2015
I Joseph ilay Mpahita
Ôktôbra 2015


I Joseph ilay Mpahita

Manazava ny fomba nanatanterahan’i Joseph Smith ny anjara asany tamin’ny naha-mpahita azy sy ny fomba nandikany ny Bokin’i Môrmôna ny tahirintsoratra ara-tantara.

Profile portrait of Joseph Smith.

Joseph Smith, narindran’i David Rogers, nahazoana lalana avy tamin’ny Community of Christ Library-Archives, Independence, Missouri

Tamin’ny 6 Aprily 1830, izay andro nanorenan’i Joseph Smith ny Fiangonan’i Kristy (izay nantsoina hoe Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany taty aoriana),1 dia nanambara teny nifono fanambarana tamin’ireo izay tafavory teo izy. “Indro,” nambaran’ny feon’Andriamanitra ao anatin’izany fa, “hisy rakitsoratra hotanana eo anivonareo, ary ao anatin’izany no hiantsoana anao [Joseph Smith] ho mpahita” (F&F 21:1).

Ny porofo tena maneho ilay anjara asan’i Joseph Smith hoe mpahita tao anatin’ilay Fiangonana vaovao natsangana dia ny Bokin’i Môrmôna, izay naverimberiny nohazavaina fa nadika “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra.”2 Maro tamin’ireo olona tena akaiky an’i Joseph ny taona talohan’ny niorenan’ny Fiangonana no nahita ny dingana nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ka nanana fahatakarana ny dikan’ny teny hoe mpahita.

Ny dikan’ny hoe Mpahita

Inona no dikan’ny hoe mpahita ho an’ilay mpaminany mbola tanora sy ireo olona niara-niaina taminy tamin’izany fotoana izany? I Joseph dia lehibe tao anatin’ny fianakaviana iray namaky ny Baiboly izay namerimberina ny teny hoe mpahita. Ao amin’ny 1 Samoela, ohatra, dia manazava ny mpanoratra hoe: “Fahiny teo amin’ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin’Andriamanitra dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin’ny mpahita isika; fa izay atao hoe Mpaminany ankehitriny no natao hoe Mpahita tany aloha” (1 Samoela 9:9).

Ny Baiboly koa dia niresaka momba ireo olona izay nahita fanehoan-javatra ara-panahy tamin’ny alalan’ny zavatra azo tsapain-tanana toy ny tehina,3 menarana teo amin’ny hazo lava iray (izay lasa mari-pamantarana maneran-tany ny asa fitsaboana),4 efoda (anisan’ny fitafiana anaovan’ny mpisorona izay ahitana vato sarobidy anankiroa),5 ary ny Orima sy Tomima.6

Ny hoe “mahita” sy “mpahita” dia tao anatin’ny kolontsaina Amerikana sy kolotsain’ny fianakaviana izay nitaizana an’i Joseph Smith. Noho ny fifikirana lalina tamin’ny tenin’ny Baiboly sy noho ilay fifangaroan’ny kolontsaina Anglisy sy Eorôpeana nentin’ireo mpifindra monina nankany Amerika Avaratra, dia nino ny olona sasany tany am-piandohan’ny taonjato faha 19 fa ny olona manana fanomezam-pahasoavana manokana dia afaka “mahita,” na mandray fanehoan-javatra ara-panahy amin’ny alalan’ny zavatra azo tsapain-tanana toy ny vato mpahita.7

Nanaiky ny fomba fanao toy izany tamin’ny vanimpotoana niainany ny tovolahy Joseph Smith, ka tao anatin’izany ilay fampiasana vato mpahita mba hijerena zavatra very na miafina. Noho ireo tantara tao anatin’ny Baiboly izay nampiseho ny fampiasan’Andriamanitra zavatra azo tsapain-tanana mba hitantanana ny finoan’ny olona na hifampifandraisana ara-panahy fahiny, dia nihevitra i Joseph sy ny hafa fa mbola azo tanterahina koa izany tamin’ny androny. I Joseph Smith Sr. sy Lucy Mack Smith ray aman-drenin’i Joseph dia namporisika ny fianakaviana hanaraka io kolontsaina io sy ny fampiasana zavatra azo tsapain-tanana araka io fomba io ka nangataka an’i Joseph mba hitady zavatra very ireo mponina tao amin’ny tanànan’i Palmyra sy Manchester, New York, izay toerana nipetrahan’ny fianakaviana Smith talohan’ny nifindrany tany Pennsylvania tany amin’ny faramparan’ny taona 1827.8

Mety tsy hahafantatra izany hoe mpahita amin’ny alalan’ny vato izany ireo izay tsy mahalala ny fomba niainan’ny olona ny fivavahany tamin’ny taonjato faha 19 tany amin’ny faritra nipetrahan’i Joseph ary niady hevitra nandritra ny fotoana ela mikasika io vanimpotoana niainany io ireo manam-pahaizana. Vokatr’ilay Taonjaton’ny fahazavana sy ny Vanimpotoan’ny fifotorana amin’ny rafi-pisainana amin’ny ampahany izay nanome lanja ny siansa sy ny tontolo hita maso noho ny zavatra ara-panahy, dia olona maro tamin’ny andron’i Joseph no lasa nieritreritra fa ny fampiasana vato na tehina dia finoanoam-poana sy tsy mety raha ampiasaina eo amin’ny lafin’ny fivavahana.

Taona maro taty aoriana rehefa nitantara ilay tantarany miavaka i Joseph, dia nifantoka tamin’ireo fahitana azony sy ireo zavatra ara-panahy hafa niainany izy.9 Ireo niara-niasa taminy taloha kosa anefa dia nifantoka tamin’ilay nampiasany vato mpahita teo aloha mba hamotehana ny lazany tao anatin’ny tontolo izay nihanandà io fomba fanao io. Tao anatin’ny asa fitoriana nataon’izy ireo dia nisafidy ny tsy hanaraka ny fomba fanaon’ny olona tamin’izany fotoana izany i Joseph sy ireo mpikambana hafa tany am-piandohana satria maro ireo olona nankany amin’ny lalan’ny fiovampo no niaina fiovana teo amin’ny fahatakaran’izy ireo ny finoana tao anatin’ilay Vanimpotoan’ny fampiasana ny rafi-pisainana. Tao anatin’ireo fanambarana nankatoavina anefa dia nanohy nampianatra i Joseph fa ireo vato mpahita sy ireo fitaovana hafa ampiasain’ireo mpahita ary koa ny fahaizana mampiasa azy ireo dia fanomezam-pahasoavana lehibe sy masina avy amin’Andriamanitra.10

Fitaovana nampiasaina nandikana ny Bokin’i Môrmôna

Hita koa ao anatin’ny tantara momba an’i Joseph Smith sy ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny momba ireo vato mpahita. Ny tantara ôfisialin’ Joseph, izay natombony tamin’ny 1838, dia manazava ny famangian’ilay anjely iray izay fantatra fa i Môrônia, izay nilaza taminy momba ireo takela-bolamena nalevina tany amin’ny havoana tsy dia lavitra ny nisy azy. Nitantara i Joseph fa rehefa niresaka tamin’ilay anjely izy dia “nosokafana [mazava tsara tao an-tsainy] ny fahitana” ka dia “fanta[ny] ilay toerana” rehefa hitan’ny tenany mihitsy ilay izy taty aoriana (Joseph Smith—Tantara 1:42).

Joseph Smith depicted kneeling on the Hill Cumorah as the angel Moroni stands above him. The angel Moroni appears dressed in white and surrounded by intense light as he is holding the gold plates. The event took place on September 22, 1827. Painting number 2 of the 23 paintings in the "Mormon Panorama" series.

Mpikamban’ny Fiangonana maro nandritra ny tantarany no nikatsaka ny hahatakatra ny tantaran’i Joseph Smith tany am-piandohana sy ny fomba nahitany sy nandikany ireo takela-bolamena. Ity sary nataon’ilay mpahaikanto C. C. A. Christensen ity tamin’ny 1886 dia mampiseho an’i Joseph Smith nandray ireo takelaka avy tany amin’ny anjely Môrônia.

