Toko 3
Ireo takela-bolamena
Ity no toko faha-3 ao amin’ny boky vaovao miisa efatra misy ny fitantarana ny tantaran’ny Fiangonana izay mitondra ny lohateny hoe Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao. Io boky io dia hisy amin’ny fiteny miisa 14 ka hatao printy sy ho hita ao amin’ny fizarana Histoire de l’Église ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile, ary en ligne ao amin’ny olomasina.lds.org. Ireo toko maro manaraka dia havoaka ao anatin’ireo laharana ho avy mandra-pivoakan’ny boky 1 amin’ny faramparan’ity taona ity. Hisy amin’ny fiteny miisa 47 ireo toko ireo ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile, ary ao amin’ny olomasina.lds.org. Ny toko faha-2 dia mamaritra ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph, ka nahitany ny Ray sy ny Zanaka tamin’ny lohataonan’ny taona 1820.
Telo taona sy fijinjana telo izay no lasa. Nanokana ny ankamaroan’ny fotoana nanajary ny tany sy namadika bainga i Joseph ary nikarama tamin’olona mba hanangonana vola ho an’ny fandoavana lelavola isan-taona eo amin’ny fananan’ny fianakaviana. Tsy nahafahany nianatra matetitetika ilay asa ary ny ankamaroan’ny fotoana tsy niasany dia niarahany tamin’ny fianakaviany sy ireo mpiasa hafa.
Mbola tanora sy tsy dia ampy fahamatorana loatra i Joseph sy ny namany. Nanao hadalana izy ireo indraindray ary hitan’i Joseph fa ny hoe voavela heloka indray mandeha dia tsy midika fa tsy mila miverina mibebaka intsony izy. Ary tsy namaly ny fanontaniana rehetra akory ny fahitana goavana hitany na nampitsahatra mandrakizay ny fisafotofotoan-tsainy.1 Noho izany dia niezaka nanakaiky an’ Andriamanitra izy. Namaky ny Baiboliny izy sy natoky ny herin’i Jesoa Kristy mba hamonjy azy ary nankatò ny didin’ny Tompo mba tsy hiditra ho mpikambana amin’izay fiangonana nisy.
Toy ny olona maro tao amin’ilay faritra, anisan’izany ny rainy, dia nino i Joseph fa Andriamanitra dia afaka manambara fahalalana amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra toy ny tehina sy ny vato, tahaka ny nataony tamin’i Mosesy, Aharôna, ary ireo olona hafa ao amin’ny Baiboly.2 Indray andro raha nanampy mpifanolobodirindrina iray nangady lavadrano iray i Joseph dia nahita vato kely iray nilevina lalina tao anaty tany. Noho ny fahafahantarany fa indraindray ny olona nampiasa vato manokana mba hikarohana zavatra very na harena miafina, dia nanontany tena i Joseph raha toa ka tsy ilay vato toy izany ity hitany ity. Rehefa nijery izany izy dia nahita zavatra izay tsy hitan’ny maso voajanahary.3
Nahavariana ireo olona tao amin’ny fianakaviana ny fananan’i Joseph fanomezam-pahasoavana nampiasa ilay vato, ary noraisin’izy ireo ho toy ny mariky ny fahazoana sitraka avy amin’ Andriamanitra izany.4 Saingy na dia nanana fanomezam-pahasoavana ho mpahita aza izy dia mbola tsy natoky i Joseph hoe faly taminy Andriamanitra. Tsy nahatsapa intsony ilay famelan-keloka sy fiadanana tsapany taorian’ny fahitany ny Ray sy ny Zanaka izy. Fa kosa nahatsiaro tena matetika ho meloka noho ny fahalemeny sy ny tsy fahatanterahany.5
Ny 21 septambra 1823, dia nitsotsotra tao amin’ny rihan-trano ambany tafo izay efitrano fandriana nitambaran’izy sy ireo rahalahiny i Joseph. Taraiky izy vao nandeha natory satria nihaino ny fianakaviany niresaka momba ireo fiangonana isan-karazany sy ireo fotopampianarana nampianarin’izy ireo. Natory amin’izay ny olona rehetra ary nangina ny trano.6
Nanomboka nivavaka i Joseph tao anatin’ilay efitranony maizina, ka nitalaho mafy tamin’ Andriamanitra mba hamelany ny fahotany. Naniry ny hifandray tamin’ny iraka iray avy any an-danitra izy izay afaka manamafy ny fijoroany eo anatrehan’ny Tompo sy afaka manome azy ilay fahalalana ny filazantsara izay nampanantenaina azy tao amin’ilay ala kely. Fantatr’i Joseph fa efa namaly ny vavaka nataony Andriamanitra teo aloha ary nanana fahatokiana tanteraka fa hamaly indray Izy.
