Nanomboka ny famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana rehefa namangy an’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny 1820. Taorian’izay, dia nisy zavatra manan-danja hafa nitranga mba hamerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany. Vakio ireto karatra ireto, dia hetezo, apetaho amin’ny taratasy, ary ataovy ilay kilalao fampifandraisana.
Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy …
… ka dia fantatro fa manana vatana tahaka ahy Izy ireo!
Nandika ireo takela-bolamena i Joseph Smith …
… ka dia afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho!
Nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa …
… ka dia afaka ny ho atao batisa ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho!
Namerina ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny laoniny i Petera, sy i Jakôba ary i Jaona …
… ka dia afaka mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aho!
Naorina tamin’ny 6 aprily 1830 ny Fiangonana …
… ka dia afaka mandeha mivavaka any am-piangonana aho!
Nanangona hira hatao ao anatin’ny fihirana voalohany an’ny Fiangonana i Emma Smith …
… ka dia afaka mihira hira ao amin’ny fihirana aho!
Nomen’i Elia an’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’ny Kirtland ny fanalahidy hamehezana ny fianakaviana …
… ka dia afaka manao tantaram-pianakaviana sy mankany amin’ny tempoly aho!
Nandidy ny Olomasina tany am-boalohany ny Tompo mba handoa fahafolonkarena, izany hoe 10 isan-jato …
… ka dia afaka manome fahafolonkarena sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina aho!
Nanokatra ny Fikambanana ho an’ny Kilonga i Aurelia Rogers mba hampianarana ny ankizy teo amin’ny manodidina azy …
… ka dia afaka mandeha ao amin’ny Kilonga aho!