Ny anjely Môrônia manome ireo takelaka an’i Joseph Smith, nataon’i C. C. A. Christensen

Nanomboka nanoratra i Joseph ny taona 1838 araka ny ao anatin’ny tantara ka nampitandrina azy i Môrônia “fa hanandrana ny haka fanahy ahy i Satana (noho ny ankohonan-draiko miaina ao anatin’ny fahantrana) mba hakako ireo takelaka hampanan-karena ahy.” Nosakanan’ilay anjely tsy hanao izany izy araka ny fitantaran’i Joseph ka nolazainy fa raha toa i Joseph manana “zavatra hafa banjinina” ankoatra ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy “ho azo[ny] izany” (Joseph Smith—Tantara1:46). Nanazava i Joseph tao anatin’ny tantarany tany am-piandohan’ny taona 1832 hoe, “Nikatsaka ireo takelaka mba hahazoako harena aho ka tsy nitandrina ilay didy hoe tokony tsy hibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra ny masoko.”11 Vokatr’izany dia nangatahina izy mba hiverina isan-taona teny amin’ilay havoana tao anatin’ny efa-taona mandra-pahavonona azy handray ireo takelaka (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:53–54).

Nitantara i Joseph fa rehefa azony avy tany amin’i Môrônia ihany tamin’ny farany ireo takelaka tamin’ny 1827, dia nahazo vato anankiroa koa izy mba hampiasaina amin’ny fandikana azy ireo. Nirakitra an-tsoratra ny mikasika an’ireo vato ireo izy sy ireo olona nifanerasera akaiky taminy ka namaritra izany ho toy ny fotsy na mazava ny endriny, mipetaka ao anatina zavatra volafotsy miendrika vona na tahon-tsolomaso toy ireny solomaso maoderina ireny, ary mifandray amin’ny saron-tratra lehibe iray.12 Araka io famariparitana io dia mety ho nafonja io fitaovana ampiasain’ny mpahita io. Nilaza ny renin’i Joseph Smith fa nesoriny teo amin’ilay saron-tratra ireo vato mba hahamora ny fampiasana izany.13

Ny lahatsoratry ny Bokin’i Môrmôna dia miantso ireo vato ireo hoe “fandikana” ary manazava fa “voaomana hatrany am-piandohana [izy ireo] ary nifanoloran’ny taranaka nifandimby, satria ny fikasana dia ny fandikana teny,” izay “notanana sy notehirizin’ny tanan’ny Tompo” (Môsia 28:14‒15, 20).

Ny boky dia mitantara ny fomba nanomezan’ny Tompo “vato roa” ny rahalahin’i Jareda niaraka tamin’ny fampanantenana fa hanampy ireo taranaka ho avy hahazo indray ny teniny izy ireo. “Soraty ireo zavatra ireo ary fehezo ireo,” hoy ny Tompo nandidy azy, “ary Izaho haneho ireo amin’ny zanak’ olombelona amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.” Ireo vato ireo hoy ny Tompo nanazava dia “[hanazava] eo imason’ny olona ireo zavatra izay hosoratanao ireo” (Etera 3:24, 27).

Detail from a page of the original Book of Mormon manuscript containing the departure of Lehi’s family from Jerusalem in what is today 1 Nephi 2.

Sombiny avy tamin’ny pejy irain’ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna avy any ifotony izay ahitana ny fialan’ny fianakavian’i Lehia tany Jerosalema ka ao anatin’ny 1 Nefia 2 amin’izao fotoana izao izany. Nanonona ny tao anatin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny mpandika soratra maro i Joseph Smith ka tao anatin’izany i Oliver Cowdery izay mpandika ireo andalan-tsoratra ireo.

Nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana; SARY NOHATSARAINA MBA HAZAVA

Rehefa nanakaiky ny fahavitan’i Joseph Smith ny fanononany ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna nataony tamin’ireo mpandika soratra teo antenantenan’ny taona 1829, dia nazava bebe kokoa tao anatin’ilay lahatsoratra ny dikan’ny hoe mpahita. Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana faminaniana iray niantefa tamin’i Josefa tany Egypta izay nanambara fa ny iray amin’ireo taranany—i Joseph Smith raha ny marina—dia ho “mpahita nofinidy iray” hitondra ireo taranaka hafa “ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanana” izay nataon’Andriamanitra tamin’ny razan’izy ireo (2 Nefia 3:6, 7).