Raha teo am-pivavahana i Joseph, dia nisy hazavana niseho teo akaikin’ny fandriany ary nihanazava izany mandra-pandrakotr’izany ny efitrano iray manontolo. Nitraka i Joseph ary nahita anjely iray nitsingevaheva. Nanao akanjo fotsy tsy nisy dian-jaitra izay lava hatreny amin’ny hatotanany sy ny kitrokeliny ilay anjely. Nisy hazavana namirapiratra avy aminy ary nanjelatra tahaka ny tselatra ny endriny.
Natahotra i Joseph tamin’ny voalohany, nefa tsy ela dia nisy fiadanana nameno azy. Niantso azy tamin’ny anarany ilay anjely ary nampahafantariny hoe izy no Môrônia. Nilaza izy fa navelan’ Andriamanitra ny fahotan’i Joseph ary manana asa hampanaovina azy Izy tamin’izay. Nambarany fa ny anaran’i Joseph Smith dia sady hankalazaina no hoharatsiana eo anivon’ny olon-drehetra.7
Niresaka mikasika ireo takela-bolamena nilevina tany amin’ny havoana iray tsy lavitra i Môrônia. Voasokitra eo amin’ireo takelaka ireo ny rakitsoratry ny vahoaka iray fahagola izay niaina tany Amerika. Miresaka mikasika ny fiavian’izy ireo ilay rakitsoratra ary mitantara ny famangian’i Jesoa Kristy azy ireo sy ny fampianarany ny fahafenoan’ny filazantsara azy ireo.8 Nilaza i Môrônia fa niaraka nalevina tamin’ireo takelaka ireo ny vato mpahita anankiroa izay taty aoriana dia nantsoin’i Joseph hoe Orima sy Tomima, na fandikana. Nanomana ireo vato ireo ny Tompo mba handikana ilay rakitsoratra. Ireo vato mazava ireo dia niara-nofatorana sy naraikitra tamin’ny saron-tratra iray.9
Ny ambin’ny famangiana dia nilazan’i Môrônia ireo faminaniana avy ao amin’ny bokin’i Isaia, bokin’i Joela, Bokin’i Malakia ary ny Asan’ny Apostoly ao amin’ny Baiboly. Nanazava izy fa ho avy tsy ho ela ny Tompo ary tsy hahatanteraka ny tanjon’ny nahariana azy ireo ny fianakaviamben’ny olombelona raha tsy havaozina indray aloha ny fanekempihavanan’ Andriamanitra fahiny.10 Nilaza i Môrônia fa nosafidin’ Andriamanitra i Joseph mba hanavao ilay fanekempihavanana, ary raha misafidy ny ho mahatoky amin’ireo didin’ Andriamanitra izy, dia ho lasa ilay olona iray hanambara ny mikasika ilay rakitsoratra eo amin’ireo takelaka.11
Talohan’ny nandehanany dia nodidin’ilay anjely i Joseph mba hikarakara an’ireo takelaka ireo ary tsy hampiseho izany na amin’iza na amin’iza raha tsy rehefa mahazo torolalana ary nampitandremany izy fa hofongorana raha toa ka tsy mankatò izany torohevitra izany. Dia niangona nanodidina an’i Môrônia ilay hazavana ary niakatra tany an-danitra izy.12
Raha teo am-pandriana nisaintsaina ilay fahitana i Joseph, dia nisy hazavana nanenika indray ilay efitrano ary niseho indray i Môrônia ka nanome ilay hafatra teo aloha ihany. Dia lasa izy, ary niseho indray mandeha indray, dia nampita fanintelony ilay hafany.
