Mba hampianarana ny filazantsara, dia tokony ho afaka hanazava ny atao hoe apôstazia, fotoampitantanana, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ianao. Afaka manampy ity tabilao ity.
Mody ataovy hoe manao dia mandritra ny herinandro any amoron-dranomasina miaraka amin’ny fianakavian’ny namanao ianao. Nahazo fahafinaretana be ianao, kanefa manomboka malahelo ny fianakavianao. Dia nandefa hafatra an-tsoratra ho anao ny dadanao mba hahafantarany izay mitranga any, ary izay mihitsy no nilainao mba hahatsapanao fa tiana sy misy mahatsiaro ianao.
Mitovitovy amin’izany ny fiainana eto an-tany. Tsy mandefa hafatra an-tsoratra ho antsika Andriamanitra, kanefa lavitra ny fonenantsika any an-danitra isika, ka noho izany dia fomba iray hampitan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany antsika ny fanirahana mpaminany.
Fotoampitantanana
Ny mpaminany no mitarika ny antsoina hoe vanim-potoan’ny fotoampitantanana, rehefa (1) manana mpitarika mpihazona ny fisoronana iray farafahakeliny eto an-tany Andriamanitra ary (2) io mpitarika io, izay mpaminany, dia mianatra momba ny drafitry ny famonjena mivantana avy amin’ Andriamanitra. Avy eo ilay mpaminany dia mampianatra, na mizara, ny filazantsara amin’ny olona.
Noho ny soratra masina dia mahafantatra ny mombamomba ny maro amin’ireo fotoampitantanana isika. Anisan’ireo manan-danja ny an’i Adama, Enôka, Noa, Abrahama, Mosesy, Jesoa Kristy, ary Joseph Smith. Nanomboka fotoampitantanana iray ny Tompo tamin’ny alalan’ny tsirairay avy tamin’ireo mpaminany ireo.
Apôstazia
Apôstazia=faharatsiana. Rehefa miala amin’ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona iray na ny andian’olona iray, ary mandà ny mpaminany sy manomboka manota, dia ao anatin’ny apôstazia izy ireo.
Famerenana amin’ny laoniny
Ny famerenana amin’ny laoniny dia ny famerenana zavatra iray ho amin’ny toetrany tany am-piandohana. Tsy fanavaozana izany, izay manova zavatra iray efa misy mba hamoronana zavatra vaovao. Ohatra, raha te hamerina amin’ny laoniny ny trano efa antitra iray ianao, dia hamerina hanangana izany amin’ny rafi-trano izay nananany tany am-boalohany. Mety te hanampy cheminée vaovao ianao, fa amin’izay fotoana izay ianao dia manova ilay trano, fa tsy mamerina izany amin’ny laoniny.
Nilaina naverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy satria tsy teo intsony izany nandritra ny Apôstazia Lehibe. Niaina nandritra ny taonjato maro tsy nisy ny Fiangonana marina ny olona. Noho izany ny Tompo dia namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith, tahaka izay naminanian’ireo mpaminany fahiny izany (jereo ny Isaia 2:1–3; 29:13–14; Asan’ny Apostoly 3:19–21; Apokalypsy 14:6–7; 2 Nefia 3:3–15).
Hitoetra eto foana ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy, ka moa ve ianao hijanona ho mahatoky amin’izany mandritra ny fotoana maha-eo izany? Na dia miharatsy hatrany hatrany aza izao tontolo izao, dia hitoetra hatramin’ny farany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Manana safidy tokony hatao ianao, dia ilay safidy efa nataon’ny olombelona rehetra hatrany am-piandohana: hanaraka ny mpaminany ve ianao? Raha manao izany ianao dia hotahiana sy hanana ny Fanahy hitarika anao.