Tahirim-pitaovana
Drafitry ny Famonjena


“Drafitry ny Famonjena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Olona mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Drafitry ny famonjena

Ny drafitry ny Ray any An-danitra momba ny fiverenantsika azo antoka sy amim-pifaliana any Aminy

Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ianao no eto an-tany na inona no tanjonao eo amin’ny fiainana? Manontany tena ve ianao indraindray hoe nahoana no sarotra ny fiainana? Manahy ve ianao hoe inona no hitranga rehefa maty ianao na ny olona iray akaikin’ny fonao? Rehefa miatrika fanontaniana sarotra toy izany ianao—ary isika rehetra—dia manampy ny mahafantatra fa manana drafitra ho anao sy ho antsika rehetra ny Ray any An-danitra. Ny fahatakarana io drafitra io dia afaka manampy anao hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo sy hahita ny tena fahasambarana, na inona na inona mety hitranga eo amin’ny fiainanao.

Inona no atao hoe drafitry ny famonjena?

Drafitry ny Ray any An-danitra, na ny drafitry ny famonjena, na ny drafitry ny fahasambarana mba hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy sy hiverina any Aminy. Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra avokoa ny Fahariana ny tany, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny fahaterahantsika sy ny fahafatesantsika, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fitsanganantsika amin’ny maty sy ny fitsarana farany, ireo lalàna rehetra, ireo didy ary ny fanomezany rehetra. Manana ny anjara toerana lehibe indrindra amin’ny fanatanterahana ny famonjena ny zanaky ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Ataony azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ilay drafitra, izay manome fahafahana antsika hanatanteraka ny tanjon’ilay drafitra,dia ny handray ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra.

Topimaso momba ny lohahevitra: Drafitry ny famonjena

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fiainana talohan’ny fiainana an-tany, Fiainana an-tany, Fiainana mandrakizay

Fizarana 1

Nanomana ny drafiny ny Ray any An-danitra mba hahatongavanao tahaka Azy

Niara-niaina tamin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra isika rehetra—izay rehetra niaina na mbola hiaina eto an-tany—talohan’ny nahaterahantsika. Isika dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavin’Izy Ireo saingy maro ny zavatra nilaintsika niainana mba hahatongavantsika tahaka Azy Ireo. Tia antsika ny Ray any An-danitra ary tiany isika rehetra hiaina tahaka Azy: ao amin’ny voninahitra mandrakizay miaraka amin’ireo olona ankamamiantsika. Izany no antony nanomanany ny drafitry ny fanavotana.

Sary
vehivavy iray mivavaka

Ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny hahatonga antsika ho tahaka an’ Andriamanitra sy hiaina mandrakizay miaraka Aminy no tanjon’ilay drafitra manontolo, raha lazaina amin’ny teny hafa. Ny fahafantaranao momba ilay drafitra dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-Andriamanitra anao sy ny hery mandrakizay ao anatinao.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio na jereo ny lahatenin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Manan-danja Aminy ianao.” Midika inona aminao ny mahafantatra fa Andriamanitra dia “mandray anao ho toy ilay olona izay vitanao ny hiafara tahaka izany ary efa nomanina mba hiafaranao rahatrizay”? Ahoana no ahafahan’izany fahalalana izany hanova ny fomba fisainanao sy ny fiheveranao ny tenanao ary koa ny hafa?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nasehon’i Jesoa Kristy antsika tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Ataovy lisitra ireo toetra sasany tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra Azy ianao. (Azonao jerena ao amin’ny Toko 6 ao amin’ny Torio ny filazantsarako mba hahitana hevitra vitsivitsy.) Ifampizarao ny fomba hahitanareo ny sasany amin’ireo toetra ireo eo aminareo tsirairay avy. Asao ny olona tsirairay mba hisafidy ny iray amin’ireo toetra izay tiany hananana sy hanao ny drafitra hampiorim-paka izany toetra izany. Ifampizarao ny drafitrareo, ary mifampahereza ao anatin’ny ezaka izay ataonareo hanatrarana ny tanjonareo.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Hanampy anao amin’ireo toe-javatra sarotra ny fahatakarana ilay drafitra

Rehefa takatrao fa ampahany kely fotsiny amin’ny fiainanao ity fiainana ity dia afaka mifikitra amin’ny fanantenana ianao rehefa miatrika fitsapana. Tsy midika akory izany fa ho afaka ny hamaly lalandava ny fanontaniana toy ny hoe “Nahoana no nitranga izany?” ianao. Saingy na dia voafetra aza ny fahatakaranao dia afaka mahazo antoka ianao fa tia anao Andriamanitra (jereo 1 Nefia 11:17) ary tsy haharitra mandrakizay ny fanamby atrehanao. Azonao fantarina ihany koa fa noho i Jesoa Kristy dia tsy ny fahafatesana no fiafarana. Dingana iray fotsiny amin’ny fomba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra izany.

Sary
vehivavy mandohalika eo amin’ny vatom-pasana

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Jereo ny “Plan of Salvation—We’re Still a Family” (4:47). Nanontany ilay zatovolahy ao amin’ilay horonan-tsary hoe: “Inona no dikan’ny hoe manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?” Saintsaino ny fomba hamalianao io fanontaniana io. Azonao atao ny mizara ny eritreritrao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao na koa mirakitra izany ao anaty diary.

  • Vakio ireto soratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo anarana samihafa iantsoana ny drafitry ny famonjena: 2 Nefia 9:6, 13; 11:5; Almà 34:16; 41:2; 42:8, 31. Inona no ampianarin’ireo anarana ireo anao momba ny drafitr’ Andriamanitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ahoana no ahafahanao mifantoka amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra rehefa mibosesika handroso amin’ny fiainana ianao? Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.” Ifampiresaho ny fomba ahafahanareo manao an’i Kristy sy ny filazantsarany ho ivon’ny fiainanareo. Afaka mifandimby maka sary efitra iray ianareo. Dia avelao ny tsirairay hisafidy izay ampahany amin’ilay efitrano izay hifantohany. Iaraho mijery ireo sary, ary resaho ny maha-samihafa ny endrik’ilay efitrano raha jerena amin’ny fomba fijery samihafa. Resaho ny fomba ahafahan’ny fifantohana amin’i Kristy manampy antsika hahita ny fiainantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Manao izay hahatonga ilay drafitra ho azo tanterahina ho an’ny rehetra i Jesoa Kristy

Mety ho tsapanao fa nanao fahadisoana be loatra ianao, na hoe tsy ho ampy fahatsarana mihitsy ianao mba hahazoana ireo fitahiana rehetra nampanantenain’ Andriamanitra. Raha miankina amin’ny ezaka ataonao manokana fotsiny ny fahombiazan’ny drafitr’ Andriamanitra dia mety ho marina izany. Saingy i Jesoa Kristy dia manao izay hahatonga ilay drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ho azo tanterahina ho an’ny rehetra. Noho ny sorona fanavotana nataony dia tsy voatery manao izany rehetra izany samirery isika. Manasa ny rehetra Izy mba hianatra momba ilay drafitra, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana Aminy, ary higoka ireo fitahiana izay nampanantenain’ilay drafitra. Izy no hanova sy hampatanjaka antsika amin’izany rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika mba hampiharana finoana Azy, sy hibebaka ary hitandrina ny fanekempihavanantsika. Afaka mahita fahasambarana ao amin’ilay drafitra isika noho ny fahalalana fa azo antoka ny fampanantenany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio na jereo ny lahatenin’ny Loholona Adrián Ochoa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2022, “Mandaitra ve ilay drafitra? Ny Loholona Ochoa dia mamaritra fitsipika telo izay mety hanampy raha tsapanao fa tsy mandaitra eo amin’ny fiainanao ny drafitry ny famonjena. Mariho ny fitanan’i Jesoa Kristy toerana lehibe amin’ny tsirairay amin’ireo fitsipika ireo. Manaova tanjona hifantoka kokoa Aminy. Rehefa miezaka manatratra ny tanjonao ianao dia raketo an-tsoratra ny fahatsapanao mikasika ny fahitanao ny fandairan’ny drafitry ny fahasambarana eo amin’ny fiainanao.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny drafitry ny famonjena

Hamoaka printy