“Mitandrema ianao ry Joseph,” hoy izy. “Rehefa azonao ireo takelaka dia ho feno haizina ny sainao, ary hiditra haingana ao an-tsainao ireo karazan-javatra ratsy rehetra mba hanakana anao tsy hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.” Teo am-panoroana an’i Joseph izay olona hanohana azy, dia namporisika azy i Môrônia mba hilaza amin’ny rainy ny mikasika ireo fahitana ireo.
Nampanantena ilay anjely hoe: “Hino ny teny rehetra holazainao izy.”13
Ny ampitson’izany dia tsy niteny na inona na inona momba an’i Môrônia i Joseph na dia fantany aza fa mino ny fahitana sy ny anjely ny rainy. Fa nandany ny maraina kosa niaraka nanao fijinjana tamin’i Alvin tany amin’ny saha iray tsy lavitra izy.
Mafy ilay asa. Niezaka nanaraka ny hafainganam-piasan’ny rahalahiny i Joseph rehefa nampisavilivily ny antsim-pinjinjana nandroso sy niverina teo amin’ireo varimbazaha avo izy ireo. Saingy ny famangian’i Môrônia dia tsy nampatory azy nandritra ny alina iray manontolo, ary niverina foana tany amin’ilay rakitsoratra fahiny sy ilay havoana nandevenana izany ny sainy.
Tsy ela dia najanony ilay asa ary tsikaritr’i Alvin izany. “Tsy maintsy manohy miasa isika,” hoy izy tamin’i Joseph tamin’ny feo mafy, “raha tsy izany dia tsy ho vita ny asantsika.”14
Niezaka niasa mafy sy haingana kokoa i Joseph, saingy na inona na inona nataony dia tsy naharaka an’i Alvin izy. Fotoana kely taty aoriana, dia tsikaritr’i Joseph Rainy fa toa hatsatra i Joseph ary nijanona tsy niasa intsony izy. “Mandehana mody,” hoy izy, noho ny finoany fa narary ny zanany.
Nankatò ny rainy i Joseph ary nivilavila nandeha nody. Kanefa rehefa niezaka ny hiampita fefy iray izy dia niakarapoka tamin’ny tany, tena vizana.
Raha izy mbola nandry mba hanangona hery iny, dia nahita indray an’i Môrônia nijoro teo amboniny izy, voahodidina hazavana. Nanontany izy hoe: “Nahoana no tsy nolazainao tamin’ny rainao ny zavatra nolazaiko anao?”
Nilaza i Joseph fa natahotra izy sao tsy hino azy ny rainy.
“Hino anao izy,” hoy i Môrônia nanome toky azy, dia naveriny indray ilay hafatra nolazainy ny alina talohan’izany.15
Nitomany i Joseph Rainy rehefa nolazain’ilay zanany lahy taminy ny mikasika ilay anjely sy ilay hafatra. “Fahitana avy amin’ Andriamanitra izany,” hoy izy. “Araho izay voalaza tao anatin’izany.”16
Tonga dia nandeha tany amin’ilay havoana i Joseph. Nasehon’i Môrônia azy nandritra ny alina tamin’ny alalan’ny fahitana ilay toerana nanafenana ireo takelaka, ka fantany ny lalana tokony haleha. Teo amin’ny dimy kilaometatra niala avy teo amin’ny tranony no nisy ilay havoana izay anisan’ny lehibe indrindra tao amin’ilay faritra. Nalevina tao ambanin’ny vato lehibe boribory iray ireo takelaka, izay tany amin’ny ilany andrefan’ilay havoana tsy dia lavitry ny tampony.
Nieritreritra mikasika ireo takelaka ireo i Joseph teny am-pandehanana. Na dia fantany aza fa masina izy ireo dia sarotra ho azy ny nanohitra ny sainy tsy hieritreritra ny mety ho vidin’izany. Efa nandre tantara mikasika ireo harena sarobidy nafenina izay nambenan’ireo fanahy mpiambina izy, saingy tsy nitovy tamin’ireo tantara ireo i Môrônia sy ireo takelaka noresahiny. I Môrônia dia iraka avy any an-danitra notendren’ Andriamanitra mba hanolotra soa aman-tsara ilay rakitsoratra amin’ilay mpahita nofinidiny. Ary tsy ny maha-volamena an’ireo takelaka no maha-sarobidy azy fa noho ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.
Mbola nandeha ihany anefa ny eritreritr’i Joseph hoe, nahafantatra tsara toerana iray ahitana harena sarobidy izy mba hanafahana ny fianakaviany amin’ny fahantrana amin’izay.17
Rehefa tonga teo amin’ilay havoana i Joseph dia hitany ilay toerana tao anatin’ilay fahitana ary nanomboka nangady ny tao ambanin’ilay vato izy mandra-pazava ny sisiny. Dia nahita rantsan-kazo lehibe iray izy ary nampiasainy ho toy ny fanoitra izany mba hanaingana ilay vato sy hanipazana izany eny amin’ny faritra ilany iray.18
Tao ambanin’ilay vongam-bato dia nisy vata iray izay vita amin’ny vato ny manodidina azy sy ny fanambaniny. Rehefa nijery ny tao anatiny i Joseph dia nahita ireo takela-bolamena sy vato mpahita ary saron-tratra.19 Feno soratra fahiny ireo takelaka ireo ary natambatra tamin’ny alalan’ny mpandravitra boribory anankitelo teo amin’ny sisiny anankiray. Ny takelaka tsirairay dia teo amin’ny 15 santimetatra ny sakany ary 20 santimetatra ny halavany, ary nanify izany. Nisy ampahany tamin’ireo takelaka koa izay toa nisy tombokase ka tsy nisy afaka namaky izany.20
Variana i Joseph ary nanontany tena indray hoe ohatrinona no mety ho vidin’ireo takelaka. Notakariny izy ireo, ary nahatsapa fandonana izay nampihovotrovotra azy izy. Nosintoniny haingana ny tanany, saingy rehefa niverina nanakatra indroa ireo takelaka izy dia nisy nampihovotrovotra foana.
Nihiaka izy hoe: “Nahoana no tsy mety azoko ity boky ity?”
“Satria tsy nitandrina ny didin’ny Tompo ianao,” hoy ny feo iray teo akaiky teo.21
Nitodika i Joseph, dia nahita an’i Môrônia. Niverina indray mandeha tao an-tsainy ilay hafatra voarainy ny alina talohan’izany, ary takany fa hadinony ny tena tanjon’ilay rakitsoratra. Nanomboka nivavaka izy ary notairin’ny Fanahy Masina ny sainy sy ny fanahiny.
“Jereo,” hoy i Môrônia nandidy azy. Nisy fahitana iray hafa naseho an’i Joseph, ka nahita an’i Satana voahodidin’ireo mpanara-dia azy tsy tambo isaina izy. “Naseho daholo ireto rehetra ireto, ny tsara sy ny ratsy, ny madio sy ny tsy madio, ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny herin’ny haizina,” hoy ny nambaran’ilay anjely, “mba hahafantaranao rahatrizay ireo hery anankiroa ka mba tsy ho voatarik’ilay anankiray izay ratsy na ho resiny ianao.”
Nasainy nanadio ny fony i Joseph sy nampatanjaka ny sainy mba handray ilay rakitsoratra. Nanazava i Môrônia hoe: “Raha toa ka azo ireo zavatra masina ireo dia tsy maintsy tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fahatokiana teo amin’ny fankatoavana ny Tompo” izany. “Tsy napetraka tato mba hanangonana tombontsoa sy harena ho voninahitr’izao tontolo izao izy ireo. Voahidy amin’ny tomboky ny fivavaky ny finoana izy ireo.”22
Nanontany ny fotoana ahafahany mahazo ireo takelaka i Joseph.
“Ny faharoa amby roapolon’ny volana septambra ho avy izao,” hoy i Môrônia, “raha toa ka mitondra ilay olona tokony hoentina ianao.”
