Tahirim-pitaovana
Sorompanavotan’i Jesoa Kristy


Sary
Sahan’i Getsemane

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Ny sorona nataon’ny Mpamonjintsika sy ny lalana tokana hiverenantsika any amin’ny Ray any An-danitra

Raha toa ka efa tafasaraka tamin’ny olon-tianao ianao dia takatrao—amin’ny ampahany kely—ny antony anirian’ Andriamanitra Ray hiverenantsika any Aminy sy hiara-hiainantsika Aminy mandrakizay. Tia antsika Andriamanitra ary naniraka ny Zanany, Jesoa Kristy Izy mba ho Mpamonjy antsika. Tonga teto an-tany i Jesoa mba hamerina antsika amin’ Andriamanitra.

Nanatontosa izany i Jesoa tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny sorona nataony, izay antsoin’ny soratra masina hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany no nandresen’i Jesoa ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama rehetra: fanaintainana sy fijaliana ary koa fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Nanomana ny lalana ho antsika Izy mba tsy hiverenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra fotsiny fa hahatonga antsika ho tahaka an’ Andriamanitra koa. Amin’izany lafiny izany i Jesoa dia afaka mitondra antsika hanakaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra mihoatra noho ny teo aloha.

Mba handalinana ireo zava-nitranga mifandray amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia avereno jerena ilay lohahevitra hoe “Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany.”

Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ahitana ny fijaliany tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana, ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tamin’ny alalan’izany fijaliana izany no nitondran’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fanaintainantsika, ny fahoriantsika, ny fahotantsika rehetra ary ny fahafatesana, ka nahatonga antsika ho afaka hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy hahazo ny fiainana mandrakizay.

Topimaso momba ny lohahevitra: Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Jesoa Kristy, Fahalavoan’i Adama sy Eva, Fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany, Famonjena, Drafitry ny famonjena

Fizarana 1

Mila Mpamonjy isika—i Jesoa Kristy

Mba hahatakarana ny fomba hamonjen’i Jesoa Kristy antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia mety hanampy ny mandinika ny antony ilantsika famonjena. Inona no hamonjen’i Jesoa Kristy antsika? Raha lazaina amin’ny teny hafa dia inona no mahatonga ny fisarahantsika amin’ Andriamanitra?

Andriamanitra dia tanteraka sy tsitoha ary tsy mety maty. Isika kosa dia tsy tanteraka sy malemy ary iharan’ny fahafatesana. Fahadisoantsika manokana ny ampahany amin’izany—vokatry ny fahotantsika sy ny safidy ratsy ataontsika. Vokatry ny fiainana ao anatin’ny tontolo lavo ihany koa anefa izany. (Raha mila fanazavana fanampiny momba io lohahevitra io dia jereo ny “Fahalavoan’i Adama sy Eva.” Ny fandalinana ny Fahalavoana dia hanampy anao hahatakatra feno kokoa ny tanjona sy ny antony ilàna ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

Afaka manadio antsika amin’ny fahotana sy manangana antsika amin’ny maty i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Afaka manome antsika “hery mihoatra noho izay [ananantsika]” Izy. Nofidin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy talohan’ny nahariana izao tontolo izao mba ho Mpamonjy antsika (jereo ny Mosesy 4:1–2; Abrahama 3:26–27). Raha ny marina dia Izy irery no afaka ny ho Mpamonjy antsika.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Raha misy manontany anao hoe “Nahoana aho no mila Mpamonjy?” dia inona no holazainao? Vakio ny fomba namalian’ny Filoha Dallin H. Oaks fanontaniana mitovitovy amin’izany ao amin’ny hafany hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika? Dia raketo avy eo ny fahatsapanao momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho anao.

  • Nampianatra ny mpaminany Lehia fa amin’ny alalan’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’” i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika miara-monina amin’ Andriamanitra (2 Nefia 2:8). Efa nieritreritra ve ianao hoe inona ireo fahamendrehana ireo? Inona momba an’i Jesoa Kristy no mahatonga Azy ho ilay tokana—ilay hany tokana—izay afaka ny ho Mpamonjy antsika? Saintsaino izany rehefa mamaky ireto andinin-tsoratra masina ireto ianao : Hebreo 4:15; 2 Nefia 2:6–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:21–25.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Angamba ny lesona ampiasan-javatra azo tsapain-tanana iray dia afaka manampy anao haneho fa tena ilaintsika ny Mpamonjy. Ohatra, afaka mamorona lalana feno sakana sy fitaovana fanakanan-dalana ianao ary mampitaha izany amin’ny fiainantsika. Na azonao atao ny mizara zavatra niainanao izay nahatsapanao ho tsy afa-nanoatra na tandindomin-doza ka nila olona mba hamonjy anao. (Ny horonan-tsary hoe “[Fahamarinana,] fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa” [5:36] dia manome ohatra tsara amin’izany.) Izany dia mety hitarika ho amin’ny resaka momba ny antony ilantsika rehetra an’i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Nandresy ny fahafatesana ho antsika i Jesoa Kristy

Sary
Efa nitsangana Izy

Misy zavatra iray farafahakeliny iombonan’ny olona rehetra eto an-tany: ho faty daholo isika rehetra amin’ny farany. Nandova ny fahafahana ho faty tamin’ny alalan’i Maria reniny Izy. Kanefa amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy dia nanana fahefana amin’ny fahafatesana koa Izy. Nitsangana tamin’ny maty Izy ary tamin’ny fanaovana izany dia notapahiny ny rojon’ny fahafatesana izay nihazona antsika rehetra ho babo. Satria nitsangana tamin’ny maty Izy dia hitsangana amin’ny maty koa isika rehetra ary ho lasa tsy mety maty (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22). Izany no fomba iray hitoviantsika kokoa amin’ny Ray any An-danitra izay manana vatana be voninahitra sy tsy mety maty

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanova ny fiainan’i Zezrôma ny fampianaran’i Amioleka momba ny fitsanganana amin’ny maty . Vakio ny Almà 11:42–46 mba hianarana ny zavatra nolazain’i Amioleka taminy sy hisaintsainana ny mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanao.

  • Ny Médiathèque de L’Évangile dia manana andiana horonan-tsary momba ny Paska izay mampianatra momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny fanantenana ary fifaliana atolony antsika. Jereo ny iray na maromaro amin’ireo horonan-tsary ireo. Inona no tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa mijery ireo horonan-tsary ireo ianao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mpaminany maro no niresaka momba ny “fanindronan’ny” fahafatesana (jereo ny 1 Korintiana 15:55–57; Môzià 16:7–8; Almà 22:14; Môrmôna 7:5). Nahoana no atao hoe “manindrona” rehefa maty ny olona iray tiantsika? Resaho ny fomba nanalefahan’ ny finoanao an’i Jesoa Kristy ny fanindroan’ny fahafatesana.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Nandresy ny fahafatesana ho an’ny rehetra i Jesoa Kristy

Sary
Ilay hazofijaliana

Ny ankamaroantsika dia miezaka ny ho olona tsara. Saingy na dia miezaka mafy aza isika dia samy manao zavatra izay fantatsika fa tsy tokony hataontsika. Isika rehetra dia manota ary izany no manakana antsika tsy afaka hitoetra ao amin’ny fahamasinana sy ny fahadiovana eo anatrehan’ Andriamanitra—tsy ho rariny izany (jereo ny Almà 42:12–15). Tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay eo anatrehany anefa isika koa tamin’ny indra fo no nanomanany lalana ho antsika handresena ny vokatry ny fahotana: naniraka an’i Jesoa Kristy hitondra ireo ota ireo eo Aminy Izy. Noho izany, ireo rehetra izay mibebaka amin-kitsimpo dia afaka ny ho voavela sy hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra mamela an’i Jesoa hanefa ny sazy noho ny fahotantsika? Hevero ny handalina ny Almà 42:9–27 omban’ny fisainana izany fanontaniana izany. Inona no eritreritra sy fahatsapana ara-panahy tonga aminao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hira maromaro no mijoro ho vavolombelona momba ny herin’i Jesoa Kristy hamonjena antsika amin’ny fahotantsika. Ny fihirana fatao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo no maneho izany tsara manokana (jereo ohatra ny “Viens vers moi na ny “Endrey mahagaga ahy). Hevero ny hiara-mihira na hihaino ny sasany amin’ireo fihirana ankafizinareo. Misy andian-teny ve ao amin’ireo fihirana ireo izay manorina ny finoanao ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 4

Mahatakatra ny zava-misy sy afaka manasitrana i Jesoa Kristy

Sary
Tovovavy misaintsaina

Ny zavatra iainanao, anisan’izany ireo zavatra iainana sarotra indrindra, dia anao. Mety efa nandalo zavatra mitovitovy amin’izany koa ny hafa, nefa olona iray ihany no mahafantatra tsara ny fihetseham-ponao. I Jesoa Kristy dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.” Nitondra teo Aminy “ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony” Izy (Almà 7:11). Nahoana Izy no nanao izany? “Mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Nataony izany mba hanananao olona iray hitodihana, olona iray izay mahatakatra, olona iray manana ny fahaizana sy ny hery hanampiana na inona na inona mety mampahory anao (jereo ny Hebreo 4:14–16).

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Efa nanontany tena ve ianao hoe midika inona amin’ny Mpamonjy ny niaretany “ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy”? (2 Nefia 9:21). Mety ho azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’ny hafa momba ny sasany amin’ireo fanaintainana mety ho tafiditra amin’izany, toy ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po tsapanao, izay tsapan’ny olona akaikin’ny fonao, ary mety efa renao tamin’ny hafa. Tsy ho feno tanteraka na oviana na oviana ny lisitra nataonareo saingy inona no fiantraikan’io lisitra nataonareo io amin’ny fomba hamakianareo ny Almà 7:11–13? Inona no fiantraikan’ny fahafantarana ny zavatra nijalian’i Jesoa Kristy amin’ny fahatsapanao momba Azy?

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141

  2. Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75–77.

  3. Viens vers moi,” Cantiques, no. 109.

  4. Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

Hamoaka printy