Tahirim-pitaovana
Fahagagana


“Fahagagana”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
i Jesoa Kristy manasitrana lehilahy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahagagana

Fisehon’ny hery sy ny fitiavan’ Andriamanitra

Inona avy ireo antony mahatonga ny olona hino fa misy tokoa Andriamanitra ary mahafantatra anao Izy? Afaka mieritreritra fotoana ve ianao izay nahafantaranao fa naneho ny fitiavany anao Izy? Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mivavaha mba hananana maso mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ary eo amin’ny tontolo manodidina anareo.” Ny fahagagana dia maneho ireo fotoana izay iasan’ Andriamanitra amin’ny heriny ho an’ireo zanany.

Ao amin’ny soratra masina isika dia mianatra mikasika ny fahagagana mahery vaika izay nataon’i Jehovah Lehibe ho an’ny olony tao amin’ny Testamenta Taloha. Ianarantsika ihany koa isika ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy nandritra ny fiainany tety an-tany ao amin’ny Testamenta Vaovao sy amin’ny naha Tompo nitsangana tamin’ny maty Azy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Saingy ny fahagagana lehibe indrindra amin’izy ireo dia ny Sorompanavotany, rehefa nanavotra an’izao tontolo izao tamin’ny fahotana Izy ary natsangana tamin’ny maty. Ankehitriny isika dia mahita ny asany sy ny fahagagana ataonyankehitriny, na ny lehibe izany na ny kely, eo amin’ny fiainantsika ary mianatra isika fa “manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra” (Salamo 145:9).

Inona no atao hoe fahagagana?

Ny fahagagana dia fisehoan’ny hery masina. Mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny asan’i Jesoa Kristy ireo fahagagana, na taloha na ankehitriny.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahagagana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany, Vavaka, Finoana an’i Jesoa Kristy, Fitahian’ny fisoronana

Fizarana 1

Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy.

Sary
i Jesoa Kristy mampitsahatra ny tafio-drivotra

Tafiditra tao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny zanany foana hatrizay ny fahagagana. Ny Testamenta Taloha sy Vaovao dia ahitana tantara maro momba an’i Jesoa Kristy maneho hery masina ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny dia miaiky fa mbola mitohy amin’ny fomba mahagaga ny fanehoana ny tanan’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonany sy ao amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Nanambara Andriamanitra hoe: “Fa indro, Izaho no Andriamanitra; ary Andriamanitry ny fahagagana Aho; ary hasehoko izao tontolo izao fa Izaho dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay; ary tsy miasa eo anivon’ny zanak’olombelona Aho raha tsy noho ny finoany” (2 Nefia 27:23).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Rehefa nanontany an’i Jesoa Kristy ny roa amin’ireo mpanara-dia an’i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?” dia nanome ohatra maro i Jesoa mba hanehoana hoe iza Izy (jereo ny Matio 11:3–6). Nahoana ireo ohatra ireo no nanaporofo hoe iza Izy? Diniho ihany koa ny zavatra nolazain’i Jesoa ao amin’ny Jaona 5:36. Inona no tanjon’ireo “asa” nataon’i Jesoa Kristy?

  • Nampianatra ny Loholona Ronald A. Rasband hoe: “Manatanteraka fahagagana ny Tompo mba hampahatsiahivana antsika ny heriny, ny fitiavany, sy ny fikasihan’ny tanany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany, ary ny faniriany hampianatra mikasika izay zavatra manan-danja.” Inona avy ireo fahagagana isan’ny tianao indrindra novakinao tao amin’ny soratra masina? Inona no nampianarin’ireo fahagagana ireo anao momba an’ Andriamanitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba samy hisafidy ny iray amin’ireto tantaran’ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy avy ao amin’ny Testamenta Vaovao ireto. Fantaro ny hoe “iza, inona, aiza, ary nahoana” an’ilay fahagagana nosoritsoritana ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Mifanakaloza hevitra mikasika ireo fitoviana sy fahasamihafana misy eo amin’ireo tranga ireo. Ahoana no fomba ampiasana ireo tantara ireo mba hampatanjahana ny finoan’ireo olona fantatrao?

    • Ny nampahiratana ny jamba roa lahy (jereo ny Matio 9: 27–31)

    • Ny nananganana ny zanakalahin’ilay mpitondatena (jereo ny Lioka 07:11–16)

    • Ny nampahiratana an-dralehilahy teraka jamba (jereo ny Jaona 9)

    • Ny nananganan-ko velona an’i Lazarosy (jereo ny Jaona 11:1–45)

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Tonga amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahagagana

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana vehivavy

Nampanantena an’ireo mpianany i Jesoa, ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa hisy “famantarana [feno fahagagana]… hanaraka izay mino” (Marka 16:17–18). Hoy Izy amin’izao andro farany izao hoe : “Koa toy ny nilazako tamin’ny apôstôliko no ilazako aminareo indray fa ny olona rehetra izay mino ny teninareo sy atao batisa amin’ny rano ho famelana ny fahotana dia handray ny Fanahy Masina. ary … famantarana … no hanaraka ireo izay mino.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64–65). Ho an’ireo izay mino an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia zavatra tena afaka hitranga ny fahagagana, saingy tsy maintsy manam-pinoana izy ireo aloha (jereo ny Etera 12:12–18).