“Iza ilay tokony hoentina?” Hoy i Joseph nanontany.
“Ny zokinao lahimatoa.”23
Efa hatramin’ny fahakeliny no nahafantaran’i Joseph fa afaka miantehitra amin’ny zokiny lahimatoa izy. Dimy amby roapolo taona i Alvin tamin’izany ary afaka nanangana ny toeram-piompiany sy famboleny manokana raha tiany. Saingy nisafidy ny hijanona tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena an’ny fianakaviana izy mba hanampy ny ray aman-dreniny ho tafapetraka soa aman-tsara sy ho voaro eo amin’ny taniny noho izy ireo efa nihaantitra. Olona matotra sy niasa mafy izy ary tena tian’i Joseph sy nankafiziny tokoa.24
Mety nahatsapa i Môrônia fa nila ny fahendren’ny rahalahiny sy ny tanjany i Joseph mba ho lasa ilay karazan’olona azon’ny Tompo ianteherana amin’ireo takelaka.
Reraka i Joseph rehefa nody tamin’io hariva io. Saingy nitangorona nanodidina azy ny fianakaviany raha vao niditra ny varavarana izy, liana te hahafantatra ny zavatra hitany tany amin’ilay havoana. Nanomboka niresaka mikasika ireo takelaka tamin’izy ireo i Joseph, saingy najanon’i Alvin izany rehefa tsikariny fa tena vizana i Joseph.
“Ndeha isika hatory,” hoy izy, “dia hifoha maraina isika ary handeha hiasa.” Hanana fotoana betsaka hihainoana ny ambin’ny tantaran’i Joseph izy ireo ny ampitso. “Raha ataon’i Neny aloha ny sakafontsika hariva,” hoy izy, “dia hanana takariva lava tsara isika ary hipetraka daholo izahay rehetra mba hihaino anao hiresaka.”25
Ny ampitso hariva dia nozarain’i Joseph ny zavatra nitranga tany amin’ilay havoana ary nino azy i Alvin. Amin’ny maha-lahimatoa azy ao amin’ny fianakaviana dia efa nahatsapa foana ho tompon’andraikitra tamin’izay nahasoa ara-batana ireo ray aman-dreniny efa nihaantitra i Alvin. Efa nanomboka nanangana trano lehibe kokoa ho an’ny fianakaviana aza izy sy ireo rahalahiny mba hahafahan’izy ireo miaina tsara kokoa.
I Joseph indray tamin’izay no toa nikarakara ny zava-mahasoa azy ireo ara-panahy. Isaky ny alina dia nahaliana ny fianakaviany ny resaka nataony momba ireo takela-bolamena sy ny olona nanoratra azy ireo. Lasa nifanakaiky kokoa ny fianakaviana ary feno fiadanana sy fifaliana ny tokantranon’izy ireo. Nahatsapa ny rehetra fa hisy zavatra mahatalanjona hitranga.26
Indray marainan’ny fararano, roa volana latsaka taorian’ny famangian’i Môrônia, dia tonga tao an-trano i Alvin ary nanaintaina mafy azy ny vavoniny. Rehefa nitanondrika tao anatin’ny fanaintainana izy, dia niangavy ny rainy mba hitady fanampiana. Rehefa tonga ny dokotera tamin’ny farany, dia nomeny fatran-dranom-panafody betsaka i Alvin, saingy vao mainka nampihombo ny aretina izany.
