2015
Miaina omban’ny tena finiavana
Ôktôbra 2015


Miaina omban’ny tena finiavana

Notsoahina avy tamin’ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, “Fananana tanjona eo amin’ny fiainana: Ny lanjan’ny finiavana marina,” natao tao amin’ny Brigham Young University–ldaho tamin’ny 11 janoary 2015. Mba hahitana ny lahateny iray manontolo dia midira ao amin’ny devotionals.lds.org.

Ny hoe tena finiavana dia midika hoe manao ny zavatra tsara noho ny antony tsara.

Sary
Gold stars

Sary nalain’ny Jupiterimages/Stockbyte/Thinkstock

Nianatra ny maha-zava-dehibe ny tena finiavana aho tamin’izaho mbola zatovo mpianatra seminera. Nanome fanamby anay ny mpampianatra anay mba hamaky ny Bokin’ i Môrmôna. Mba hanaovana fanaraha-maso ny fivoaranay dia namorona tabilao iray izy izay misy ny anaranay eo amin’ny lafiny iray ary ireo boky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna eny ambony. Isaky ny namaky boky iray izahay dia nametahany sarina kintana eo akaikin’ny anaranay.

Tamin’ny voalohany dia tsy nanao ezaka firy aho tamin’ny famakiana ary tsy ela akory dia hitako fa nihataraiky hatrany hatrany tany aoriana aho. Rehefa natosiky ny fahatsapana henatra sy ny toetrako tia mifaninana aho dia nanomboka namaky. Isaky ny nahazo kintana aho dia azoko ery ny aiko. Ary arakaraky ny nahazoako kintana no namporisika ahy bebe kokoa hamaky—eny anelanelan’ny fianarana, aorian’ny sekoly, isaky ny fotoana malalaka.

Tena tantara mahafinaritra tokoa ity raha mba afaka milaza aminareo aho fa ho vokatry ny ezaka izay nataoko dia lasa voalohany tao amin’ny kilasy aho—saingy tsia. Ary mety ho TSARA raha mba afaka nilaza taminareo aho hoe, nahazo zavatra tsaratsara kokoa noho ny mahazo voalohany aho—fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Saingy tsy niseho ihany koa izany. Tsy nahazo fijoroana ho vavolombelona aho. Kintana no azoko. Nahazo kintana aho satria izany no antony namakiako. Raha hampiasa ny tenin’i Môrônia dia izany no “tena finiava[ko].”

Tena nazava i Môrônia rehefa nanoritsoritra ny fomba hahitana raha marina ny Bokin’i Môrmôna: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ny herin’ ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4; nampiana fanamifasana).

Ireo antony tsara

Rehefa jereko dia hitako fa ara-drariny tokoa ny nataon’ny Tompo tamiko. Nahoana aho no tokony hanantena zavatra hafa ankoatra ny zavatra izay notadiaviko? Ny hoe tena finiavana dia midika hoe manao ny zavatra tsara noho ny antony tsara. Namaky boky tsara aho noho ny antony ratsy.

Efa aman-taonany maro taty aoriana aho vao namaky ny Bokin’i Môrmôna omban’ny tena finiavana. Fantatro ankehitriny fa manatanteraka ny tanjony masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna satria novakiako omban’ny tena finiavana izany.

Miantefa amintsika rehetra eo amin’ny lafim-piainantsika rehetra ny lesona nianarako momba ny tena finiavana sy ny Bokin’i Môrmôna. Matetika loatra isika no manaraka fotsiny ireo fomba sy fahazarana izay efa voavolavola nandritra ny fiainantsika—mandeha ho azy fotsiny isika tsy mandinika tsara ny mety ho vokatry ny ataontsika. Ny miaina omban’ny tena finiavana dia hanampy zavatra hifantohana sy tanjona amin’ny fiainantsika ary afaka hitondra fiovana lehibe. Ny hoe miaina omban’ny tena finiavana dia midika hoe mahatakatra ny “nahoana”—ireo antony manosika antsika hanao zavatra. Hoy i Socrates hoe: “Ny fiainana tsy voalanjalanja dia tsy mendrika hiainana.”1 Noho izany dia saintsaino ny fomba handanianao ny fotoanao, ary manontania tena matetika hoe: “Nahoana?” Hanampy anao hianatra mamantatra izay mety ho vokatry ny zavatra ataonao izany. Tena tsara lavitra kokoa ny mijery any aloha sy manontany tena hoe: “Fa nahoana aho no hanao izany?” toy izay ny mijery ny efa lasa ka milaza hoe: “Nahoana, andray! Fa nahoana aho no nanao izany”

Sary
A man looking at a wall with different types of gears on it.

Sary nalain’i Sergey Nivens/iStock/Thinkstock

Inona no tian’ny Tompo hataonao?

Fony aho zatovolahy dia nanapa-kevitra ny tsy handeha hanao asa fitoriana. Rehefa afaka herintaona tany amin’ny oniversite sy herintaona tany amin’ny tafika dia nahazo asa tsara tao amin’ny hôpitaly tao an-toerana aho ka teknisianina tao amin’ny radiologie. Toa tena nandeha tsara ny fiainana ary toa tsy nilaina ny asa fitoriana.

Indray andro dia nanasa ahy hiara-hisakafo aminy i Dr. James Pigree, dokotera mpandidy tao amin’ilay hôpitaly. Tao anatin’ny resaka nifanaovanay dia nahita izy fa tsy nikasa ny hanao asa fitoriana aho ka dia nanontany izy hoe nahoana. Nolazaiko izy fa efa bebe taona aho sady efa mety tara be. Nilaza tamiko izy fa tsy antony tsara izany, raha niteny fa taorian’ny nahavitany ny fianarany ho mpitsabo no nandehanany nanao asa fitoriana. Ary avy eo izy dia nijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny asa fitoriana izay nataony.

Nisy fiantraikany lehibe tamiko ny fijoroana ho vavolombelona izay nataony. Nahatonga ahy nivavaka tsy mitovy tamin’ny fanaoko hatrizay izany—omban’ny tena finiavana. Nahita antony maro be tsy handehanako hanao asa fitoriana aho: Saro-kenatra aho. Nanana asa izay tiako aho. Afaka ny nahazo vatsim-pianarana izay tsy ho azoko aorian’ny fandehanako manao asa fitoriana aho. Ary indrindra indrindra nanana sakaiza izay niandry ahy aho tamin’izaho tany amin’ny tafika, ary fantatro fa tsy hiandry ahy mandritra ny roa taona indray izy! Nivavaka aho mba hangataka fanamafisana fa nitombina ireo antony ireo ary marina ny ahy.

Akory ny hakiviako fa tsy nety nahazo ilay valinteny mora hoe eny na tsia izay nantenaiko aho. Avy eo dia tonga tamiko ny eritreritra hoe: “Inona no tian’ny Tompo hataonao?” Tsy maintsy niaky aho fa tiany handeha hanao asa fitoriana, ary lasa fotoana izay nandraisako fanapahan-kevitra goavana teo amin’ny fiainako izany. Ny zavatra tiako hatao ve no handeha hataoko sa ny sitrapon’ny Tompo? Izany no fanontaniana tokony hanontaniantsika matetika amin’ny tenantsika.

Nisafidy tamim-pankasitrahana ny hanao asa fitoriana aho ary notendrena hiasa tao amin’ny Misiônan’i Mexique Avaratra.

Vokatra mandrakizay

Dimy amby telopolo taona taty aoriana dia namporisika ahy hitsidika an’i Mexique niaraka taminy ny zanako lahy. Nanantena ny hahita ny sasany tamin’ ireo olona izay nampianariko izahay. Nanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo tao amin’ilay tanàna kely izay nanombohako ny asa fitoriana izahay saingy tsy nahafantatra na dia olona iray aza aho. Taorian’ny fivoriana dia niresaka tamin’ny iray tamin’ireo mpikambana izahay ka nanontany azy raha toa ka nahafantatra olona tamin’ny lisitr’ireo olona izay nampianariko taona maro lasa. Notetezinay ilay lisitra fa tsy nisy fahombiazana, mandra-pahatonga teo amin’ilay anarana farany: Leonor Lopez de Enriquez.

“Eny marina!” hoy ilay lehilahy. “Mpikambana ao amin’ny paroasy iray hafa ity fianakaviana ity fa ato amin’ity trano ity izy ireo no mivavaka. Izy ireo no manao fivoriana fanasan’ny Tompo manaraka.”

Tsy nila niandry ela izahay dia tonga niditra ny trano fiangonana i Leonor. Na dia efa 70 taona mahery aza izy izao dia tonga dia fantatro ary fantany koa aho. Nifamihina ela sy tamin-dranomaso izahay.

“Nivavaka nandritra ny 35 taona izahay mba hiverenanao aty ka hahafahanay misaotra anao noho ny fitondranao ny filazantsara tamin’ny fianakavianay,” hoy izy.

Rehefa niditra ny trano fiangonana ny mpikambana hafa tao amin’ilay fianakaviana dia nifamihina sy latsa-dranomaso izahay. Tsy ela dia fantatray fa iray tamin’ireo zanakalahin’i Leonor no evekan’io paroasy io, zafikeliny ny mpampianatra hira sy ny mpitendry pianô ary ny ankamaroan’ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Vadin’ny mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ny zanany vavy iray. Vadin’ny evekan’ny paroasy eo akaiky ny zanany vavy iray hafa. Efa nanao asa fitoriana avokoa ny ankamaroan’ireo zanak’i Leonor ary ankehitriny dia efa nanao asa fitoriana koa ireo zafikely.

Tsapanay fa nanao asa fitoriana tsara lavitra kokoa noho ny nataoko i Leonor. Ankehitriny dia mahatsiaro amim-pankasitrahana ny ezaka nataony tsy nitandro hasasarana nampianatra azy ireo ny filazantsara ireo zanany. Nampianariny azy ireo fa ny fanapahan-kevitra kely, rehefa mandeha ny fotoana, dia hiafara amin’ny fiainana feno sy marina ary sambatra, ary nampianatra izany zavatra izany tamin’ny hafa koa izy ireo. Raha jerena dia mihoatra ny 500 ireo olona niditra tao amin’ny Fiangonana noho ity fianakaviana tena mahafinaritra ity.

Ary izany rehetra izany dia noho ny resaka iray izay nifanaovana teo am-pisakafoana. Nieritreritra foana aho hoe raha nifantoka bebe kokoa tamin’ny asany na tamin’ny fitadiavany ny zavatr’izao tontolo izao i Dr. Pingree dia mety tsy nanontany ahy mihitsy izy hoe nahoana aho no tsy nandeha nanao asa fitoriana. Saingy tany amin’ny olon-kafa sy ny hampandrosoana ny asan’ny Tompo ny nifantohan’ny sainy. Namboly voa izy izay efa nitombo ka nanome vokatra, ary mbola tsy mitsaha-mitombo hatrany (jereo ny Marka 4:20). Nampianatra ahy ny vokatra mandrakizain’ny fanapahan-kevitra kely hanao ny sitrapon’ny Tompo ny asa fitoriana nataoko.

Tsarovy ny tanjonao mandrakizay

Matetika aho no nanao jery todika ny fiainako ary nanontany tena hoe nahoana no sarotra tamiko ny nandray fanapahan-kevitra nandeha nanao asa fitoriana. Sarotra izany satria variana aho; hadinoko ny fikasako mandrakizay—ny tena antony mahatonga antsika eto.

Tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’ny Tompo ireo faniriako sy ny sitrapoko, nefa ho mora kokoa ilay fanapahan-kevitra raha ny nifanohitra tamin’izany no niseho. Ary nahoana izany no tsy nifanaraka? Nandeha tany am-piangonana sy nandray ny fanasan’ny Tompo aho, nefa tsy nifantoka tamin’ny dikan’izany. Nivavaka aho, nataotaoko fahatany anefa izany tamin’ny ankapobeny. Namaky soratra masina aho saingy indraindray ihany sady tsy omban’ny tena finiavana.

Mamporisika anao aho mba hiaina fiainana misy fiheverana sy tanjona—na dia tsy nanao toy izany foana ianao tamin’ny lasa. Aza kivy noho ny fieritreretana ny zavatra izay efa nataonao na mbola tsy nataonao. Avelao ny Mpamonjy hanadio sy hamafa izany. Tsarovy ny nambarany: “Arakaraka ny nibebahany sy ny nitadiavany famelana tamin’ ny finiavana marina no namelana azy” (Môrônia 6:8; nampiana fanamafisana).

Atombohy izao. Manàna fiainana voaeritreritra, izay ahitana ny fahatakarana ny antony anaovanao zavatra iray sy ny vokatr’izany. Rehefa ataonao ireo zavatra ireo dia ho hitanao fa ny antony tena manan-danja indrindra ao ambadiky ny zavatra rehetra izay ataonao dia satria tianao ny Tompo ary fantatrao ny Fitiavany tonga lafatra ho anao. Enga anie ianao hahita fifaliana lehibe eo amin’ny fikatsahanao ny fahalavorariana ary ny fanakaranao sy fanaovanao ny sitrapony.

Fanamarihana

  1. Socrates ao amin’ny Plato, Apology (2001), 55.

Hamoaka printy