“Ny anjara asan’ireo mpaminany,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny filazantsara
Ny anjara asan’ireo mpaminany
Topimaso
Hatramin’ny andro fahiny dia niantso mpaminany Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hanambara ny teniny. Manomana sy miantso ary mitarika ireo mpaminany Andriamanitra mba hanatanterahana ireo tanjony mandrakizay. Ny soratra masina dia mirakitra ny fampianaran’ny mpaminany maro, tahaka an’i Mosesy, Isaia, Elia, ary Nefia. Samy niresaka tamin’ny olona tamin’ny fiteniny sy ny vanim-potoana niainany ary ny toerana misy azy izy ireo, ka nanolotra torolalana nentanim-panahy sy fampitandremana ara-potoana.
Manohy miantso mpaminany Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Nahazo fahefana i Joseph Smith Mpaminany hanatanterahana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana ary hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nahazo fanambarana ihany koa izy izay manazava fahamarinana maro manan-danja mahakasika an’ Andriamanitra sy ny drafiny ho an’ireo zanany. Ireo Filohan’ny Fiangonana mpandimby azy dia nanana fahefana handray fanambarana mba hanampiana amin’ny fahalalana ny filazantsara sy hitarihana ny Fiangonana. Io fitsipiky ny fanambarana mitohy io dia singa fototra iray ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.
Tohanan’ireo Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ireo fampianaran’ny Fiangonana dia ambaran’ny feo miray sainan’ireo mpaminany velona ireo. Ny fotopampianarana dia ambaran’ny Filohan’ny Fiangonana sy hazavainy ary tohanan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ao anatin’ny firaisam-peo, araka ny lamina nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31.
Lehilahy mety maty no nantsoin’ny Tompo ho mpaminaniny. Tahaka ireo zanak’ Andriamanitra rehetra dia miaina ireo fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany izy ireo, saingy miasa amin’ny alalan’izy ireo ny Tompo mba hanatanterahana ny asany. Nandidy ny Fiangonana Izy mba hihaino ny torohevitr’izy ireo “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.” Raha manao izany isika dia mampanantena Izy fa “hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloan[tsika], ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho [antsika].”
Nahoana no zava-dehibe ho ahy ny mihaino ireo mpaminany?
Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany amin’izao andro farany izao mba hanampiana Azy hanatanteraka ny asany mahatalanjona: Maniry Izy hampianatra ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana, hanamora ny famelana ny fahotana, ary hanolotra fanampiana amin’ny alalan’ny fitsapana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra; hampiray tontolo mizarazara manodidina ny fampianarany sy ny ohatra nasehony; ary hampifandray ireo taranaka rehetra ao amin’ny fianakaviamben’ny zanakolombelona amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.
Miantso mpaminany ny Tompo ary manome fahefana azy ireo hitarihana ity asa ity. Omeny fanambarana izy ireo mba hanampiana azy ireo hahafantatra izay tokony hantitranterina sy izay fomba fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra. Na dia avy amin’ny tontolo samihafa aza ireo mpaminany ireo, ary manana talenta sy fomba fijery samy hafa, dia mikatsaka amim-panetrentena ny sitrapon’ny Tompo izy ireo ary maharay izany ho an’ny Fiangonany.
Ny fikatsahana fahatakarana sy fanamafisana mikasika ny maha avy amin’ Andriamanitra ny antson’ireo mpaminany amin’ny alalan’ny fampiharana amim-pahatokiana ny fampianaran’izy ireo dia singa iray ao amin’ny maha-mpianatra. Ny fanarahana ireo mpaminany dia mety mitaky “faharetana sy finoana” satria tsy voatery ho takatsika foana ny tanjon’ Andriamanitra amin’ireo fanambarana sy fampianarana ambara amin’ny mpaminany iray. Na dia mety hanana fanontaniana aza isika dia mangataka antsika ny Tompo mba hanaraka ny fitarihan’ireo mpanompony ao anatin’ny finoana ny fahalalany tonga lafatra sy ny herin’ny Sorompanavotany.
Rehefa mihaino ny tenin’ireo mpaminany isika dia manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika. Ka mitambatra amina fiarahamonina iray maneran-tany iraisan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izay manolo-tena hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany isika dia misokatra amintsika ireo fitahian’ny herin’ Andriamanitra sy ny fiadanana mandrakizay nampanantenaina an’ireo izay miditra miroso manao fanekempihavanana ao amin’ny filazantsara ary mitandrina izany.
Ahoana no ahafahako mahazo fijoroana ho vavolombelona fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminany ny Tompo?
Tian’ Andriamanitra ireo zanany hihaino sy hatoky ireo mpaminaniny. Rehefa mikatsaka omban’ny tena finiavana isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona manokana fa mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny.