Teo am-pandriana nandritra ny andro maro i Alvin, nijalijaly noho ny fanaintainana. Niantso an’i Joseph izy noho ny fahafantarany fa mety ho faty izy. “Ataovy izay tratran’ny herinao mba hahazoana ireo rakitsoratra,” hoy i Alvin. “Aoka ianao ho mahatoky amin’ny fandraisana torolalana sy amin’ny fitandremana ny didy rehetra izay omena anao.”27
Maty izy fotoana fohy taorian’izay ary nandrakotra ny trano ny alahelo. Nandritra ny fandevenana dia niteny tamin’ny fomba miolaka ilay mpitondra fivavahana fa lasa any amin’ny helo i Alvin, ka nampiasainy ny fahafatesany mba hampitandremana ny hafa mikasika ny zavatra hitranga raha tsy hoe mirotsaka hamonjy azy ireo Andriamanitra. Tezitra mafy i Joseph Rainy. Tovolahy tsara toetra ny zanany lahy ary tsy nino izy hoe hohelohin’ Andriamanitra izy.28
Nifarana ny firesahana mikasika ireo takelaka rehefa lasa i Alvin. Mpanohana tena mahatoky ny antso masina nomena an’i Joseph izy ka ny firesahana mikasika izany dia nampahatsiahy ny fahafatesany. Tsy zakan’ny fianakaviana izany.
Nalahelo mafy an’i Alvin i Joseph ary tena mafy ho azy ny fahafatesany. Nanantena ny hiantehitra tamin’ilay zokiny lahimatoa izy mba hanampy azy haka ny rakitsoratra. Nahatsapa ho toy ny nafoy izy tamin’izay.29
Rehefa tonga tamin’ny farany ilay andro hiverenana tany amin’ilay havoana dia nandeha irery tany i Joseph. Niahiahy izy rehefa tsy teo i Alvin hoe hanankina aminy ireo takelaka ve ny Tompo? Kanefa nieritreritra izy fa afaka mitandrina ny didy rehetra nomen’ny Tompo azy araka ny torohevitra nomen’ny rahalahiny azy. Nazava ny torolalana nomen’i Môrônia mikasika ny fakana ireo takelaka. “Tsy maintsy alainao ho eo amin’ny tananao izy ireo ary tonga dia modia haingana,” hoy ilay anjely, “dia ampirimo izy ireo.”30
Rehefa tany amin’ilay havoana dia ningain’i Joseph tamin’ny fanoitra ilay vato, dia notakariny ilay vata vita amin’ny vato, dia navoakany ireo takelaka. Nisy eritreritra tonga tao an-tsainy: ireo zavatra hafa tao anatin’ilay vata dia sarobidy ary tokony hafenina mialoha ny hodiany. Napetrany ireo takelaka dia nihodina mba hanakatona ilay vata izy. Saingy rehefa niverina teo amin’ireo takelaka izy dia tsy teo intsony izany. Nitaintaina izy ka dia nandohalika sy nitalaho mba hahafantatra izay nisy azy ireo.
Niseho i Môrônia ary nilaza tamin’i Joseph fa tsy nahay nanaraka ireo torolalana indray izy. Tsy hoe napetrany fotsiny ireo takelaka raha tokony hapetraka amin’ny toerana azo antoka izany aloha, fa navelany koa tsy ho tazan’ny masony izany. Na dia vonona tokoa hanao ny asan’ny Tompo aza ilay tovolahy mpahita, dia tsy mbola afaka niaro ilay rakitsoratra fahiny izy.
Diso fanantenana tamin’ny tenany i Joseph, saingy nasain’i Môrônia niverina haka ireo takelaka izy ny taona manaraka. Nampianatra azy bebe kokoa mikasika ny drafitry ny Tompo ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra izy sy ilay asa lehibe izay manomboka mivelatra.
Dia nidina ny havoana tamin’alahelo indray i Joseph rehefa lasa ilay anjely, ary niahiahy ny amin’izay ho eritreretin’ny fianakaviany rehefa tonga ao an-trano tsy nitondra na inona na inona izy.31 Rehefa niditra ny trano izy dia efa niandry azy izy ireo. Tonga dia nanontanian’ny rainy raha azony ireo takelaka.
“Tsia,” hoy izy. “Tsy azoko izy ireo.”
“Hitanao ve izy ireo?”
“Hitako izy ireo saingy tsy afaka naka azy ireo aho.”
“Ho nalaiko izy ireo,” hoy i Joseph Rainy, “Raha izaho no teo amin’ny toeranao.”
“Tsy fantatrao izay lazainao,” hoy i Joseph. “Tsy azoko izy ireo satria tsy navelan’ilay anjelin’ny Tompo haka izany aho.”32