Ao anatin’ny tantara iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nomen’i Almà Zanany an’i Helamàna zanany lahy ireo fandikan-teny. Nanoro hevitra azy i Almà hoe: “[Tsimbino] ireo fandikan-teny ireo,” izay ilazana an’ireo vato roa nipetaka tao anaty zavatra volafotsy miendrika vona. Saingy nanambara faminaniana iray koa i Almà izay toa miresaka momba ny vato tokana iray: “Ary hoy ny Tompo: Izaho hanomana ho an’i Gazelema mpanompoko, vato iray izay hamirapiratra ao amin’ny haizina” (Almà 37:21, 23).

Raha ny tsikaritra, na dia ao anatin’ilay sahan-kevitry ny hoe “ireo fandikan-teny” (manondro ny maro) aza, dia miresaka momba ny fanomezana “vato iray” (manondro ny tokana) ho an’ny mpanompo iray ho avy io faminaniana io (manondro ny tokana) “izay hamirapiratra ao amin’ny haizina.”14 Ireo Olomasin’ny andro farany tany am-piandohana dia nino fa io mpanompo nambara avy amin’ny faminaniana io dia i Joseph Smith.15

Raha ny marina dia nisy porofo ara-tantara izay maneho fa ankoatra ireo vato mpahita anankiray nantsoina hoe “fandikan-teny,” dia nampiasa vato mpahita iray hafa i Joseph Smith farafahakeliny nandikana ny Bokin’i Môrmôna, ka matetika izany no napetrany tao anaty satroka mba hanakanana ny fidiran’ny hazavana. Nanao izany izy araka ireo olona niara-niaina tamin’i Joseph mba hahitana tsara kokoa ireo teny teo amin’ilay vato.16

Nanomboka nampiasa ny teny tao anatin’ny Baiboly hoe “Orima sy Tomima” i Joseph Smith sy ireo mpiara-miasa taminy tamin’ny 1833 mba hilazana izay mety ho vato nampiasaina mba handraisana fanambarana masina, ka tafiditra tao anatin’izany ireo fandikan-tenin’ny Nefita sy ilay vato mpahita tokana.17 Nampanahirana ny ezaka natao mba hamantarana ny fomba marina nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna io fiteny manokana somary manjavozavo io. Ankoatra ny fampiasana ireo fandikan-teny ireo araka ny nolazain’i Martin Harris, dia nampiasa iray tamin’ireo vato mpahita koa i Joseph mba hanamorana ny asa nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nisy loharano hafa izay nanamafy ny fanovan’i Joseph ny fitaovana nentiny nandikana teny.18

Taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna

Taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny martsa 1830, dia nanomboka nanao asa mikasika ilay fantatsika amin’izao fotoana izao hoe Baiboly dikantenin’i Joseph Smith i Joseph Smith sy ireo mpitambokiny, izay fanovana ara-paminaniana nentina tao amin’ny Dikantenin’ny Mpanjaka James.19 Noraketin’i Joseph fa tsy afaka nisafidy hampiasa ireo fandikan-teny ireo izy tamin’io asa fandikan-teny io satria efa tsy teo am-pelatanany intsony izany.

Manazava ny ao amin’ny tantaran’i Joseph fa “noho ny fahendren’Andriamanitra dia tafajanona soa aman-tsara teo am-pelatanako [ireo takelaka sy fandikan-teny], mandrapahavitako taminy izay nangatahina tamiko. Nony tonga haka izany ilay iraka, araka ny nifanarahana, dia natolotro azy izany; ka izy no efa miahy izany hatramin’ny andro androany” (Joseph Smith—Tantara 1:60).

Nanazava izany ny Filoha Brigham Young (1801–77), “Naverin’i Joseph niaraka tamin’ireo takelaka ny O[rima sy] T[omima] rehefa vita ny fandikany.”20

Bust portrait of Joseph Smith. He is depicted wearing a dark suit, white shirt with a high collar and white tie.

Fantatra tamin’ny naha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy i Joseph Smith ho an’ireo mpikambana an’arivorivony maro nandritra ny fiainany ary ho an’ireo mpikambana an-tapitrisany maro hatramin’izay nahafatesany izay.

Joseph Smith, narindran’i David Rogers, nahazoana lalana avy tamin’ny Community of Christ Library-Archives, Independence, Missouri

Nanana vato mpahita hafa i Joseph, saingy araka ny tenin’ny Loholona Orson Pratt (1811–81), mpikambana iray tao amin’ny Fiadidian’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary Mpahaitantaran’ny Fiangonana taty aoriana, dia nihamatotra tamin’izany fotoana izany ny fahatakaran’i Joseph ara-panahy. Nandritra ilay fivoriana tamin’ny 28 jona 1874, izay natrehin’ny Filoha Brigham Young sy ny Manampahefana Ambony maro, dia nilaza tamin’ny mpanatrika azy teo ny Loholona Pratt fa “nanatrika imbetsaka” tamin’ny fotoana “nandikan’i [Joseph Smith] ny Testamenta Vaovao.” Rehefa tsy nahita fitaovana entina mandika teny izy nandritra ilay fotoana nandikana teny dia nanontany tena hoe “nahoana i Joseph no tsy nampiasa ny Orima sy Tomima toy ny nataony tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna?”

Raha teo am-pijerena ny Mpaminany nandika teny ny Loholona Pratt, “dia nitraka i Joseph, toy ireny nahafantatra ny tao an-tsainy ireny, ka nanazava fa ny Orima sy Tomima dia nomen’ny Tompo azy tamin’izy tsy nanana traikefa mikasika ny Fanahy ahazoana aingam-panahy. Saingy efa lasa lavitra ny fivoarany tamin’izay ka takany ny fomba fiasan’izany Fanahy izany ary tsy nila fanampiana avy amin’io fitaovana io izy.”21

Nozarain’i Brigham Young teo anatrehan’ny olona mpanatrika fivoriana iray ilay eritreriny hahazo vato mpahita iray. Niteny izy hoe, “tsy fantatro tsara raha toa aho ka naniry ny hanana anankiray tokoa hatramin’izay.”22 Ny zavatra nolazain’i Brigham dia naneho ny fahatakarany fa tsy voatery ilaina ny vato mpahita mba hahatongavana ho mpahita.

Nanatrika fihaonambe iray tany Orange, Ohio i Joseph Smith tamin’ny 25 Ôktôbra 1831. Nandritra ilay fihaonambe dia nilaza i Hyrum rahalahiny fa “araka ny eritreriny dia tena tsara raha toa ka i Joseph tenany mihitsy no milaza amin’ireo Loholona ny fampahalalana ny fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahan’ny rehetra mahafantatra ho an’ny tenany manokana.” Araka ny zavatra notanana an-tsoratra mikasika io fivoriana io dia nilaza i Joseph “fa tsy nisy ny fikasana hilaza amin’izao tontolo izao ireo antsipirian-javatra mikasika ny fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna” ary “tsy zava-dehibe ho azy ny fitantarana ireo zavatra ireo.”23 Noho izy nihamatotra teo amin’ilay anjara asany amin’ny maha-mpahita azy sy noho ny nahazoany finoana fa tsy voatery ilaina ahazoana fanambarana ireo vato mpahita, dia angamba niahiahy izy sao hifantoka loatra amin’ny fomba nahatongavan’ny boky ny olona ka zara raha hifantoka amin’lay boky.

Ny fanamarihana tena manan-danja indrindra nataon’i Joseph Smith mikasika ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna dia ny hoe, nataony “tamin’ny alalan’ny hery sy fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra” izany.24 Nampianatra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana izy fa io boky io, “no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika,” ary “hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra” ireo mpamaky amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fepetra ao anatiny “toy izay [amin’ny alalan’ny] boky hafa.”25

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115

  2. Sasinteny momba ny Bokin’i Môrmôna, tany amin’ny Aog. 1829 tany, ao amin’ny Documents, Boky 1: Jolay 1828–Jona 1831, boky 1 an’ny Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers (2013), 93. Jereo koa “Ny Tenivavolombelon’ny VavolombelonaTelo,” Bokin’i Môrmôna.

  3. Jereo ny Eksodosy 4:1‒5, 17, 20‒21; 7:8‒21; 8:16‒19; 9:22‒26; 10:12‒15; 14:15‒18; 17:1‒13; Nomery 17:1‒10; 20:7‒11; Hebreo 9:4.

