Tahirim-pitaovana
Fahitana Voalohany


“Fahitana Voalohany”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
fahitana voalohany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahitana Voalohany

Nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith.

Mizara tantara maro momba ireo mpaminany izay nifandray tamin’ Andriamanitra ny soratra masina (jereo ny Amosa 3:7). Mampianatra Ny Baiboly fa Andriamanitra dia niteny “nifanatrika” tamin’i Mosesy (Eksodosy 33:11). Ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia niresaka tamin’i Jesoa Kristy na notsidihiny manokana ary nandray fitarihana avy Aminy momba ny andron’izy ireo (jereo ohatra ny 3 Nephi 11).

Taorian’ny fahafatesan’i Jesoa sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny fahafatesan’ireo Apôstôliny, dia voaloto noho ireo fanovana natao tamin’ny fotopampianarany sy ireo ôrdônansiny ny Fiangonanan’i Kristy. Nitoetra tao anatin’ny haizina ara-panahy nandritry ny taon-jato maro izao tontolo izao noho ny tsy fisian’ny Fiangonanan’i Kristy. Tamin’ny lohataonan’ny 1820, ilay zatovolahy Joseph Smith dia nanahy ny amin’izay mahasoa ny fanahiny ka nikatsaka ny hahafantatra izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Nandeha tao an’ala akaikin’ny tranony izy ary nivavaka mba hangataka fitarihana avy amin’ Andriamanitra. Ho valin’ny vavaka nataony dia niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Toa an’i Mosesy, niresaka nifanatrika tamin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Io tranga io, izay fantatra amin’ny hoe ny Fahitana Voalohany, no nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:7–20).

Inona izany hoe Fahitana Voalohany izany?

Tamin’ny lohataonan’ny 1820, ny zatovolahy iray antsoina hoe Joseph Smith dia nivavaka tao an’ala akaikin’ny tranony tao New York, Etazonia. Ho valin’ny vavaka nataony dia niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Voantso ho mpaminanin’ny Tompo i Joseph Smith taorian’io fanambarana io, ary niantomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahitana Voalohany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Mpaminany, Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, Fanambarana ho an’ny tena manokana

Fizarana 1

Afaka mahafantatra ho an’ny tenanao manokana ianao fa nitranga ny Fahitana Voalohany

Sary
I Joseph Smith ao amin’ilay ala kely

Lafiny iray manan-danja amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy ny tena nisian’ilay fisehoan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany tamin’ilay zatovo Joseph Smith. Ny Fahitana Voalohany dia mampitoetra ilay fahamarinana fa misokatra ny lanitra ary miresaka amin’ny olombelona indray Andriamanitra.

Azontsika atao ny mandalina ny Joseph Smith’s accounts of the First Vision. Azontsika atao ihany koa ny mangataka amin’ Andriamanitra raha toa ka nitranga marina ilay Fahitana Voalohany (Môrônia 10:4–6). Rehefa manao ireo zavatra ireo isika, dia hampianatra antsika ny fahamarinan’ilay Fahitana Voalohany ny Fanahy Masina (jereo ny Almà 5:45–46).”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny herintsika manontolo dia miankina amin’ny fahamarinan’izany fahitana izany. Na nitranga izany na tsy nitranga. Raha tsy nitranga izany, dia fitaka ity asa ity. Raha nitranga izany, dia ity no asa manan-danja sy mahatalanjona indrindra ety ambanin’ny lanitra.” Inona no fiantraikan’ny tena nitrangan’ny Fahitana Voalohany eo amin’ny fiainanao? Raha toa ka tsy mbola nahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’izany ianao, dia amin’ny fomba ahoana no hiezahanao mba hahazo izany?

