Tahirim-pitaovana
Ny tsodranon’ny Patriarika


“Ny tsodranon’ny Patriarika”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
lehilahy iray mitsodrano vehivavy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ny tsodranon’ny Patriarika

Fitarihana an’ny tena manokana sy nentanim-panahy avy any amin’ny Ray any An-danitra

Tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny mpaminany Lehia dia nahita bola boribory vita tamin’ny varahina izay nisy sahaza roa (jereo ny 1 Nefia 16:10). Hitan’ny fianakaviana fa io bola na tondroavaratra io, izay nantsoin’izy ireo hoe “Liahôna”, dia nanondro izay tokony halehany tany an-tany foana. Niasa araka ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra izany (jereo ny Almà 37: 38–40). Ny tsodranon’ny patriarika ihany koa dia afaka ny ho toy ny fiasan’ny Liahôna teo amin’ny fianakavian’i Lehia ho antsika.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanambara hoe: “Ilay Tompo izay nanome ny Liahôna ho an’i Lehia ihany no manome ho anao sy ho ahy ankehitriny fanomezana iray manan-danja sy tsy fahita mba hanomezana fitarihana ho an’ny fiainantsika, mba hanondroana ireo loza ho fiarovana antsika, ary mba hanoroana ny lalana, dia ilay lalana azo antoka—tsy mankany amin’ny tany nampanantenaina fa mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ilay fanomezana resahiko dia fantatra amin’ny hoe tsodranon’ny patriarika ho anao.”

Manome torolala avy any an-danitra amin’ny fomba maro ny Ray any An-danitra— amin’ny alalan’ny soratra masina, ireo tenin’ireo mpaminaniny velona, ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika dia fitaovana manan-danja iray hafa izay afaka manome anao fitarihana ara-panahy sy torohevitra ary fanomezan-toky eo am-piatrehanao ireo fisalasalana misy sy ireo fanambin’ny fiainana.

Inona no atao hoe tsodranon’ny patriarika?

Ny tsodranon’ny patriarika dia tsodranon’ny fisoronana an’ny tena manokana izay omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny patriarika natokana sy nahazo fahefana. Amin’ny ankapobeny izy io dia ahitana fitarihana an’ny tena manokana sy nentanim-panahy avy any amin’ny Ray any An-danitra. Ny tsodranon’ny patriarika dia ahitana ihany koa ny fanambarana mikasika ny firazanan’ny olona iray ao amin’ny mpianakavin’i Israely, na ny maha-taranak’i Abrahama azy. Hadika an-tsoratra ny tsodranon’ny patriarika ary omena tahadika iray ilay mpikambana ary ny iray hafa kosa dia tanana ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana. Ny mpikambana tsirairain’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia amporisihina mba handray ny tsodranon’izy ireo avy amin’ny patriarika.

Topimaso momba ny lohahevitra: Tsodranon’ny Patriarika

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Tsodranon’ny fisoronana; Fanambarana ho an’ny tena manokana; Fanekempihavanan’i Abrahama

Fizarana 1

Inona no atao hoe tsodranon’ny patriarika?

Sary
zatovolahy mamaky taratasy

Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka mahazo tsodranon’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana amin’ny fotoana maro eo amin’ny fiainan’izy ireo. Afaka mangataka tsodranon’ny fisoronana avy amina mpihazona ny fisoronana Melkizedeka ny mpikambana amin’ny fotoana rehetra izay ilany fanasitranana na maniry hanana fitoniana, fahendrena sy torohevitra avy any an-danitra. Na izany aza dia miavaka amin’ireo tsodranon’ny fisoronana ireo ny tsodranon’ny patriarika.

Ny patriarika dia mihazona anjara fanompoana miavaka ary natokana mba hanome fitahiana manokana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika. Ny olona iray dia tokony ho vonona ara-panahy sy ampy fahamatorana amin’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny tsodranony avy amin’ny patriarika na dia tsy misy taona kely indrindra na lehibe indrindra takina aza. Indray mandeha eo amin’ny fiainany ihany mazàna no andraisan’ny olona iray tsodranon’ny patriarika. Raketina sy hadika an-tsoratra ary tahirizina ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana ny tsodranon’ny patriarika. Masina izy ireny ary tsy tokony vakina am-pahibemaso na hadikan’ny hafa.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mba hahatakarana bebe kokoa ny tantaran’ny tsodranon’ny patriarika ato amin’ny Fiangonana dia jereo ny Church History Topics “Patriarchal Blessings”, izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Evangile. Inona no zavatra ianaranao momba ny tsodranon’ny patriarika avy amin’io lahatsoratra io? Araka ny eritreritrarao, nahoana no noraketina hatrany izy ireny ary notanana ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana? Inona no ampianarin’izany anao mikasika ny tsodranon’ny patriarika anao manokana sy ny lanjany?

  • Vakio ny Fanekem-pinoana 1:6. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ilay teny hoe “evanjelistra” ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manondro an’ilay anjara fanompoan’ny patriarika ao amin’ny fisoronana. Ho fampahalalana misimisy kokoa momba an’izany dia hevero ny hamaky ny hafatry ny Filoha boyd K. Packer “The Stake Patriarch”,

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mety tsy mahazatra ireo olona rehetra ao amin’ny vondrona misy anao ny dingana tokony harahina mba handraisana ny tsodranon’ny patriarika. Asao izy ireo hametraka fanontaniana momba ny tsodranon’ny patriarika, ary hitanisa izany mba ho hitan’ny rehetra raha azo atao. Jereo aveo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 18.17, ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana valiny ho an’ireo fanontaniana napetraky ny olona tao amin’ny vondrona. Inona no ampianarin’io sahanasa io anao momba ny tsodranon’ny patriarika?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Inona no atao hoe fanambarana ny firazanana ao amin’ny tsodranon’ny patriarika?

Sary
Tsodranon’ny patriarika

Ahitana ny fanambarana momba ny firazanana avokoa ny tsodranon’ny patriarika tsirairay. Rehefa atao batisa sy lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny zanak’ Andriamanitra, dia mandova ireo fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’i Abrahama sy ny taranany raha toa ka mitoetra ho marina izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:9–11). Na dia mety hanana fiavina avy amin’ny fianakaviambe mihoatra ny iray avy amin’ny taranak’Isiraely aza ny olona iray, dia foko iray manokana no fantatra amin’ny ankapobeny, izay manamafy fa manana fifandraisam-pianakaviana amin’i Abrahama ilay olona. Tsy manan-danja loatra na midika hoe taranaka ara-bakiteny amin’ny alalan’ny ra ny olona iray na natsangana ara-panahy (jereo ny Abrahama 2:10). Io fanambarana ny firazanana io dia mampiseho ilay foko izay amin’ny alalany no hahafahan’ny olona iray mandova ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama. Mampatsiahy ny olona mahatoky iray ihany koa izany ny amin’ireo andraikitra ananany amin’ny maha-taranak’i Abrahama azy (jereo ny Abrahama 2:11).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nahoana no manan-danja ny maha-isan’ny fianakavian’i Abrahama anao? Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Iray amin’ireo antony voalohany andraisantsika ny tsodranon’ny patriarika ny hanampiana antsika hahatakatra kokoa hoe iza isika amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika ary hahafantarantsika ny andraikitra izay iantsorohantsika.” Inona ireo andraikitra iantsorohanao amin’ny maha-mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama anao? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny tsodranonao avy amin’ny patriarika momba ireo talenta manokana sy toetoetranao izay afaka manampy anao amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Zarao amin’ny olona ao amin’ny vondrona misy anao ity teny nambara ity. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Amin’izao androntsika izao dia manana tombontsoa isika mandray tsodranon’ny patriarika sy mianatra ny fifandraisantsika amin’ireo patriarika fahiny.” Azonao atao ny manontany ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hoe midika inona ho azy izany hoe manana rohim-pianakaviana amin’ny Abrahama sy ireo patriarika hafa taloha izany.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Hanampy anao hahatsapa ny fitiavany amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika ny Ray any An-danitra

