2018
Ndeha isika hizara ny fahalalantsika mikasika ny Mpamonjy iray
April 2018


Ndeha isika hizara ny fahalalantsika mikasika ny Mpamonjy iray

Avy tamin’ny lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny vehivavy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, “The Knowledge of a Savior” (Ny fahalalana mikasika ny Mpamonjy iray) tamin’ny 5 mey 2017.

Ny hafatsika dia hafatra mikasika ny fiadanana ary ianareo no iraka hitory izany. Afaka manao izany amin’ny alalan’ireo fitaovana vaovao sy mampientanentana atolotry ny teknôlôjia ianareo.

tablet with christs image

Sary avy amin’ny Getty Images; Sarin’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann

Isika no Fiangonan’i Jesoa Kristy, izay naorina amin’izao andro farany izao. Isika amin’izao andro farany izao dia nomena andraikitra izay mitovy amin’ny zavatra nandidian’ny Tompo ny mpianany fahiny mba hataon’izy ireo, dia ny: “[Handeha] any amin’izao tontolo izao, ka [hitory] ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15).

I Nefia mpaminany fahiny dia namintina fohy izany asa anirahana izany sy izany hafatra izany ary ny tanjona ao ambadik’izany: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26).

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môsià fa i Benjamîna Mpanjaka izay mpaminany fahiny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia namory ny vahoakany nanerana ny tany teo amin’ny toerana nisy ny tempoly, dia nampanangana tilikambo iray ary nampianatra azy ireo. Rehefa nampianatra azy ireo izy, dia naminany mikasika izao androntsika izao koa izy: “Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ho avy ny fotoana, ka ny fahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay” (Môsià 3:20).

“Ny fahalalana mikasika ny Mpamonjy iray”

Ny iray amin’ireo fanomezana sarobidy indrindra tokony hotehirizina eo anivon’ny fianakaviantsika sy tokony homena ny hafa dia ny “fahalalana mikasika ny Mpamonjy iray,” na momba an’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny fiantombohan’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana dia tonga teo amin’ny olombelona rehetra ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fitobahan’ny fivoarana ara-teknôlôjia. Nentiny niaraka taminy ny vanim-potoan’ny fivelaran’ny indostria sy ireo fitaovam-pifaneraserana, izay nanome fahafahana ny mba hahatanterahan’ny faminanian’i Benjamîna Mpanjaka.

Amin’ny maha-mpikambana iray ahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apostôly Roambinifolo, izay antsoina hoe vavolombelona manokan’ny “anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (F&F 107:23) miaraka amin’ny andraikitra manokana ao amin’ny kômity misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ao amin’ny kômitin’ny sampan-draharaha misahana ny fifaneraserana, dia afaka mifantoka amin’ny fanatanterahana izany faminaniana izany aho, mba hiparitahan’ny “fahalalana mikasika ny Mpamonjy iray” manerana an’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknôlôjia farany indrindra eo am-pelatanantsika.

“Eran’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina tsirairay”

Raha araka ny tantara dia nanome fahafahana ho an’ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny hiely manerana an’izao tontolo izao ny fivoarana teo amin’ny fanaovana printy, ny famoronana ny radiô sy ny fahitalavitra. Mahita ohatra maro maneho izany isika, ary ny sasany amin’izany dia tsaroantsika ao an-tsaintsika.

Nandritra ny 10 taona taorian’ny Fahitana Voalohany ary iray volana talohan’ny nananganana ny Fiangonana dia Bokin’i Môrmôna miisa 5000 no navoaka. Nanomboka tamin’izay dia mihoatra ny 175 tapitrisa no natao printy.

Isaky ny alahady maraina dia afaka mihaino na mijery ny fampitana ny Music and the Spoken Word (Hira sy teny voalahatra), ianao izay efa manakaiky ny fampitana faha-5000 izao. Ny fampitana voalohany dia natao mivantana tamin’ny radiô tamin’ny 1929. Ny fampitana voalohany ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny fahitalavitra dia natao tamin’ny 1949.

Ny mahavariana dia nanomboka nilaza an’ireo zavatra ho avy ny Filoha David O. McKay (1873–1970): “Zava-baovao hita mifono hery matanjaka, izay na ho fitahiana na ho famotehana ny olombelona, ka ny andraikitra eo an-tsoroky ny olona mba hifehy azy ireo no andraikitra faran’izay lehibe indrindra napetraka eo an-tanan’olombelona hatramin’izay. … Ity vanim-potoana ity dia feno loza tsy misy fetra ary koa fahafahana manao zavatra maro dia maro.”1

Tamin’ny 1974, ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia namaritra ny fahitany andro iray izay ho avy: “Ny Tompo dia nanome an’izao tontolo izao … zanabolana maro. Napetraka any an-danitra ambony any izy ireo, ka mandefa famantarana ny fampitana saika any amin’ny faritra rehetra eto ambonin’ny tany. … Azo antoka fa ireo zanabolana ireo dia fanombohana ihany amin’izay homanin’ny hoavy mikasika ny fampitana manerana an’izao tontolo izao. … Mino aho fa tsy andrin’ Andriamanitra izay hametrahana eo an-tanantsika ireo teknôlôjia vaovao izay tsy azontsika olona tsy matihanina veroka akory.”2

Eo anatrehan’ny fivoarana ara-teknôlôjia eo amin’ny fifandraisana sy ny fitaovam-pampahalalana izay tonga haingana taorian’ny fivoaran’ny internet, dia toa vavolombelon’ny fahatanterahana ara-bakitenin’ireo faminanian’i Benjamîna Mpanjaka sy ny Filoha Mckay ary ny Filoha Kimball isika amin’izao androm-piainantsika izao.

Misy koa ny lamina mazava amin’ny fampiasana ireo teknôlôjia ireo mba hanorenana ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany. Te hizara ohatra amin’izany aminareo aho.

Ny LDS.org sy ny Mormon.org

Tamin’ny 1996, dia nanomboka tamin’ny fomba ôfisialy nampiasa ny tranonkala ny Fiangonana mba ho fitaovana handefasana hafatra sy hifaneraserana. Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia misy tranonkala miisa 260 eo ho eo no iantohan’ny Fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo tranonkala izay saika misy any amin’ny firenena rehetra ahitana mpikamban’ny Fiangonana mipetraka, ary amin’ny fitenin’izy ireo izany.

Hizara ohatra roa efa be mpahafantatra amin’ireo tranonkala ireo aho. Ny voalohany dia ny LDS.org, naorina tamin’ny 1996, izay mandray mpitsidika 24 tapitrisa mahery isan-taona amin’izao fotoana izao, ary eo amin’ny mpitsidika iray tapitrisa eo ho eo isan-kerinandro. Mpikambana maro no mahita ny fandaharam-pampianarana mba hampianarana sy ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany teo aloha ao amin’izy io. Faharoa ny Mormon.org, izay tranonkala natao mba hampahafantarana ny filazantsara amin’ireo mpifanolobodirindrina amintsika sy namantsika izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Io tranonkala io dia mandray mpitsidika miavaka mihoatra ny 16 tapitrisa isan-taona.

Applications ho an’ny finday

phone with mobile apps

Sary avy amin’ny Getty Images

Mazava ho azy fa mivoatra faran’izay haingana ny teknôlôjia ka mitaky ezaka lehibe sy loharanom-pitaovana mba hahafahana manaraka izany. Tamin’ny alalan’ny famoronana ny smartphones dia tonga ny hery hifehezana sy hampiasana données maro dia maro ao anatin’ny fitaovana iray entin-tanana. Ny ankamaroan’izany données izany dia narafitra hiendrika applications ho an’ny finday, na “apps.” Navoaka tamin’ny 2007 ny application voalohany izay iantohan’ny Fiangonana.

