Tahirim-pitaovana
Fahaterahan’i Jesoa Kristy


“Fahaterahan’i Jesoa Kristy,” Fitsipiky ny filazantsara (2023)

Sary
Ny Fahaterahan’i Jesoa

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahaterahan’i Jesoa Kristy

“Fa zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika”

Ny fankalazana ny fahaterahan’i Jesoa isaky ny vanim-potoan’ny Krismasy dia mampahatsiahy antsika ny maha zava-dehibe ny tantaran’ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy. Na dia tsy dia fantatsika loatra aza ny toe-javatra niseho tamin’ny fahaterahan’i Jesoa dia fantatsika kosa ny momba ireo famantarana sy fahagagana mahagaga izay nomena sy ireo olona izay nijoro ho vavolombelona fa tonga teto an-tany ny Zanak’ Andriamanitra. Hitombo ny fankasitrahanao sy ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny hianatra momba ity tranga masina ity ianao.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy?

Araka ny faminanian’ireo mpaminany fahiny dia teraka tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana tao Betlehema, akaikin’i Jerosalema, i Jesoa Kristy. I Jesoa no Zanaka Lahitokan’ny Ray any An-danitra. Ny reniny dia i Maria izay fofombadin’i Josefa. Famantarana sy zava-mahatalanjona feno fahagagana no niaraka tamin’ny fahaterahany izay nanaporofo fa tonga teto an-tany ilay Mesia nampanantenaina hatry ny ela mba hamonjy ny zanak’ Andriamanitra sy hahatonga ny fiainana mandrakizay ho tanteraka.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahaterahan’i Jesoa Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fianantsika talohan’ny nahaterahana, Jesoa Kristy, Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany

Fizarana 1

Mianatra momba ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Faminaniana fahiny

Sary
I Isaia manoratra eo amina horonan-taratasy

Ny mpaminany tsirairay hatramin’ny andron’i Adama dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary niandrandra fatratra ny fotoana hiavian’ny Mesia ka hahatonga ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ho azo atao ho an’ny olombelona rehetra. “Hitan’i Enoka ny andron’ny fiavian’ny Zanak’Olona tao amin’ny nofo ary niravoravo ny fanahiny” (Mosesy 7:47). Naminany i Isaia hoe: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika” (Isaia 9:5). Nahita fahitana momba an’i Maria sy ny fahaterahan’ny Mesia nampanantenaina i Nefia (jereo ny 1 Nefia 11:13–23). Nijoro ho vavolombelona i Abinadia hoe: “Andriamanitra tenany mihitsy no hidina eo anivon’ny zanak’olombelona ary hanavotra ny olony.” (Môzià 15:1). Rehefa mandalina ireo faminaniana sy fampianarana momba ny fahaterahany ianao dia afaka manomboka mahita ny maha-zava-dehibe ny nanirahan’ Andriamanitra Ray an’i Jesoa Kristy Zanany tety an-tany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nijoro ho vavolombelona ny mpaminany fa famantarana sy fahagagana lehibe no hanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ho an’ny vahoakan’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Helamàna 14:1–9 sy ny 3 Nefia 1:4–22. Nahoana ny olona maro no tsy nety nino ny hafatry ny mpaminany? Inona no porofo anananao fa velona i Jesoa Kristy ankehitriny ary manolo-tanana amim-pitiavana ny zanak’ Andriamanitra rehetra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hifampiresaho miaraka ny momba ilay fanontaniana hoe: “Hanao ahoana ny fiainana raha tsy nisy Mpamonjy?” Azonao atao koa ny miresaka momba ny antony tokony hitohizan’ny hafatra momba ny fahaterahan’i Jesoa amin’ny fitondrana fifaliana sy fiadanana misimisy kokoa ho an’izao tontolo izao.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Vavolombelona maro no nijoro ho vavolombelona fa teraka ny Mpamonjy

Sary
I Maria mihazona an’i Jesoa Kristy zazakely

Satria ny fahaterahan’i Jesoa Kristy no anisan’ny zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantara dia nanomana vavolombelona maro Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelona momba izany na taloha na taorian’ny nitrangan’izany. Ny sasany amin’ireo vavolombelona ireo dia ny anjely Gabriela (Lioka 1:26–33), i Maria (Lioka 1:46–49), i Elizabeta zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Maria (Lioka 1:41–45), ireo mpiandry ondry (Lioka 2:16–17), i Simeona (Lioka 2:25–33, i Ana (Lioka 2:36–38), ary ny Magy avy any atsinanana (Matio 2:1–2, 9–11). 

