Nanoro hevitra antsika ireo mpaminanin’ny andro farany tamin’ny 1915, mba hanokana takariva iray isan-kerinandro ho an’ny fianakaviantsika. Nantsoina hoe “takariva ho an’ny tokantrano” izany tamin’ny voalohany—fotoana ianarana ny filazantsara sy iarahana mifaly sady hanamafisana orina ilay fifandraisantsika eto an-tany sy mandrakizay.
Zato taona aty aoriana dia mbola manohy manampy antsika hanorina fianakaviana izay haharitra mandrakizay ny takarivan’ny mpianakavy. Nampanantena ireo mpaminany fa hisy finoana sy tanjaka ara-panahy lehibe kokoa hitombo ao am-pontsika amin’ny alalan’izany ary hisy fiarovana sy firaisankina ary filaminana hitoetra ao an-tokantranontsika.
Mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray isika rehetra eto an-tany ary mpikambana ao anatin’ny fianakavian’ny Raintsika any an-danitra. Afaka mankalaza ny takarivan’ny mpianakavy sy mandray anjara amin’izany isika na aiza na aiza misy antsika eto amin’izao tontolo izao ary na inona na inona toe-javatra iainantsika eo amin’ny fiainana.