Tahirim-pitaovana
Fahafahana misafidy


“Fahafahana misafidy,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Vehivavy mijoro manoloana sampanan-dalana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahafahana misafidy

Ny fahafahana misafidy sy manao zavatra ho an’ny tenantsika manokana

Talohan’ny nahaterahanao ianao dia niaina tamin’ny naha fanahy zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra anao. Nianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ianao mba hahafahanao mivoatra sy ho tonga tahaka Azy. Nomeny anao ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy, izay midika fa manana fahafahana ianao na hanaraka an’ Andriamanitra sy ny drafiny na tsia (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78). Ny fitsipiky ny fahafahana misafidy dia manome hery hanao zavatra araky ny nahim-ponao (2 Nefia 2:16). Midika koa izany fa tompon’andraikitra amin’ny safidinao ianao (jereo ny Helamàna 14:29–31).

Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona,” i Satana (Mosesy 4:3) ary maro no nanaraka azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:35–36). Ny maha eto an-tany anao dia midika fa nampiasa ny fahafahanao misafidy ianao ka nanaiky ny drafitr’ Andriamanitra sy nanaraka Azy (jereo ny Abrahama 3:24–26, 28). Amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina no hampatanjahan’ Andriamanitra anao amin’ireo ezaka ataonao hampiasa ny safidim-pitondrantena entina hanarahana Azy. Rehefa misafidy ny ho marina ianao dia hahita fiadanana sy fifaliana lehibe kokoa ary amin’ny farany dia ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay.

Inona no atao hoe fahafahana misafidy?

Nomen’ Andriamanitra ny Zanany ny fahafahana sy tombontsoa “mihetsika ho azy fa tsy etsehina” (2 Nefia 2:26). Midika izany fa afaka misafidy isika na hankatò ny didin’ Andriamanitra na tsia. Hahita vokatra isika—tsara na ratsy—amin’ny safidy ataontsika. Nofaritan’Andriamanitra amin’ny hoe “safidim-pitondrantena” io fanomezana io (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78).

Topimaso momba ny lohahevitra: Ny fahafahana misafidy sy ny maha tompon’andraikitra

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny famonjena, Fiainana talohan’ny nahaterahana, Fiainana an-tany, Fankatoavana 

Fizarana 1

Tompon’andraikitra amin’ny safidy ataonao amin’ity fiainana ity ianao

Sary
vehivavy mandeha eny amin’ny arabe

Manao safidy an-jatony isan’andro ianao amin’ny zavatra eritreretinao sy lazainao ary ataonao. Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson fa ny sasany amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika dia “tsy hanova na inona na inona eo amin’ny endrika mandrakizain’ny zavatra hitranga, ary ny hafa kosa dia hanova izany tanteraka.” Afaka mahafantatra izay safidy atao manan-danja indrindra ianao miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra.

Anisan’ireo antony andefasan’ Andriamanitra ireo zanany eto an-tany ny mba: “[hisedrana azy ireo] amin’izany … hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:25). Eto amin’ity tontolo ity dia miatrika “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” ianao (2 Nefia 2:11), fahafahana tsy tambo isaina hampiasana ny fahafahanao misafidy. Indray andro any ianao dia horaisina ho tompon’andraikitra amin’ny eritreritrao sy ny teninao ary ny ataonao (jereo ny Môzià 4:30). Ny fomba fampiasanao ny safidim-pitondrantenanao no hanefy ny zavara iainanao eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny tontolo ho avy.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ao amin’ny fizaràna lehibe amin’ny zavaboarin’ Andriamanitra rehetra dia misy ny zavatra mihetsika sy ny hetsehina (jereo ny 2 Nefia 2:13–14). … Noho isika nomena ny fahafahana misafidy dia tompon’andraikitra izaho sy ianao ary natao hihetsika isika aloha voalohany indrindra fa tsy hohetsehina fotsiny.” Ahoana no hanazavan’io fanambarana io ny fahasamihafana misy eo amin’ny zanak’ Andriamanitra sy ny zavaboariny hafa? Nahoana araka ny eritreritrao no ampahany manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena ny zanany ny fitsipiky ny safidim-pitondrantena?