  • Rehefa mianatra mikasika ny Fahitana Voalohany ianao, dia mety hanampy anao ny mamaky ireo fitantarana samy hafa nomen’i Joseph Smith mikasika ilay zava-nitranga. Hita ao amin’ny “Accounts of Joseph Smith’s First Vision” izy ireo ao amin’ny tranonkala Joseph Smith Papers. Nahoana, araka ny eritreritrao, no nisafidy ny hanamafy antsipirian-javatra samy hafa i Joseph Smith ao amin’ny fitantarana sasany? Inona avy ireo hevi-baovao momba ny Fahitana Voalohany izay azonao tamin’ny alalan’ny fandalinana ireo fitantarana samy hafa?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hiaraho mijery ilay horonan-tsary “Ask of God: Joseph Smith’s First Vision” (06:35). Zarao amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona fa io horonan-tsary io dia noforonina tamin’ny fampiasana ireo antsipiriany avy amin’ny tsirairay amin’ireo fitantaran’i Joseph Smith an’ilay fahitana. Inona no tsapanao rehefa mijery io horonan-tsary io ianao? Inona ny zavatra nianaranao ka tsy noeritreretinao mihitsy hatrizay? Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ny fahatsapana sy ny hevitr’izy ireo.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Afaka mampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fahatakarana ny Fahitana Voalohany

Sary
lehilahy mamaky soratra masina

Ho fanampin’ilay anjara asa lehibe notanan’ny Fahitana Voalohany teo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia afaka mianatra ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara ihany koa isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny fahitan’i Joseph Smith. Nambara tamin’izany fotoana izany avokoa ny toetran’ Andriamanitra sy ny filana ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy sy ny tanjon’ny filazantsara ary ireo fahamarinana manan-danja hafa.

Nanazava fahamarinana maro momba ny toetran’ Andriamanitra izay very nandritra ny taonjato maro ny fisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Isan’’ireo manan-danja indrindra amin’izy ireny ny hoe olona roa samy hafa izay manana vatana mitovy amin’ny antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130: 1, 22). Namaly ireo fanontanian’i Joseph Smith momba ny tontolo ara-pivavahana tamin’izany andro izany i Jesoa Kristy ary nilaza tamin’i Joseph Smith fa ilay Fiangonana marin’i Jesoa Kristy dia tsy teto an-tany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:19–20). Ary tamin’ny teny roa monja no nampianaran’ Andriamanitra Ray an’i Joseph Smith fahaiza-manao iray manan-danja ho an’ireo rehetra mikatsaka fahamarianana: nanondro an’i Jesoa Kristy Izy ary nandidy hoe: “Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17)

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny hafatry ny Loholona Dieter F. Uchtdorf “Les fruits de la Première Vision [Ireo voan’ny Fahitana Voalohany],” ary mifantoha tsara amin’ireo “voa” izay resadresahiny sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fiainanao. Inona no fiantraikan’ny Fahitana Voalohany teo aminao? Midika inona ho anao izany? Azonao raketina ao amin’ny diarinao ny eritreritrao.

  • Vakio ny “Ilay fikarohana tamim-pinoana nitera-bokatsoa”, nataon’ny Loholona Patricio M. Giuffra. Tao amin’io hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany io ny Loholona Giuffra dia nitanisa fahamarinana manan-danja dimy nianarany nandritra ny leson’ny misiônera izay nahenony voalohany ilay tantaran’ny Fahitana Voalohany. Inona amin’ireo fahamarinana ireo no tena manana dikany manokana aminao ? Ahoana no fomba nampatanjahan’ireo fahamarinana ireo ny fijoroanao ho vavolombelona sy nitahian’izy ireo ny fiananao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Na dia tranga feno fahagagana aza ilay Fahitana Voalohany, dia fiandohan’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny fotsiny ihany izany. Maro ireo tranga ara-panahy nanaraka izany. Eritrereto izany zava-marina izany rehefa miara-mamaky ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” ianareo. Rehefa mamaky ianareo dia mijanòna tsindraindray mba hifanakalo hevitra momba ireo famangian’ny anjely izay nitranga taorian’ny Fahitana Voalohany. Nahoana, araka ny eritreritrao, no nanomboka tamin’ny fahitana an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Famerenana amin’ny laoniny? Ahoana no nametrahan’ny Fahitana Voalohany ny fototry ny zavatra izay hitranga?