Saingy tsy tokony hikatsaka fahagagana ho toy ny fomba hampiorenana na hanaporofona ny finoantsika isika. Hoy ny Tompo tamin’ny Joseph Smith hoe: “Tsy avy amin’ny famantarana ny finoana, fa ny famantarana no manaraka ireo izay mino. Eny, ny famantarana dia tonga amin’ny alalan’ny finoana, fa tsy amin’ny alalan’ny sitrapon’olombelona na araka izay tiany, fa amin’ny alalan’ny sitrapon’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:9–10). Nanoratra ny mpaminany Môrônia hoe: “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo” (Etera 12:6). Tsy haharitra ela ny fijoroana ho vavolombelona izay nanomboka tamin’ny fanatreha-maso fahagagana raha tsy kolokoloina amin’ny finoana sy fankatoavana tsy tapaka.

Mitranga mangingina ireo fahagagana sasany, toy ny rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ Andriamanitra ny olona iray, na miaina fiovam-po lehibe, na mandray famelan-keloka avy amin’ny Tompo, na voatahy amin’ny fiadanana sy hery rehefa mandalo fotoan-tsarotra (jereo ny Almà 37:6–7).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Diniho ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’i Maria: “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37). Efa sendra niatrika zavatra izay toa sarotra ho tanterahana na hahitana vahaolana ve ianao? Manomana anao hitodika any amin’ Andriamanitra sy hatoky ny fitiavany sy ny famindram-pony ary ny sitrapony amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ireo tantaran’ny fahagagana nataon’ny herin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina??

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Niresaka momba ny fahagagana maro netanim-panahy sy nampitolagaga nataon’i Jesoa Kristy ny Filoha Howard W. Hunter. Nizara izy Avy eo hoe:

    “Tena zavatra mahazendana indrindra ny manatrika olona iray marenina ka natao mahare indray. Saingy azo antoka fa izany fitahiana lehibe izany dia tsy maha-taitra kokoa noho ny fiaraha-miasa mahatalanjon’ny taolana sy oditra ary hoza-ketsika izay manome antsika fahafahana mahare ny tontolo mahafinaritry ny feo. Moa va isika tsy tokony hijoro ka talanjona amin’ny fitahian’ny faharenesana sy hanome voninahitra an’ Andriamanitra noho izany fahagagana izany, tahaka ny ho nataontsika rehefa miverina ny faharenesana izay very teo aloha?

    “Tsy toy izany ihany va rehefa miverina ny fahitana na fitenenana na ilay fahagagana lehibe indrindra mihitsy aza dia ny famerenana ny fainana? Ireo zavatra noharian’ny Ray tany am-boalohany dia fitambarana tontolo feno fahagagana. Moa va ireo fahagagana lehibe indrindra tsy ilay fahamarinana hoe manana fiainana sy ratsam-batana ary fitenenana isika voalohany indrindra?”

    Ahoana no fomba ampitombohan’io fomba fijery ny fahagagana maro io ny fankasitrahantsika noho ireo fahagagana ataon’ Andriamanitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Mikatsaha ary manantenà fahagagana eo amin’ny fiainanao

Sary
lehilahy mandeha eny amoron-dranomasina

Hisy foana ny fahagagana raha mbola misy koa ny olona manam-pinoana (jereo ny Môrônia 7:27–29). Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa tokony “[hikatsaka] sy [hanantena] fahagagana isika.” “Ny Tompo dia hitahy anareo amin’ny fahagagana raha toa ka mino Azy ianareo, -tsy miroanahana akory- [Môrônia 9:21]. Ataovy ny asa ara-panahy hikatsahana fahagagana. Angataho ombam-bavaka Andriamanitra mba hanampy anareo hampihatra izany karazana finoana izany.”

Manodidina antsika isan’andro ny fahagagana. Nanazava ny Loholona Ronald A. Rasband hoe: “Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo raha ampitahaina amin’i Jesoa nanangana ny maty. Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Diniho ny torohevitry ny Filoha Nelson Inona no dikan’izany hoe “mikatsaha” fahagagana eo amin’ny fiainanao izany? Inona ilay “asa ara-panahy” tsy maintsy ataonao raha “hikatsaka fahagagana”? Ahoana no mety hitahiana anao amin’ny alalan’ny fitadiavana ireo fomba fiasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

  • Vakio ny Môrmôna 9:7–21. Raha toa ka tsy miova Andriamanitra ka nanome fahitana sy fitahiana ary fanambarana an’ireo zanany tamin’ny andro taloha, dia midika inona ho anao izany? Iza no olona fantatrao ka afaka ny hahazo tombontsoa avy amin’ny fahatakarana bebe kokoa fa “Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny ho Andriamanitry ny fahagagana”? (Môrmôna 9:15)

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Raha mety dia asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hizara fotoana iray izay nahitany ny tanan’ Andriamanitra nanolotra fitahiana sy nanao fahagagana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Mifanakaloza hevitra momba ireo fahagagana nitranga sy ny tanjon’izy ireo.

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy