Teny hanovana ny tontolonay
Nampisehon’ny filankevitry ny distrika iray tany Ghana fa afaka miteraka fivoaran’ny tena manokana sy fanompoana ny hafa ny fiarahana mifanoro hevitra.
Naniry mafy ny hianatra hamaky sy hanoratra teny Anglisy rahavavy Vida Osei avy any Ghana. Nanandrana imbetsaka nandray anjara tamin’ireny fandaharanasa natolotry ny fiaraha-monina ireny izy saingy kivy ary niala an-daharana herinandro vitsivitsy taorian’izany. Dia indray alahady raha nanatrika fivoriana tao amin’ny sampana faharoa izy dia naheno fa miantoka fandaharanasa fianarana mamaky sy manoratra teny Anglisy ny distrikan’i Asamankese. Nanapa-kevitra ny hanandrana izy ka hisoratra anarana.
Vetivety dia hitany fa niavaka ilay fandaraharanasa. Ho afaka ny hanatrika izany miaraka amin’ny namana ao am-piangonana izy. Ny soratra masina no ampiasaina ho toy ny fitaovana enti-mianatra ka sady hianatra teny Anglisy izy izany no hianatra ny filazantsara.
Roa volana taorian’ny nanombohany nanatrika ilay fotoam-pianarana dia nanao ny vavany voalohany i Vida tao an-dakilasy—izay no voalohany hatramin’izay. Telo volana taorian’ny nanombohany dia nanao ny lahateniny voalohany hatramin’izay nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ka nanao ny antsasak’izany tamin’ny fiteny Twi, teny Afrikana eo an-toerana ary ny antsasany tamin’ny teny Anglisy. Efa-bolana taorian’ny nanombohany izany dia nanomboka nanoratra tao anatin’ny kahie rovidrovitra iray ireo zavatra ilain’ny mpanjifa sy ny vola lany ary ny vidin’entana izy ho an’ny asany amin’ny maha-mpanjaitra miasa tena azy. Lasa vitsy kokoa ny fahadisoana nataony tamin’ireo mpanjifa, ary nahazo vidin-javatra ambany avy amin’ny mpivarotra izy ary nahazo vola bebe kokoa noho ny tamin’ireo volana lasa tany aloha.
“Menatra loatra fotsiny hanatrika fotoam-pianarana mamaky teny sy manoratra miaraka amin’olona aho,” hoy izy. “Saingy rehefa notanterahina tany amin’ny trano fivoriana niaraka tamin’ny mpikambana fantatro ilay fianarana mamaky teny sy manoratra dia nanome ahy herimpo hanandrana indray izany. Ary amin’izao fotoana izao dia afaka mamaky ny soratra masina sy manatsara ny asako aho amin’ny alalan’ny famakiana sy fanoratana teny Anglisy.”
Any Afrique subsaharienne dia maro ny olona izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra indrindra fa ny vehivavy. Tena mihanaka ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra hany ka misy ohabolana Afrikana fahiny iray milaza hoe, “Raha te hanafina zavatra ianao dia soraty ao anaty boky izany.” Mitombo anefa ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany toa an’i Vida.
Olana tokony horesena
Ny tsy fahampian’ny trano fianarana sy ny fanolorana fampianarana maimaim-poana any amin’ny ankamaroan’ireo firenena subsahariens dia midika hoe voafetra ireo fahafahana manao zavatra, indrindra ho an’ny zatovovavy. Toa fahaizana tsy mba ho tratra ho an’ny olona maro izany hoe mamaky teny izany noho ny halafon’ny fianarana sy ny famerana ny zon’ny zatovovavy eo amin’ny fiaraha-monina. Any Ghana ohatra na dia ny teny Anglisy aza no fiteny ôfisialy dia manambara ny fanadihadiana fa ny antsasany latsaka amin’ireo vehivavy lehibe no miteny Anglisy. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny roa ampahatelon’ny vehivavy lehibe any amin’ny faritra ambanivohitr’i Ghana.
“Tsy miteny Anglisy ny ankamaroan’ny vehivavy lehibe any amin’ireo tanànanay sy ambanivohitray,” hoy i Seth Oppong, filohan’ny Distrikan’i Abomosu ao amin’ny Misiôna avaratr’i Accra Ghana. “Fiteny ifandraisana am-bava fotsiny nandritra ny taonjato maro ny fiteny Twi izay fiteny ampiasainay eo an-toerana. Vao haingana no noforonina ny abidia ho an’ny fiteny Twi, noho izany dia olona vitsy ihany no mahay mamaky izany.”