Sary
zatovovavy mitsiky

Endrika isehoan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay ny tsodranon’ny patriarika. Porofo izany fa mahafantatra antsika tsirairay Izy. Rehefa mandalina ombam-bavaka ny tsodranonao avy amin’ny patriarika ianao dia hahatsapa fa mahatsiaro anao Andriamanitra ary manana drafitra masina ho an’ny fahasambaranao. Fanomezana sarobidy ny fandraisana ny tsodranon’ny patriarika.

Ny tsodranon’ny patriarika dia mety hirakitra fampitandremana sy torohevitra ary fampanantenana izay anao manokana. Azo heverina ho toy ny soratra masina an’ny tena manokana io tsodrano nentanim-panahy io ho an’ilay mandray azy ary afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra mety ho vitanao sy ireo zavatra azonao tanterahana. Afaka manome fiadanana sy fanantenana ihany koa izany rehefa miatrika fahasarotana na fisalasalana. Na dia tsy manome ny antsipirian’ny zava-drehetra hitranga eo amin’ny fiainanao aza ny tsodranon’ny patriarika, dia torolalana mahasoa izay hanampy anao hanana tanjona sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Misy fepetra avokoa ireo fitahiana sy fampanantenana ao amin’ny tsodranon’ny patriarika, miankina amin’ny fahatokiantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21). Satria natokana ho an’ny fisiantsika mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika, dia mety tsy ho tanteraka raha tsy aorian’ity fiainana an-tany ity ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenaina antsika.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Hitanao ve ny maha-zava-dehibe ny tsodranonao avy amin’ny patriarika? … Sarobidy izany. Soratra masina ho anao manokana izany. Manambara ny firazananao miavaka izany. Mampahatsiahy anao ny amin’ny fifandraisanao amin’ny lasa izany. Ary hanampy anao ho tonga amin’izay azonao hahatongavana amin’ny ho avy izany. Azanao atao ara-bakiteny mihitsy ny mangataka amin’ny Tompo ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo amin’ny alalan’ny fahatokianao.” Inona no tsapanao rehefa mandinika ireo fampianarana ireo ianao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ampatsiahivo ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao fa mety ho sarotra indraindray ny mahafantatra hoe ahoana no hanazavana ny tsodranonao avy amin’ny patriarika. Mety hanana dikany maro ireo andalana na andian-teny sasany. Zarao ny torohevitry ny Filoha Dallin H. Oaks: “[Ny tsodranon’ny patriarika iray] dia omena eo ambanin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary tokony hovakina sy takarina eo ambany fitarihan’io Fanahy io ihany.” Ahoana no ahafahanao manasa ny Fanahy eo am-pamakianao sy hanakaranao ny ny dikan’ny tsodranonao avy amin’ny patriarika? Ahoana no mety hampiova ny fahatakaranao ireo andalana ao amin’ny tsodranonao avy amin’ny patriarika mandritra ny fiainanao?

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny tsodranon’ny patriarika

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light”, Ensign, Nov. 1986, 65.

  2. Boyd K. Packer, “The Stake Patriarch,” Liahona, Nov. 2002, 42–45.

  3. David A. Bednar, “Becoming a Missionary,” Liahona, Nov. 2005, 47.

  4. Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 10.

  5. Russell M. Nelson, “Thanks for the Covenant” (Fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 22 Nôv. 1988), 5, speeches.byu.edu.

  6. Richard M. Romney, nindrana ny tenin’i Dallin H. Oaks, “Patriarchal Blessings—Insights from Prophets and Patriarchs” (lahatsoratra amin’ny endriny nomerika irery ihany), Liahona, feb. 2022, Médiathèque de l’Evangile.

Hamoaka printy