Tahirim-pitaovana
Fahasoavana


“Fahasoavana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
I Kristy mampionona vehivavy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahasoavana

Fanomezana fitiavana sy famindram-po ary fanampiana avy amin’ Andriamanitra

Tia sy miahy anao sy ny tsirairay amin’ireo zanany Andriamanitra. Omeny antsika amin’ny famindram-po ny vonjy sy fanampiana avy any an-danitra, izay antsoin’ny soratra masina hoe “fahasoavana.” Tanteraka noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tsy mahomby avokoa isika rehetra amin’ny ezaka ataontsika mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra, ka noho izany dia tsy mendrika na koa tsy mahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po isika. Fa nomen’ny Ray any An-danitra maimaim-poana kosa ny fahasoavana, izay ahafahantsika mahazo fitahiana sesehena. Hahita ohatra tsy tambo isaina momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny sitrapony eo amin’ny fiainanao ianao rehefa miezaka mampitombo ny finoanao Azy.

Inona no atao hoe fahasoavana?

Ny fahasoavanadia fanomezana fanampiana sy hery masina izay azontsika avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Matetika ny soratra masina no miresaka momba ny fahasoavana ho toy ny hery manome fahafahana sy fanasitranana ara-panahy atolotra amin’ny alalan’ny famindrampony sy ny fitiavany. Tonga amintsika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesosy Kristy ny fitahian’ Andriamanitra sy ny famindrampony rehetra.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahasoavana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Jesoa Krsity, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Famonjena, Finoana an’i Jesoa Kristy, Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Tadiavo ny fahasoavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao dia ho tsapanao ny fitiavany sesehena

Sary
zatovo mandehandeha eo akaikin’ny tempoly

Rehefa mino ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao dia manomboka mahita ny halehiben’ny zavatra nataon’Izy Ireo ho anao, satria tia anao tsotra izao Izy Ireo. Mandray fitahiana maro avy amin’ Andriamanitra isika, na manaiky na tsia ny loharano niaviany izay masina. Fa misy fitahiana hafa natokana ho an’ireo izay mikatsaka ny hitandrina ny didin’ny Ray any An-danitra, mibebaka amin’ny fahotana, ary mitodika Aminy amim-panetren-tena amin’ny vavaka amin-kitsim-po mangataka izay ilainy. Kanefa tsy misy amintsika afaka mahazo ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitarihany (jereo ny Romana 3:23–24; Môzià 2:20–21). Omena amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ny fitahiana rehetra avy any an-danitra.

Afaka manome anao fahatokiana hikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra isan’andro ny fahatakarana ny fahasoavan’ Andriamanitra, satria be famindram-po Izy ary vonona ny hampiasa ny heriny ho anao (jereo ny Hebreo 4:14–16; Môrônia 8:3). Ohatra iray amin’ny fitomboana ara-panahy sy ny fandraisana ny fahafenoan’ny fitahiana amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Ray any An-danitra ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: 12–13). Manasa anao i Jesoa Kristy mba hanatona Azy sy Andriamanitra Ray ary handray ny fahasoavan’Izy Ireo mba ho voatahy sy homem-boninahitra feno tahaka Azy Ireo ihany koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: 19–20).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanambara i Nefia hoe: “Ny fanahiko dia finaritra amin’ny fahasoavan’[ny Tompo]” (2 Nefia 11: 5). Midika inona aminao ny fahasoavan’ Andriamanitra? Nahoana i Nefia, araka ny hevitrao, no nampiasa ny teny hoe finaritra mba hamariparitana ny fahatsapany momba ny fahasoavan’ Andriamanitra?

  • Nampiananatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Singa iray hafa ao amin’ny famindrampon’ Andriamanitra ny fanokafana ny varavaran’ny lanitra, izay ahafahan’ Andriamanitra mandrotsaka ireo fitahian’ny hery sy tanjaka, ka ahafahantsika manatontosa zavatra izay ho lavitra tsy azontsika takarina raha tsy izany.” Inona avy ireo dingana azonao atao mba handraisana ireo fitahian’ny hery sy tanjaka masina izay mahadodona an’ Andriamanitra ny hizara azy aminao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hamaky ny Etera 12:27. Ifanakalozy hevitra ireo ohatra ana fahalemena izay matetika iainan’ireo zanak’ Andriamanitra. Miresaha momba ny fiovana mety hitranga amin’ny olona iray amin’ny alalan’ny hery masin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Asao ireo mpandray anjara mba hahatsiaro ireo fotoana nahatsapany ny herin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Asao izy ireo hizara traikefa raha ilaina.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Ny fahasoavan’i Jesoa Kristy no amonjena anao

Sary
Kristy mandohalika eo akaikin’ilay vehivavy

Nanazava ny mpaminany Lehia fa: “Tsy misy nofo izay afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8). Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra, ka tafiditra ao anatin’izany ny Fitsanganany tamin’ny maty. Mamonjy antsika amin’ny fangejana maharitry ny fahafatesana Izy noho io sorona io, izay natolotra tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ary manokatra ny lalana ho antsika tsirairay mba hibebaka amin’ny fahotantsika sy hitady famelan-keloka.

Andriamanitra dia tsy hanery na iza na iza handray ny fahasoavany sy hiverina eo anatrehany. Noho izany dia mangataka antsika Izy manao hoe: “mihavàna amin’ny sitrapon’ Andriamanitra [isika] fa tsy amin’ny sitrapon’ny devoly sy ny nofo; … dia ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary amin’ny alalany ihany no hamonjena [antsika]” (2 Nefia 10:24). Manatona an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina ary ny fiezahana hitandrina ny didiny amin’ny maha-mpanara-dia manetry tena antsika. Maneho ny faniriantsika hanao izay rehetra azontsika atao isika amin’ny fanaovana izany, sady manaiky fa ny fahasoavany no mamonjy antsika (jereo ny 2 Nefia 25:23).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny 2 Nefia 25:23 ary diniho ity hevi-baovao manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity:

    “Tsy -noho- ireo zavatra rehetra azontsika atao no hamonjena antsika. Moa ve isika rehetra samy nahavita ny zavatra rehetra izay azontsika natao? …

    Tena azoko antoka fa fantatr’i Nefia fa ny famindrampon’ny Mpamonjy no mamela antsika sy ahafahan- tsika mandresy ny fahotana. Izany no antony nahatonga an’i Nefia niasa mafy mba handresy lahatra ireo zanany sy rahalahiny -mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra- [2 Nefia 25:23].

    “Rehefa dinihina tokoa dia, izany no azontsika atao! Ary izany no adidintsika eto amin’ny fiainana an-tany!”

    Nahoana no zava-dehibe ny fiheverana ny fahasoavana ho toy ny fanomezana fa tsy zavatra ho azo?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo ny Loholona Dieter F. Uchtdorf miresaka momba ny fahasoavana ao anatin’ilay horonan-tsary “Saved by Grace” (1:41). Resaho miaraka ny momba ny maha-zava-dehibe ny maha-tompon’ andraikitra ny tena ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika. Nahoana isika no mila mibebaka raha voavonjin’ny fahasoavan’ Andriamanitra isika?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Manome hery anao hitiavana sy hanompoana an’ Andriamanitra sy ny hafa ny fahasoavana

Sary
olona mandroso sakafo

Milaza ny Bible Dictionary hoe: “Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tompo … no handraisan’ny olona tsirairay, amin’ny alalan’ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny fahotany, hery sy fanampiana mba hanao asa tsara fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hanohy hanao izany izy ireo raha avela irery hanao izany amin’izay hery ananany (“Fahasoavana”).

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao dia afaka mahazo fanampiana avy any an-danitra ianao mba hanompoana an’ Andriamanitra sy ny hafa tahaka ny Apôstôly Paoly, izay nilaza hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13). Rehefa voantso hanompo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika dia manao izay hahamendrika antsika Izy amin’ny alalan’ny fanomezana fahasoavana mba hanatanterahana ny asany (jereo ny Almà 26:11–13). Manome tanjaka fanampiny ho an’ny olona hiatrehana ireo fanambin’ny fiainana ihany koa ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po (jereo ny Môzià 24:14–15; Almà 31:30–35, 38).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Alaovy sary an-tsaina ny manapaka rantsana kely amin’ny hazo na kirihitra. Diniho izay hitranga amin’ny sampana rehefa tafasaraka amin’ny loharano niaviany izy. Vakio ny Jaona 15:1–11. Inona no tian’i Jesoa ho takatry ny mpianany mikasika ny hery atolony ho an’ireo zanak’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ity fitsipika ity manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahan’ny fahasoavana mampatanjaka anao amin’ny ezaka ataonao mba hanompo ny hafa?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo ilay horonan-tsary hoe “The Atonement Enables Us” (2:18). Resaho miaraka ny fiantraikan’ny fahasoavan’ Andriamanitra eo amin’ny ezaka ataontsika hanatanteraka asa tsara. Nahoana no zava-dehibe ny mivavaka mba hahazoana ny fahasoavan’ny Tompo rehefa mikatsaka ny hikarakara sy hanompo ny hafa isika?

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy