ny ahy lasa azy. Na inona na inona fitenin-drahalahiko, na aiza na aiza firenena niaviany dia mifankatia isika satria mpirahalahy, zanaky ny Ray iray ihany.
Nilaza ny Filoha Rusell M. Nelson rehefa nanambara mikasika ny fanompoana hoe: “Hampihatra fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa isika.”2 Ho ahy ny hoe, masina kokoa dia midika ho manokana kokoa sy lalina kokoa, mitovy kokoa amin’ny fomban’ny Mpamonjy: “Mifankatia,”3 ny tsirairay.
Tsy ampy ny manao izay tsy haha-vato mahatafintohina ho an’ny hafa fotsiny, tsy ampy ny mahatsikaritra ny olona sahirana eny andalana ka mandalo fotsiny. Andao hararaotina ny fahafahana rehetra hanampiana ireo namantsika na dia izany aza no fotoana voalohany sy hany fotoana hihaonantsika aminy eto amin’ity fiainana ity.
Nahoana no ny fitiavana an’ Andriamanitra no didy lehibe voalohany?
Heveriko fa noho lanjany amintsika. Zanany isika, manara-maso ny zavatra mahasoa antsika izy, miankina Aminy isika ary ny fitiavany no miaro antsika. Tafiditra ao anatin’ny drafiny ny fahafahana misafidy, noho izany dia mety hanao fahadisoana isika.
Mamela antsika ho tsapaina sy ho alaim-panahy ihany koa Izy. Saingy na manao fahadisoana isika na tafalatsaka anatin’ny fakam-panahy dia manolotra Mpamonjy iray ilay drafitra mba ho azo avotana isika ka ho afaka miverina eo anatrehan’ Andriamanitra.
Mety miteraka fisalasalana mahakasika ny fahatanterahan’ireo fampanantenana izay natao tamintsika ihany koa ireo fahasarotana eo amin’ny fiainantsika. Matokia ny Raintsika. Mitazona ny fampanantenany lalandava Izy, ary afaka mianatra izay tiany hampianarina antsika isika.
Na rehefa manao izay marina aza isika, ireo toe-javatra eo amin’ny fiainantsika izay tsara dia mety hiova ho ratsy ary ny fahasambarana ho lasa alahelo. Mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra araka ny famindrampony sy ny fitiavany tsy misy fetra, ary amin’ny fotoanany.
-
Ritra ny renirano izay nisotroan’i Elia.4
-
Tapaka ny tsipìkan’i Nefia izay vita tamin’ny vy tsy misy fangarony.5
-
Niharan’ny fanavakavahana ny zazalahy iray ka voaroaka tao an-tsekoly.
-
Maty andro vitsy taorian’ny nahaterahany ny zazakely iray izay nandrasana efa ela.
Miovaova ny toe-javatra.
Rehefa misy toe-javatra tsara sy miabo miova ho ratsy sy miiba, dia mbola afaka mitoetra ho faly hatrany isika satria tsy miankina amin’ny toe-javatra misy ny fahasambarana fa miankina amin’ny toe-panahintsika miatrika ilay toe-javatra. Hoy ny Filoha Nelson: “Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.”6
Afaka miato kely isika dia miandry ny toe-javatra hiova ho azy eo, na afaka mitady sy mitondra toe-javatra vaovao isika.
-
Nankany Zerafata i Elia izay toerana nanomezan’ny vehivavy mpitondra tena iray azy sakafo sy rano.7
-
Nanamboatra tsipìka hazo i Nefia ary nihaza biby hohanina.8
-
Nijanona nihaino sy naka naoty tao ambadiky ny varavaran-kely ilay zazalahy ary ankehitriny izy lasa mpampianatra amina sekoly ambaratonga fototra.
-
Nampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ilay mpivady ary nitoky tamin’ny drafitry ny famonjena. Ny fitiavan’izy ireo ilay zazakely nandrasana efa ela izay maty tampoka dia lehibe lavitra noho ny alahelon’izy ireo.
Rehefa maheno an’ilay fanontanina aho hoe “Ray any An-danitra ô! Moa ve ao Ianao? Ka mety handre ‘reo ankizy ‘zay mitalaho?,”9 dia tiako ny mamaly hoe: “Teo Izy, eo Izy, ary ho eo foana Izy ho anao sy ho ahy. Zanany lahy aho, Raiko Izy ary mianatra ny ho ray tsara toa Azy aho.”