Zavatra tokony hosaintsainina 

  • Vakio ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny Krismasy 2020, “Cadeaux divins,” mba hitadiavana ny sasany amin’ireo tandindona manan-danja nifandray tamin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Inona no azon’ireo tandindona ireo ampianarina anao momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy teto an-tany?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho mijery ny L’Enfant Christ (17:56). Ifanakalozy hevitra avy eo ny fanontaniana hoe “Ahoana no fahatsapantsika momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy rehefa mandinika ny anjara asan’io zava-nitranga manan-danja io ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika?” Raha miara-mianatra amin’ny ankizy ianao dia asao izy ireo mba hanao sary ny ampahany ankafiziny indrindra ao amin’ilay sarimihetsika. Amporisiho izy ireo hizara ny eritreriny momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Ny fandalinana ny fahaterahan’i Jesoa dia afaka mampanakaiky antsika kokoa Aminy

Nanazava ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Mahatonga ny fifandraisana ananan’i Jesoa Kristy amin’ny ray niaviany ho tsy misy isalasalana ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona notendrena. Andriamanitra no Rain’ny nofo tabernakeliny, ary i Maria, vehivavy mety maty, no reniny. … Tsy zanakalahin’i Josefa Izy, na nateraky ny Fanahy Masina. Zanakalahin’ilay Ray Mandrakizay Izy!”

Antsoina hoe Zanaka Lahitokana i Jesoa Kristy satria Izy no Zanakalahy Tokan’ny Ray nateraka tao amin’ny nofo (jereo ny 1 Nefia 11:13–22). Nirahina tety Izy mba hanao ny sitrapon’ny Rainy, mba hanonitra ny fahotan’ny olombelona rehetra (jereo ny Jaona 3:16–17).

Zavatra tokony hosaintsainina 

  • Ny drafitr’ Andriamanitra hamonjena ny zanany dia nitaky “sorona tsisy fetra sady mandrakizay” izay tsy ho vitan’ny biby na ny olona hotanterahana. Tsy maintsy sorona nataon’ny Zanak’ Andriamanitra izany. (Jereo ny Almà 5:9–14.) Inona no fantatsika momba ny toetry ny fahaterahan’i Jesoa Kristy izay nahafahany nanatanteraka ny “sorona tsisy fetra sady mandrakizay” izay ilaina ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra? Ny Ray any An-danitra dia tsy nanambara ny dingana izay nahatonga an’i Jesoa ho Zanany Lahitokana teto an-tany. Izay nozaraina ao amin’ny soratra masina ihany no fantatsika, ohatra: Matio 1:18–25; Lioka 1:26–35; Môzià 15:1–3; ary Almà 7:9–10.

  • Ao amin’ny lahateny nataony mitondra ny lohateny hoe “The Wondrous and True Story of Christmas,” dia hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Tsy nisy ny Krismasy raha tsy nisy ny Paska. Ho zazakely tahaka ny zazakely hafa rehetra ilay Jesoa zazakely tao Bethlehema raha tsy teo ilay Kristy mpanavotra tao Getsemane sy Kalvary, sy ilay Fitsanganana tamin’ny maty feno fandresena. … Fa ny manan-danja kokoa, dia iriako ianareo tsirairay hanana fotoana, angamba adiny iray fotsiny, atokana ho an’ny fisaintsainana mangina sy fandinihana tony ilay fahagagana sy fahalehibiazan’ity Zanak’ Andriamanitra ity.” Nahoana no zava-dehibe ny mampifandray ilay zava-nitranga tao Betlehema tamin’ireo tao Getsemane sy Kalvary?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa 

  • Kolontsaina maro no mankalaza ny nahaterahan’i Kristy ka fomba fanao ny mifanome fanomezana. Avereno jerena ireo fanomezana nasongadin’ny Filoha Russell M. Nelson tao amin’ny lahateniny hoe “Quatre dons que Jésus-Christ vous fait.” Manontania tena hoe: “Inona avy ireo fanomezana avy amin’i Jesoa Kristy izay nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao?”

Hianatra misimisy kokoa 

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Cadeaux divins” (Veillées de Noël de la Première Présidence, 6 dec., 2020), Médiathèque de l’Évangile.

  2. Ezra Taft Benson, “Five Marks of the Divinity of Jesus Christ,” Ensign, des. 2001, 10–11.

  3. Gordon B. Hinckley, “The Wondrous and True Story of Christmas,” Ensign, des. 2000, 5.

  4. Russell M. Nelson, “Quatre dons que Jésus-Christ vous fait” (Veillées de Noël de la Première Présidence, 2 dec., 2018), Médiathèque de l’Évangile.

Hamoaka printy