Tahirim-pitaovana
Fitsarana


“Fitsarana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Vehivavy mitanin’andro

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fitsarana

Miomana hihaona amin’ Andriamanitra

Efa noeritreretinao ve ny fiantraikan’ny fahatakarana ny tanjon’ny fiainana sy ny finoana ny fiainana aorian’ny fahafatesana eo amin’ny safidinao sy ny fitondrantenanao? Miova amin’ny fomba ahoana ny fiainanao vokatry ny fahalalanao ny drafitry ny Ray any An-danitra? Talohan’ny fiainana an-tany dia nanazava Jehovah fa ho avy ety an-tany isika mba hotsapaina sy hosedraina “hahitana raha toa [isika] ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[tsika] [antsika]” (Abrahama 3:25). Kanefa tsy misy olona na dia iray aza mankatò mandrakariva ireo didin’ Andriamanitra. Izany no antony nandefasan’ny Ray any An-danitra ny Zanany mba hijaly sy ho faty ho antsika. Afaka mandray ny famindrampon’ny Ray sy ny fahasoavany ary ny famelan-keloka avy Aminy isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika. Ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hoe afaka ny havotana sy hamasinina isika noho ny fitiavany sy ny sorona fanavotana nataony, ary afaka ho mendrika ny hijoro amim-pahatokiana eo anoloan’ Andriamanitra amin’ilay andron’ny fitsarana.

Inona izany fitsarana izany?

Hijoro eo anatrehan’ny fitsaran’ Andriamanitra isika aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty rehefa haverina hitambatra amin’ny vatantsika tsy mety maty ny fanahintsika. Amin’io fotoana io no hanambaran’ny Tompo ny valisoa mandrakizaintsika izay mifanaraka amin’ireo zavatra nataontsika sy ny toe-javatra niainantsika ary ny fanirian’ny fontsika. Na dia Andriamanitra aza no Mpitsara faratampony ho an’ny olon-drehetra, dia afaka mitarika antsika ny Fanahy Masina mba hitsaran’ny tenantsika manokana ireo hevitra sy toe-javatra ary anjara asan’ny hafa eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12). Ho Lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy isika rehefa mitia ny hafa ary miezaka ny tsy manameloka azy ireo.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fitsarana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny famonjena, Fitsanganana amin’ny maty, Fiainana mandrakizay, Fahafahana misafidy, Fankatoavana, Famelan-keloka

Fizarana 1

Indray andro any ianao dia hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina

Sary
I Jesoa Kristy miresaka amin’ny vehivavy iray eo amoron-dalana

Mampianatra ny soratra masina fa ny zanak’ Andriamanitra tsirairay dia hijoro eo anatrehany amin’ny andron’ny fitsarana, aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 2 Nefia 9:12–13, 20–22). Hisy firaketana momba ny fiainanao haseho rehefa “[hovelarina] ny boky” amin’io andro io (jereo ny Apokalypsy 20:12–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7). Ho tompon’andraikitra amin’ireo eritreritsika sy ireo tenintsika ary ireo nataontsika isika (jereo ny Môzià 4:30; Almà 12:14). Satria takatr’ Andriamanitra ireo toe-javatra sarotra maro iainan’ny olona tsirairay avy eto amin’ty fiainana ity, dia maka antoka Izy fa samy hotsaraina amin’ny asany sy “araka ny fanirian’ny fony” ireo zanany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9). Io Fitsarana Farany io no hamaritra ilay fanjakam-boninahitra izay nampiomanin’ireo safidintsika antsika mba holovaintsika any amin’ny mandrakizay—ny fanjakana selestialy, terestrialy, na telestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:20–32).

Hanatanteraka fitsarana masina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra (jereo ny Jaona 5:21–30). Nanambara ihany koa ny Tompo fa hanampy Azy mba ho mpitsara ny zanak’ Andriamanitra ny sasany amin’ireo mpanompony (jereo ny Matio 19:28; 1 Nefia 12:9–10; Môrmôna 3:18–20).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ankoatra ny fanompoana amin’ny maha Mpitsara, dia hanompo amin’ny maha Mpisolovava antsika Azy eo anatrehan’ Andriamanitra Ray ihany koa i Jesoa Kristy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5, ary tadidio fa ny mpisolovava dia “olona iray miaro ny tombontsoan’ny hafa” (Bible Dictionary, “Advocate”). Inona no mahamendrika an’i Jesoa Kristy hisolo tena anao mba hitalaho amin’ny Ray amin’ny maha mpisolovavao Azy? Manampy anao hahatsapa inona momba an’i Jesoa Kristy io andinin-tsoratra masina io?

