Tahirim-pitaovana
Ireo fanalahidin’ny fisoronana


“Ireo fanalahidin’ny fisoronana”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
I Kristy manendry ireo Apôstôly

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ireo fanalahidin’ny fisoronana

Ny fahefana hitarihana ny asan’ Andriamanitra.

Zavatra efa iainanao isan’andro angamba ny fanokafana varavarana amin’ny alalan’ny fanalahidy. Afaka ny ho fanehoana an’ohatra ny olona iray manana fahefana sy manana fahafahana hiditra ny fihazonana fanalahidy. Ireo fanalahidin’ny fisoronana izay hazonin’ireo mpanompon’ny Tompo dia manome lalana azy ireo hitarika ny fomba ampiasana ny hery sy fahefanan’ny fisoronana eo amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana.

I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana izay mifandray amin’ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mifandray amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra ireo.

Ireo filohan’ny tempoly, filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, eveka ary filohan’ny kôlejy ihany koa dia mihazona fanalahidin’ny fisoronana izay ahafahan’izy ireo miahy sy mitarika ny asa nanirahana azy ireo. Noho ireo fanalahidin’ny fisoronana dia afaka mandray ireo ôrdônansy, fanekempihavanana, fitahiana, ary hery ilaintsika isika mba hiverenana hiaina any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika ary ho lasa tahaka Azy ireo.

Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana?

Ny fanalahidin’ny fisoronana dia zon’ny fiadidiana, na ny fahefana omen’ Andriamanitra ny olona mba hitantanany sy hitarihany ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (jereo ny Matio 16:15–19 Ilaina ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitantanana ireo ôrdônansy ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fisoronana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fisoronana Aharôna; Fisoronana Melkizedeka; Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana

Fizarana 1

Namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’izao androntsika ireo ireo iraka avy any an-danitra

Sary
sarivongana maneho ny famerenana amin’ny laoniny

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, dia nanome “ireo fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” an’i Petera sy Jakoba ary Jaona i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 16:18–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:5–7). Niala teto an-tany nandritra ny taonjato maro niaraka tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôly ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Tamin’ny taona 1829, dia niverina teto an-tany i Jaona Mpanao Batisa ary namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna sy ireo fanalahidiny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; Joseph Smith—Tantara 1:67–72). Fotoana fohy taorian’izany, dia namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidiny i Petera sy Jakoba ary Jaona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27: 12– 12).

Nisy iraka avy any an-danitra hafa koa, isan’izany i Mosesy sy Elià ary i Elia, niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary nanolotra azy fahefana misimisy kokoa mba hanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ampitahao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–16 sy ny Matio 17:1–9. Ahoana no mampitovy ny zavatra niainan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland amin’ilay iray izay niainan’i Petera sy Jaona ary Jakoba tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy?

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65. Inona avy ireo fomba hanomanan’ Andriamanitra an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomen’ireo mpanompony? Amin’ny fomba ahoana avy no hahafahanao manomana ny tenanao sy ny hafa ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe inona ilay fahefana natolotr’i Mosesy, i Elià ary i Elia tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Vakio miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao ity teny nambara manaraka ity:

    • “Nanolotra ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely i Mosesy … ;

    • “Nanolotra ny fanalahidin’ny fanekempihavanan’i Abrahama kosa i Elià;

    • “Ary naverin’i Elia tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana hamehy.

    • “Nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny ireo an’ireo Apôstôly rehetra voantso tamin’ny androny i Joseph Smith. Manaraka an’izany koa, ireo fanalahidy ireo dia nafindra tamin’ireo taranaka nifandimby ka hatramin’ireo mpitarika ny Fiangonana ankehitriny. Ankehitriny dia ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy rehetra izay nohazonin’-ireo rehetra izay efa nandray fotoampitantanana, na inona na inona izany fotoana izany, hatramin’ny fiandohan’ny fahariana- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:31].”

    Nahoana ny Filohan’ny Fiangonana no mila mihazona an’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena an’i Joseph Smith amin’izao fotoana izao?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Manohana ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana isika

Sary
Fianakaviana mijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ireo fitsipika fototra sy fitantanana ary fotompampianaran’ny Fiangonana dia eo ambany fitarihan’ireo fanalahidin’ny fanjakana”. Midika izany fa ireo fanalahidin’ny fisoronana izay hazonon’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manome fahefana azy hitantana ireo fitahiana, ôrdônansy, fanekempihavanana ary firafitry ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 65–67).

Manana fahafahana matetika ireo mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ireo fivoriana fanasan’ny Tompo mba hanohana ireo mpitarika eo an-toerana sy maneran-tany, isan’izany ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Ny hoe manohana dia mampiseho ny fahatokiantsika azy ireo sy ny fanolorantenantsika hanohana sy hanampy ary hivavaka ho azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2). Afaka mahazo fiarovana ara-panahy ihany koa isika rehefa manaraka sy manohana ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43: 1–7).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:2–6 mba hianarana fahamarinana manan-danja momba ireo fanalahidin’ny fisoronana izay hazonin’ireo mpkambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Inona no ifandraisan’ireo fanalahidin’ny fanjakana amin’ireo fanambarana nomen’ Andriamanitra an’ny Fiangonana? Inona no hitranga raha ataontsika tsinontsinona ireo fanambarana omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fanjakana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ifanakalozy hevitra amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao ilay fahamarinana fa izay rehetra manompo ao amin’ny Fiangonana—lehilahy sy vehivavy—dia antsoina eo ambany fitarihan’ny olona iray mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11). Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy.” Tamin’ny fotoana inona ianao no nahatsapa ny fitahian’ Andriamanitra nanampy anao taorian’ny fanokanana anao hanompo amin’ny antso ato amin’ny Fiangonana?

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Keys of the Priesthood,” Ensign, Oct. 2005, 43.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 198.

  3. Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana”, Liahona, mey 2014, 51.

Hamoaka printy