  • Isan’ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ny Fahitana Voalohany ny hoe Andriamanitra dia mamaly ireo zanany rehefa ao anatin’ny fahoriana izy ireo. Jereo ny horonan-tsary famintinana ny The First Vision: A Joseph Smith Papers Podcast, izay hahitana an’i Spencer W. McBride Mpahay tantaran’ny Fiangonana miresaka momba izany fahamarinana izany. Asao avy eo ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ny fahatsapany sy ny heviny.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Afaka mampianatra anao ny fomba fianarana fahamarinana ny Fahitana Voalohany

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith ny fomba fikatsahana fahamarinana. Manambara ny tantaran’i Joseph Smith fa naniry ny hahalala izay fiangonana tokony hidirana ho mpikambana izy. Nanana io fanontaniana io tao an-tsainy izy raha namaky tao amin’ny Baiboly, ka rehefa namaky tao amin’ny Jakoba 1:5–6 izy, dia nisy dikany manokana taminy ity andinin-tsoratra masina ity: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory.”

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha misy zavatra ampianarin’ilay zavatra mahatalanjona niainan’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely masina antsika, dia tsy inona izany fa ny hoe misokatra ny lanitra ary miresaka amin’ireo Zanany Andriamanitra.” Na dia mety tsy ho tonga amin’ny fahitana aza ireo valim-panontanianao, dia afaka ny hanana antoka mandrakariva ianao fa Andriamanitra dia maheno sy mamaly ireo vavakao. Rehefa manao ezaka amim-pahazotoana sy mametraka ny finoanao amin’ Andriamanitra ianao, dia afaka ny hanana antoka, toa an’i Joseph Smith, fa Andriamanitra dia hitandrina ny fampanantenany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Manana fanontaniana avokoa isika rehefa mianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Voavaly mora foana ny sasany amin’izy ireo raha mitaky ezaka lehibe kokoa kosa ny sasany. Inona avy no fanontaniana anananao momba ny filazantsara na ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany velona? Vakio eo am-pieritreretana ireo fanontaniana ireo ny 1 Nefia 15:6–11. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba handraisana fanambarana? Ahoana no ahafahanao maneho finoana an’i Jesoa Kristy eo am-piandrasanao ireo valiny katsahinao?

  • Vakio ny lahatsoratra “La Première Vision : Un modèle pour la révélation personnelle”, nataon’ny Filoha Henry B. Eyring. Inona no ianaranao avy amin’io lahatsoratra io mikasika ny fomba hiomanana handray fanambarana ho an’ny tena manokana? Inona avy ireo fiovana bitika azonao atao eo amin’ny fiainanao mba hanampiana anao handray kokoa ny bitsiky ny Fanahy Masina?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho mamaky amin’ny vondrona ny 1 Nefia 10:17–19. Inona no ianaranareo avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fahavononan’ Andriamanitra hamaly ireo vavaka ataontsika? Inona no zavatra niainanao manokana mikasika ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana? Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ny heviny sy ny zavatra niainany araka izay mety.

  • Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hamaky na hiaino manokana ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika”. Angataho izy ireo mba hifantoka manokana amin’ny fampianarany momba ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana. Mivondròna avy eo ary asao ny mpikambana tsirairay mba hizara ny zavatra nianarany. Mahatsikaritra lamina izay hitan’ny mpikambana ao amin’ny vondrona ho mifono fampianarana ve ianao? Inona no ianaranao avy amin’ny Filoha Nelson sy avy amin’ny vondrona misy anao momba ny fomba hahazoana tsaratsara kokoa fanambarana ho an’ny tena manokana?

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy