Tahirim-pitaovana
Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana


“Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Manamasina ny fanasan’ny Tompo

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana

Nanome fahefana hiasana amin’ny anarany Andriamanitra

Alaivo sary an-tsaina hoe hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy namerina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana Andriamanitra mba hanaovana fanekempihavanana sy ôrdônansy ary ireo fanomezana masina maro hafa afaka ny ho anao sy ireo olona akaikin’ny fonao. Ampahany manan-danja amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ilay hafatra hoe satria tian’ Andriamanitra ny zanany, dia nomeny hery sy fahefan’ny fisoronana ireo mpanompony ato amin’ny Fiangonana. Ny fisoronana dia ahitana ny fahefana hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Aman-tapitrisany ankehitriny no voatahy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana masina sy ôrdônansy ary fitahiana hafa izay nomena tamin’ny alalan’ny hery sy fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra.

Ny fisoronan’ Andriamanitra dia nitahy hatrany ireo zanany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôlin’i Kristy tamin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao, dia very ny fahefana hiasa amin’ny anaran’ Andriamanitra. Fotoana ela taty aorina, tamin’ny taon-jaton’ny 1800, dia nisy iraka avy any an-danitra tonga sy nanome ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany amin’ny ankapobeny ny famerenana amin’ny laoniny ny herin’ Andriamanitra. Ny fahefana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana dia mbola mitoetra ato amin’ny Fiangonana ankehitriny.

Inona no atao hoe Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana?

Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefana hiasa amin’ny anaran’ Andriamanitra. Io hery avy any an-danitra io dia manome fahafahana an’ireo zanak’ Andriamanitra handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavana izay tena ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Very io fisoronana io taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Tompo tamin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao. Tamin’ny voalohan’ny taon-jato 1800, dia nisy iraka avy any an-danitra namerina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fisoronana tamin’ny alalan’ny fanomezana izany an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Topimaso momba ny lohahevitra: Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, Joseph Smith, Fisoronana Aharôna, Fisoronana Melkizedeka, Ireo fanalahidin’ny fisoronana, Fitahian’ny fisoronana, Fanekempihavanana sy ôrdônansy

Fizarana 1

Manome ny herin’ny fisoronany Andriamanitra hitahiana ireo zanany

Sary
olona maro mandeha an-tongotra ho ao amin’ny tempoly

Andriamanitra dia nanome herin’ny fisoronana an’ireo mpanompony hatrany am-piandohana (jereo ny Mosesy 6:7). Ireo patriarika taloha, dia i Adama, i Noà, i Abrahama, i Mosesy ary ny maro hafa tsy voatanisa dia nihazona ny fisoronana ho an’ny tanjona mba hitahy ireo zanak’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fisoronana no nanomezan’ Andriamanitra lalana ny olony hizara ny hafatry ny filazantsara ary hanao ôrdônansy masina ho isan’ny fitsaohan’izy ireo. Isaky ny niantso mpaminany Andriamanitra dia nitarika azy ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana avy any an-danitra ary nanome azy ireo ny hery sy fahefan’ny fisoronana.

Ankehitriny, ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy dia manana tombontsoa manokana ny hisitraka ireo fitahiana mifamatotra amin’ny fisoronan’ Andriamanitra. Afaka atao batisa, raisina ho mpikambana sy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, manao ireo ôrdônansin’ny tempoly sy zavatra maro hafa amin’ny alalan’ny fisoronana isika. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana no “miharihary […] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20), ka manomana antsika mba hitovy kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy izany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mamorona fifandraisana ara-panahy manan-danja eo aminao sy Andriamanitra ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana mifamatotra amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny fitandremana ny fanekempihavanana natao tao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly dia manome antsika […] tanjaka hanoherana ireo fisedrana sy ratram-po hoentin’ny fiainana an-tany. Ny fotopampianarana mifandray amin’ireo fanekempihavanana ireo dia manamora ny lalantsika ary manome fanantenana sy fampiononana ary fiadanana.” Inona no hataonao mba hanatanterahanao sy hitandremana ireo fanekempihavanana azonao atao amin’ny alalan’ny fisoronana? Ahoana no hahafahanao manohana sy manampy ny hafa mba hanaovan’izy ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hamaky ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity:

    “Koa satria naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka dia samy afaka mahazo ireo -fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18.] na azontsika lazaina hoe, afaka mahazo ireo harena ara-panahy rehetra natokan’ny Tompo ho an’ireo zanany.

    “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra. Ireo izay nandray fanafiana masina tao amin’ny tranon’ny Tompo dia mandray fanomezana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra, noho ny fanekempihavanana izay nataony, niaraka tamin’ny fanomezana fahalalana ny hahafantatra ny fomba hanovozana amin’io hery io.”

    Inona avy ny sasany amin’ireo “harena ara-panahy” na fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fanaovana ôrdônansy ary ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana?

Hianatra misimisy kokoa

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana”, Médiathèque de l’Évangile

  • Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Liahona, May 2005, 43–45

  • Chapter 5: The Holy Priesthood—for the Blessing of God’s Children”, Teachings of Presidents of the Church: Lorenzo Snow (2011), 45–56.

Fizarana 2

Namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana Aharôna tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa efa nitsangana tamin’ny maty.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manome ny fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

Ny Tompo dia nanomana fomba mirindra hizarana ny fahefan’ny fisoronany. Tsy afaka maka izany fahefana izany ho an’ny tenany ny olombelona (jereo ny Hebreo 5:4). Ireo izay manana ny fisoronana ihany no afaka manendry ny hafa ary tsy afaka manao izany izy raha tsy efa nomen’ireo izay manana ny fanalahidy hanaovana izany fanendrena izany (jereo ny Fanekem-pinoana 1:5).

Raha teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia sendra andinin-tsoratra masina mikasika ny batisa. Nanana fanontaniana momba an’izany i Joseph sy i Oliver (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68) ary nanapa-kevitra ny hanontany ny Tompo. Nandeha tany an’ala izy ireo mba hivavaka, ary ho valin’ny vavaka nataon’izy ireo, dia niseho tamin’izy ireo i Jaona Mpanao Batisa ary nanome azy ireo ny fahefan’ny fisoronana tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13). Nomeny toromarika izy ireo mba hifanao batisa sy hifanendry ao amin’ny fisoronana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanana fanontaniana momba ny fampianarana ara-pivavahana tamin’ny androny i Joseph Smith tovolahy. Nitodika tamin’ Andriamanitra tamin’ny vavaka izy mba hikatsahana fitarihana ary notsidihin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:17–20. Ahoana no hanampian’io andinin-tsoratra masina io anao hahatakatra bebe kokoa ny antony nilana ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho mijery amin’ny olona ao amin’ny vondrona misy anao ny horonan-tsary “Restoration of the Priesthood” (2:00), sady mihaino an’ireo fitahiana izay tonga eo amin’ny fiainantsika vokatry ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna. Amin’ny fomba ahoana no hahazoantsika bebe kokoa an’ireo fitahian’ny Fisoronana Aharôna eo amin’ny fiainantsika?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Naverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’ny iraka avy any An-danitra dia i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Fisoronana Melkizedeka.

Sary
i Petera sy i Jakoba ary i Jaona manome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith

Tao anatin’ny iray volana taorian’ny fitsidihan’i Jaona Mpanao Batisa dia iraka avy an-danitra maro hafa no tonga tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Ireo Apôstôlin’ny Testamenta Vaovao, dia i Petera sy Jakoba ary Jaona tamin’ity indray mitoraka ity, no nanome an’i Joseph sy i Oliver ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27: 12–13; 128:20). Raha toa ka nanome fahefana an’i Joseph sy i Oliver hanao batisa ny Fisoronana Aharôna, ny Fisoronana Melkizedeka kosa dia nanome azy ireo ny fahefana hiahy ny Fiangonana ary hanatanteraka ireo ôrdônansy rehetra ilaina hahazoana famonjena sy fisandratana.

Nomena fanalahidin’ny fisoronana fanampiny i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tato amin’ny Fiangonana, na fahefana hanara-maso sy hitarika ny ampahany sasany amin’ny Fiangonana sy ny tanjony. Iraka hafa avy an-danitra—i Mosesy sy i Elià ary i Elia— no tonga tao amin’ny tempolin’ny Kirtland, nanolotra ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’ i Abrahama (isan’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama) ary ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny mpihazona ny fisoronana tsirairay dia manoritra ny fitohizam-pahefany hatrany amin’io tranga masin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana io. Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Isika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia afaka manoritra ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana ampiasain’ny diakona vaovao indrindra ao amin’ny paroasy, sy ny eveka izay miahy azy, ary ny mpaminany izay miahy antsika rehetra. Izany fitohizana izany dia mandeha miverina tsy mitapatapaka hatrany amin’ireo anjely mpanompo izay avy amin’ny Zanak’ Andriamanitra mihitsy, izay nitondra ity fanomezana tsy manam-paharoa ity avy any an-danitra.” Ny fitohizam-pahefan’ny fisoronan’ ny lehilahy iray dia azo angatahina any amin’ny foiben’ny Fiangonana.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ahoana no nahatsapanao fiovana teo amin’ny fiainanao taorian’ny nandraisanao ôrdônansin’ny fisoronana iray? Eo am-panidihanao sy ny mpikambana hafa ao amin’ny vondrona misy anao io fanontaniana io dia vakio ity teny nambara avy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:74 ity: “Rehefa nohazavaina ankehitriny ny sainay, dia nanomboka nosokafana ho an’ny fahatakaranay ny soratra masina; ary ny hevitra marina sy ny dikan’ireo andalany saro-pantarina indrindra dia nambara anay tamin’ny fomba izay tsy nety ho takatray na oviana na oviana fahiny, na tsy noheverinay na oviana na oviana teo aloha.”

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana

Hamoaka printy