Tahirim-pitaovana
Fitsanganana amin’ny maty


“Fitsanganana amin’ny maty,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
I Kristy nitsangana tamin’ny maty miseho amin’i Maria

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fitsanganana amin’ny maty

Fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana

Amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainantsika dia hanana fotoana hanontaniana tena isika tsirairay hoe: “Inona no mitranga rehefa maty isika?” “Moa ve aho hahita indray ireo olona akaikin’ny foko efa nodimandry?” “Ahoana no hahitako fiadanana rehefa maty ny olona iray akaikin’ny foko?”

Na dia tsy manana ny valiny rehetra aza isika dia afaka mitondra fampiononana ho an’ireo rehetra malahelo ny fahamarinana momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ny hoe ireo olona nodimandry rehetra dia ho velona indray indray andro any dia mitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika ary mampanantena fa hisy andro tsara kokoa ho avy.

Rehefa nitsanganana tamin’ny maty ho amin’ny tsy fahafatesana i Jesoa Kristy dia lasa “santatr[y]” ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:20–23) ary nanome lalana ho antsika rehetra mba hitsanganana amin’ny maty tahaka Azy indray andro any.

Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty?

Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fampiraisana indray ny vatana fanahy sy ny vatana ara-nofo aorian’ny fahafatesana, ka tsy hisaraka intsony (jereo ny Almà 11:45). Rehefa mitsangana amin’ny maty isika, dia ho tonga lafatra sy tsy mety maty ny vatantsika ka tsy iharan’ny aretina sy ny fahafatesana intsony. Satria nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty tahaka Azy ny olona rehetra.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fitsanganana amin’ny maty

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany, Drafitry ny famonjena

Fizarana 1

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy

Sary
I Kristy mampianatra taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty

I Jesoa Kristy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany. Ny fandreseny ny fahafatesana no fototry ny finoantsika. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ireo fitsipika fototry ny fivavahantsika dia ny fijoroan’ireo Apôstôly sy Mpaminany ho vavolombelona mahakasika an’i Jesoa Kristy fa maty Izy ka nalevina ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra ho any an-danitra.”

Nanome fijoroana ho vavolombelona maro momba io fotopampianarana manan-danja io ny Tompo. Ny tsirairay amin’ireo Filazantsara efatra dia ahitana fitantarana momba ireo izay nanatri-maso an’i Jesoa tamin’ny naha olona nitsangana tamin’ny maty Azy. Ny Bokin’i Môrmôna koa dia mijoro ho vavolombelona fa olona an’arivony tany Amerika no nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty. Amin’izao andro maoderina izao, ireo vavolombelona, anisan’izany i Joseph Smith sy ireo mpaminany ary apôstôly hafa, dia nijoro ho vavolombelona fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary velona ankehitriny.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Alaovy sary an-tsaina hoe mpisolovava ianao ka mikarakara raharaha iray mba hanaporofoana fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Iza no hantsoinao mba ho vavolombelona? Ahoana no hanamafisan’ireo vavolombelona nanatri-maso ny raharaha karakarainao? Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny vavolombelona nanatri-maso ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty amin’ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao? Raha mila hevitra fanampiny dia jereo ny Jaona 20:1–20; 3 Nefia 11:3–17; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24.

  • Vakio ny Jaona 20:26–29. Inona no hafatra nomen’ny Mpamonjy ao amin’io andinin-tsoratra masina io ho an’ny olona izay tsy vavolombelona nanatri-maso ny Fitsanganany tamin’ny maty? (Jereo ihany koa ny Etera 12:5–6.) Na dia mbola tsy nahita ny Tompo nitsangana tamin’ny maty aza isika dia mbola afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona manokana fa efa nitsangana Izy. Inona no porofon’ny famindram-pon’ny Tompo hitanao teo amin’ny fiainanao? Inona no fiantraikan’izany porofo izany aminao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nanambara hoe: “Amin’ireo fandresena rehetra teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia tsy misy lehibe loatra, tsy misy manana fiantraikany manerana izao rehetra izao, tsy misy manana vokany maharitra mandrakizay toy ny fandresen’ny Tompo ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana izay nivoaka ho amin’ny Fitsanganana tamin’ny maty tamin’io marainan’ny Paska voalohany io.” Ifanakalozy hevitra ny antony maha-zava-dehibe ny mahafantatra fa velona i Jesoa Kristy ankehitriny. Ny Filoha Hinckley ihany koa no nanoratra ny tonon’ilay hira hoe “Il vit, mon Rédempteur.” Vakio na hirao miaraka io hira io ary zarao avy eo ireo eritreritra sy fahatsapana izay entin’izany ao anatinao.