  • Vakio ny zavatra nampianarin’i Lehia an’i Jakôba zanany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahafahana misafidy ao amin’ny 2 Nefia 2:26–29. Ahoana no hamariparitanao ny zavatra iainana momba ny fahafahana sy ny fahababoana voalaza ao amin’io andalana io? Inona no ampianarin’io andalana io anao momba ny fomba “hifidianana ny fiainana mandrakizay”?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo ny horonan-tsary “The Ten virgins (Ireo virijiny folo)” (1:40) na vakio miaraka ny fanoharana momba ny virijiny folo ao amin’ny Matio 25:1–13. Ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’io fanoharana io momba ny fahafahana misafidy. Miresaha momba ny fomba ahafahanao misafidy ny hiomana hihaona amin’ny Mpamonjy.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Nifidy ny hanao ny sitrapon’ny Ray amin’ny zava-drehetra i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy zatovo mampianatra lehilahy

Rehefa 12 taona i Jesoa dia hitan’i Maria sy i Josefa fa tsy niaraka tamin’ny fianakavian’izy ireo Izy rehefa nandeha nody avy tany Jerosalema izy ireo. Hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly Izy namaly ny fanontanian’ireo izay nandalina ny lalàn’ Andriamanitra. Nanontany an’i Jesoa i Maria raha mba fantany fa nitady Azy izy ireo. Namaly i Jesoa hoe: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49). Nanapa-kevitra araka ny sitrapon’ny Rainy foana i Jesoa (jereo ny Lioka 22:42; 3 Nefia 11:11; 27:13). I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fampiasana ny safidim-pitondrantena mba hisafidianana ny fahamarinana fa tsy ny tombontsoan’ny tena manokana sy ny fahotana.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Niatrika fakam-panahy, tahaka antsika, i Jesoa Kristy nandritra ny fiainany teto an-tany (jereo ny Hebreo 4:15; Môzià 3:7; Almà 7:11). Vakio ny Matio 4:1–11. Inona no azonao ianarana avy amin’ny valintenin’i Jesoa rehefa niezaka nitaona Azy hisafidy tsy araka ny fahamarinana i Satana?

  • Ao amin’ny lahateny hoe “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao? Izany dia midika fa mandresy ilay fakam-panahy hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy ny an’ Andriamanitra. Izany dia midika ho fatokisana ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona. Izany dia midika hoe faly amin’ny fahamarinana, miampanga ny fitaka, ary lasa -mpanara-dia an’i Kristy sady manetry tena- [2 Nefia 28:14]. Izany dia midika hoe misafidy ny tsy hanao izay rehetra mandroaka ny Fanahy. Izany dia midika ho fahavononana ny -hahafoy- na dia ny ota tiantsika indrindra aza [Almà 22:18].” Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy mitarika ny ezaka ataonao amin’ny fandresena izao tontolo izao?

  • Inona avy ireo zavatra sasany izay mety manakana anao tsy hanaiky ny sitrapon’ny Ray? Inona no azonao atao mba hanakaikezana Azy bebe kokoa?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Matetika ny safidy ataontsika no tsy mahakasika ny hoe marina sy ny tsy marina na ny tsara sy ny ratsy. Iaraho mamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ity: “Rehefa mandinika safidy isan-karazany isika dia tokony ho tsaroantsika fa tsy ampy ny zavatra tsara. Ny safidy sasany dia tsara kokoa, ary mbola tsara indrindra aza ny hafa. Na dia lafo kokoa aza ny safidy iray manokana, ny sandan’izany dia lehibe lavitra kokoa.” Miresaha momba ireo fitsipika sasantsasany izay afaka hitarika anao rehefa misafidy amin’ireo safidy izay tsara, tsara kokoa, na tsara indrindra ianao. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa manao ireo safidy ireo ianao?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Aoka Andriamanitra no hanjaka eo amin’ny fiainanao

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Samy manana ny fahafahany misafidy isika rehetra. … Afaka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika, na tsia. Afaka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainantsika isika na tsia.” Rehefa manapa-kevitra an-tsitrapo ny hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny safidy ataonao ianao dia mampiseho fa ny drafiny no lohalaharana eo amin’ny fiainanao.

Ny fisafidianana ny hino dia iray amin’ireo dingana voalohany amin’ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fahafahanao misafidy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mampitombo ny finoanao sy ny fahatokianao Azy. Tian’i Kristy koa ianao hino ny teniny izay nambara tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny eo am-pitohizan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsarany. Rehefa misafidy ny hanam-pinoana sy hino ianao dia hahazo fahatakarana ara-panahy lehibe kokoa ary hahita fahazavana rehefa mandray fanapahan-kevitra. Hitombo ny fanirianao hankatò, ary dia azo inoana kokoa fa hifidy lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ianao.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.” Inona no safidy nanampy anao hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Tompo? Inona avy ireo safidy hataonao ka hanampy anao hijanona eo amin’izany lalana izany?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ny hafa hiresaka momba ny zavatra niainany rehefa tsy araka ny nantenainy ny fizotry ny fiainana. Resaho ny eritreritra sy ny fihetseham-po mety hateraky ny zavatra niainana toy izany. Iaraho mamaky ny Isaia 55:8–9 ary ifanakalozy hevitra ny antony itondran’ny fitsipiky ny famelàna an’ Andriamanitra hanjaka fiadanana sy fahatokisan-tena.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny fahafahana misafidy

Hamoaka printy