  • Ny fieritreretana momba ny Fitsarana Farany dia mety hahatonga anao hitebiteby na ho kivy. Vakio ny Enôsa 1:27 sy ny Môrônia 10:34, ary eritrereto hoe nahoana ny olona sasany no hahatsapa fiadanana sy fifaliana amin’io andro io. Nampahatsiahy antsika ny Loholona Gerrit W. Gong hoe: “Tompon’andraikitra amin’ny safidintsika sy ny vokany isika amin’ny alalan’ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra sy ny lalàn’ Andriamanitra. Saingy -tsy manam-petra sy mandrakizay- ny fitiavana manavotry ny Mpamonjy antsika. Rehefa vonona ny hody isika na dia -mbola lavitra- aza, dia vonona ny handray antsika amim-pangorahana lehibe Andriamanitra, sy hanolotra amim-pifaliana izay tsara indrindra ananany.” Manampy anao hiomana amin’ny Fitsarana Farany amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana sy ny fifantohana amin’ny fitiavan’ny Tompo sy ny fangorahany? Nahoana no manan-danja ihany koa ny mahatsiaro fa tompon’andraikitra amin’ireo safidy ataonao sy ny vokatr’izy ireo ianao? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78).

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • I Jesoa Kristy no Ilay Mpanalalana Lehibe ho an’ireo zanak’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 2:26–28). Iaraho mijery amin’ny vondrona ny horonan-tsary “The Mediator” (10:44). Mifototra amin’ny hafatra nomen’ny Filoha Boyd K. Packer io horonan-tsary io. Mifanakaloza hevitra mikasika ny zavatra ampianarin’ny fanoharana nataon’ny Filoha Packer momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy mba hanefana ny fitakian’ny fahamarinana sy famindram-po. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’io hafatra io antsika hahatakatra kokoa ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpitsara antsika (jereo ny Môrônia 10:34) sy Mpisolovava antsika Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5)?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Manomana anao hihaona amin’ Andriamanitra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Sary
lehilahy ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Handray lova ao amina fanjakam-boninahitra iray isika amin’ny andron’ny fitsarana. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ireo lalàna safidiantsika harahana ao amin’ny drafitra feno fitiavan’ny Raintsika any An-danitra no mamaritra izay fanjakam-boninahitra raisintsika mandritra ny Fitsarana Farany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:22–24]. Ao anatin’izany drafitra izany dia misy fanjakana maro mba hahafahan’ireo zanany ho voatendry amina fanjakana izay hahazoan’ireo -mitoetra-.”

Ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mirakitra ireo lalàna rehetra tsy maintsy arahintsika eto amin’ity fiainana ity mba handovana ny fanjakana selestialy. Rehefa misafidy ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy hiaina araka ny filazantsarany isika, dia miomana ny hijoro tsy misy pentina eo anatrehan’ Andriamanitra eo amin’ny toeram-pitsarana (jereo ny 2 Nefia 9:13–15; 3 Nefia 27:20–21).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny fibebahana dia ampahany tena ilaina amin’ny fiomanana ho amin’ny Fitsarana Farany. Vakio ny Almà 34:31–35. Nahoana no tena ilaina ny tsy manemotra ny fibebahana? Inona no tsapanao fa hanampy anao mba “hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra”?

  • Ny Tompo dia nametraka fenitra mba hanampiana amin’ny fandrefesana ny fahavononana ara-panahin’ny olona iray ho amin’ny batisa, fanendrena ho amin’ny fisoronana, fanompoana ao amin’ny antso, na fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Oviana no nanampy anao hampitombo ireo ezaka nataonao mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahafahana hihaona amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana? Nahoana no mety ny mihevitra ny andro tsirairay ho toy ny andron’ny fitsarana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Fomba ireo manan-danja hiomanana amin’ny Fitsarana Farany ny fandinihana ny fiainanao. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hamaky ny Almà 5:14–26 ary hamantatra ireo fanontaniana izay afaka hanampy antsika handinika ny toe-panahintsika eo anatrehan’ny Tompo. Mifanakaloza hevitra mikasika ny sasany amin’ireo fomba nanasan’i Almà ny olony mba hiomana ho an’ilay fotoana izay hihaonan’izy ireo amin’ Andriamanitra. Inona avy no fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika eo am-piezahantsika miomana ny hihaona amin’ Andriamanitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Manome toromarika anao ny Mpamonjy mba hitsara amim-pahamarinana

Sary
lehilahy miresaka

Mandray fanapahan-kevitra izay miankina amin’ny fahatakarana tsara indrindra ananantsika isika isan’andro. Rehefa manapa-kevitra ny amin’ny marina sy ny diso na ny tsara sy ny ratsy isika dia mila ny Fanahy Masina mba hitarika ny fanapahan-kevitsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12). Indraindray isika dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra momba ny hafa sy ny anjara asany eo amin’ny fiainantsika, tahaka ny hoe misafidy ireo namantsika na ny vadintsika. Amin’ny toe-javatra toy izany dia tokony hahatsiaro ny toromariky ny Tompo isika hoe: “aza mitsara araka ny tsy fahamarinana ianareo mba tsy hotsaraina; fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina.” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:2 ).

Tsy ho mendrika mandrakizay ny fitsikerana sy ireo teny mahery ary ireo eritreritra feno haratsiam-panahy. “Ataovy izay hamindranao fo amin’ny rahalahinao; ataovy araka ny hitsiny, mitsarà araka ny rariny ary manaova ny tsara lalandava” (Almà 41:14). Amin’ny fotoana izay ilana ny fitsarana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, dia tokony hikatsaka ny haneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fitiavantsika ny hafa isika (jereo ny Matio 22:37–39).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks fa : “Misy karazany roa ny fitsarana: ny fitsarana farany, izay tsy azontsika atao, ary ny fitsarana marina tsy mitanila, izay asaina ataontsika, saingy tokony [hanaraka fitsipika marina].” Inona no sasany amin’ireo “fitsipika marina” izay afaka manampy antsika hiala amin’ny fitsarana diso na fitsarana ny hafa tsy amim-pahamarinana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asehoy na vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity:

    “[Manantena] izahay fa ireo rahalahy dia hitandrina amin’ny fahatsapan’ny tsirairay avy ka handeha amim-pitiavana, hanaja ny hafa mihoatra ny tenan’izy ireo, araka izay takin’ny Tompo. …

    “Mba hanesoranareo tsy ho eo anivonareo ny fitenenan-dratsy sy ny fifosana ary ny eritreri-dratsy mbamin’ny fahatsapana ratsy dia manetre tena, ary ampivelaro izay mety ho fisipika rehetra an’ny hatsaran-toetra sy fitiavana, avy eo dia hitoetra eo aminareo ireo fitahian’i Jehovah, ka hahita andro tsara sy be voninahitra ianareo; hitoetra eo anivonareo ny fiadanana ary ho temerin’ny firoboroboana ianareo.”

    Mifanakaloza hevitra mikasika ny hoe ahoana no ahafahan’ny ezaka ataontsika mba hialana amin’ny fitsarana tsy marina sy ny fanamelohana ny hafa mitondra fiadanana sy fitahiana. Tamin’ny fotoana toy ny ahoana ianao no voatahy noho ny fihezahana hitsara tamim-pahamarinana?

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Gerrit W. Gong, “Matokia indray”, Liahona, nôv. 2021, 99.

  2. Boyd K. Packer, “The Mediator”, Ensign, May 1977, 54–56.

  3. Dallin H. Oaks, “Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray”, Liahona, mey 2022, 102.

  4. Dallin H. Oaks, “‘Judge Not’ and Judging”, Ensign, Aug. 1999, 7.

  5. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 344.

Hamoaka printy