Miezaka hatrany izahay mivady ho eo ho an’ireo zanakay, na oviana na oviana, na inona na inona toe-javatra misy, ary na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Miavaka ny zaza tsirairay, lehibe ny hasarobidin’izy ireo eo imason’ Andriamanitra ka na inona na inona olana, na fahotana, na fahalemena ananan’izy ireo dia tia azy ireo Andriamanitra, ary isika koa.
Rehefa nandray ity antso ho Manampahefana Ambony ity aho, ny andro farany nialoha ny handehananay hihazo an’i Salt Lake dia niara-niangona tao an-tranonay ireo zanako sy ny fianakavian’izy ireo rehetra hanao ny takarivan’ny mpianakavy, ary naneho ny fitiavanay sy ny fankasitrahanay izahay. Nanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ireo zanako tsirairay aho taorian’ny lesona. Latsa-dranomaso ny rehetra. Taorian’ny tsodrano dia naneho teny fankasitrahana ny zanako lahimatoa, nisolo tena ny rehetra tamin’ny fitiavana lehibe nomenay azy ireo fony izy ireo vao teraka ka hatrizao.
Omeo tsodrano ny zanakareo na 5 taona na 50 taona izy ireo. Miaraha amin’izy ireo, meteza ho eo ho azy ireo. Na dia andraikitra napetraka ho an’ny drafitra masina aza ny famelomana, dia tsy tokony ho hadinontsika ny mizara fotoana mitondra fifaliana amin’ireo zanatsika.
Tena misy ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay. Eo Izy ho an’ny tsirairay. Tsy fantatro hoe ahoana ny fomba anaovany izany, fa tena manao izany Izy. Iray Izy sy ny Lahimatoany amin’ny fanaovana ny asa sy ny voninahitry ny Ray, dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”10 Nalefan’izy ireo ny Fanahy Masina hitari-dalana sy hampitandrina antsika ary hankahery antsika raha ilaina izany.
Nanome torolalana ny Zanany Malala Izy hamorona ity tany mahafinaritra ity. Nampianatra an’i Adama sy i Eva Izy ary nanome azy ireo ny fahafahana misafidy. Nandefa iraka nandritra ny taona maro nifandimby Izy mba hahafahantsika mandray ny fitiavany sy ireo didiny.
Tao amin’ilay Alakely Masina izy namaly ny fanontaniana amin-kitsim-po nananan’i Joseph zatovo, ary niantso azy tamin’ny anarany. Ho Izy: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”11
Mino aho fa ny fanehoam-pitiavana faratampony nataon’ Andriamanitra ho antsika dia ilay nitranga tao Getsemane, tao no nivavaka ny Zanakalahin’ilay Andriamanitra velona nanao hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.”12
Tsikaritro fa ny ampahany bitika azoko notakarina tamin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mampitombo ny fitiavako ny Ray sy ny Zanany, mampihena ny faniriako hanota sy tsy hankatò ary mampitombo ny finiavako ho tonga tsara kokoa sy hanao ny tsara kokoa hatrany.
Nandeha tsy nisy tahotra sy tsy nisy ahiahy i Jesoa ho any Getsemane, ary natoky ny Rainy sy nahafantatra fa tsy maintsy hanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Izy. Niaritra ny fanaintainana rehetra sy ny fanalam-baraka rehetra Izy. Nomelohina sy notsaraina ary nomboana Izy. Nandritra ny hirifiry niaretany sy ny fijaliany teo amin’ny hazofijaliana dia nifantoka tamin’ny zavatra nilain-dreniny sy ilay mpianatra malalany i Jesoa. Nanolotra ny ainy Izy.
Nitsangana tamin’ny maty Izy tamin’ny andro fahatelo. Foana ny fasana, mijoro eo an-tanan-kavanan’ny Rainy Izy. Manantena Izy Ireo fa hisafidy ny hitandrina ireo fanekempihavanana isika ary ho tafaverina eo anatrehan’Izy ireo. Tsy izao toetra faharoa izao no toetra farany mamaritra antsika; tsy hitoetra eto amin’ity fonenana an-tany ity isika, fa olona mandrakizay isika, izay miaina traikefa mihelina.
I Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Velona Izy, ary satria Izy velona dia ho velona mandrakizay ireo zanak’Andriamanitra rehetra. Noho ny Sorompanavotany dia afaka ny hiara-hiaina amin’Izy Ireo isika rehetra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.