Afaka mampihatra ny torohevitry ny mpaminany Almà isika. “[Andramo] ny teniko,” hoy izy nanentana an’ireo Zôramita, “ary [mampihara] sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko” (Almà 32: 27
Nanazava misimisy kokoa i Almà hoe: “hampitahaintsika amin’ny voa iray ny teny.” Ankehitriny, raha manisy toerana ianareo, mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo, indro, raha tena voa marina izany na voa tsara, “raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo, … dia hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy” dia hanomboka hiteny ianareo hoe: “Tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy.”
Araka ny nampianarin’i Almà dia afaka manandrana ny tenin’ireo mpaminany isika. Ohatra, raha azo atao dia afaka manao asa araka ny torohevitry ny mpaminany isika mba hanamboatra fotoana tsy tapaka hitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo. Rehefa manao izany isika dia afaka miambina ireo fitahiana nampanantenain’ny mpaminany. Manamafy orina ny finoantsika ny tenin’ireo mpaminany velona ny fahatakarantsika ireo fitahiana ireo.
Dingana mandritra ny androm-piainana ny fikolokoloana ny voan’ny finoantsika saingy afaka manomboka dieny ankehitriny isika maka fiantohana ara-panahy avy amin’ireo mpaminany velona sy mihaino ny torohevitr’izy ireo amim-paharetana sy amim-pinoana.
Moa ve tsy mety diso ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?
I Jesoa Kristy ihany no nanana fiainana tonga lafatra. Miezaka miaina fiainana marina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary mitondra ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo sy ny zavatra ataony, saingy izy ireo dia iharan’ny fahalemen’ny olombelona anefa. Tsy hoe tsy mety diso ireo mpitarika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Saingy tsy tokony ho very ny fifantohantsika amin’ny anjara asa fototra ananan’izy ireo. Miantso ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo mba ho “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy” sy hiasa amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’izao androntsika izao. Tahaka ireo mpaminany fahiny dia mifandray amin’ Andriamanitra izy ireo ary manambara ny sitrapony. Manana fahefana avy any an-danitra izy ireo hitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanambarana, sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny filazantsara ary hitarika ny asan’ny Tompo eto an-tany. Tsy midika akory izany fa mahafantatra ny zava-drehetra izy ireo. Miasa araka ny fahazavana izay nomen’ny Tompo izy ireo, sy mikatsaka fahalalana bebe kokoa amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy, ary miantehitra amin’ny hery mampatanjaka azon’izy ireo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.
Niasa foana tamin’ny alalan’ireo mpaminany mety maty ny Tompo na dia teo aza ny fahalemen’izy ireo. Tahaka an’i Jona nandositra ny antsony ho any Ninive sy i Petera nanapaka ny sofin’ilay miaramila, na i Joseph Smith nanome ireo pejy avy amin’ny Bokin’i Môrmôna voadika ho an’i Martin Harris, dia mety manao fahadisoana ireo mpaminany indraindray. Amin’ny tranga toy izany dia manitsy ireo mpanompony ny Tompo, ary rehefa avy mibebaka izy ireo dia mitahy azy ireo Izy mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa izay niantsoany azy ireo mba hataony.
Zava-dehibe ny mahatsiaro ny fomba nanorenana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Ny fotopampianarana dia ambaran’ny Filohan’ny Fiangonana sy hazavainy ary tohanan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ao anatin’ny firaisam-peo, araka ny lamina nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31. “Ity fepetra itakiana ny firaisam-peo ity dia misoroka ny isian’ny fijery mitongilana sy ny tsy fitiavana manokana”. Izany no miantoka fa Andriamanitra no mitantana amin’ny alalan’ny Fanahy, fa tsy ny olombelona amin’ny alalan’ny antsasa-manila na ny marimaritra iraisana.” Ny fampianarana ataon’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana dia mety haneho “hevitra avy amin’ny tenany manokana izay avy tamim-pisainana tsara, fa tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy [na] tsy maintsy arahan’ny Fiangonana iray manontolo.”
Afaka mahazo toky manokana isika tsirairay amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa voantson’ Andriamanitra ireo mpaminany ary Izy no mitarika ny asany amin’ny alalan’izy ireo.
Inona no dikan’ny hoe tsy hitarika ny Fiangonana amin’ny lalan-diso na oviana na oviana ny mpaminany?
Hoy ny Filoha Wilford Woodruff: “Ny Tompo dia tsy hamela ahy na oviana na oviana, na ny lehilahy iray hafa izay mitana ny toeran’ny Filohan’ity Fiangonana ity hitarika anareo haniasia” Nanamafy io fampianarana io nandritra ny taranaka maro ireo mpaminany sy apôstôly. Ny fotopampianarana dia ambaran’ny Filohan’ny Fiangonana sy hazavainy ary tohanan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ao anatin’ny firaisam-peo, araka ny lamina nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31.
