Tahirim-pitaovana
Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany


“Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Mampianatra olona i Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany

“Ary hantsoina hoe Jesoa Kristy Izy, Ilay Zanak’ Andriamanitra” (Môzià 3:8)

Ny lehibe indrindra amin’ireo zanaka fanahy an’ny Ray any An-danitra dia ny Zanany Lahitokana, i Jesoa Kristy. Fantatra tamin’ny anarana fiantsoana maro i Jesoa talohan’ny nahaterahany teto an-tany, toy ny Jehovah Lehibe sy Tompo Tsitoha. Andriamanitra Ray dia nandefa ny Zanany mba hiaina ety an-tany sy hanolotra ny Tenany ho sorona fanavotana maharitra mandrakizay mba ho azo tanterahina ny famonjena an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nampianatra ny filazantsarany sy nanao fahagagana lehibe ary nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy. Mianatra avy ao amin’ireo tantaram-piainana ao amin’ny soratra masina isika fa nankatò tanteraka an’ny Rainy Izy. Nanasitrana ny marary sy ory, nanome fanantenana an’ireo izay nijaly, nampianatra ny maha zava-dehibe ny fibebahana ary nanao ny famelan-kelona ho azo tanterahina i Jesoa Kristy. Ohatra tonga lafatra tokony harahan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ny asa fanompoany.

Inona moa izany asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany izany?

Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany Malala tety an-tany ny Ray mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny asa fanompoany teto an-tany sy ny sorona fanavotana nataony no nahafany nahafantatra sy nahatakatra tanteraka ny zavatra iainantsika tsirairay avy eto an-tany. Nanome ohatra tonga lafatra tokony harahintsika i Jesoa Kristy.

Topimaso momba ny lohahevitra: Jesoa Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Jesoa Kristy, Fahaterahan’i Jesoa Kristy, Fitsanganana amin’ny maty

Fizarana 1

Nanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra hatrany i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa mampianatra ao amin’ny tempoly

Ireo tranga feno fahagagana manodidina ny fahateran’i Jesoa Kristy dia voarakitra tsara ao amin’ny soratra masina (jereo ohatra ny Lioka 2:1–19). Raha mikasika ny fahazazany dia milaza fotsiny ny soratra masina hoe “ny zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy” sy ny hoe “ary Jesoa nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:40, 52).

Rehefa feno 12 taona i Jesoa dia nanao dia niaraka tamin’ny fianakaviany nankany Jerosalema Izy mba hankalazana ny Fetin’ny Paska. Rehefa teny an-dalana hody any Nazareta izy ireo dia hitan’i Maria sy i Josefa fa tsy niaraka tamin’ny fianakaviana nanao dia niaraka tamin’izy ireo i Jesoa. Hitan’izy ireo ihany Izy tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, nampianatra ireo olona sy namaly ny fanontanian’izy ireo (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 2:46). Rehefa naneho ny ahiahiny i Maria momba ny tsy nahitana Azy dia hoy i Jesoa hoe: “Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny [na eto amin’ny raharahan’ny] Raiko Aho?” (Lioka 2:49). Na dia fony Izy zatovo aza dia nifantoka tamin’ny fanaovana ny asan’ny Rainy i Jesoa.

Nitia sy nanompo an’ Andriamanitra Ray i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany. Hoy Izy: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38). Tian’i Jesoa Kristy mba hanao toy izany koa ny tsirairay avy amintsika. Nampanantena Izy fa “izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra” no hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra (Matio 7:21).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Jaona 8:25–30, izay ahitana an’i Jesoa Kristy manazava hoe “Izaho manao izay sitra[ky ny Ray] mandrakariva” (andininy faha 29). Inona no azonareo atao mba hahatakarana sy hanarahana bebe kokoa ny sitrapon’ny Ray eo amin’ny fiainanao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hisaintsainana ireo fanontaniana izay napetraky ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ity fanambarana manaraka ity:

    “Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve ianao hamela ny feony ho lohalaharana amin’ny zavatra hafa rehetra? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony?”

    Ahoana no hitarihan’ny valin-teninao amin’ireo fanontaniana ireo anao mba hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanaovana mandrakariva ny sitrapon’ny Ray?

Hianatra misimisy kokoa

  • Lioka 22:42; Môzià 15:7

  • Chapter 24: Reflections on the Mission of Jesus Christ”, Teachings of Presidents of the Church: Lorenzo Snow (2012), 277–84

Fizarana 2

Ohatra ho an’ny rehetra ny fiainana tonga lafatr’i Jesoa Kristy

Sary
i Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa Kristy

Taloha kelin’ny fiandohan’ny asa fanompoany imasom-bahoaka dia nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa ary natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Na dia tsy nanota mihitsy aza Izy, dia nanazava i Jesoa Kristy fa nila natao batisa Izy mba “hanatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Nony nivoaka ny rano i Jesoa dia re ny feon’ Andriamanitra Ray nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Nidina teo amin’i Jesoa ny Fanahy Masina, naseho tamin’ny alalan’ny famantarana miendrika voromailala. (Jereo ny Matio 3:13–17.)

Nanana fiainana tonga lafatra i Jesoa Kristy. Taorian’ny batisany dia nifady hanina 40 andro sy 40 alina Izy mba hifandray tamin’ Andriamanitra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:2) Nanatona mba haka fanahy Azy avy eo i Satana. Saingy nanohitra mafy ireo fakam-panahy i Jesoa Kristy Ny fiainany tsy nisy fahotana dia nanomana an’i Jesoa Kristy tamin’ny fanolorana ny Tenany ho sorona ho an’ny fahotan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Satria Izy no hany tonga lafatra tamin’ireo zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy no ohatra faratampony ho antsika tsirairay avy eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanaraka an’ Andriamanitra (jereo ny 1 Petera 2:21–22).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Matio 4:1–11, sy ny Dikatenin’i Joseph Smith izay manoritsoritra ny zavatra nitranga rehefa niezaka ny haka fanahy an’i Jesoa i Satana. Inona no azonareo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Kristy mikasika ny fiatrehana ny fakam-panahy? Ahoana no hanomanan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny fahalalana ny soratra masina anao mba handresy ny fakam-panahy?

  • Nampianatra ireo mpianatra Nefita roa ambin’ny folo mikasika ny anjara asan’izy ireo amin’ny maha mpitsara ny vahoaka azy ireo i Jesoa Kristy. Vakio ny 3 Nefia 27:27 mba hahitana ny didy nomen’i Jesoa Kristy an’ireo mpianany. Nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra ny ho toa Azy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Angataho ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao mba handinika ny antony nilaina an’i Jesoa Kristy hisedra fakam-panahy. Asao izy ireo mba hitady valiny ao amin’ny Hebreo 2:17–18; 4:15–16. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra fa niatrika karazana fakam-panahy mitovy amin’ireo izay atrehintsika amin’izao fotoana izao i Jesoa Kristy?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Nampianatra antsika hifankatia sy hifanompo i Jesoa

Sary
i Jesoa manasitrana lehilahy malemy

Nampianatra i Jesoa Kristy fa misy didy roa lehibe. Ny voalohany amin’ireo didy ireo dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fo sy ny fanahy, ary ny saina rehetra. Ny faharoa dia ny mitia ny hafa tahaka ny itiavantsika ny tenantsika. (Jereo ny Matio 22:36–39.) Nampianatra ireo fahamarinana ireo matetika tao amin’ireo toriteny sy fanoharana i Jesoa Kristy (jereo ohatra ny Jaona 25:31–46; Lioka 10:25 -37).

Ohatra iray hatrany ny amin’ny fomba tokony hanarahana an’ Andriamanitra sy hitiavana ny hafa i Jesoa Kristy. Nasehony manokana ny fitiavany sy ny fangorahany ny hafa rehefa nanompo tamin-kery lehibe teo anivon’ny zanak’ Andriamanitra Izy, nanasitrana ny marary sy nanao fahagagana lehibe maro (jereo ny Matio 11:4–5; Môzià 3: 5–6).

Ampahany iray manan-danja teo amin’ny asa fanompoan’i Kristy teto an-tany ny fanorenana ny Fiangonany. Teo am-panaovana izany Izy no niantso mpianatra roa ambin’ny folo, nanome fahefana azy ireo hitory ny filazantsara ary nanome azy ireo hery hanasitrana ny marary (jereo ny Matio 10:1–8.). Nanohy ny asan’ny Tompo ireo mpianatra ireo taorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty rehefa nampianatra fibebahana sy nanasa ny hafa mba hatao batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:22–24, 37– 47). Amin’ny fampiasana ny herin’ny fisoronana hanasitranana no nanompon’izy ireo ny hafa sy namoronany fotoana hanararaotana hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:1–11).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny didy lehibe faharoa dia ny mitia ny namanantsika. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho ohatra tsara eo amin’ny fomba fifandraisana amin’ny hafa isika, indrindra rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra. Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa.” Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny ohatr’i Jesoa Kristy manampy anao rehefa sarotra ny mitia ny hafa?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hiaraho vakina ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ity:

    “Aza kivy mihitsy, kanefa na lalina toy ny ahoana aza ny ratran’ny fanahinao, na inona na inona no nahatonga izany, na aiza na aiza ary na oviana na oviana no hitrangany, ary na maharitra hafiriana ny hijanonan’izany eo, dia tsy natao ho resy ara-panahy ianao. Ianao dia natao handresy ara-panahy sy hivelatra ao anatin’ny finoana sy fatokiana an’ Andriamanitra.

    “Tsy noharian’ Andriamanitra tsy hiankina Aminy ny fanahintsika. I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Sorompanavotany tsy hay tombanana dia tsy vitan’ny hoe mamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy manome antsika ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fibebahana fotsiny, fa vonona ihany koa Izy hamonjy antsika amin’ny alahelo sy ny fijaliana mihatra amin’ny fanahintsika maratra.”

    Mifanakaloza hevitra mikasika ny hery azo raisintsika noho ny fahafan’ny Mpamonjy manasitrana. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hieritreritra hizara ny zavatra niainany, raha mety izany, rehefa nahatsapa ny hery manasitran’i Jesoa Kristy izy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 4

Nanolotra ny ainy i Jesoa Kristy mba hanavotana ny zanak’ Andriamanitra.

Sary
i Jesoa mandohalika

I Abinadia, ilay mpaminanin’ ny Bokin’i Môrmôna, dia naminany fa i Jesoa Kristy dia hidina avy any an-danitra ary hotevatevaina sy hokapohina, horoahina, hohomboana sy hovonoina; izany rehetra izany dia ny mba hahafahany manavotra ny olony (jereo ny Môzià 15:1–7). Ny zavatra tena ilain’izao tontolo izao indrindra ankehitriny dia ny mianatra sy mahatakatra ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny fomba nijaliany sy nanefany ny sarany noho ny fahotantsika mba ho voavonjy isika.

Nitranga nandritra ireo ora farany niainan’ny Tompo ny sasany amin’ireo tranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Rehefa nanakaiky ny fankalazana ny Paska Jiosy, dia nitondra an’ireo mpianany tany Getsemane i Jesoa, saha iray ana hazo oliva teo an-Tendrombohitra Oliva na teo akaikin’izany, tsy lavitra eo ivelan’ny rindrin’ny Jerosalema. Teto i Jesoa Kristy no nivavaka sy nanomboka nandray teo Aminy ny zavatra rehetra notakiana ho fanavotana antsika. Naminany i Benjamina Mpanjaka fa i Jesoa Kristy dia hahatsapa “fanaintainan’ny vatana, dia hanoanana, hetaheta ary harerahana,” ary ny “fitaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ny olony” (Môzià 3:7). Tsy afaka hahatakatra ny vaika sy ny halalin’ny fijaliany tao Getsemane isika, saingy ny fangirifiriana dia nahatonga an’i Jesoa ho tsemboka “tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ny tany” (Lioka 22:44; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18).

Namadika an’i Jesoa avy eo ny iray tamin’ireo mpianany, nosamborina Izy, notevatevaina, ary niampangan’ireo Jiosy mpitarika fivavahana lainga. Nosamborina Izy, nalaina am-bava ary nokapohin’ireo Romana. (Jereo ny Matio 26:47–6827:1–31.) Nalain’ireo miaramila i Jesoa Kristy ary nohomboany, izay midika hoe nofantsihana tamin’ny hazofijaliana ny tanany sy ny tongony (jereo ny Lioka 23:33–38). Raha mbola natsangana sy nihantona teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia mbola nitohy ny fanaintainana sy ny fijaliana noho ny fahotantsika. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ahitana ny sarany nefainy teo Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana mba handresena ireo vokatry ny fahotana ho an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany (jereo ny Almà 5:48; 3 Nefia 9:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:17).

Rehefa nodimandry i Jesoa, dia napetraka tao amin’ny fasana ny vata-mangatsiakany (jereo ny Jaona 19:38–42). Tamin’ny andro fahatelo taorian’ny fanomboana Azy, dia niverina tao amin’ny vatany indray i Kristy ary Izy no olona voalohany nitsangana tamin’ny maty jereo ny Matio 28:1–8). Maro ireo olona nanatri-maso ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ilay vaovao be voninahitra. Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ihany koa dia hanana ny fanahiny hitambatra indray amin’ny vatany ary handray ny fitahian’ny tsy fahafatesana (jereo ny 1 Koritiana 15:21–22; Almà 11:44–45). Ny zavatra rehetra niaretan’i Jesoa Kristy nandritra ny fiainany teto an-tany dia nataony noho ny fitiavany an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra (jereo ny 1 Nefia 19:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:3).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Talohan’ny nandehanany tao Getsemane dia nampahafantatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo an’ireo mpianany i Jesoa Kristy. Vakio ny Matio 26:26–30. Inona no azonao atao mba hisaintsainana misimisy kokoa momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy Sorompanavotany rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo? Mampitombo ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny zavatra iainanao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hiaraho vakina ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:

    “Nandao ny voninahiny mba ho tonga ety an-tany amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo Izy ka notevatevaina, noesoina, sy nororaina, ary nokapohina tamin-kabibiana. Nentin’ny Mpamonjintsika teo Aminy, tao amin’ny Sahan’i Getsemane, ny fanaintainana rehetra sy ny fahotana rehetra ary ny alahelo sy ny fijaliana rehetra izay mety holalovanao sy izaho ary ny olona tsirairay izay efa niaina na mbola hiaina. Teo ambanin’ny vesatr’izany zioga mangirifiry izany dia nivoa-dra ny maso-kodiny rehetra. Izany fijaliana rehetra izany dia nihamafy rehefa nohomboina tamin’ny fomba feno habibiana teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary Izy.

    “Tamin’ny alalan’ireo traikefa mangirifiry ireo sy ny Fitsanganany tamin’ny maty avy eo, izany hoe ny Sorompanavotany tsy manam-petra, no nanomezany ny tsy fahafatesana ho an’ny rehetra, sy nanavotany ny tsirairay amintsika tamin’ireo vokatry ny fahotana, raha toa isika ka mibebaka.”

    Mifanakaloza hevitra miaraka amin’ny vondrona misy anao mikasika ny antony maha zava-dehibe ny fianarana momba ny fijalian’i Jesoa Kristy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana, ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Afaka mampanakaiky kokoa anao amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana misimisy kokoa ny zavatra niainany?

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy