Tahirim-pitaovana
Fahariana


“Fahariana,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
Masoandro milentika ary misy kintana eo ambonin’ny faritra misy ala

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahariana

Ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fahariana ny zavatra rehetra ho an’ny zanany

Oviana no fotoana farany nijerenao kintana teny amin’ny lanitra tamin’ny alina, na nihainoanao ny onja teny amoron-dranomasina, na nandeha an-tongotra lavitra eny ivelany? Miaina ao anatina tontolo kanto isika. Na dia tsy mahafantatra ny antsipiriany betsaka momba ny fomba nahariana ny tany aza isika dia fantatsika fa noharian’i Jesoa Kristy teo ambany fitarihan’ Andriamanitra Ray izany. Ary fantatsika ny antony nanaovana azy. Indray mandeha ny mpaminany Mosesy dia nianatra tao amina fahitana avy any an-danitra iray fa Andriamanitra dia nahary tontolo tsy hita isa (jereo ny Mosesy 1:7–8, 27–29). Nanazava Andriamanitra fa namorona ny tany Izy hoentina “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Rehefa takatsika fa ny Fahariana dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fitarihana sy ny herin’ Andriamanitra mihitsy dia manomboka mahita ny maha-zava-dehibe izany ao amin’ny drafiny ho an’ny famonjena antsika isika.

Inona no atao hoe Fahariana?

Teo ambany fitarihan’ Andriamanitra Ray dia nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eto an-tany i Jesoa Kristy. Nahary an’i Adama sy i Eva araka ny endriny manokana ny Ray any An-danitra ka nanome fahafahana ny zanany ho teraka teto amin’ity tontolo ity.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahariana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny famonjena, Fiainana talohan’ny nahaterahana, Jesoa Kristy, Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva, Fiainana ety an-tany

Fizarana 1

Noharian’ i Jesoa Kristy teo ambany fitarihan’ ny Ray any An-danitra ny tany.

Sary
Sarin’i Jesoa Kristy ahitana tapany ambony manomboka eo amin’ny sorony

Tany amin’ny filankevitra talohan’ny nahaterahana tany an-danitra dia nanambara ny drafiny hanomanana tany izay ahafahan’ny zanany hiaina ny fiainana an-tany Andriamanitra Ray (jereo ny Abrahama 3:24–25). Ny soratra masina dia mampiseho fa i Jesoa Kristy dia nanatanteraka ny Fahariana teo ambany fitarihan’ Andriamanitra Ray (jereo ny Mosesy 2:1). Ny Fahariana ny tany dia niseho tao anaty dingana enina izay antsoin’ny soratra masina hoe “andro” (jereo ny Mosesy 2:1–31; Genesisy 1:3–31; Abrahama 4:1–31). Tsy nanambara ny halavan’ny “andro” tsirairay ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:32–34). Ny soratra masina dia mifantoka amin’ny tanjon’ny Fahariana fa tsy amin’ireo dingana nampiasain’ Andriamanitra mba hanatanterahana izany. Ny zava-drehetra momba ny Fahariana dia mijoro ho vavolombelona momba ilay Mpahary, dia i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 6:63).

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Omeo taratasy ny olona tsirairay. Asao izy ireo hamoritra izany in-telo hatreo amin’ny fisasahany ary hamelatra izany avy eo mba hizara ho fizarana valo. Asao izy ireo hanoratra na hanao sary eo amin’ny taratasiny ny zava-nitranga nandritra ny andro tsirairay tamin’ny Fahariana, iray andro isaky ny fizarana, ary hanisy laharana eo amin’ny andro arakaraky ny handrosoan’izy ireo. Eo amin’ny ilay efajoro faritra fahavalo, asao izy ireo hanoratra na hanao sary ny zavatra iray momba ny Fahariana izay tena ankasitrahany manokana (ohatra, ny fianakaviany, ny ranomasina, ny biby, ny oram-panala, sy ny sisa).

Hianatra misimisy kokoa

  • Kolosiana 1:9–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24; Mosesy 1:27–39

  • Russell M. Nelson, “The Creation,” Ensign, May 2000, 84–86

  • Bruce R. McConkie, “Christ and the Creation,” Ensign, Jona 1982, 9–15

  • Thomas S. Valletta, “The Length of Creation,” Liahona, Mar. 1998, ChurchofJesusChrist.org

  • Alicia K. Stanton, “Science and Our Search for Truth,” Liahona, July 2016, 54–57

Fizarana 2

Ny zavaboary lehibe indrindra dia ny olombelona

Sary
Fianakaviana sy zazalahy telo anaty zava-boary

I Adama sy i Eva, ny lehilahy sy vehivavy voalohany teto an-tany, dia noforonin’Andriamanitra ary nomena vatana mitovy amin’ny an’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra (jereo ny Genesisy 1:27). Nakambana tamin’ny alalan’ny fanambadiana i Adama sy i Eva rehefa nitsodrano azy ireo ny Tompo (jereo ny Mosesy 2:27–28). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manambara fa ny tanjona masin’ny tany iray dia mifandray amin’ny drafitr’ Andriamanitra mba handraisan’ny zanany anjara amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17). Noho ny Fahariana dia afaka mahazo vatana ara-batana sy miaina ny fiainana an-tany ireo fanahy zanak’ Andriamanitra.

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ifanakalozy hevitra ny sasany amin’ireo porofo fa noforonina araka ny endrik’ Andriamanitra isika.

Hianatra misimisy kokoa

  • Russell M. Nelson, “Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 106–9

  • The First Presidency (1909), “The Origin of Man,” Ensign, Feb. 2002, 26–30

  • Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana, “Organic Evolution,” Médiathèque de l’Évangile

Fizarana 3

Fanomezana ny tany, ary mpitandrina izany isika

Sary
Fianakaviana mifampiresaka eo am-panaovan’izy ireo dia eny ivelany

Nomen’ Andriamanitra fanapahana tamin’ny zavaboary eto an-tany i Adama (Mosesy 2:28; 5:1). Nilaza ny Tompo ao amin’ny fanambarana maoderina fa “ny zavatra rehetra izay avy amin’ny tany” dia “natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18). Saingy ny Tompo dia nilaza fa ny harenan’ny tany dia tsy maintsy ampiasaina “amin’ny fandanjalanjana, fa tsy mihoa-pampana sady tsy an-keriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20).

Nampianatra ny Eveka Gérald Caussé hoe: “Tsy ilaozan’ny adidy sy andraikitra ny fanomezana masin’ny Fahariana. Ilay hevitra hoe fitantanan-draharaha no mahalaza tsara indrindra ireny adidy ireny. Ao amin’ny filazantsara, ny teny hoe fitantanan-draharaha dia manondro ireo andraikitra masina ara-panahy na ara-batana mba hikolokolo zavatra izay an’ Andriamanitra, izay maha-tompon’ andraikitra antsika.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–20 ary ataovy lisitra ny antony nanomezan’ny Tompo antsika ny tany sy izay rehetra eo aminy. Diniho hoe inona avy ireo lafin-javatra noforonin’ny Tompo izay nitondra fifaliana ho anao.

  • Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa ny olon-drehetra dia “ho tompon’andraikitra, ho mpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany, izay efa nataoko sy nomaniko ho an’ny voariko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13). Ahoana no hahatonga anao ho mpitandrina na mpikarakara tsara ny zavaboarin’ Andriamanitra? Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo nolazaina tamin’ilay fampitandremana mba hampiasa ireo zavatra ireo “amin’ny fandanjalanjana, fa tsy mihoa-pampana sady tsy an-keriny”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20).

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mandehandehana an-tongotra eny akaikin’ny tranonao. Mitadiava zavatra tsara tarehy na mitondra fahasambarana ho anao eny amin’ny zavaboary. Nahoana araka ny hevitrao no nataon’ Andriamanitra ho kanto izao tontolo izao?

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fahariana

Hamoaka printy