Mino ny Olomasin’ny Andro Farany fa ny fahafenoan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny fahefan’ny fisoronana dia tsy hoesorina eto an-tany intsony. Midika izany fa hitarika ireo mpaminany mandrakariva Andriamanitra mba hakana antoka fa manatanteraka ny iraka nampanaovina azy ny Fiangonana mba hanomanana ireo zanany ho amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Hanohy hanambara ny sitrapony amin’ireo mpaminany andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Izy, ka hampitombo ny fahatakarantsika sy ny fanafoanana ny fahadisoantsika ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara mivelatra kokoa.
Nahoana no misy zavatra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izay miova rehefa mandeha ny fotoana?
Manambara ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 fa ny Fiangonana no “hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo.” Kanefa mitombo sy miova avokoa ny zavatra velona rehetra. Samy hafa ny fomba fanaon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao sy ny tamin’ny vao taona vitsy lasa. Toetoetra iray tena manan-danja mamaritra ny Fiangonana izany, izay mifototra amin’ny fitsipiky ny fanambarana mitohy. Mino ireo Olomasin’ Ny Andro Farany fa Andriamanitra dia “mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro.”
Ny fanambarana mitohy dia afaka mampivelatra na mampatsilo ny fahatakarantsika, ka mitarika antsika hanova ny sasany amin’ireo fomban-drazantsika, ary hanampy antsika hanakaiky kokoa ilay idealin’i Ziona hatrany. Mampihatra fanovana ny Fiangonana maneran-tany mba hahafahan’ny fitsipika mifehy izany ho hanome ny zavatra ilaina amin’ny fotoana sy toerana voafaritra tsara. Raha ny marina, ny zavatra nilain’ireo Olomasina tany amin’ny sisintany Amerikana tamin’ny taonjato faha-19 dia samy hafa be amin’ny lafiny maro amin’ny an’ireo mpikamban’ny Fiangonana an-tapitrisany niely patrana manerana izao tontolo izao ankehitriny.
Ny ankamaroan’ireo fanovana iainantsika ato amin’ny Fiangonana dia ahitana ny fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara, toy ny fomba hitarihantsika ny fitsaohana amin’ny Sabata na ny fomba hifanompoantsika ao amin’ny paroasy sy sampana misy antsika. Indraindray ny fanambarana dia nitarika tamin’ny fiovana lehibe kokoa eo amin’ireo fampianarana sy fomba fanao ao amin’ny Fiangonana. Anisan’izany ireo fanambarana ôfisialy hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay nitarika tamin’ny fiafaran’ny fampakarana vady maro sy ny fihanahan’ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly ho an’ny rehetra na inona na inona firazanana.
Moa ve manan-danja kokoa ny fampianaran’ireo mpaminany velona noho ny an’ny soratra masina na ny an’ireo mpitarika taloha tato amin’ny Fiangonana?
Manan-danja daholo ireo mpaminany velona sy ny soratra masina ary ireo mpitarika taloha ato amin’ny Fiangonana. Ny tanjona voalohan’ireo loharanom-pahamarinana telo ireo dia ny hijoro ho vavolombelona momba ny iraka famonjena nampanaovina an’i Jesoa Kristy. Tokony hikatsaka ny hahatakatra ny anjara asa manan-danja sahanin’ny loharanom-pahamarinana tsirairay isika, sy ny fomba fifandraisan’izy ireo.
Ny soratra masina dia loharanon’ireo fahamarinana manan-danja nambara nandritra ny arivo taona sy tao anatin’ny sehatra maro ara-kolontsaina. Mihazona ireo fahamarinan’ny filazantsara manan-danja foana eo anoloan’ny masontsika izy ireo. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy izy ireny ary manome fahafahana ny hiresahan’ny Fanahy amintsika. Ny fampianaran’ireo mpaminany taloha tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia manome loharanom-pahamarinana ara-panahy mitovy amin’izany. Tokony hikatsaka ny hahatakatra ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany taloha isika ao anatin’ny sahan-kevitra izay nanomezana azy ireo ka hanaiky amim-pankasitrahana ireo fahamarinana nambara izay zaraina amin’ny alalan’izy ireny.
Ireo mpaminany velona dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina hitarihana ny Fiangonana sy hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny filazantsara ankehitriny. Manampy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Kristy amin’ireo izay nambaran’ireo mpaminany taloha izy ireo. Manampy antsika izy ireo hahita ny fomba hampiharana ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao. Mandray fanambarana vaovao ho an’ny Fiangonana izy ireo, mandrindra ireo torolalana taloha mba hifanaraka kokoa amin’ireo toe-javatra ankehitriny araka ny torolalan’ny Tompo. Indraindray ny fampianaran’izy ireo dia manova ny an’ireo mpaminany teo aloha. Matetika kokoa dia manamafy ny fampianaran’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany taloha ny tenin’izy ireo.