“Tsy maintsy miantehitra amin’ny hafa ny rahavavy—indrindra amin’ny vadiny raha manambady izy ireo na amin’ny zavatra henony amin’ny namany raha tsy manambady izy ireo—mba hahatakarana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny Fiangonana,” hoy ny fanazavan’i Georgina Amoaka, filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny distrika. “Maro ireo manana faniriana lehibe mba hanompo saingy tsy afaka mamaky boky na gazetiboky izy ireo ka dia voafetra ny fahafahany mandray anjara ao am-piangonana.”
Torohevitra avy amin’ny filankevitra
Tsy miteny Anglisy ny vehivavy any an-tokantranony na any an-tsena fa ny fahafahana mba handray anjara ao am-piangonana no tena nanosika azy ireo hianatra ilay fiteny. Mety ho tratran’ny fanoherana avy amin’ny fianakaviana anefa ireo mpikambana efa ela sy vaovao mikasika ilay fandaharanasa mamaky teny sy manoratra. Niresaka momba izany olana izany ny filankevitry ny distrika ary avy eo niresaka tamin’ireo mpitarika tao amin’ny fisoronana sy vondrona fanampiny tany amin’ny sampana tsirairay mikasika ny fanapariahana manerana ny distrika ilay fampianarana mamaky teny sy manoratra. Na dia natao ho an’ny vehivavy rehetra ao anatin’ny fiaraha-monina aza ilay fandaharanasa dia hifantoka amin’ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana izany. Fanasana mba hanatrika miaraka amina vondron’olona no natao fa tsy fanasana olona mandeha tsirairay—ohatra, hiaraka hanatrika ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Kilonga mba hahafahan’izy ireo mifanohana.
Nandray fanapahan-kevitra nifototra tamin’ny fifanakalozan-kevitra natao tany amin’ireo sampana ny mpitarika tao amin’ny distrika fa hisy ny fotoam-pianarana mamaky teny sy manoratra any amin’ny sampana tsirairay isaky ny alahady ary indroa mandritra ny herinandro. Aorian’ny ezaka mafy mandritra ny enim-bolana dia homena taratasy mari-pankasitrahana noho ny fahavitan’ny fianarana ireo izay nanatrika tsy tapaka sy nahavita ireo enti-mody nasaina natao.
Fitaovana ampifanarahana amin’ny zavatra ilaina
“Anisan’ny iray tamin’ireo olana ny fitadiavana fomba hampianarana mamaky teny sy manoratra olona izay tsy manana afa-tsy fiteny ifandraisana am-bava fotsiny,” hoy ny fanazavan’i Elder Jim Dalton, izay misiônera zokiolona nanompo tao amin’ny distrika. “Noho ny fampiasana efa nentim-paharazana ny fiteny Twi nandritra ny fotoana ela ho toy ny fiteny ifandraisana am-bava fa tsy natao hosoratana dia tsy mahay manoratra ny ankamaroan’ny olona miteny izany, ka dia tsy maintsy natombokay tamin’ny fianarana manoratra izany.”
Niara-niasa tamin’i Francis Ansah sy Cecelia Amankwah izay misiônera anankiroa efa nahavita ny asa fitoriany i Ransford Darkwah avy ao amin’ny filankevitra avon’ny distrikan’i Abomosu mba hampiasa boky novokarina teo an-toerana. Nampisehoana sary ireo mpandray anjara ary nangatahina izy ireo mba hanoratra ny zavatra hitany. Nanampy azy ireo hampivelatra fahaizana fototra eo amin’ny fanoratana izany teo am-pianarana mieritreritra amin’ny teny Anglisy. Raha vao tafalentika tsara ireo fahaizana fototra dia azo atao amin’izay ny nampiasa fitaovam-pianarana ambony kokoa.
Fiomanana sy fitondrana zava-baovao
Alohan’ny hiantombohan’ny fandaharanasa dia hofanin’ny tompon’andraikitra misahana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ireo mpampianatra ka tsy momba ny fomba fampianarana fotsiny no hanofanana azy fa momba ireo fomba mora hitandroana ny fahasalamana sy hikarakarana ny fianakaviana koa. Saingy na ilay fanofanana faran’izay tsara aza dia tsy afaka nahita mialoha ireo olana sasantsasany nitranga raha vao nanomboka ny fotoam-pianarana: Nanahirana ny fanatanterahana ny fotoam-pianarana amin’ny hariva noho ny fahatapahan-jiro matetika, nampiteraka tebiteby ny tsaho nandeha fa misy jiolahim-boto mpitrandraka volamena mirenireny eny amin’ny arabe amin’ny alina ary indraindray tsy afaka tonga ara-potoana mba hanokatra ny tranon’ny fiangonana ireo manana ny fanalahidy.
Nifanakalo hevitra indray mandeha indray mikasika ny zavatra tokony hatao ny filankevitry ny distrika. Vokatry ny torohevitra avy amin’izy ireo dia nanomboka nivondrombondrona ny mpandray anjara rehefa nandeha nianatra. Nomena lampe de poche izy ireo mba hanampiana azy ireo tsy ho azon-doza rehefa mandeha eny an-dalana. Nanome alalana ny hampiasana ny groupe électrogène any am-piangonana amin’ny alina ny mpitarika teo an-toerana. Nomena an’ireo mpikambana azo itokiana nipetraka teo akaikin’ny tranon’ny fiangonana ireo fanalahidy mba hahafahan’izy ireo manokatra izany ara-potoana.
Fandraisam-pitenenana nandritra ny fizarana mari-pankasitrahana
Mpikambana sy naman’ny fiangonana miisa iraika amby enimpolo no nanomboka nandray anjara tamin’ilay fandaharanasa. Telo amby efapolo no nanatrika ny fotoam-pianarana rehetra sy nahavita ny enti-mody rehetra. Nasaina mba handray fitenenana fohy izy ireo nandritra ny fizarana mari-pankasitrahana.
“Tsy nahay namaky teny mihitsy aho talohan’ny nanombohan’ity fandaharanasa fianarana mamaky teny sy manoratra ity,” hoy i Sandra Obeng Amoh avy ao amin’ny sampan’i Sankubenase. “Tsy mba nanao takarivan’ny mpianakavy velively aho rehefa lasa mandeha lavitra amin’ny asany ny vadiko. Herinandro vitsivitsy lasa izay, rehefa lasa izy dia nampian’ny zanako lahimatoa hamaky ilay boky aho ka dia nizara lesona tamin’ny teny Anglisy tamin’ireo zanako aho. Nanomboka tamin’izay dia nataoko foana izany isaky ny herinandro tsy maha-ao an-trano ny vadiko.”
Namaky fijoroana ho vavolombelona ahitana fehezanteny miisa telo izay nosoratany i Prosper Gyekete, izay na dia zara raha nahay teny Anglisy aza dia nitoetra ho mpikambana mahatoky tao amin’ny sampana faharoan’i Abomosu. Nilaza izy fa tsy nahay namaky teny sy nanoratra talohan’ilay fianarana saingy amin’izao fotoana izao izy dia afaka manampy ny zanany kely manao ny enti-modiny. “Noho ny zavatra nianarako,” hoy izy, “dia afaka ny ho ray tsara kokoa aho.”
“Afaka mamaky ny soratra masina irery aho amin’izao fotoana izao,” hoy i Kwaku Sasu avy ao amin’ny sampan’i Kwabeng. “Fantatro teo aloha fa marina ny Bokin’i Môrmôna na dia tsy afaka namaky izany aza aho. Fantatro fa marina izany ankehitriny satria namaky izany aho. Mihamitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako.”
Nilaza ireo mpikambana tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampian’ny sampana Asunafo fa nanokana ny Alakamisy izy ireo mba hifampiresahana amin’ny teny Anglisy fotsiny. “Lava kokoa ny fifampiresahana sasany tamin’izay andro izay satria tsy hainay hoe inona ireo teny marina tokony holazainay,” hoy i Evelyn Agyeiwaa, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. “Saingy fotoana fohy taorian’izay dia nanomboka nifandika teny izahay ka nitady izay teny marina tokony holazaina. Tsy nisy taminay menatra na natahotra hiteny teny diso satria niara-nianatra izahay. Nifanampy tsotra fotsiny izahay.”
Niavosa ny fitahiana
Nilaza ireo vehivavy izay nahavita nanaraka ilay fandaharanasa fampianarana mamaky teny sy manoratra fa nahazo aina bebe kokoa izy ireo ary tena afaka nandray anjara tao am-piangonana. Lasa vonona bebe kokoa hanaiky antso sy hamaky soratra masina ary hampianatra any am-piangonana sy any an-trano izy ireo. Nisy lehilahy vitsivitsy nahavita nanaraka ilay fandaharanasa koa. Ny akamaroan’izy ireo dia mpanao fambolena sy fiompiana hameloman-tena, izay nilaza fa afaka manao kajy tsara kokoa ny vola mivoaka sy ny famarotany ny vokany izy ireo, sy manampy ny zanaka amin’ny fanaovana enti-mody ary mamaky soratra masina irery sy miaraka amin’ny fianakaviany.
Rehefa nahazo hery tamin’ny fahitana ny fahombiazana tany Abomosu, dia nanomboka ny fandaharanasany momba ny fampianarana mamaky teny sy manoratra koa ny distrikan’i Asamankese izay mifanakaiky aminy eo.
“Manova ny fiainanay sy ny fiainan’ireo zanakay ny fahafahana mamaky teny sy manoratra,” hoy i Gladis Aseidu ao amin’ny sampan’i Sankubenase. “Manova ny tontolonay ny teny ary misaotra ny Rainay any an-danitra izahay.”