  4. Jereo ny Nomery 21:7‒9; Jaona 3:14‒15.

  5. Jereo ny Eksodosy 28:12; 35:9, 27; 1 Samoela 23:9‒12; 30:7‒8.

  6. Jereo ny Eksodosy 28:30; Levitikosy 8:8; Nomery 27:21; Deoteronomia 33:8; 1 Samoela 28:6; Ezra 2:63; Nehemia 7:65.

  7. Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’io kolontsaina ara-pivavahana tamin’ny taonjato faha 19 io dia jereo ny Journals, Boky 1: 1832–1839, boky 1 an’ny Journals tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers (2008), xix; ary Revelations and Translations, Boky 3: Printer’s Manuscript of the Book of Mormon, boky 3 an’ny Revelations and Translations tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers (2015), xv–xvi; Dallin H. Oaks, “Recent Events Involving Church History and Forged Documents,” Ensign, ôkt. 1987, 68–69.

  8. Jereo ny teny nambaran’i Joseph Smith Sr., izay notsoahina tao amin’ny Francis W. Kirkham, A New Witness for Christ in America: The Book of Mormon, boky 2 (1959), 366; jereo koa ny Lucy Mack Smith, “Lucy Mack Smith, History, 1844–1845,” boky 3, pejy 10, josephsmithpapers.org/paperSummarylucy-mack-smith-history-1844-1845. Tsaroan’i Martin Harris ny fitsapany ny fahaiza-manaon’i Joseph tamin’ny alalan’ny fangatahana azy hitady paingotra tao anaty mololo (jereo ny “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, jolay 1859, 164).

  9. Jereo mba hahitana ohatra ny Joseph Smith—Tantaraao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:10‒11. Jereo koa ireo teny tany am-boalohany indrindra izay ankehitriny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8, izay niantefa tamin’i Oliver Cowdery rehefa naniry ny hanampy an’i Joseph Smith izy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna (Fanambarana, apr. 1829–B, ao amin’ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, 44–47).

  11. Joseph Smith, “History, History, ca. Summer 1832,” ao amin’ny Histories, Boky 1: 1832–1844, boky 1 an’ny Histories tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers (2012), 14.

  12. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:35; Joseph Smith, “Church History,” ao amin’ny Histories, Boky 1: 1832–1844, 495; Martin Harris, ao amin’ny “Mormonism—No. II,” 165–66; “Lucy Mack Smith, History, 1844–1845,” boky 5, pejy 7–8, josephsmithpapers.org.

  13. Jereo hahitana ohatra ny, “Lucy Mack Smith, History, 1844–1845,” boky 5, josephsmithpapers.org.

  14. Azo an-tsaina fa nahavariana ireo mpanao fanamarihana io fahasamihafana io. Jereo hahitana ohatra ny Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, boky nivoaka faha 2 (1966), 307–8; Joseph Fielding McConkie sy Robert L. Millet, Doctrinal Commentary on the Book of Mormon, boky miisa 4 (1987–92), 3:278; ary Matthew B. Brown, All Things Restored: Confirming the Authenticity of LDS Beliefs (2000), 62.

  15. Jereo ny William W. Phelps, Funeral Sermon of Joseph and Hyrum Smith, Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; ny Orson Pratt, “Explanation of Substituted Names in the Covenants,” The Seer, mar. 1854, 229; William W. Phelps, letter to Brigham Young, 10 apr. 1854, ao amin’ny Brigham Young, Office Files, 1832–1878, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City sy Revelations and Translations, Boky 2: Published Revelations, boky 2 an’ny Revelations and Translations tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers (2011), 708–9.

  16. Ho fampahalalana bebe kokoa momba ilay fandikan-teny dia jereo ny “Book of Mormon Translation,” izay hita ao amin’ny lds.org/topics/book-of-mormon-translation. Jereo koa ny Russell M. Nelson, “A Treasured Testament,” Ensign, jolay 1993, 61–65; Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.

  17. I Wilford Woodruff, ohatra, dia niantso vato mpahita iray izay hitany tany Nauvoo hoe Orima sy Tomima iray (Wilford Woodruff journal, 27 Des. 1841, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana). Jereo koa ny Revelations and Translations, Boky 3: Printer’s Manuscript of the Book of Mormon, xix.