Maro dia maro ireo ohatra mikasika ny fampiasana ireo applications ho an’ny finday izay mahasoa mba hampielezana ny “fahalalantsika mikasika ny Mpamonjy iray.” Tsy hamaritra ny votoatin’ireo applications maro izay mora hitanareo aho akory, fa ireto misy ohatra sasantsasany izay tena efa fantatrareo:

  • Bibliothèque de l’Évangile (Tahirim-bokin’ny Filazantsara)

  • Mormon Channel

  • Outils SDJ (Fitaovana OAF)

  • Musique SDJ (Mozika OAF)

  • Arbre familial (Tetiarana)

Ampiasain’ny mpampiasa an-tapitrisany imbetsaka tokoa ireo isan-kerinandro.

Tambazotra ifaneraserana

Raha faritana, ny atao hoe tambazotra ifaneraserana dia teknôlôjia fehezina amin’ny alalan’ny solosaina izay manome fahafahana ny olona tsirairay sy ny fikambanana hijery sy hamorona ary hizara fampahalalana, hevitra ary endrika hafa enti-mampiseho zavatra amin’ny alalan’ny fiarahamonina sy tambazotra toy ireny azo tsapain-tanana ireny izay noforonin’ny logiciel.

Nanomboka tamin’ny taona 2010 teo dia nanomboka tena nampiasa araka ny tokony ho izy ny tambazotra ifaneraserana ny Fiangonana mba hanatanterahana ny fampielezana “ny fahalalana mikasika ny Mpamonjy iray.” Fitaovam-pifandraisana amin’ny endrika numérique izay mandeha haingana sy mora miovaova izany. Toa tsy misy toa azy raha eo amin’ny hafainganan’ny fiovana.

Ny zavatra iray tsikaritra eo amin’ny tambazotra ifaneraserana dia raha vantany vao mahafantatra sehatra iray sy mahazo aina amin’izany ny olona iray, dia efa misy anankiray vaovao sy lehibe kokoa ary heverina ho mahafinaritra kokoa na tsara kokoa tonga sahady.

Hamaritra sehatry ny tambazotra ifaneraserana miisa dimy izay ampiasain’ny Fiangonana toy ny fantsona ifandraisana aho:

1. Ny Facebook dia ampiasain’ny olona miisa 2 miliara mahery manerana an’izao tontolo izao. Ireo mpampiasa no manorina ny tambazotrana namana ifandraisana en ligne eto.

2. Ny Instagram dia tranonkala ifaneraserana izay mifantoka amin’ny sary sy horonan-tsary.

3. Ny Pinterest dia toy ireny tabilao fametrahana afisy manakaiky ny tena izy ireny. Ireo sary jeren’ny maso izay antsoina hoe “pins” dia mipetaka eo amin’ilay tabilao eto. Mety ho fehezan-teny manentana ny fanahy izany na sary mandrisika ny tena hivoatra.

4. Ny Twitter dia tambazotra ifaneraserana izay manome fahafahana ireo mpampiasa azy handefa sy hamaky hafatra fohy ahitana tarehintsoratra miisa 280 izay antsoina hoe “tweets.”

5. Ny Snapchat dia mampiseho sary sy horonan-tsary fohy izay manjavona eo no ho eo ihany na ao anatin’ny 24 ora.

Raha ara-drafitra mivelatra, dia mampiasa ireo tambazotra ifaneraserana ireo amin’ny fomba mahery vaika isika.

Facebook

Mety tsaroanareo ilay hafatra tena tsara mikasika ny harerahan-tsaina amam-panahy nozarain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo taona vitsy lasa izay.3 Nisy horonan-tsary fohy noforonina avy amin’io lahateniny io izay navoaka ka nojeren’ny olona roa tapitrisa mahery tao amin’ny Facebook fotsiny, niaraka tamin’ny fanehoan’ny olona hoe tiako sy ny fizaran’ny olona izany tamin’ny hafa ary ny fanoratan’ny olona hevitra izay mankasitraka izany izay miisa an’arivony.4

Instagram

grandson in the cockpit

Tamin’ny aogôsitra 2016, dia nametraka horonan-tsary iray tao amin’ny Instagram ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, ka nampianatra an’i Erik zafikeliny lahy mikasika ireo fitsipiky ny filazantsara izy tamin’izay tao anatin’ny, azonareo an-tsaina ve?, efitry ny mpanamory fiaramanidina iray!5 Nankafizin’olona an’arivony ny zavatra napetraky ny Filoha Uchtdof tao, ary maro dia maro ny fanoratana hevitra nanohana izany.

