Tahirim-pitaovana
Soratra Masina


“Soratra masina”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Fianakaviana mamaky soratra masina

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Soratra masina

Rakitsoratra mirakitra ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ireo zanany

Efa nisy fotoana ve ianao nahita andinin-tsoratra masina izay toa niresaka mivantana taminao? Manana hery ara-panahy ny soratra masina (jereo ny Lioka 24:32; 2 Nefia 32:3). Mijoro ho vavolombelona izy ireo fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary mitarika antsika mankany Aminy amin’ny maha loharanon’ny famonjena antsika Azy. Nanome antsika soratra masina ny Raintsika any An-danitra be fitiavana hampianarana antsika momba ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika, hanampiana antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Zanany Jesoa Kristy, hitarihany antsika, hanomezany fanantenana antsika, ary noho ny antony maro hafa. Tamin’ny vanim-potoana rehetra dia nirakitra ireo hafatra avy any an-danitra noraisin’izy ireo avy sy ny tantaran’ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ireo zanany ireo mpaminany taloha sy maoderina. Voatahy isika manana ny tenin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao.

Inona no atao hoe soratra masina?

Ny soratra masina dia boky masina mirakitra ny tenin’ Andriamanitra sy ny fampianaran’ireo mpaminany ary ireo tantaran’ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ireo zanany (jereo ny 2 Petera 1:20–21). Ny soratra masina ankatoavin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay antsoina hoe “soratra masina ankatoavina”, dia ahitana ny Baiboly Masina, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy.

Topimaso momba ny lohahevitra: Soratra masina

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Baiboly, Bokin’i Môrmôna, Mpaminany, Mampianatra sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny soratra masina

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Nanambara ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny.” Mitarika antsika makamin’ny famonjena ny hafatra sy hery ara-panahy entin’ny soratra masina. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny tenin’Andriamanitra, araka ny hita ao amin’ny soratra masina, … dia manana ny hery hankaherezana ireo Olomasina, sy hanafiana azy ireo amin’ny Fanahy, mba hahafahan’izy ireo manohitra ny ratsy, sy mifikitra mafy amin’ny tsara, ary mahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity.” Dingana iray manan-danja mankany amin’ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fanapaha-kevitrao hamaky sy handalina ny soratra masina.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Rehefa te hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika.” Oviana ianao no nahatsapa fa nanome valin-teny anao ny soratra masina? Inona no hozarainao amin’ny hafa hanampiana azy ireo hahatsikaritra fa ny soratra masina dia afaka manampy azy ireo hahazo valin-teny avy amin’ Andriamanitra?

  • Noraketin’ny mpaminany Nefia ny zavatra nantenainy fa hiainan’ireo mpamaky ireo soratra nentanim-panahy nosoratany. Vakio ny 1 Nefia 6:1–6 Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ny tanjona nanoratan’i Nefia ny tantarany eo amin’ny fomba fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho-mijery ny horonan-tsary “President Nelson—The Scriptures Teach Us about Jesus Christ (for Youth)” (0:59), ary tadiavo ireo fahamarinana izay nampanatenain’ny Filoha Russell M. Nelson fa azontsika hianarana avy ao amin’ny soratra masina. Inona no nolazainy momba ny maha-zava-dehibe ny firotsahantsika tanteraka amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Angon-drakitra masin’ny tenin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany ny soratra masina

Sary
Soratra masina

Ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia “mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra […], izay ambarany ankehitriny, ary … Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9). Maro amin’ireo fanambaran’ Andriamanitra amin’ireo zanany no raketina ao amin’ny soratra masina, izay ahitana ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy lafo vidy. Antsoina hoe soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana ireo boky ireo ary raisina ho toy soratra masin’ny Fiangonana nankatoavina na natambatra.

  • Ny Baiboly dia rakitsoratra mirakitra ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ireo olony, nanomboka tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny vanim-potoana niainan’ireo Apôstôlin‘i Jesoa Kristy. Mizara roa izany: ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Testamenta Taloha dia mampianatra fa Ilay Mesia nampanantenaina dia ho tonga ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ahitana ny fampianaran’ireo Apôstôliny an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay natsangan’i Jesoa Kristy tamin’izany fotoana izany ihany koa izany.

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia rakitsoratra masin’ny mponina nipetraka tany amin’ny Ila Bolatany Andrefana teo anelanelan’ny taona 2000 talohan’i J.K. sy 400 taorian’i J.K. Mitondra ny zana-dohateny hoe “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy” izy io. Nosoratana “mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna).

  • Ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitra fanambarana maoderina maro izay nomena mba ho ampahany amin’ny famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny. Ny ankamaroan’ireo fanambarana ireo dia nomena ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny taonjato faha sivy ambin’ny folo.

  • Ny Voahangy Lafo Vidy dia mirakitra ireo soratra avy ao amin’ny bokin’i Mosesy sy ny bokin’i Abrahama. Ahitana sombin’ny fandikan’i Joseph Smith ny Baiboly sy tantaran’ny Fiangonana notsongaina ary ny Fanekem-pinoana izy io.

Ankoatra ireo soratra masina ankatoavina, dia raisin’ireo Olomasin’ny Andro Farany ho soratra masina ihany koa ny teny nentanim-panahy sy fampianaran’ireo mpaminany maoderina. “Na inona na inona hotenenin’ izy ireo noho ny fanentanan’ ny Fanahy Masina dia ho soratra masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Almà 37:8–10, mba hitadiavana ny fomba nitondran’ny soratra masina fiovana teo anivon’ny vahoaka tamin’ny andron’i Almà. Oviana no nahitanao fitahiana toy izany teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ireo olona manodidina anao? Inona amin’ireo fitahiana voatanisa ao amin’io andinin-tsoratra masina io no handrandrainao ho an’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

  • Ireo mpaminany ao amin’ Ny Bokin’i Môrmôna, i Lehia sy i Nefia, dia nahita fahitana maneho ny tenin’ Andriamanitra ho toy ny anja-by (jereo ny 1 Nefia 811). Azonao dinihina ireo toko ireo no sady mieritreritra hoe nahoana ilay anja-by no sary ohatra mifanentana tsara amin’ny tenin’ Andriamanitra. Oviana ny soratra masina no lasa anja-by ho anao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hevero ny hijery ny sombiny na ampahany rehetra amin’ilay horonan-tsary “Scriptures Legacy” (22:29). Asao ny vondrona mba hizara ny tantara nanaitra azy indrindra momba ireo olona izay nanampy mba hahazoana antoka fa manana ny soratra masina isika ankehitriny. Ahoana no mety hampisy fiantraikany an’ireo tantara ireo eo amin’ny fahatsapatsika mikasika ny fandalinantsika ny soratra masina?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Afaka mitondra fahazavana sy fahamarinana eo amin’ny fiananao ny fandalinana ny soratra masina

Sary
Vehivavy mamaky soratra masina

Nampahatsiahy antsika ny lanjan’ny fandalinana ny soratra masina avokoa ireo mpaminan’ny andro farany. Ny soratra masina dia lasa fitahiana lehibe ho an’izay rehetra manokana fotoana hamakiana izany sy hianarana avy amin’izany. Rehefa mandalina ny tenin’ireo mpaminany isika dia afaka mianatra fahamarinana ary handray fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Nampitandrina ireo Olomasina voalohany ny Tompo hoe: “Ny sainareo dia nohamaizinina taloha noho ny tsy finoana, ary satria efa nohamaivaninareo ireo zavatra efa noraisinareo. … Ambara-pibebaha[nareo] sy ahatsiarova[nareo] ny fanekempihavanana vaovao, dia ny Bokin’i Môrmôna sy ireo didy teo aloha izay efa nomeko [anareo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54, 57) Manana ny hery mandroaka haizina ny soratra masina amin’ny alalan’ny fahazavana ara-panahy izay tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mamaky sy mandalina azy ireo.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny fianakavian’i Lehia dia notarihina tamin’ny dian’izy ireo tany an-tany foana tamin’ny alalan’ny bola na tondroavaratra nantsoina hoe Liahôna. Rehefa naneho finoana sy fahazotoana izy ireo, dia nampiseho ny lalana tokony hizorana ilay Liahôna. Vakio ny Almà 37:38–47, mba hitadiavana ny fomba hanampian’ny soratra masina anao ankehitriny tahaka ny nanampian’ny Liahôna ny fianakavian’i Lehia. Inona avy no azontsika atao mba hahazoana ireo tombontsoa ara-panahy rehetra avy amin’ny soratra masina na ny tenin’i Kristy?

  • Afaka manome fanampiana ara-panahy sy hery ny fanaovana tsianjery ny andinin-tsoratra masina amin’ny fotoana tena ilana izany. Avereno jerena ny hafatry ny Loholona Richard G. Scott “Ny herin’ ny soratra masina”. Inona no ianaranao avy amin’io hafatra io izay afaka hanosika anao hanova ny fomba fandalinanao ny soratra masina?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

Hianatra misimisy kokoa

  • 2 Nefia 31:20; Joseph Smith—Tantara 1:11–13, 73–74

  • Power of the Word”, Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 115–124

  • Liken All Scriptures” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile

  • The Scriptures—The Most Profitable of All Study”, Teachings of Presidents of the Church: Howard W. Hunter (2015), 143–53

  • Discovering the Scriptures for Ourselves”, Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball (2011), 59–68

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Soratra Masina

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “La bénédiction des Écritures”, Liahona, mai 2010, 34.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 118.

  3. Robert D. Hales, “Les Saintes Écritures, le pouvoir de Dieu pour notre salut,” Liahona, nov. 2006, 26–27.

  4. Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6–8.

Hamoaka printy