Fandinihana
Voatavo sa voatango?
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Indraindray tsy misy ny hoe safidy ratsy. Fa misy fotsiny safidy iray.
Somary taitra ihany ny raiko rehefa nahita fa ny voan’ny voatavo namboleny tamin’ny herintaona dia lasa naniry teo afovoan’ny sombin-tany nambolena voatango tamin’ity fahavaratra ity. Naniry tsara ihany ireo voatango—dia toy izany koa ireo voatavo. Naniry tsara tokoa izany raha ny marina ka nalaim-panahy ny hamela ireo voatavo hitohy haniry ny raiko. Kanefa fantany fa raha manao izany izy dia hanakana ny fanirian’ny voatango ny voatavo.
Tsy maintsy nanao safidy izy noho izany. Na izy hanongotra ireo voatavo mba hananan’ny voatango fahafahana tsara kokoa haniry tsara na hamela ny voatavo haniry ka hijery azy ireo mety handrakotra ny voatango izay samy tena hampihena ny vokatra azo avy amin’izy roa ireo. Voatavo sa voatango? Nipetraka teo amin’ny fisafidianana ny iray tamin’ireo zavatra tsara anankiroa ilay safidy.
Rehefa nandanjalanja azy roa teo ny raiko dia nanapa-kevitra ny hanongotra ny voatavo izay naniry tsara. Tsy hoe miadana fotsiny ny fandrombonan’izy ireo fa nanapa-kevitra koa izy hoe tiany kokoa ny hioty ireo voatango efa nantenaina fa tsy ireo voatavo tsy nampoizina.
Nanosika ahy hieritreritra ireo safidy ataontsika io zavatra nitranga io, indrindra eo anatrehan’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Na eo anatrehan’ny fianakaviantsika izany na ny namantsika na ny mpampiasa antsika na ny olona miaraka amintsika na ny vadintsika, dia sarotra indraindray ny mamantatra ilay safidy tsara na tsara indrindra rehefa zavatra tsara anankiroa no isafidianana, indrindra rehefa te hisoroka ny fanaovana safidy ratsy isika. Mampalemy antsika indraindray ny fahatahorana hanao safidy ratsy ary mety hanakana antsika tsy handroso hatrany ao anatin’ny finoana izany. Saingy raha ny marina, indraindray tsy misy ny hoe safidy ratsy. Fa misy fotsiny safidy iray. Raha ny zavatra nitranga tamin’ny raiko dia nampifotorin’ny tamin’izay manan-danja bebe kokoa ho azy ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tsy tiany ny nahita ny fahafatesan’ireo voatavo, saingy fantany fa hanenina amin’ny fanimbana ataon’izy ireo amin’ireo voatango izy any aoriana.
Misy safidy sasany ataontsika matetika eo amin’ny fiainana izay tsy maninona, toy ny hoe, inona no hataoko sakafo maraina? Inona no lokon’ny akanjo tokony hanaovako androany? Rehefa manao safidy eo anatrehan’ny zavatra tsara anankiroa ianao dia mety afaka manao toy ny nataon’ny raiko ka manontany tsotra fotsiny hoe, “Inona no manan-danja bebe kokoa amiko?” Dia mandraisa fanapahan-kevitra ary mandrosoa amim-pinoana miaraka amin’ny fahatokiana fa hanitsy antsika ny Tompo raha tsy araka ny tokony ho izy ny nataontsika.
Misy safidy sasany tena manan-danja anefa. Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson indray mandeha hoe: “Manoloana antsika tsy tapaka ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mba handraisana azy ireny amim-pahendrena dia mila fahasahiana isika—ilay fahasahiana hiteny tsia, ilay fahasahiana hiteny eny. Ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra ny hoavintsika” (“Ny Dingana Telon’ny Safidy,” Liahona, nôv. 2010, 68.) Ny fanontaniana tsara apetraka rehefa miatrika karazana safidy toy izany dia hoe, “Inona no manan-danja bebe kokoa amin’ny Tompo?” Rehefa fantatsika ny valin’izany fanontaniana izany dia ampifanarahantsika amin’izay manan-danja Aminy izay manan-danja amintsika ary manatanteraka izany safidy izany hatramin’ny farany isika avy eo. Ho ilay safidy tena izy foana izany.