Ny Fiangonana koa dia namoaka tao amin’ny kaonty Instagram tamin’ny nôvambra 2017, horonan-tsary iray ahitana ny Loholona Dallin H. Oaks sy ny Loholona M. Russell Ballard mamaly ny fanontaniana napetraky tovovavy tokan-tena iray mikasika ny fanaovan’ny rahavavy asa fitoriana. Io zavatra napetraka io dia nojeren’ny olona miisa 112.000 mahery.

Pinterest

Ao anatin’ny Pinterest ny olona dia afaka mahita pins an-jatony avy amin’ny LDS.org ary maro hafa koa aza avy amin’ireo mpikambana manokana, izay manentana ny fanahin’ny hafa.

Ohatra, maro no mizara teny avy amin’ireo mpaminany, na taloha na amin’izao fotoana izao. Misy pin iray an’ny Filoha Thomas S. Monson izay mivaky toy izao: “Betsaka ireo zavatra eo amin’ny fiainana izay miankina amin’ny toetrantsika.”6

Twitter

Ny tweet iray izay nozarain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny marainan’ny Paska tamin’ny herintaona dia nojeren’ny olona indray alina sy roa hetsy. Nasehon’ny Loholona Bednar fa ny hafatra tsotra sy fohy iray hoe: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Matio 28:6), dia afaka ny hisy fiantraikany lalina sy maharitra.

Snapchat

Farany, niseho tao amin’ny Snapchat ireo sary sy teny izay nizara ny iray tamin’ireo hafatry ny Filoha Monson tao amin’ireo hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo loza mety hitranga avy amin’izy ireo

Rehefa nidera ny zava-tsoa entin’ireo teknôlôjia ireo sy nampiseho ny fampiasana azy araka ny tokony ho izy aho, dia mihevitra fa tsara koa ny miresaka mikasika ny sasany amin’ireo loza mety hitranga avy amin’izy ireo.

Tokony hahatsapa tena isika rehetra eo amin’ny fotoana azo atokana ho an’ny tambazotra ifaneraserana na ho an’ny fampiasana ireo applications ho an’ny finday. Ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana koa dia mety hampihena ny fifandraisana ifanatrehan-tava, izay mety hanakana ny fivelaran’ny fifaneraserana amin’olona ho an’ny ankamaroan’ny tanorantsika.

Ny loza mety hitranga avy amin’ireo zavatra mamoa fady ao anatiny koa dia tokony hantitranterina. Misy ny fitomboan’ny areti-mifindran’ny fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiarahamonina izay misy fiantraikany sy mikendry amin’ny fomba ratsy na dia ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana sy ny fianakaviana aza.

Farany dia manolotra loza roa fanampiny miaraka mety hitranga aho, izay manipy ny haratony saika eny amin’ny olona rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zatovovavy, sy ireo reny sy vehivavy manambady teraka tao anatin’ireo taona taorian’ny taona 1980 sy teo antenantenan’ny taona 2000. Omeko an’ireto anarana ireto ireo loza roa mety hitranga ireo “zava-misy namboarina araka izay eritreretina mba homena endrika tonga lafatra” ary “fampitahana manimba.” Mihevitra aho fa ny fomba tena tsara hamaritana ireo loza roa mety hitranga ireo dia amin’ny alalan’ny fanomezana ohatra.

Raha resahina amin’ny ankapobeny, ireo sary izay apetraka ao amin’ny tambazotra ifaneraserana dia mirona mankany amin’ny fampisehoana ny fiainana amin’ny endriny tena tsara ary matetika amin’ny fomba izay mifanohitra amin’ny zava-misy mihitsy aza. Matetika no feno sary tena tsara mampiseho ny trano voahaingo, fialan-tsasatra mahafinaritra ary fikarakarana sakafo mafilotra ao anatin’izy ireo. Mazava ho azy fa ny loza dia olona maro no lasa kivy satria toa tsy mahavita zavatra tsara tahaka izany zava-misy namboarina araka izay eritreretina mba homena endrika tonga lafatra izany izy ireo, izay toy ireny tena izy ireny.

Rehefa nahazo hevitra avy tamin’ny sarina “crêpe” iray nankalazana fitsingerenan’ny taona nahaterahana ny zanaky ny iray tampo amiko anankiray, dia nametraka ny sarin’ny crêpe mitovy amin’izany izay nandramany natao izy vao haingana. Mba tsy hamelana izany hiteraka faneriterena tafahoatra dia naleony nanapa-kevitra mba hanome famporisihana ny hafa tamin’ny alalan’ny fametrahana tao amin’ny “Pinterest ilay sarin’ny crêpe nataony izay tsy nahomby” (jereo ny sarin’ilay crêpe).

pancake fail

Enga anie isika mba hahay hijery ny lafiny mampihomehy kokoa sy tsy ho kivikivy rehefa mahita sary izay mety maneho zava-misy namboarina araka izay eritreretina mba homena endrika tonga lafatra ary matetika loatra no mitarika any amin’ny fampitahana manimba.

Araka ny hita dia tsy hoe famantarana izao androntsika izao fotsiny izany fa, raha dinihina ny tenin’i Paoly, dia efa niseho taloha ihany koa izany: “Fa tsy hendry ireny, … manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany [ireny]” (2 Korintiana 10:12).

Vao haingana ny Loholona J. Devn Cornish ao amin’ny Fitopololahy no nanome torohevitra koa izay nifanojo amin’ny ilàna azy: “Mampijaly ny tenantsika amin’ny tsy misy antony fotsiny isika amin’ny alalan’ny fifaninanana sy ny fampitahana. Mitsara amim-pahadisoana ny maha-izy azy antsika amin’ny alalan’ireo zavatra izay ananantsika sy tsy ananantsika isika ary amin’ny alalan’ny hevitry ny hafa. Raha tsy maintsy manao fampitahana isika dia ndeha isika taloha sy isika amin’izao fotoana izao no hampitahaintsika, ary izay tiantsika hahatongavana amin’ny ho avy mihitsy aza.”7

Mamelà ahy ianareo hizara iray amin’ireo tsiambaratelon’ny fianakavianay izay hita ato anatin’ity sarin’ny fianakaviana (jereo ao amin’ny pejy manaraka ny sary) izay nalaina taona maro lasa ity, talohan’ny fahatongavan’ny tambazotra ifaneraserana. Raha nalaina tamin’izao fotoana izao ity, dia tena ho napetraka tao amin’ny tambazotra ifaneraserana mihitsy, satria mampiseho fianakaviana iray ahitana ankizilahy maha-te-ho tia, manao akanjo mirindra tsara ny lokony, ary hendry tsara izay mifaly amin’ny fahafahana miaraka maka sarim-pianakaviana milamina. Te-hahafantatra ny tena tantara marina ve ianao?

Stevenson family photo

Mbola tsaroako ilay antso an-tariby avy tamin’ny vadiko “Gary a! Aiza ianao? Aty ivelan’ny toerana fakan’ilay mpaka sary sary izahay. Efa vonona ny halaina sary izahay. Tsy mora ny nampiakanjo sy nandamina ary nanomana ny ankizy rehetra. Efa akaiky ve ianao?”

Tena hadinoko izany ary mbola tsy niala tao amin’ny birao akory aza aho! Tara antsasakadiny aho ary tsy nandeha araka ny tokony ho izy loatra ny zava-drehetra nandritra ny tsy naha-teo ahy, ary efa saika nikorontana mihitsy aza.

Inona no nitranga? I Craig zanako lahimatoa dia nihazakazaka eran’ny tokotany ary nahita hazo paoma, ka naka paoma ary nanomboka nitoraka an’ireo ankizilahy hafa tamin’izany. Notorahany tamin’ny paoma ny lamosin’ilay zanakay lahy fahatelo ka nianjera izy ary nanomboka nitomany.