  18. Jereo koa ny Revelations and Translations, Boky 3: Printer’s Manuscript of the Book of Mormon, xviii–xix.

  19. Mba hahitana ny famintinana fohy io ezaka natao io dia jereo ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, 150–52.

  20. Fitanana an-tsoratra ny fivoriana, 17 apr. 1853, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.

  21. “Two Days’ Meeting at Brigham City, June 27 and 28, 1874,” Millennial Star, 11 aog. 1874, 498–99.

  22. Fitanana an-tsoratra ny fivoriana, sept. 30, 1855, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.

  23. Fitanana an-tsoratra ny fivoriana, 25-26 ôktôbra 1831, ao amin’ny Documents, Boky 2: jolay 1831–janoary 1833, boky 2 an’ny Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers (2013), 84.

  24. Sasinteny momba ny Bokin’i Môrmôna, tany amin’ny aog. 1829 tany, ao amin’ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, 93. Jereo koa ny “Ny Tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo,” Bokin’i Môrmôna.

  25. Joseph Smith, ao amin’ny diarin’i Wilford Woodruff, nôv. 28, 1841, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana; na fampidirana ny Bokin’i Môrmôna.

  26. David Whitmer, An Address to All Believers in Christ (1887), 32.

  27. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fiverenan’i Oliver Cowdery tao amin’ny Fiangonana dia jereo ny Scott F. Faulring, “The Return of Oliver Cowdery,” ao amin’ny John W. Welch sy Larry E. Morris, mpamoaka boky, Oliver Cowdery: Scribe, Elder, Witness (2006), 321–62.

  28. Jereo ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana, 30 sept.1855, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; “David Whitmer,” The Historical Record, ôkt. 1888, 623; Maria L. Cowdery Johnson hatrany amin’i David Whitmer, 24 jan. 1887, Community of Christ Library-Archives, Independence, Missouri; ary Franklin D. Richards, Journal, 9 mar. 1882, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.

  29. Fitanana an-tsoratra ny fivoriana, 17 apr. 1853, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.

  30. Fitanana an-tsoratra ny fivoriana, 30 sept. 1855, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.

  31. Jereo ny Zina Young hatrany amin’ny Franklin D. Richards, 31 jolay 1896, ao amin’ny Journal History of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 31 jolay 1896, 4, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.

  32. Jereo ny B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 6:230–31; Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3 (1954–56), 3:225; Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, boky navoaka faha 2 (1966), 818–19.

Nipetraka tao amin’ny efitra iray tany ambony rihana tao amin’io trano io i Joseph sy Emma Hale Smith vadiny nandritra ny fandikana ampahany tamin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny rihana anankiroa aty ankavanan’ilay trano dia naorina taty aoriana.

Nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombokin’ny Fiangonana

Sombiny avy tamin’ny pejy irain’ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna avy any ifotony izay ahitana ny fialan’ny fianakavian’i Lehia tany Jerosalema ka ao anatin’ny 1 Nefia 2 amin’izao fotoana izao izany. Nanonona ny tao anatin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny mpandika soratra maro i Joseph Smith ka tao anatin’izany i Oliver Cowdery izay mpandika ireo andalan-tsoratra ireo.

Nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana; SARY NOHATSARAINA MBA HAZAVA

Mpikamban’ny Fiangonana maro nandritra ny tantarany no nikatsaka ny hahatakatra ny tantaran’i Joseph Smith tany am-piandohana sy ny fomba nahitany sy nandikany ireo takela-bolamena. Ity sary nataon’ilay mpahaikanto C. C. A. Christensen ity tamin’ny 1886 dia mampiseho an’i Joseph Smith nandray ireo takelaka avy tany amin’ny anjely Môrônia.

Ny anjely Môrônia manome ireo takelaka an’i Joseph Smith, nataon’i C. C. A. Christensen

Tamin’ny 1883 ny The Contributor, izay gazetibokin’ny navoakan’ny Fiangonana, dia nampiseho ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna. Efa nankasitrahan’ny Olomasin’ny Andro Farany hatry ny ela ny anjara biriky lehibe nentin’ny lehilahy tsirairay mba hanampiana an’i Joseph Smith handika sy hamoaka ny Bokin’i Môrmôna.

Nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana