Tahirim-pitaovana
Fahalavoan’i Adama sy Eva


“Fahalavoan’i Adama sy Eva,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
Adama sy Eva

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahalavoan’i Adama sy Eva

Noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama sy i Eva dia tonga teto amin’izao tontolo izao ny ota sy ny fahafatesana

Na dia fantatry ny olona maro aza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Adama sy Eva, dia matetika no tsy takatr’izy ireo izany. Ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny toe-javatra tao amin’ny Saha Edena sy ny safidy nataon’ireo ray aman-drenintsika voalohany izay niafara tamin’ny fandroahana azy ireo hiala tao amin’ilay saha. Izany zavatra niainana izany dia fantatra amin’ny hoe Fahalavoana ary niteraka vokany izay niantraika tamin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Tsy nahagaga ny Ray any An-danitra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ny Fahalavoana dia ampahany ilaina amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratan’ireo zanany. Taorian’ny nitrangan’ny Fahalavoana, dia lasa mety maty i Adama sy i Eva ary nahazo ny fahafahana hanan-janaka, kanefa dia lasa niharan’ny ota sy ny fahafatesana koa izy ireo.

Noho ny Fahalavoana dia iharan’ny fahasahiranana sy ny aretina ary ny fahafatesana ny zavamanan’aina rehetra. Tafiditra ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika io fifanoherana io, ary manampy amin’ny fianarantsika sy ny fivoarantsika ary ny fahafahantsika miaina fifaliana. Mba hanavotana antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana dia nanome Mpamonjy iray ny Ray any An-danitra—i Jesoa Kristy izany. Manana hery hanavotana izao tontolo izao sy ny olona rehetra ao aminy avy amin’ny vokatry ny Fahalavoana i Kristy.

Inona ilay Fahalavoan’i Adama sy i Eva?

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia entina ilazana ny safidy nataon’izy ireo mba handika ny lalàn’ Andriamanitra, izay nahatonga azy ireo iharan’ny fahafatesana sy nanasaraka azy ireo tsy ho eo anatrehany. Nitondra fahafatesana ara-batana sy ara-panahy teo amin’izao tontolo izao ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ampahany nilaina tamin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izany satria taorian’ny Fahalavoana vao afaka nanan-janaka i Adama sy i Eva. Nanome fahafahana an’ Andriamanitra mba “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” ny Fahalavoana (Mosesy 1:39).

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahalavoan’i Adama sy i Eva

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fahafahana misafidy, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Fahariana, Fiainana an-tany, Drafitry ny famonjena

Fizarana 1

Nampiasa ny fahafahana misafidy i Adama sy i Eva

Sary
I Adama sy i Eva toa manahy

I Adama sy i Eva no zanaky ny Ray any An-danitra tonga voalohany tety an-tany. Niaina tao anatin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny tao amin’ny Sahan’i Edena izy ireo, izany hoe tsy nanan-janaka ary tsy niaina fifaliana na fahoriana (jereo ny 2 Nefia 2:23). Hazo roa tao amin’ilay saha no tena niavaka—ny hazon’aina sy ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy (jereo ny Mosesy 3:9). Nandidy an’i Adama sy i Eva Andriamanitra mba tsy hihinana ny voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy (jereo ny Mosesy 3:17). Raha nankatò io didy io izy ireo dia ho afaka nijanona tao amin’ilay saha. Raha nihinana tamin’ilay voankazo izy ireo, dia ho faty.

Nohamafisin’ Andriamanitra ihany koa fa nanana ny fahafahana misafidy izy ireo na ny hery hanaovana safidy (jereo ny Mosesy 3:16–17). Tonga i Satana naka fanahy an’i Adama sy i Eva mba hihinana tamin’ilay voankazo. Nolazainy azy ireo fa tsy ho faty izy ireo fa ho tonga hendry tahaka ny Ray any An-danitra (jereo ny Mosesy 4:10–11). Rehefa nisafidy ny hihinana tamin’ilay voankazo i Adama sy i Eva dia nahiratra ny mason’izy ireo ary nahazo fahalalana saingy niaina fahafatesana ara-panahy koa izy ireo, ary noroahina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo tamin’ny farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:40–41). Lasa mety maty koa izy ireo, niharan’ny fanaintainana, aretina, fahafatesana, ary zavatra hafa iainan’ity tontolo lavo ity.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny 2 Nefia 2:15–16. Inona no ianaranao momba ny fahafahana misafidy amin’ny alalan’ny fahatakarana bebe kokoa momba ny toe-javatra manodidina ny Fahalavoana? Inona no ianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny filantsika misafidy ny tsara ho an’ny tenantsika toy izay ny ratsy? Jereo ny fampiasan’i Lehia ny teny hoe “notaomina” ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no fomba itaoman’ny tsara sy ny ratsy antsika ankehitriny? Inona no ampianarin’izany anao momba ny filantsika Mpamonjy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

    “Nampianatra i Lehia fa raha tsy nisy ny Fahalavoana -dia ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny, tsy nanam-pifaliana satria tsy nahalala fahoriana- i Adama sy i Eva- (2 Nefia 2:23). Raha tsy misy ny fiainana fifanoherana amin’ny fiainana an-tany, -ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ilaina ho fitambarana ho iray- izay tsy hisy fahasambarana na fahoriana (andininy 11). …

    “-Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana- (andininy 25).”

    Inona no ianaranao avy amin’ny fampianaran’ny Filoha Oaks sy i Lehia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny filana fifaanoherana?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Nandresy ireo vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy

Sary
I Adama sy i Eva miaraka amin’ny ondry

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia niteraka fisarahana teo amin’izy ireo sy Andriamanitra, izay fantatra amin’ny hoe fahafatesana ara-panahy. Satria lasa mety maty ny vatan’izy ireo dia niharan’ny fahafatesana ara-batana ihany koa izy ireo ary napetraka tao anatin’ny toetry ny fifanoherana teto amin’ity izao tontolo izao ity izay ahafahana manota. Ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana ary ny fahotana amin’ny farany dia hanakana an’i Adama sy i Eva sy ny taranany tsy hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Noho ny fitiavany tsy manam-petra ny zanany no nanomezan’ny Ray any An-danitra Mpamonjy iray izay nahafahan’i Adama sy i Eva—ary isika rehetra—hibebaka amin’ny fahotana. Nanefa ny saran’ny otantsika i Jesoa. Niaritra ny fanaintainan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra izay niaina sy hiaina Izy, ao anatin’izany ny fanaintainana noho ny fahotantsika, ny ratram-po, ny aretina ary ny fatiantoka. Avy eo dia nitsangana tamin’ny maty Izy mba hahafahantsika ho velona indray. Tamin’ny alalan’ny fanomezana tsy manam-paharoa an’i Jesoa Kristy dia nataon’ Andriamanitra izay ahafahantsika mibebaka amin’ny fahotana, mianatra, mandroso ary miverina hiara-hiaina Aminy amin’ny farany.

Taorian’ny nandaozan’izy ireo ny Sahan’i Edena dia nankatò ny didin’ny Tompo i Adama sy i Eva anisan’izany ny fanolorana ny voalohan-teraky ny biby fiompiny ho an’ny Tompo mba hatao sorona. Nianatra izy ireo taty aoriana fa ny tanjon’io sorona io dia ny hanampy azy ireo hahatsiaro fa i Jesoa Kristy dia hanolotra ny ainy ho sorona ho antsika rehetra. (Jereo ny Mosesy 5:4–8.)

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Mosesy 5:11. Ao amin’io andininy io i Eva dia namintina ny zavatra nianarany avy tamin’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny Fahalavoana. Na dia hitantsika ho toy ny fampidirana ny fanaintainana sy fahoriana teto an-tany aza ny Fahalavoana matetika dia tsy manonona ireo zavatra ireo izy. Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny hiresaka momba ny Fahalavoana tahaka ny nataony i Eva? Inona no zavatra azontsika ianaranaa avy amin’io andininy io momba ny tanjon’ny fiainantsika?

    Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

    “Satria nandresy ity tontolo lavo ity i Jesoa Kristy, ary satria nanonitra ho antsika tsirairay avy Izy dia afaka mandresy ity tontolo izay feno fahotana sy tia tena ary matetika mandreraka ity koa ianareo.

    “Satria tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra ny Mpamonjy dia nanavotra antsika tsirairay tamin’ny fahalemena sy ny fahadisoana ary ny fahotana, ary noho Izy niaina ny fanaintainana sy ny fanahiana ary ny enta-mavesatra rehetra izay nanananao hatrizay, dia afaka mijoro eo ambonin’ity tontolo ambivitra ankehitriny ity ianao rehefa mibebaka marina sy mitady ny fanampiany.”

    Ahoana no ahafahantsika mandresy ity tontolo lavon’ny fiainana an-tany ity? Oviana ianao no nahatsapa ny fanampian’ny Mpamonjy mba handresena an’izao tontolo izao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio miaraka anaty vondrona ny Jaona 3:16 ary avy eo dia asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hizara ny hevitr’izy ireo momba ny dikan’io andininy io. Dia vakio avy eo ny Mosesy 5:9, izay mamaritra ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy. Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana ny sorona nataon’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty izay manome antsika fahafahana handresy ny vokatry ny Fahalavoana.

  • Vakio miaraka anaty vondrona ny Almà 7:11–13, ka soraty ireo teny tsirairay izay mamariparitra ny zavatra iainantsika eto amin’ity tontolo lavo ity. Mety ho hitanao ohatra ny teny hoe “fakam-panahy” sy “aretina.” Ataovy lisitra ireo teny ireo mba ho hitan’ny olona ao amin’ny vondrona. Vakio indray avy eo ilay andinin-tsoratra masina ka diniho ireo teny mamariparitra ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika amin’ity indray mitoraka ity. Ataovy anatina lisitra faharoa eo aikin’ilay lisitra voalohany ireo teny ireo. Inona no ampianarin’io fampiharana io anao momba ny fifandraisana misy eo amin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia nilaina tamin’ny drafitr’ Andriamanitra

Sary
I Adama sy i Eva miaraka amin’ny ankizy

Noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia manana fahafahana hahazo vatana ara-batana sy hiaina ny fifaliana sy ny fahasarotan’ny fiainana an-tany isika rehetra. Manana fahafahana hampiasa ny fahafahantsika misafidy koa isika isan’andro. Satria tafasaraka amin’ Andriamanitra isika ka tsy misy fahatsiarovana ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, dia tsy maintsy mianatra sy mitombo amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny zavatra niainantsika manokana isika.

Izany rehetra izany dia ilaina amin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay. Mba hiverenana Aminy sy mba hahatongavana tahaka Azy dia tokony hampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hisafidianana ny tsara toy izay ny ratsy. Manao fahadisoana isika eo am-pandalovantsika io dingana fianarana io. Saingy i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia mahatonga antsika ho afaka handresy ny fahotantsika sy ho voavela, ho voadio ary mamela antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any ka ho tonga tahaka Azy.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny 2 Nefia 2:11, 15, ka diniho ny anjara asan’ny fifanoherana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny filàna ny fifanoherana? Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny tanjon’ny fifanoherana eo amin’ny fomba fieritreretanao ireo fitsapana lalovanao?

  • Ny Fahalavoana dia nitondra fahoriana sy fifaliana teto an-tany. Vakio ny 1 Korintiana 15:21–22 sy ny 2 Nefia 2:19–25 ka tadiavo ireo fitahiana izay lasa afaka ny ho azon’ny olona rehetra taorian’ny Fahalavoana. Inona no ianaranao avy amin’ireo soratra masina ireo mikasika ny ny tanjon’ny fiainana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Fantatsika avy amin’ny soratra masina maoderina ny zavatra tsapan’i Adama sy i Eva momba ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo. Vakio anaty vondrona ny Mosesy 5:10–11. Mety hahomby ny fisafidianana lehilahy iray hamaky ny andininy 10 ary vehivavy iray hamaky ny andininy 11 ka ampiana ny olona anaty vondrona mba haka sary an-tsaina an’i Adama sy i Eva miteny. Zarao amin’ny vondrona misy anao ny fahatsapanao momba ireo andininy ireo. Ahoana no mety nanampian’ny finoan’i Adama sy i Eva an’i Jesoa Kristy azy ireo hahita ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo tahaka ny nataony?

  • Inona no mitondra fifaliana ho anao? Asao ny olona ao amin’ny vondrona hizara ny valintenin’izy ireo momba izany fanontaniana izany. Iaraho mamaky avy eo ny 1 Nefia 5:20–21. Nahoana araka ny eritreritrao no nampianatra ny zanany lahy i Lehia fa “misy ny olona mba hahazo fifaliana”? Inona no ifandraisan’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva amin’ny fifaliana? Manasà mpianatra maromaro hizara ny hevitr’izy ireo.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva

Hamoaka printy