Teo am-pitrangan’izany tamin’io fotoana io ihany koa, dia nipetraka ny zanako lahiaivo ka niakatra kely ny patalohany. Hitan’ireo ankizy hafa fa ba kiraro fanaovana fanatanjahan-tena ny ba kirarony fa tsy ilay ba kiraro fitondra miangona efa napetraky ny reniny mba hanaovany. Nanontanian’ny reniny izy hoe: “Nahoana no tsy nanaovanao ireo ba kiraro fitondra miangona?”

Hoy izy hoe: “Tsy tiako izy ireo e! Marokoroko.”

Ary raha teo am-piresahana taminy izy dia nihazakazaka eran’ny tokotany ilay zanakay lahy roa taona, ary voafingan-javatra ka nianjera dia nandeha ra ny orony. Ary nisy ra nitete teo amin’ilay akanjony fotsy ambony mivalom-bozona ka nisy tasy. Tamin’izay aho vao tonga. Ny hany fomba azo hamonjena ilay sary dia ny namadika ilay akanjo mivalom-bozona mba hanafenana tasin-dra rehefa maka sary.

Ny niafarany rehefa nihodinkodina nihazakazaka sy nitoraka paoma ilay zanakay lahimatoa dia nianjera ka nisy tasina bozaka ngeza be teo amin’ny lohaliny. Noho izany ny sandriny tao anatin’ilay sary dia napetraka tamin-kafetsena mba hanaronana ilay tasina bozaka.

Ho an’ilay zanakay lahy fahatelo indray dia niandry 20 minitra izahay mba tsy ho menan’ny ranomaso intsony ny masony.

Ary mazava ho azy fa ny tasina ra teo amin’ilay zanakay faralahy tamin’izay dia tao an-damosin’ny lobany.

Ny zanakay lahiaivo indray tamin’izay dia nasaina nametraka tamin-kafetsena ny tanany teo an-tampon’ny ba kirarony fotsy mba hifanaraka ny zavatra hanaovana rehetra.

Raha ho ahy indray dia ho bedin’ny vadiko aho satria ny fahatarako no nahatonga an’izany rehetra izany.

Noho izany rehefa mahita ity sarin’ny fianakavianay izay kanto ity ianareo ka mitaraindraina hoe: “Nahoana ary izahay no tsy afaka mifandamina dia mahavita sarina fianakaviana tonga lafatra toy ny azy ireo?” Dia fantatrareo tsara kokoa izao ny tena marina!

Tambazotra ifaneraserana sy asa fitoriana

pointing at tablet

Sary avy amin’ny Getty Images

Araka ny hitanareo dia mila mitandrina isika amin’ireo loza mety hitranga, ka tafiditra ao anatin’izany ny zava-misy namboarina araka izay eritreretina mba homena endrika tonga lafatra ary ny fampitahana manimba. Izao tontolo izao raha ny mahazatra dia tsy mamirapiratra araka ny ahitana azy ao amin’ny tambazotra ifaneraserana. Na izany aza dia maro ny soa azo sy ny mbola ho azo avy amin’ireo seha-pifaneraserana ireo.

Tamin’ny 2017 dia nisy ny torolalana vaovao nomen’ny Departemanta misahana ny asa fitoriana mikasika ny fomba mandaitra ahafahana mampiasa ny tambazotra ifaneraserana eo amin’ny asa fitoriana. Ireo fitaovana amin’ny endrika numériques maro eo am-pelatanantsika dia azo ampiasaina amin’ny fomba mahery vaika, mora sy tsotra ary faran’izay mahomby.

Misy applications maro dia maro ho an’ny fampiasana ny teknôlôjia araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba manentana ny fanahy. Tokony manao izay azontsika atao isika mba hampianarana ny taranaka vao misondrotra ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny teknôlôjia sy mba hampitandremana sy hisorohana ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy izany ary ireo loza mety hitranga mifandray amin’izany koa. Izany dia tokony hanampy antsika hanana toky fa ireo soa azo avy amin’ny teknôlôjia dia ho lehibe kokoa noho ireo loza mety hitranga mifandray amin’izany.

“Akory ny hatsaran’ireo mitondra teny soa mahafaly”

Nandritra ny fotoana nisaintsainako sy nivavahako lalina momba ity hafatra ity, dia nifoha aloha be aho indray maraina niaraka tamin’ny hira iray sy ny tonony tsotra tao an-tsaiko: “Akory ny hatsaran’ireo mitondra teny soa mahafaly izay mitory ny filazantsaran’ny fiadanana amintsika.”8

Ny hafatsika dia hafatra mikasika ny fiadanana ary ianareo no mpitondra teny soa mahafaly hitory izany. Afaka manao izany ianareo amin’ny alalan’ireo fitaovana vaovao sy mampientanentana atolotry ny teknôlôjia. Miaina ao anatin’ny tontolo iray miavaka ao anatin’ny fahafenoan’ny fotoam-pahasoavana isika miaraka amin’ny fahafahana mitory ny filazantsaran’ny fiadanana amin’ny fomba mora ho antsika ara-bakiteny.

Manana teny mifono faminaniana avy amin’ireo mpaminany fahiny isika, izay mamaritra mazava ny androntsika ary manome torolalana ho an’izao androntsika izao: “Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ho avy ny fotoana, ka ny fahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay” (Môsià 3:20).

Manana teny izay tonga eo amintsika amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’izao andro maoderina izao koa isika, izay miteny ho an’izao androntsika sy toe-javatra iainantsika izao ary manome torolalana momba izany. Hindramiko ny tenin’ny Loholona Bednar hoe: “Ary mino aho fa tonga ny fotoana ho antsika mpianatr’i Kristy hampiasana ireo fitaovana tena tsara ireo araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba mahomby kokoa mba hijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay, sy ny drafitry ny fahasambarana ho an’ny zanany ary momba ny Zanany, dia i Jesoa Kristy, amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy; mba hitoriana ny maha-tena misy ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’ny andro farany; ary hanatanterahana ny asan’ny Tompo.”9

Manasa ny tsirairay aminareo aho mba handinika tsara ny andraikitrareo mba hitory ny filazantsaran’ny fiadanana amin’ny maha-mpitondra teny soa mahafaly anareo. Ndeha isika tsirairay hanao ny anjarantsika amin’ny fizarana “ny fahalalana mikasika ny Mpamonjy iray” eran’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay. Ny fomba tena hanaovana izany dia ny fanaovana dingana iray isaky ny mandeha ary amin’ny fomba iray manokana izay tena mety aminao sy ny fianakavianao. Enga anie ianareo tsirairay ka hanana ny faharisihana hampiasa ny blog, hametraka sary ao amin’ny Pinterest, hizara zavatra, hametraka zavatra, hinamana, handefa tweet, hanao snap ary hanakisakisaka amin’ny tanany mankany ambony na ambany ao anatin’ny tambazotra ifaneraserana, amin’ny fomba izay hanome voninahitra sy fanajana ny sitrapon’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ary hitondra fahalalana ny Mpamonjy ho an’ny fianakavianao sy ireo olon-tianao ary namanao, ka tafiditra ao anatin’izany ireo namanao ao amin’ny tambazotra ifaneraserana.

Fanamarihana

  1. David O. McKay, ao amin’ny Conference Report, Oct. 1966, 4.

  2. Spencer W. Kimball, “When the World Will Be Converted,” Ensign, Oct. 1974, 11, 10.

  3. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Tahaka ny vilany ariana,” Liahona, nôv. 2013, 40–42.

  4. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Mormon Message: Like a Broken Vessel,” June 20, 2016, mormonnewsroom.org.

  5. Jereo ny “President Uchtdorf Relates Flying to Gospel in Post and Video with Grandson,” Sept. 30, 2016, LDS.org.

  6. Thomas S. Monson, “Living the Abundant Life,” Liahona, Jan. 2012, 4.

  7. J. Devn Cornish, “Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?” Liahona, nôv. 2016, 33.

  8. “How Lovely Are the Messengers,” hymnary.org.

  9. David A. Bednar, “Flood the Earth through Social Media,” Liahona, Aug. 2015, 50; jereo koa ny David A. Bednar, “Sweep the Earth as with a Flood” (video), LDS.org.