Ny fitadiavako ny fahamarinana
Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.
Nampianarina foana aho fa tsy misy izany Andriamanitra izany saingy nanapa-kevitra ny hitady izany ho an’ny tenako manokana aho.
Noho ny tenako notaizana tao amin’ny firenena Aziatika iray tia mifaninana sy tsy mandala ny fivavahana dia nanana faniriana lehibe foana ny ho lasa olona mahomby aho saingy tsy nanana fitsipika na fahamarinana mandrakizay hitarika ahy. Tao amin’ny fireneko, ny hoe “mahomby” dia midika hoe manan-karena sy matanjaka.
Nampianatra ahy foana ny ray aman-dreniko fa tsy misy izany Andriamanitra izany. Ho azy ireo, ny fivavahana na Andriamanitra dia zavatra tsy misy dikany ary ho an’ny olona tsy matanjaka irery ihany. Nandritra ny fotoana ela dia nihevitra ny tenako ho olona tsy mino an’Andriamanitra aho. Nampianatra ahy izy ireo fa tsy tokony hatoky na iza na iza aho afa-tsy ny tenako ihany. Koa hatry ny mbola kely aho dia nampiasa ny nofinofiko ambony ho antony nanosika ahy hianatra sy hiasa mafy tokoa.
Nanantena zavatra lehibe avy amiko ny ray aman-dreniko. Tian’izy ireo aho mba hitazona ny naotiko ho ambony foana. Nampalahelo ahy ny mahita ny tarehin’izy ireo diso fanantenana na ny maheno azy ireo mifamaly rehefa mahazo naoty ratsy aho. Ankoatra ireo enti-mody mahazatra dia tiako ihany koa ny nanao enti-mody fanampiny amin’ny faran’ny herinandro mba hitazonana ny naotiko ho ambony.
Na dia efa tanteraka aza ireo tanjona izay napetrako dia mbola nahatsapa ihany aho fa nisy zavatra bebe kokoa niandry ahy teo amin’ny fiainako. Fantatro tao am-poko lalina fa tsy maintsy mbola nisy zavatra hafa ankoatra izany.
Indray andro aho dia nanapa-kevitra ny handeha hitady manokana raha misy marina Andriamanitra. Raha nisy tokoa Izy dia tiako ho fantatra ny zavatra izay tiany ho ahy na raha toa ka zavatra tsy misy dikany noforonin’ny fisainan’olombelona fotsiny ny fivavahana. Samy tsy nisy natahorako ny handray ny iray tamin’ny valin’ireo fanontaniana ireo. Ny fahamarinana fotsiny no tiako ho fantatra.
Nanodidina io fotoana io dia lasa namako akaiky ilay mpiara-milalao basket amiko antsoina hoe Taylor. Indray maraina dia nangatahiko hitondra ahy tany am-pianarana izy. Nanaiky izy saingy tsy maintsy mifoha adiny iray mialoha aho hamonjy seminera miaraka aminy. Nanaiky tsy sazoka aho, tsy nahafantatra hoe inona izany. Nahafinaritra ahy ny seminera, eny noho ny zavatra tsapako tao kokoa mihoatra noho ny zavatra nianarako.
Taoriana kelin’izay dia nangataka ahy handeha hiangona niaraka taminy i Taylor. Tamin’ny voalohany aho dia nieritreritra fa somary mankaleo sy hafahafa ny any am-piangonana saingy taty aoriana aho dia nentanin’ilay fahatsapana tsara sy milamina izay tsapako tao amin’ny fanompoam-pivavahana.
Na izany aza dia mbola tsy resy lahatra aho fa nisy ifandraisany tamin’Andriamanitra ilay fahatsapana tsara. Ahoana no hahafantarako fa tsy avy amin’ny tenako manokana izany? Ahoana no hahafantarako fa tsy ny tenako no nahatonga ahy hanana izany fahatsapana izany?
Taorian’ny fisafotofotoan-kevitra tao anatiko dia nandeha tany amin’ny renin’i Tailor mba hitady valiny aho. Nilaza tamiko izy fa afaka mahazo valiny aho amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina sy fivavahana momba ny valiny izay tadiaviko. Nivavaka aho fa tsy nahazo valiny ary nanana olana tamin’ny fankatoavana ireo lalàna sy didy izay nianarako. Imbetsaka aho no lasa sorena. Nanantena fisehoan’Andriamanitra izay mahatalanjona sy mampivarahontsana na karazana trangan-javatra mahagaga aho mba hanaporofoana fa misy Andriamanitra. Raha tsorina dia naniry hahazo fijoroana ho vavolombelona tsy azo hozongozonina tao anatin’ny indray mandeha aho. Raha ny marina dia arakaraka ny nivavahako no nahatsapako fahazavana bebe kokoa tao amin’ny fiainako. Arakaraka ny nanarahako ny didy no nahasambatra kokoa ahy. Arakaraka ny namakiako ny soratra masina no nandraisako fanambarana bebe kokoa. Nitombo tsikelikely ny fijoroana ho vavolombelona nananako, tahaka ny fiposaky ny masoandro amin’ny maraina.
Roa taona taty aoriana aho vao tapa-kevitra ny hatao batisa mba ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Na dia niaina fenitra sy fitsipika tsara maro aza aho taloha, ankehitriny kosa dia afaka milaza aho fa hitako ilay fahamarinana mandrakizay sy tena faratampony: Velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Misokatra ny lanitra. Misy mpaminan’Andriamanitra eto an-tany ankehitriny. Tena misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tena mamela ny helok’ireo mpanota rehetra izay mibebaka Andriamanitra. Mety tsy mahay na manan-talenta tahaka ny olon-kafa aho saingy tsy voavidim-bola ny fahalalana izay ananako.