  • Mpanakanto nentanim-panahy maro no naneho ny fotoana nahitan’ny olona ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Jereo ireto sary fanehoana manaraka ireto na izay sary hafa tianao. Zarao ny zavatra izay takatrao momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty avy amin’ireo sary ireo. Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny zavatra tsapanao momba Azy? Inona no ho tsapanao raha ianao no teo?

Sary
I Maria sy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty.
Sary
Niseho tamin’i Tomasy i Kristy taorian’ny nitsanganan’ny maty
Sary
Kleopasy sy ny mpianatra iray mipetraka nisakafo rehefa nahafantatra ny Mpamonjy

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Hitsangana amin’ ny maty avokoa isika rehetra.

Sary
Fianakaviana any amin’ny fandevenana

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty koa isika rehetra indray andro any. Fotoana fohy taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia olona mahatoky maro koa no nitsangana tamin’ny maty (jereo Matio 27:52–53). Na dia tsy hiara-hitsangana amin’ny maty amin’ny fotoana mitovy aza ny olon-drehetra, dia hahazo vatana tonga lafatra sy tsy mety maty ny rehetra amin’ny farany amin’ny alalan’ny fanomezana be voninahitry ny fitsanganana amin’ny maty ho an’izao tontolo izao.

Ny vatantsika efa nitsangana tamin’ny maty dia hitovitovy amin’ireo vatana izay ananantsika ankehitriny, saingy tsy mety maty sy ho tanteraka—tsy misy aretina sy fanaintainana. “Hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34 ; jereo ihany koa ny Almà 11:43). Ny vatantsika efa nitsangana tamin’ny maty dia hahatonga antsika hiverina eo anatrehan’Andriamanitra ka hotsaraina. Ireo izay nibebaka tamin’ny fahotany dia hahazo ny fiainana mandrakizay ary hiaina mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • “Very hevitra ny sain[’i Kôriantona zanakalahin’i Almà Zanany] momba ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty.” (Almà 40:1). Noho izany dia nampianatra an’i Kôriantôna—sy ireo mpamaky ny Bokin’i Môrmôna—fahamarinana manan-danja maro mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty i Almà. Vakio ny nampianariny ao amin’ny Alma 40–41. Rehefa mamaky ianao dia raiso an-tsoratra ireo fahamarinana momba ny Fitsanganana amin’ny maty izay manan-danja aminao. Ahoana no mety nanampian’ireo fahamarinana ireo an’i Kôriantôna hahatsapa fiadanana? Inona no mety ho fiantraikan’ireo eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao ankehitriny?

  • Nahare ny Apôstôly Paoly fa ny Olomasina sasany tao Korinto dia tsy nino ny Fitsanganana amin’ny maty. Vakio ny 1 Korintiana 15 ka ifantohy manokana ny fampianaran’i Paoly momba ny Fitsanganana amin’ny maty. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azonao saintsainina eo am-pandalinanao:

    • Andininy 12–15: Nahoana no ho zava-poana ny fitoriana sy ny finoana raha tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty?

    • Andininy 16–19: Nahoana isika no “mbola ao anatin’ny fahotan[tsika]” raha tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty? Nahoana isika no ho “mahantra indrindra”?

    • Andininy 55–58: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahalalanao ny Fitsanganana amin’ny maty anao mba “hiorina tsara” sy “tsy hiova”?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra fa ny fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganana amin’ny maty dia omena tsy misy fepetra ho an’ny olona rehetra, kanefa maro amin’ireo zanak’ Andriamanitra no tsy mahafantatra izany fitahiana izany. Ifanakalozy hevitra ny fomba itondran’ny Fitsanganana amin’ny maty fiovana eo amin’ny fiainanao. Mety ho hitanao fa manan-danja ihany koa ny miresaka momba ny zavatra niainan-dRahavavy Reyna I. Aburto tao amin’ny lahateny izay nataonay hoe “Tsy manam-pandresena ny fasana sy ny Loholona S. Mark Palmer ao amin’ny “Hody fifaliana ny alahelontsika.” Ahoana no nitahiana an-dRahavavy Aburto sy ny Loholona Palmer tamin’ny fahalalana nananan’izy ireo momba ny Fitsanganana amin’ny maty? Ahoana no ahafahan’io fahalalana io mitahy antsika?

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fitsanganana amin’ny maty

Hamoaka printy