Lamin’ny maha-mpianatra
Ny fianarana momba an’i Kristy dia hitarika antsika hahafantatra sy hitia Azy.
Lamin’ny finoana
Androany maraina ireo zanakay roa sy ireo zafikelinay telo aty Amerika Avaratra sy ny atsasa-manilan’izao tontolo izao dia nahita ny hazavan’ny masoandro niposaka tsara ery tany atsinanana. Ireo zanakay telo hafa sy ireo zafikelinay fito any Afrika ary ny atsasa-manila hafa an’izao tontolo izao kosa nahita ny haizina naka toerana tsikelikely teo amin’izy ireo rehefa nilentika teny amin’ny faravodilanitra andrefana ny masoandro.
Io lamina tsy miova momba ny fiposahan’ny andro sy firotsahan’ny alina io dia fampahatsiahivana iray ny amin’ny ireo zava-misy tsy azontsika ovaina izay mitantana ny fiainantsika. Rehefa hajaintsika na ampifanarahantsika amin’ireny zava-misy tsy miova mandrakizay ireny ny zavatra ataontsika dia miaina fiadanana sy filaminana anaty isika. Rehefa tsy manao izany isika dia tsy mahazo aina, ary tsy mandeha araka izay nieritreretana azy ny zava-drehetra.
Ny andro sy ny alina no ohatra iray amin’ireo lamina izay nomen’ Andriamanitra ho an’ny olon-drehetra izay niaina teto an-tany hatrizay mikasika ny zavatra araka ny tena toetrany. Izany dia fahamarinana iray tsy azo iadian-kevitra momba ny fisiantsika olombelona izay tsy azontsika ampifanarahana amin’ny sitrapontsika ka hoe tsy hisy fiantraikany amintsika izany. Ampahatsiahivina ahy izany isaky ny mandray sidina miala an’i Afrika hamonjy fihaonamben’ny Fiangonana aho. Manova ny ora fahazaran’ny vatako ho lasa adiny 10 mihemotra ao anatin’ny iray andro.
Isaky ny minia mandinika isika dia mahita fa ny Ray any An-danitra dia nanome antsika vavolombelona ampy amin’ireo fahamarinana izay mifehy ny fiainantsika mba hahafantarantsika Azy ka hanana ireo fitahian’ny fiadanam-po sy fifaliana.
Nohamafisin’ny Fanahy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ary ankoatra izany, dia homeko anareo ny fakantahaka amin’ny zavatra rehetra, mba tsy ho azo fitahina ianareo; fa mivezivezy eran-tany i Satana, ary mivoaka izy hamitaka ireo firenena.”1
I Kôrihôra ilay anti-Kristy dia voasarik’izany famitahana izany, nandà ny fisian’ Andriamanitra sy ny fiavian’i Kristy. Nijoro ho vavolombelona taminy i Almà mpaminany hoe: “Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony.”2
Rehefa nanizingizina ny hanomezana famantarana vao hino i Kôrihôra, dia nahatonga azy ho nozoin’ny hamoanana i Almà. Rehefa naetrin’ny fahoriany i Kôrihôra dia nibaboka tsy an-tery fa voafitaky ny devoly.
Tsy voatery ho voafitaka isika. Ny fahagagan’ny zava-manan’aina manan-tsaina dia misy tsy tapaka eo anoloantsika. Ary ny fibanjinana sy ny fisaintsainana kely monja ny amin’ireo zava-mahagaga maro isan-karazany any an-danitra mbamin’ireo kintana tsy tambo isaina ary ireo vahan-danitra dia manainga ny fanahin’ny fo mino hanambara hoe: “Ry Andriamanitro, … lehibe tokoa Ianao!”3
Eny, velona ny Andriamanitra Raintsika any An-danitra ary maneho ny Tenany amintsika lalandava amin’ny fomba maro Izy.
Lamin’ny fanetrentena
Saingy mba hamantarana sy hinoana ary mba hijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra dia mila mandray ilay Fanahin’ny fahamarinana ny fontsika. Nampianatra i Almà fa ialohavan’ny fanantenana ny fanetrentena.4 Nampian’i Môrmôna fa sarotra ho an’ireo izay tsy “malemy fanahy sy […] mietry am-po” ny hanana finoana sy fanantenana ary handray ny Fanahin’ Andriamanitra.5 Nanambara ny Mpanjaka Benjamina fa ny olona izay manao laharam-pahamehana ny voninahitr’izao tontolo izao dia “fahavalon’ Andriamanitra.”6
Tamin’ny alalan’ny fanoloran-tena hatao batisa ho fanatanterahana ny fahamarinana rehetra, na dia marina sy masina aza Izy, i Jesoa Kristy dia naneho fa ny fanetrentena eo anoloan’ Andriamanitra dia toetra fototry ny maha-mpianatra.7
Takina amin’ny mpianatra vaovao rehetra ny haneho fanetrentena eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa. Noho izany, “ireo rehetra izay manetry ny tenany eo anoloan’ Andriamanitra ary maniry ny hatao batisa, ka manatona amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina … dia horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa.”8
Ny fanetrentena dia mahatonga ny mpianatra hanam-paniriana ny hibebaka sy hankatò. Avy eo amin’izay ny Fanahin’ Andriamanitra dia afaka ny hitondra ny fahamarinana hankao amin’ny fon’ilay olona manetry tena sy ho tafiditra ao.9
Ny tsy fisian’ny fanetrentena no mahatonga indrindra ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Apôstôly Paoly amin’izao andro farany izao:
“Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,
“Tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara.”10
Ny fanasan’ny Mpamonjy mba hianatra Aminy dia fanasana mba handà ireo fitaomana hirona amin’izao tontolo izao ka ho lasa tahaka Azy—malemy fanahy sady tsy miavona am-po, manetry tena. Amin’izany isika dia ho afaka ny hitondra ny ziogany ka hahafantatra fa mora izany—fa ny maha-mpianatra dia tsy enta-mavesatra fa fifaliana, araka ny nampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson antsika izany tamim-pandresen-dahatra sy ombieny ombieny.
Lamin’ny fitiavana
Ny fianarana momba an’i Kristy dia hitarika antsika hahafantatra sy hitia Azy.
Nasehony tamin’ny alalan’ny ohatra fa amin’ny alalan’ny fanetrentena dia azo atao tokoa ny mahafantatra sy mitia an’ Andriamanitra Ray amin’ny fanahintsika rehetra sy mitia ny hafa tahaka ny itiavantsika ny tenantsika tsy ankifonofono. Ny asa fanompoany teto an-tany, izay nanaovany sorona ny sitrapony sy ny vatany teo amin’ny alitara, dia ohatra amin’ny fampiharana ireo fitsipika izay fototry ny filazantsarany ireo. Ireo fitsipika roa ireo dia mifantoka amin’ny hafa, sy mikasika ny fomba ifandraisantsika amin’ny hafa fa tsy momba ny fikatsahana tombontsoa na voninahitra ho an’ny tena manokana.
Tena tsy ampoizina sy mahagaga fa rehefa mampifantoka ireo ezaka tsara indrindra vitantsika amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa isika dia afaka mahita ilay tena hasintsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika omban’ny fiadanana sy fifaliana feno izay entin’izany traikefa izany.
Lasa iray amin’ Andriamanitra sy amin’isika samy isika isika amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny asa fanompoana. Afaka mandray ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina ny amin’izany fitiavana madio izany isika, dia ilay voa izay lazain’i Lehia ho “tena mamy [indrindra], manoatra noho izay rehetra efa nandrama[ny] hatramin’izay”.11
Ilay satroboninahitra izay noraisin’i Kristy tamin’ny alalan’ny fanomezana sy fanaovana izay rehetra vitany mba hametrahana ny lamin’ny fitiavana ny Ray sy ny fitiavana antsika dia ny handraisana ny hery rehetra, eny dia izay rehetra ananan’ny Ray, dia ny fisandratana.12
Ny fahafahantsika mikolokolo fitiavana maharitra an’ Andriamanitra sy ireo namantsika ao amin’ny ati-fanahintsika dia manomboka ao an-tokantrano omban’ireo fahazarana masin’ny fifandraisana amin’ny Ray isan’andro amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny tena manokana sy ny an’ny mpianakavy amin’ny anaran’ilay Zanany Lahitokana, ny fiaraha-mianatra momba Azy Ireo amin’ny alalan’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny mpianakavy ny soratra masina, ny fiarahana manaja ny andro Sabata, ary ny fihazonan’ny isam-batan’olona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery sy miara-mampiasa izany matetika araka izay tratra.
Rehefa isika tsirairay no mivoatra amin’ny fahalalana sy ny fitiavana ny Ray sy ny Zanany dia hitombo fankasitrahana sy fitiavana ho antsika samy isika isika. Hitombo lehibe tokoa ny fahafahantsika mitia sy manompo ny hafa ivelan’ny tokantrano.
Ny zavatra ataontsika ao an-tokantrano no tena mamolavola ny fifaliana maharitry ny maha-mpianatra. Ireo fitahiana mamy indrindra avy amin’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny izay ankafizin’i Gladys vadiko sy izaho ao an-tokantranonay dia tonga avy tamin’ny fianarana ny hahafantatra an’ Andriamanitra sy hanaja Azy ao an-tokantrano sy mizara ny fitiavany amin’ny taranakay.
Lamin’ny asa fanompoana
Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fifanompoana voavolavola ao an-tokantrano sy ny fifanompoana ivelan’ny tokantrano dia mivoatra ho lasa toetran’ny fiantrana.
Izany dia mifanindran-dalana amin’ny lamin’ny asa fanompoana feno fanokanantena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izay napetrak’ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly manoloana antsika. Lasa iray amin’izy ireo isika.
Amin’izany isika dia afaka ny mijery ny Tompo amin’ny alalan’izy ireo “amin’ny eritreritra rehetra” mba tsy hahatonga antsika “[h]iroanàhana” sy “[tsy h]atahotra”.13
Tahaka ireo mpaminany sy apôstôly velon’ny Tompo, isika dia afaka mandroso miaraka amin’ny “kibo[ntsika] feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ny finoana, … handravaka tsy an-kijanona ny eritreritsika ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenan[tsika] eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra.”
Miaraka amin’ireo mpaminany sy apôstôly velon’ny Tompo, isika ihany koa dia afaka miditra ao anatin’ny faribolan’ny finoana izay atanjahan’ny asa fanompoana feno fanokanantena; faribolana izay ny “Fanahy Masina no ho naman[tsika] lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandrianan[tsika]; ary ny fanapahan[tsika] dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany amin[tsika] mandrakizay mandrakizay.”14 Fa izany no fampanantenan’ny drafitry ny Ray. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.