Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022 Fivoriana sabotsy maraina Fivoriana sabotsy maraina Dallin H. OaksManampy ny mahantra sy ny oryMampianatra ny Filoha Oaks fa mitaona fanahy fikambanana sy olona maro Andriamanitra mba hanampy ireo izay sahirana ary ny Fiangonana dia manolo-tena ny hiara-hiasa amin’ny hafa ao anatin’izany ezaka atao izany. Dieter F. UchtdorfI Jesoa Kristy no maha zatovo maheryMampianatra ny Loholona Uchtdorf fa i Jesoa Kristy no mpitarika tsara indrindra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mampahafantatra ny boky torolalana Ho zatovo mahery! vaovao ihany koa izy. Tracy Y. BrowningMahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsikaMamporisika antsika ny Rahavavy Browning mba hahita ny fiainantsika amin’ny fomba fijery ara-pilazantsara mba hahitana taratra bebe kokoa ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika. Dale G. RenlundIreo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokanaMampianatra ny fomba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana sy hialana amin’ny fitaka ny Loholona Renlund. Rafael E. PinoAoka ny fanaovan-tsoa no ho fomba amam-panaontsikaManolotra fahazarana efatra ny Loholona Pino hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hugo MontoyaNy fitsipika mandrakizain’ny fitiavanaMampianatra ny maha-zava-dehibe an’ Andriamanitra be fitiavana sy ny fanompoana ny manodidina antsika ny Loholona Montoya. Ronald A. RasbandAnioManome ohatra tamin’ny Filoha Nelson nizara ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Rasband, mamariparitra ny fomba nanarahany ny ohatry ny mpaminany, ary manasa ny rehetra hanao torak’izany koa. Russell M. NelsonInona no marina?Manamafy ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny herisetra ny Filoha Nelson ary mijoro ho vavolombelona fa Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Fivoriana sabotsy tolakandro Fivoriana sabotsy tolakandro Henry B. EyringFanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra AmbonyManolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony mba hotohanana ny Filoha Henry B. Eyring. M. Russell BallardManara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoanaMampianatra antsika ny Filoha Ballard fa rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy am-pinoana isika dia hanampy antsika amin’ny fotoan-tsarotra Izy, tahaka ny nataony tamin’ireo mpamaky lay. Kristin M. YeeHatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-kelokaMampianatra ny Rahavavy Yee fa hotahiana isika rehefa manaraka ny Mpamonjy eo amin’ny lalana manasitran’ny famelan-keloka. Paul V. JohnsonAoka hatao tanteraka ao AminyMampianatra ny Loholona Johnson fa afaka ny ho madio amin’ny fahotantsika sy ireo tsy fahatomombanantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ulisses SoaresMiara-miasa amin’ny TompoMampianatra ny Loholona Soares fa rehefa miaraka miasa ny lehilahy sy ny vehivavy, ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny mpivady izay marina sy mitovy lenta, dia hianoka ilay firaisan-kina nampianarin’ny Mpamonjy izy ireo. James W. McConkie IIIAry nitady hahita izay Jesoa izy ireoMampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fifanampiana mba hanatonana Azy ny Loholona McConkie. Jorge F. ZeballosManorina fiainana mahatohitra ilay fahavaloMampianatra ny Loholona Zeballos fa afaka mahatohitra ny fahotana sy fakam-panahy isika ary mahita fahasambarana maharitra eto amin’ity fiainana ity miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. D. Todd ChristoffersonNy fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toeranaMampianatra ny Loholona Christofferson fa ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana dia ahitana ny fandraisana ny fahasamihafana, ny fahavononana hanompo sy hanao fahafoizan-tena ary ny fahafantarana ny anjara asan’ny Mpamonjy. Fivoriana sabotsy hariva Fivoriana sabotsy hariva Gérald CausséNy adidintsika amin’ny fikolokoloana ny tanyMampianatra ny adidintsika amin’ny fikolokoloantsika ireo zava-boarin’ Andriamanitra ny Eveka Caussé satria isika no mpitantana azy ireny. Michelle D. CraigAmin’ny fo manontoloMampianatra antsika fahamarinana telo izay afaka manampy antsika hivoatra amin’ny maha mpianatra antsika sy hatoky ny Tompo ao anatin’ireo fitsapana manjo antsika ny Rahavavy Craig. Kevin W. PearsonMbola vonona ve ianareo?Mampianatra ny Loholona Pearson fa Andriamanitra dia miandrandra ny hametrahantsika an-tsitrapo ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika. Denelson SilvaRisi-po hitory ny fahamarinanaMilazalaza momba ny fiovam-pony ny Loholona Silva ary mamporisika ireo zatovolahy sy zatovovavy mba handeha hitory ny filazantsara. Neil L. AndersenManakaiky ny MpamonjyMampianatra ny Loholona Andersen fa afaka miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana sy fanamafisana ny fanoloran-tenantsika amin’ny Mpamonjy isika. Fivoriana alahady maraina Fivoriana alahady maraina Jeffrey R. HollandNahantona teo amin’ny hazofijalianaMampianatra ny dikan’ny hoe mitondra ny hazofijaliana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ny Loholona Holland. J. Anette DennisFa mora ny ziogany ary maivana ny entanyRahavavy Dennis dia mampianatra fa isika dia tokony tsy hitsaratsara ny hafa fa hanana fangorahana sy fitiavana ho an’ny olon-drehetra kosa. Gerrit W. GongSambatra sy mandrakizayMampianatra ny Loholona Gong fa rehefa manaraka ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika isika dia hahazo fifaliana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika. Joseph W. SitatiLamin’ny maha-mpianatra Mampianatra ny fomba ahafahantsika mamboly toetra izay afaka ny hanampy antsika ho lasa mpianatr’i Kristy tsara kokoa ny Loholona Sitati. Steven J. LundFijoroana ho mpianatra maharitraMamariparitra ny tanjaka ara-panahy izay azo avy tamin’ireo fihaonamben’ny HZM ny filoha Lund ary mampianatra ny fomba ahafahan’ny zatovo mihazona izany tanjaka izany. David A. BednarTafio ny herinao, ry Ziona ôMampiasa ilay fanoharana momba ny lanonana fampakaram-bady nataon’ny mpanjaka ny Loholona Bednar mba hampianarana fa afaka misafidy ny ho voafidin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny safidim-pitondrantenantsika amim-pahamarinana. Russell M. NelsonMandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharanaMijoro ho vavolombelona ny Filoha Nelson fa afaka ny handresy izao tontolo izao isika ary mahita fitsaharana amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy izay raisintsika avy amin’ireo fanekempihavanana ataontsika. Fivoriana Alahady Tolakandro Fivoriana Alahady Tolakandro Henry B. EyringLovam-pankaherezanaMampiseho ny fomba nankaherezan-dreniny sy ny mpaminany Môrmôna ny taranak’izy ireo mba ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ireo fitsapana rehetra eto amin’ny fiainana an-tany ny filoha Eyring. Ryan K. OlsenI Jesoa no valinyMampianatra ny Loholona Olsen fa ao amin’i Jesoa Kristy no valin’ireo fanamby atrehintsika sy fanontaniana ananantsika. Jonathan S. SchmittDia ny mahafantatra AnaoMampianatra antsika ny Loholona Schmitt fa ny fianarana momba ireo fiantso an’i Jesoa maro dia afaka mitaona antsika ho lasa kokoa tahaka Azy. Mark D. EddyNy herin’ny tenyManasa antsika ny Loholona Eddy mba “hanandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra” sy “hisaintsaina lalina” ny soratra masina. Gary E. StevensonMikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananaoMampianatra momba ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona sy ny maha-zava-dehibe ny fihazonana ny fijoroana ho vavolombelona anananao ho matanjaka sy ny fizarana izany amin’ny teny sy amin’ny asa atao ny Loholona Stevenson. Isaac K. MorrisonMahefa zava-tsarotra isika amin’ny alalanyMampianatra antsika antsika ny Loholona Morrison fa ny Tompo dia mampahatanjaka sy manampy antsika rehefa mampihatra finoana Azy isika mandritra ireo fotoan-tsarotra. Quentin L. CookAoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asanyMampianatra momba ny maha zava-dehibe ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba an’i Jesoa Kristy, sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ary ny fijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra sy ny asany ny Loholona Cook. Russell M. NelsonMifantoha amin’ny tempolyMampianatra momba ny maha zava-dehibe an’ireo tempoly ny Filoha Nelson ary manambara drafitra hanorenana tempoly maro hafa.