2018
Ny tsena fivarotana kiraron’i Abuelo
April 2018


Ny tsena fivarotana kiraron’i Abuelo

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

“Hitanao, mila mitovy bebe kokoa amin’ity kiraro ity isika,” hoy i Dadabe.

“Tsy mora foana ny miteny hoe—mifona aho—(Children’s Songbook, 98).

Abuelos Shoe Shop

Nosokafan’i Miguel ny varavarana mankao amin’ny tsena fivarotana kiraron’i Abuelo (ny dadabeny). Nofofoniny ilay hoditra nampiasain’i Abuelo. Izay no fofona anisan’ny tiany indrindra.

“Manahoana i Abuelo!”

Teo am-pandohalihana nanoritra ny tongotry ny mpanjifa iray tamin’ny taratasy iray i Abuelo. Tsy nitraka izy. Tsy dia maheno tsara i Abuelo.

Nipetraka teo amin’ny seza fiasana iray i Miguel. Nijery ireo antontana hoditra efa voatapatapaka izy. Nalainy sary an-tsaina ny zavatra mety hataon’i Abuelo amin’ny tsirairay amin’izy ireo rehefa mampiasa maritoa sy tandra.

Nampahatsiahy an’i Miguel zavatra hafa tena tiany ireo fitaovana. Nanome azy vatomamy foana i Abuelo rehefa nanampy nanadio i Miguel.

Fa noana anefa i Miguel tamin’izay fotoana izay! Fantany fa tsy tokony haka vatomamy izy raha tsy mangataka, saingy toa mbola ho sahirana elaela i Abuelo raha ny fijery azy. “Mety tsy voatery hiandry aho angamba,” hoy i Miguel nieritreritra.

Notakarin’i Miguel tao ambany latabatra fivarotana ilay fitoerana vatomamy. Feno ny vatomamy tena tiany ilay izy. Mamy sy masiaka misy vovoka sakay mena lava. Rehefa nosokafan’i Miguel ilay izy dia tsy nahazo aina kely izy. Fa toa tena matsiro anefa ny fijery ilay vatomamy. Nalainy haingana ilay izy dia nampidiriny tao am-bavany.

Vetivety taorian’izay dia lasa ilay mpanjifa. Naka sombina hoditra i Abuelo dia nandena izany tamin’ny rano. Manampy amin’ny fihazonana ilay hoditra ho malefaka sy mora iasana izany.

Nohanin’i Miguel haingana araka izay azony natao ny ambin’ilay vatomamy. Dia nankeny amin’i Abuelo izy.

“Manahoana!” Hoy i Abuelo sady nitsiky. “Faly aho fa tonga namangy ahy ianao.”

Nofihinin’i Miguel i Abuelo. Nanantena izy fa tsy afaka hilaza i Abuelo hoe nihinana vatomamy iray izy. Mody tsy taitra toy ireny tsy nanao na inona na inona ireny i Miguel.

“Toa be asa be ianao izany androany,” hoy i Miguel, sady nanondro ireo antontana hoditra. Mila fanampiana ve ianao?

“Eny tokoa! Azonao omena ahy ve io kofehy io?”

Nanakatra kofehy lava be i Miguel. Nohenjaniny teo anelanelan’ny tanany ilay izy. Mafy kokoa noho ny fahitana azy izany.

“Oay! Mafy be ity.”

Nihomehy i Abuelo. Tsy maintsy mafy mba haharitra ny gidragidram-piainana hampiasan’ny olona azy.” Nosintonin’i Abuelo hiditra tamin’ilay hoditra ilay kofehy. Dia hita nisoritra teo amin’ny tarehiny ilay antsoin’i Mamá indraindray hoe endrika “hendrin’i Abuelo”.

“Hitanao, mila mitovy bebe kokoa amin’ity kiraro ity isika,” hoy i Abuelo sady nanatokatoka ny lohany.

Nijery akaiky ilay hoditra i Miguel. “Mh! Tokony ho toy izany ve isika?”

“Eny tokoa. Mila mijanona ho matanjaka isika? Amin’izay dia tsy hanimba antsika ny fakam-panahin’i Satana.”

Nitamberina toy ny tselatra tao an-tsain’i Miguel ilay vatomamy mena. Fantany fa tokony holazainy an’i Abuelo ilay izy.

Nandray kiraro tonta teo amin’ilay talantalana i Abuelo. “Jereo ity lavaka be ity?”

Afaka manatsofoka ny tanany ao amin’ilay lavaka angamba i Miguel. “Ie!”

“Lavaka kely azo namboarina mora foana ity taloha. Fa niandry izy ireo, ary amin’izao izany dia ho lasa sarotra amboarina kokoa. Ny fahazaran-dratsy sy ny safidy ratsy dia tahaka ity lavaka ity. Ny manamboatra izany aloha no tsara indrindra.”

Nanatokatoka ny lohany indray i Abuelo, dia nivadika ho tsiky ilay endrika hendrin’i Abuelo. Nanohy niresaka izy ireo sady niasa i Abuelo. Nieritreritra ilay vatomamy mena foana i Miguel nandritra ilay fotoana.

Rehefa vita ny asan’i Abuelo dia nanampy nanadio i Miguel. Dia naka ilay fitoerana vatomaminy i Abuelo.

Nony farany dia tsy nahatanty intsony i Miguel. “Nalaiko ny iray tamin’ireo vatomaminao!” hoy izy niteny tampoka.

Napetrak’i Abuelo ilay boaty. “Inona izany?”

Notantarain’i Miguel taminy ny nakany ilay vatomamy kanefa tsy niera. “Mifona aho Abuelo a! Tsy hanao izany intsony aho. Marina e!”

Nofihinin’ i Abuelo mafy i Miguel. Nahazo aina bebe kokoa i Miguel.

“Misaotra noho ny fahamarinan-toetranao. Manan-danja amiko kokoa izany noho ny zavatra hafa.”

Rehefa nandeha nody i Miguel dia nahatsapa ho toy ny iray amin’ireo kiraro vaovao namboarin’i Abuelo izy. Faran’izay matanjaka sy vonona ny hiatrika ny fiainana!