Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
I Jesoa no valiny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


I Jesoa no valiny

Na sarotra na mampisafotofoto toy ny ahoana aza ireo fanamby, dia afaka mahatsiaro foana ianao fa tsotra ny valiny; dia i Jesoa foana.

Voninahitra tokoa ny miresaka aminareo amin’ity fivoriana amin’ny fihaonambe ity. Anio aho dia miresaka aminareo toy ny namana. Ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona ny Mpamonjy dia nampianatra fa namany isika raha manao izay asainy atao.1

Ny fitiavantsika tsirairay sy mitambatra ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanantsika Aminy no mampifamatotra antsika. Araka ny nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Te hilaza aminareo aho fa tena tia anareo sy matoky anareo ny Tompo. Ary mihoatra noho izany aza, tiako ny hilaza aminareo hoe tena miankina aminareo Izy.”2

Rehefa nantsoin’ny Filoha Russel M. Nelson ho Manampahefana Ambony aho dia heniky ny fihetseham-po tampoka teo. Tena navesatra be izany. Niandry tamim-pitaintainana ny fivoriana sabotsy tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana izaho sy i Julie vadiko. Tena nampietry izany hoe tohanana. Nisaiko tsara ireo zanatohatra mankeny amin’ny seza voatokana ho ahy fandrao ho lavo sahady aho amin’ny zavatra voalohany hanendrena ahy.

Tamin’ny fiafaran’io fotoam-pivoriana io dia nisy zavatra nitranga izay nisy fiantraikany lalina teo amiko. Nitandahatra ireo mpikambana tao amin’ny kôlejy ka niarahaba ireo Manampahefana Ambony vaovao tsirairay. Samy nizara ny fitiavany sy ny fanohanany ny tsirairay tamin’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny abrazo (fihina) avy am-po no nilazan’izy ireo hoe: “Aza manahy fa manana ny toeranao ianao.”

Amin’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy dia mijery ny fo Izy fa “tsy mizaha tavan’olona.”3 Diniho ny fomba nifidianany ireo Apôstôliny. Tsy niraharaha ny saranga Izy na ny harena. Manasa antsika Izy hanaraka Azy, ary mino aho fa manome toky antsika Izy fa manana toerana miaraka Aminy isika.

Izany hafatra izany dia mihatra manokana amin’ireo zatovon’ny Fiangonana. Hitako ao aminareo ny zavatra hitan’ny Filoha Nelson ao anatinareo. Nilaza izy fa “misy zavatra miavaka tsy azo lavina momba ity taranaka tanora ity. Tsy maintsy manana fahatokiana lehibe anareo ny Rainareo any An-danitra matoa nandefa anareo ety an-tany amin’izao fotoana izao. Teraka ho amin’ny zavatra goavana ianareo!”4

Feno fankasitrahana aho noho ny zavatra ianarako avy amin’ireo zatovo. Feno fankasitrahana aho noho ny zavatra ampianarin’ireo zanako ahy sy ny zavatra ampianarin’ireo misiôneranay ahy ary ny zavatra ampianarin’ireo zanaky ny iray tampo amiko ahy.

Vao tsy ela akory izay aho no nanao asa tao amin’ny toeram-pambolenay niaraka tamin’i Nash zana-drahalahiko. Enin-taona izy ary madio fo. Izy no zana-drahalahiko tiako indrindra amin’ireo antsoina hoe Nash, ary mino aho fa izaho koa no dadatoany tiany indrindra amin’ireo mandray fitenenana amin’ny fihaonambe androany.

Rehefa nanampy ahy hahita vahaolana ho an’ny tetikasanay izy, dia hoy aho: “Nash, hevitra tsara izany. Inona no namparanin-tsaina anao toy izao?” Nijery ahy izy, miaraka amin’ny fijery izay milaza hoe: “Dadatoa Ryan, ahoana no tsy ahaizanao ny valin’io fanontaniana io?”

Nasondrony kely fotsiny ny sorony, dia nitsiky ary niteny tamim-pahatokiana hoe: “I Jesoa.”

Nampahatsiahivin’i Nash ahy tamin’io andro io ity fampianarana tsotra nefa lalina ity. Ny valin’ny fanontaniana tsotra indrindra sy ny olana sarotra indrindra dia mitovy foana. I Jesoa Kristy no valiny. Ny vahaolana rehetra dia hita ao Aminy.

Ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona dia nilaza tamin’ny mpianany ny Mpamonjy fa hanomana toerana ho azy ireo Izy. Very hevitra i Tomasy ary niteny tamin’ny Mpamonjy hoe:

“Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?

“Hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”5

Nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy fa Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Izy no valin’ilay fanontaniana hoe ahoana no fomba hanatonana ny Ray any An-danitra. Ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny anjara asany masina eo amin’ny fiainantsika dia zavatra nianarako fony aho zatovolahy.

Fony ahy misiônera tany Argentine dia nanasa anay ny Filoha Howard W. Hunter hanao zavatra iray izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainako. Hoy izy: “Tsy maintsy mahafantatra an’i Kristy mihoatra noho ny ahafantarantsika Azy isika; tsy maintsy mahatsiaro Azy matetika kokoa noho ny ahatsiarovantsika Azy; tsy maintsy manompo Azy amim-pahasahiana kokoa noho ny anompoantsika Azy.6

Tamin’izany fotoana izany aho dia niasa saina ny amin’ny ahatongavana ho misiônera tsaratsara kokoa. Izay no valiny: ny mahafantatra an’i Kristy, ny mahatsiaro Azy ary ny manompo Azy. Ny misiônera manerana izao tontolo izao dia iray amin’izao tanjona izao: “ny hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana Azy sy ny Sorompanavotany” ary “amin’ny alalan’ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany.”7 Ho an’ireo namantsika izay mihaino ny misiônera dia ampiako ny fanasako mba hanatona an’i Kristy. Hiaraka isika hiezaka hahafantatra Azy sy hahatsiaro Azy ary hanompo Azy.

Fotoana masina teo amin’ny fiainako ny fanaovana asa fitoriana. Tamin’ny tafa sy dinika farany niarahako tamin’ny Filoha Blair Pincock, tamin’ny naha-misiônera amin’ny fotoana feno ahy, dia niresaka momba ny fiovana hitranga teo amin’ireo mpitarika ny misiôna izy, satria efa nanakaiky ny fahavitan’ny asa fanompoany koa izy mivady. Samy nalahelo izahay handao zavatra tena tianay tokoa. Hitany fa sahiran-tsaina aho nieritreritra ny tsy ho misiônera amin’ny fotoana feno intsony. Lehilahy nanam-pinoana lehibe izy ary nampianatra ahy tamim-pitiavana toy ny nataony nandritra ny roa taona lasa. Nanondro ny sarin’i Jesoa Kristy teo ambonin’ny latabany izy ary niteny hoe: “Elder Olsen, hilamina tsara izany rehetra izany satria asany izany.” Nahazo toky aho noho ny fahafantarako fa hanampy anay ny Mpamonjy, tsy rehefa eo am-panompoana ihany fa mandrakariva, raha avelanay hanao izany Izy.

Nampianarin-dRahavavy Pincock anay avy tao am-pony lalina ireo andian-teny faran’izay tsotra amin’ny teny espaniôla. Rehefa nilaza izy hoe “Jesucristo vive,” dia fantatro fa marina izany ary velona Izy. Rehefa nilaza izy hoe: “Elderes y hermanas, les amo,” dia fantatro fa tia anay izy ary tiany ny hanarahanay mandrakariva ny Mpamonjy.

Fitahiana ho anay mivady ny naha mpitarika ny misiôna anay vao haingana ka niara-niasa tamin’ireo misiônera tena miavaka tany Orogoay. Te hilaza aho hoe ireo no misiônera tsara indrindra teto an-tany, ary matoky aho fa mahatsapa izany avokoa ny mpitarika ny misiôna tsirairay. Ireo mpianatra ireo dia nampianatra anay isan’andro mikasika ny fanarahana ny Mpamonjy.

Nandritra ireo dinika sy tafa fanao dia niditra tao amin’ny birao ny iray tamin’ireo misiônera vehivavy tena nahafinaritra. Misiônera nahomby izy, mpampiofana tena tsara ary mpitarika feno fanoloran-tena. Nankamamian’ireo namany izy ary tian’ny olona. Nankatò sy nanetry tena izy ary natoky tena. Nifantoka tamin’ny faritra niasany sy ny olona nampianariny ny fihaonanay teo aloha. Niavaka ilay fihaonana tamin’io. Rehefa nanontany azy aho hoe nanao ahoana izy, dia fantatro fa sahiran-tsaina izy. Hoy izy: “Filoha Olsen, tsy haiko raha ho vitako izy ity. Tsy haiko raha ho ampy ihany izay vitako izay. Tsy aiko raha afaka ny ho ilay misiônera araka ny ilan’ny Tompo ahy aho.”

Misiônera tena niavaka izy. Tena tsara amin’ny lafiny rehetra. Nofinofin’ny filohan’ny misiôna. Tsy mbola nanana ahiahy velively aho ny amin’ny fahaizany tamin’ny naha-misiônera azy.

Raha nihaino azy aho dia sahirana namantatra izay holazaina. Nivavaka mangina aho hoe: “Ray any An-danitra ô, misiônera tena miavaka izy. Anao izy. Manao ny zavatra rehetra araka ny tokony ho izy izy. Tsy te hiteniteny foana aho. Mba ampio aho hahafantatra izay holazaina.”

Tonga tamiko ireo teny. Hoy aho: “Hermana, mampalahelo hoe manana izany fahatsapanao izany ianao. Mamelà ahy hametraka fanontaniana iray aminao. Raha nanana namana ampianarinao izay nahatsapa toy izany ianao, inona no holazainao?”

Nitodika taty amiko izy ary nitsiky. Hoy izy, tamin’ilay toe-tsaina misiônera sy faharesen-dahatra mibaribary: “Tsotra izany ry Filoha. Holazaiko azy fa mahafantatra azy tanteraka ny Mpamonjy. Holazaiko aminy fa velona Izy. Tia anao Izy. Tena tsara ianao ary vitanao io! ”

Nitsiky kely izy dia niteny hoe: “Inoako fa raha mihatra amin’ireo namantsika izany dia mihatra amiko koa angamba.”

Rehefa manana fanontaniana na fisalasalana isika, dia mety hahatsapa hoe sarotra loatra ny vahaolana na manakorontana loatra ny fitadiavana valiny. Enga anie ka hotsaroantsika fa ny fahavalo, dia ilay rain’ny lainga rehetra, no mpandrafitra ny fisafotofotoana.8

Ny Mpamonjy no Tompon’ny fahatsorana.

Nilaza ny Filoha Nelson hoe:

“Fetsy ny fahavalo. Nandritra ny arivo taona maro dia nataony ho toy ny ratsy ny tsara ary ho toy ny tsara ny ratsy. Toa mafy sy feno fahasahiana ary mieboebo ny hafatra ampitainy.

“Ny hafatra avy amin’ny Ray any An-danitra anefa dia tena mahavariana fa hafa mihitsy. Mifandray amintsika Izy amin’ny fomba tsotra, amim-pahanginana, ary mazava tsara amin’ny fomba mahavariana tokoa ka tsy afaka ny ho diso fandray isika.”9

Tena velom-pankasitrahana tokoa isika fa tia antsika tokoa Andriamanitra ka naniraka ny Zanany. Izy no valiny.

Hoy ny Filoha Nelson vao tsy ela:

“Tsy mbola nilaina mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. …

“… Izany dia manantitrantitra ny lanjan’ny toromariky ny Tompo tamin’ireo mpianany mba -[handeha] any amin’izao tontolo izao rehetra ka hitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra.-”10

Ho an’ireo izay hisafidy ny hanompo dia afaka mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ireo fitahiana izay ho tonga rehefa mihaino ny antson’ny mpaminany ianareo. Ny fanompoana dia tsy mahakasika anao fa mahakasika ny Mpamonjy. Hoantsoina ho amin’ny toerana iray ianao, fa ny tena zava-dehibe kokoa dia hoantsoina ho an’ny vahoaka iray ianao. Hanana ilay andraikitra sy fitahiana lehibe ianao ny hanampy ireo namana vaovao hahatakatra fa i Jesoa no valiny.

Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary manana toerana ato ianareo. Ny zavatra rehetra izay amporisihan’ny Filoha Nelson am-pitiavana tokoa mba hataontsika dia hitarika antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Ho an’ireo tanorantsika mahafinaritra—anisan’izany i Nash zana-drahalahiko—mandritra ny androm-piainanareo, na sarotra na mampisafotofoto toy ny ahoana aza ireo olana, dia afaka mitadidy foana ianao fa tsotra ny valiny; dia i Jesoa foana.

Rehefa nandre matetika ireo izay tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara aho, dia milaza koa aho fa tia anareo izahay, mankasitraka anareo izahay ary mila anareo izahay. Manana toerana ato ianareo.

Tiako ny Mpamonjy. Mijoro ho vavolombelon’ny anarany aho, dia i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy,”11 ary Izy Tompon’ny fahatsorana. I Jesoa no valiny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy