2015
Ireo toetra masin’i Jesoa Kristy: Feno fiantrana sy fitiavana
Ôktôbra 2015


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ireo toetra masin’i Jesoa Kristy: Feno fiantrana sy fitiavana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny anjara asany hampitombo ny finoanao Azy sy hitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary
Visiting teachers with an elderly woman.

Ny hery mitarika entin’ny vehivavy marina, nosoratan’i Julie Rogers

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mamaritra ny fiantrana ho toy “ny avo indrindra, ny ambony indrindra, ny mahery indrindra amin’ny karazam-pitiavana” (“Fiantrana”). Fitiavana madion’i Kristy izany. Rehefa mianatra mikasika an’i Jesoa Kristy isika sy miezaka ny hitovy Aminy, dia hanomboka hahatsapa ilay fitiavany madio eo amin’ny fiainantsika sy ho voatosika hitia sy hanompo ny hafa toy ny ho nataony. “Ny atao hoe fiantrana dia fananana faharetana amin’ireo olona izay nandiso fanantenana antsika,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson. “Fanoherana ny toetra mora tafintohina izany. Fanekena ireo fahalemena sy ny tsy fahalavorariana. Fanekena ny olona amin’ny maha-tena izy azy. Fijerena mihoatra ny endrika ivelany ireo toetra izay tsy ho lefy rehefa mandeha ny fotoana. Famehezana ny tena mba tsy ho voasarika hitsara ny hafa.”1

Ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna no ahalalantsika ilay fahamarinana lehibe hoe: “Mivavaka amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo [isika] mba hahazoana mameno [antsika] amin’izany fitiavana izany izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany mba hahatonga [antsika] ho zanak’Andriamanitra ka rehefa hiseho Izy dia ho tahaka Azy isika fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy mba hananantsika izany fanantenana izany, mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio” (Môrônia 7:48).

Soratra masina fanampiny

Jaona 13:34–35; 1 Korintiana 13:1–13; 1 Nefia 11:21–23; Etera 12:33–34

Avy amin’ny tantarantsika

“Nankasitraka ny mpamangy isan-tokantranony izay niara-ory taminy sy nampahery azy ny rahavavy iray izay maty vady vao haingana. Nanoratra izy hoe: ’Nitady mafy olona azoko hangatahina fanampiana aho, olona izay hihaino ahy. … Ary dia nihaino tokoa izy ireo. Nampahery ahy izy ireo. Niara-nitomany tamiko izy ireo. Nofihinin’izy ireo teny an-tsandriny aho … [ary] nampian’izy ireo mba ho tafavoaka tamin’ilay hakiviana sy harerahan-tsaina amam-panahy tao anatin’ireo volana vitsivitsy voalohany naha-irery ahy.’

“Toy izao no namintinan’ny vehivavy iray hafa ny zavatra tsapany rehefa nahazo fitiavana marina avy tamin’ny mpamangy isan-tokantrano iray izy: ‘Fantatro fa nanan-danja bebe kokoa noho ny hoe olona iray ao amin’ny boky firaketana tokony hovangiany fotsiny aho. Fantatro fa nitia ahy izy.’”2

Olomasin’ny Andro Farany maro manerana an’izao tontolo izao toy ireo rahavavy ireo no afaka manaparofo ny fahamarinan’ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Tena mampahery tokoa ny fahalalana fa na aiza na aiza [mety alehan’ny fianakaviana iray] dia misy fianakavian’ny Fiangonana miandry azy any. Manomboka amin’ilay andro hahatongavan’izy ireo dia ho tafiditra ao anatin’ny kôlejin’ny fisoronana ilay ray ary ho tafiditra ao anatin’ny Fikambanana Ifanampiana ilay reny.”3

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay,” Liahona, nôv. 2010, 124.

  2. Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 119–120.

  3. Filles dans Mon Royaume, 87.

Hamoaka printy