Tahirim-pitaovana
Fiainana an-tany


“Fiainana an-tany,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
tany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fiainana an-tany

Ny antom-pisianao

Tototra zavatra atao matetika ny fiainana ary tsy dia mieritreritra loatra isika raha toa ka misy tanjona lehibe amin’izany rehetra izany. Miezaka ny hahavita hiaina tontolo andro iray hafa fotsiny ihany isika. Saingy toa misy zavatra ao anatintsika izay maniry ny hahafantatra hoe “Nahoana aho no eto?” na “Inona no tanjon’ny fiainana?”

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manambara amim-pahatokiana fa manana tanjona tokoa ny fiainanao ary azonao fantarina izany. Raha tsorina dia eto ianao satria nomen’ny Rainareo any An-danitra izany fahafahana izany ary noraisinao tamim-pifaliana izany. Ny tanjonao eto amin’ity fiainana ity dia ny hivoatra, hianatra momba an’ Andriamanitra, ho tonga tahaka Azy kokoa ary handray ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy indray andro any. Ny fahatakaranao ireo fahamarinana ireo dia mety hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny fomba fijerinao ireo fitahiana sy fitsapana, alahelo sy fifaliana.

Inona no atao hoe fiainana an-tany?

Ny fiainana an-tany dia vanim-potoana eo anelanelan’ny fahaterahana sy ny fahafatesana. Ny safidy ataontsika mandritra ny fiainana an-tany—indrindra indrindra fa ny safidy hanaraka an’i Jesoa Kristy—no mamaritra ny hoavintsika mandrakizay.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fiainana an-tany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny famonjena, Fiainana talohan’ny nahaterahana, Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Fahafahana hahazo vatana ara-nofo

Sary
reny sy ray mitazona zaza

Sarotra ny maka sary an-tsaina ny fiainana tsy misy ny vatantsika—be dia be amin’ny zavatra fantatsika sy iainantsika no tonga amin’ny alalan’ireo retsi-pamantarantsika ara-batana. Saingy mihoatra lavitra noho ny vatanao ianao. Manana fanahy efa nisy ela be talohan’ny nahaterahanao ianao. Andriamanitra ilay Rain’ny fanahinao dia nanome anao ity vatana ara-nofo ity ho fanomezana mba hanampiana anao hiaina ny fiainana an-tany sy hivoatra ho tonga tahaka Azy kokoa. Ny fandraisana vatana ara-nofo sy ny fiainana an-tany eto dia ampahany manan-danja amin’ny drafiny ho an’ny fahasambarana mandrakizay.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Inona no tian’ Andriamanitra ho takatsika momba ny vatantsika? Saintsaino izany rehefa mamaky ny Genesisy 1:26–27; Mosesy 2:27; ary ny 1 Korintiana 6:19–20 ianao. Inona no maha samy hafa ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny vatanao sy ny hafatra hitanao sy renao eto amin’izao tontolo izao? Inona no mety ho fiantraikan’ny fahitana ny vatanao tahaka ny hahitany izany, eo amin’ireo safidy ataonao momba ny vatanao?

  • Hevero ny hijery ilay horonan-tsary “God’s Greatest Creation” (2:51) na vakio ny lahatsoratry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Your Body: A Magnificent Gift to Cherish.” Raketo an-tsoratra ny fahatsapanao momba ny fanomezana ny vatanao. Voatosika hanao inona ianao mba hanehoana ny fankasitrahanao noho io fanomezana io?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia ahitana fizarana mitondra ny lohateny hoe “Masina ny vatanao” (pejy 22–29). Azonareo atao angamba ny miara-mamaky izany ary miato kely tsindraindray mba hametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona no dikan’izany aminao?” na “Ahoana no ho fiantraikan’ireo fitsipika ireo amin’ny safidy ataontsika momba ny vatantsika?”

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Fotoana hiomanana sy hisedrana ny tenantsika

Raha efa tany am-pianarana ianao dia mety ho fantatrao hoe manao ahoana izany manao fitsapam-pahaizana na fanadinana izany. Ny fanadinana dia manome anao fahafahana hampiseho ny zavatra nianaranao mba hahafahanao mandroso amin’ny kilasy na taranja manaraka ary hianatra misimisy kokoa.

Amin’ny lafiny sasany ny fiainana dia toy ny fanadinana na fitsapam-pahaizana. Ny zavatra niainantsika—sy ny fiatrehantsika ireo zavatra niainantsika ireo—dia manome antsika fahafahana haneho “raha toa [isika] ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo …” (Abrahama 3:25). Saingy tsy toy ny ankamaroan’ny fitsapam-pahaizana any an-tsekoly, ny sedram-piainana dia tsy fotoana hanaovana tombana fotsiny ihany fa dingana mamolavola izay hahatongavana. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka manitsy ireo fahadisoana ianao amin’ny alalan’ny fibebahana ary lasa mitovy tsikelikely amin’ Andriamanitra. Raha mampiasa ny fotoanantsika eto an-tany isika mba hitodihana amin’i Kristy sy handraisana ny filazantsarany dia afaka mampiasa ny zavatra iainantsika eto amin’ity fiainana an-tany ity Izy—anisan’izany ireo zavatra niainany naharary sy nanenenana—mba hanomanana antsika ho amin’ny mandrakizay (jereo ny Romana 8:28).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Raha misy manontany anao hoe “Inona no tanjon’ny fiainana?” dia inona no holazainao? Eritrereto ny fomba hamenoan’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny valin-teny homenao: Almà 12:24; 34:31–37; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–48. Ahoana no fomba “hiomananao hihaona amin’ Andriamanitra”?

  • Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ity fiainana ity tokoa no fotoana ahafahanareo manapa-kevitra hoe karazana fiainana toy ny ahoana no tianareo hiainana mandrakizay.” Manontania tena hoe: “Karazana fiainana toy ny ahoana no tiako hiainana mandrakizay? Inona no safidy ataoko izay hitondra any amin’izany tanjona izany? Misy fanitsiana tokony hataoko ve? Ahoana no ahafahako mahazo ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana ahy hitondra ireo fiovana ireo?”

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ao amin’ilay horonan-tsary hoe “The Challenge to Become,” dia mizara fanoharana iray momba ny ray mpanan-karena iray ny Filoha Dallin H. Oaks. Ity fanoharana ity dia mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra ho antsika eto amin’ny fiainana an-tany. Azonao atao ny miresaka momba ny fomba mety hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany hiomana amin’ny hoaviny. Ahoana no fomba hanomanan’ny Ray any An-danitra anao ho amin’ireo fitahiana mandrakizay izay tiany homena anao? Azonareo atao angamba ny mifampizara zavatra niainana sy safidy sasantsasany izay manampy anareo hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Fomba iray hiainana fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy

Namintina ny tanjon’ny fiainana tamin’ny fehezanteny fohy iray ny mpaminany Lehia: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25). Saingy na i Lehia aza dia tsy nanana fiainana mora. Niaina tebiteby sy alahelo isan-karazany izy—tsy maintsy nandositra ny tranony mba hamonjena ny ainy izy ary nikomy taminy ny zanany roalahy. Toy izao no nolazain’ny Filoha Nelson momba ny fomba namariparitan’i Lehia ny tanjon’ny fiainana: “Alaivo sary an-tsaina anie! Tamin’ireo teny rehetra azony nampiasaina mba hamariparitana ny toetra sy ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, dia nosafidiany ny teny hoe fifaliana!” Na dia ao anatin’ny fitsapana sy ny asa mafy rehetra misy eto amin’ity fiainana an-tany ity aza dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa ny tena irin’ny Raintsika, amin’ny farany, dia ny hahazoantsika ilay fifaliana izay ananany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mandritra ny fotoana tsy dia mahafaly loatra—ary samy miatrika izany isika—ny soratra masina toy ny Hebreo 4:14–16 dia afaka manampy. Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana Izy no mendrika ny hanolotra “famonjena amin’izay andro mahory”?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Fakafakao miaraka ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson mikasika ny fomba hahitana fifaliana ao amin’ny “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy.” Azonao atao angamba ny mifampizara ny fomba nahitanao fifaliana tao amin’i Kristy, na dia tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy