Lalana mankany amin’ny tena fahasambarana
Avy tamin’ ny lahateny tamin’ny lanonana fizarana diplaoma iray mitondra ny lohateny hoe “Lalana hahitana ny fahasambarana” izay natao tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young–Hawaï tamin’ny 8 jona 2017.
Enga anie isika tsirairay avy samy hifidy ny hitia ny Tompo sy hanaraka ny lalany mankany amin’ny fahasambarana.
Irin’ny Ray any An-danitra, mihoatra ny zavatra hafa rehetra, ny hahazoantsika fahasambarana marina sy maharitra.
“Ny fahasambarantsika no endrik’ireo fitahiana rehetra nomeny antsika, toy ny fampianaran’ny filazantsara, ny didy, ny ôrdônansin’ny fisoronana, ny fifandraisan’ny fianakaviana, ny mpaminany, ny tempoly, ny hatsaran’ny fahariana, ary na hatramin’ireo fahafahana handalo fitsapana ihany koa aza. … Nandefa ny Zanakalahy Malalany Izy mba hanatanteraka ny Sorompanavotana mba hahafahantsika ho sambatra eto amin’ity fiainana ity ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana any amin’ny mandrakizay.”1
Misy zavatra tadiavin’ny olona manerana izao tontolo izao. Ny tena tadiavin’izy ireo, fa saingy amin’ny fombany manokana, dia ny fahasambarana. Raha ny fahamarinana manokana no resahina, dia maro no tsy mahita fahasambarana “noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny” (F&F 123:12).
Noho ny tsy fahafantaran’izy ireo ny toerana hitadiavana ny fahasambarana marina sy maharitra, dia mitady izany ao anatin’ny zavatra izay mitondra fahafinaretana mandalo fotsiny ihany izy ireo raha ny marina, toy ny fividianana zavatra, ny fikatsahana voninahitra sy dera avy amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fitondrantena tsy mendrika, na ny fifantohana amin’ny hatsarana sy ny hakanton’ny endrika ivelany.
Matetika ny fahafinaretana dia ampifangaroina amin’ny fahasambarana. Toa arakaraka ny hikatsahan’ny olona fahafinaretana mandalo no mahatonga azy ireo tsy dia faly loatra. Mazàna ny fahafinaretana dia maharitra ao anatin’ny fotoana fohy monja.
Hoy ny Filoha David O. McKay (1873–1970) hoe: “Eny tokoa, mety hahazo izany fahafinaretana mandalo izany ianao, saingy tsy afaka mahita fifaliana, ary tsy afaka mahita fahasambarana. Ny fahasambarana dia tsy hita raha tsy amin’ilay lalana efa nalehan’ny olona maro teo aloha ihany, izay tery, na dia ety aza, izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.”2
Indrisy anefa fa sarotra ny mahita ny fahasambarana ho an’ny maro. Ny mpahay siansa dia mahafantatra fa “ny fahasambarana, izay mihoatra lavitra ny toe-tsaina miandrandra zavatra tsara fotsiny, dia fahatsapana ho metimety tsara ka tafiditra ao anatin’izany ny fananana fiainana tsara, izany hoe fiainana misy lanjany sy fahatsapana fahafaham-po lalina.”3
Ny voka-pikarohana dia maneho fa ny fahasambarana dia tsy azo avy amin’ny fanovaovana haingankaingana ny zavatra iainana. Ny fahazoana fahasambarana kosa raha ny mahazatra dia ahitana ezaka natao efa hatry ny ela mba hahazo zavatra manan-danja kokoa eo amin’ny fiainana. Ny fahasambarana dia faritan’ny fahazarana, ny fitondrantena, ary karazana fomba fisainana izay azontsika fehezina avy hatrany amin’ny alalan’ny asa ataontsika avy amin’ny nahim-po. Ny ankamaroan’ny fahasambarantsika raha ny marina dia “ny tenantsika ihany no mibaiko azy.”4
Andeha hojerentsika ny maha-zava-dehibe ny sasany amin’ireo lalana hahazoana fahasambarana hita ao amin’ny soratra masina sy ampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina. Ny fandehanantsika amim-pahatokiana sy tsy tapaka eo amin’ireo lalana ireo dia hamela antsika hianoka ny fahasambarana ao anatin’ny dia izay miandry antsika.
Hatsaran-toetra
Ny voalohany amin’ireo lalana ireo dia ny hatsaran-toetra, izay fomba fisainana sy fitondrantena izay mifototra amin’ny fenitra ara-pitondrantena ambony. Tafiditra ao anatin’izany ny fahadiovam-pitondrantena, izay mahatonga anao ho mendrika ny hiditra ao amin’ny tempoly masin’ny Tompo. Ny olona manana hatsaran-toetra dia mahay miaina amim-pahamendrehana ao anatin’ny fahanginana sy manana tanjaka ao anaty. Matoky tena izy ireo satria mendrika ny handray ny Fanahy Masina sy hotarihiny. Manomboka amin’ny faniriana sy ny eritreritra ny hatsaran-toetra, ary fitambaran’ny fanapahan-kevitra sy asa madinidinika an’arivony atao isan’andro izany.
“Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.
“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao; ary ny fanapahana dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay” (F&F 121:45–46).
Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson (1927-2018) fa “tsy misy finamanana izay sarobidy mihoatra ny fahadiovana ara-pisainana sy ara-pitondrantena an’ny tenanao, ary tena fahatsapana tsara ny mahafantatra fa mijoro amim-pahadiovana amin’ny toerana efa voatokana hijoroanao ianao ary matoky tena fa mendrika ny hijoro eo.”5
Ny fahamarinan-toetra
Lalana faharoa hahazoana fahasambarana ny fahamarinan-toetra. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Fantaro fa ny fahasambarana maharitra dia avy amin’ny maha-izy anao, fa tsy avy amin’ny zavatra anananao.
“Ny tena fifaliana dia avy amin’ny toetra feno fahamarinana, ary izany dia avy amin’ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra marina tsy tapaka. … Ny fanapahan-kevitra marina raisinao no mamaritra ny maha-izy anao sy ny zavatra manan-danja aminao. Manamora ny fanaovana zavatra tsara izany. Mba hahazoana fahasambarana dieny izao sy mandritra ny fiainanao, dia ankatoavy tsy tapaka ny Tompo.”6
Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia mianatra fa ny fampanantenana nomen’ny Tompo antsika dia mamporisika antsika hiaina amim-pahamarinana. Ireo fampanantenana ireo dia manolokolo ny fanahintsika, mitondra fanantenana ho antsika amin’ny alalan’ny famporisihana antsika tsy hilavo lefona na dia miatrika ireo olantsika isan’andro eo amin’ny fiainana aza isika ao anatin’ny tontolo izay mampihen-danja ny soatoavina tsara sy marina. Noho izany dia mila maka antoka isika fa mitarika antsika eny amin’ny lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny asantsika.
Fahatokiana
Lalana fahatelo hahazoana fahasambarana ny fahatokiana. Tena ilaina ny mahatakatra fa mitahy antsika arakaraka ny finoantsika Andriamanitra. Izany finoana izany no loharanon’ny fiainana miaraka amin’ny fananana tanjona sy fomba fijery araka an’ Andriamanitra. Ny finoana dia fitsipika mifantoka amin’ny asa izay mitaona ny fahazotoana. Miseho amin’ny alalan’ny fihetsika tsara asehontsika sy ny faniriantsika hanao an-tsitrapo ny zavatra rehetra izay asain’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ataontsika izany. Mahatonga antsika handohalika hivavaka izany mba hitalahoana fitarihana avy amin’ny Tompo sy hamporisihana antsika hitsangana ka hanao asa amim-pahatokian-tena mba hanatanterahana ireo zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony.
Rehefa manohy ny dianao ianao dia hozahana toetra mba hahitana raha toa ianao ka hanao ny zava-drehetra handidin’ny Tompo Andriamanitra anao (jereo ny Abrahama 3:25). Ampahany amin’ny zavatra iainana eto an-tany izany. Izany dia hitaky ny hibosesehanao handroso miaraka amin’ny finoana mafy orina an’i Kristy, sady tarihin’ny Fanahy, sy ny fahatokiana fa hanome izay ilainao Andriamanitra.
Tadidio fa tsy tokony hampihen-danja ny finoanao ianao, na dia amin’ny fotoana tena sarotra aza. Rehefa mafy orina ianao dia hampitombo ny fahafahanao handresy ireo olan’ny fiainana ny Tompo. Homena fahafahana hifehy ireo eritreri-dratsy ianao ary hampitombo ny hery hahafahanao mandresy, na dia ireo izay hita ho toy ny sakana tsy hay resena aza.
Fahamasinana
Ny fahamasinana, izay lalana iray hafa mankany amin’ny fahasambarana, dia mifandray amin’ny fahatanterahana ara-panahy sy ara-pitondrantena. Ny fahamasinana dia milaza fahadiovam-po sy eritreritra. Inona no asa azontsika atao isan’andro mba hamahanantsika ny tenantsika ara-panahy mba hahafahantsika mampitombo ny toetra araka an’ Andriamanitra tahaka izany?
Namaly ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe: “Amin’ny alalan’ny fampiharana no hampitomboantsika ny toetrantsika ara-panahy. … Tokony hanazatra isan’andro ny fanahintsika isika amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny fanaovana asa soa isan’andro, amin’ny alalan’ny fizarana amin’ny hafa. Tokony hamahana ny fanahintsika isan’andro isika amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina isan’andro, amin’ny alalan’ny [takarivan’ny mpianakavy], amin’ny alalan’ny fanatrehana ireo fivoriana, amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. …
“Ny lehilahy marina dia miezaka mampisondrotra ny tenany satria fantany fa mila mibebaka isan’andro izy.”7
Ny singa iray hafa manan-danja amin’ny fahamasinana dia mifandray amin’ny fanaovana sy ny fanajana ny fanekempihavanana any amin’ny tempoly. Raha mahatoky isika dia afaka mampisondrotra antsika mihoatra ny fetran’ny herintsika manokana sy ny fomba fijerintsika ireo fanekempihavanana ireo. Ny fitahiana nampanantenaina rehetra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny fahatokiantsika amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ataontsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny tempoly. Anisan’ny lamin’ny fiainana “ao amin’ny toetry ny fahasambarana” ny fanorenana tempoly mba hitsaohana sy hanaovana fanekempihavanana amin’ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 5:16, 27).
Ny zavatra iray manan-danja tokony hotadidina momba ity lalana ity dia tokony hitandrina tsara isika ka hampitombo ny fiainana ara-panahy sy hadio fitondrantena.
Fankatoavana
Mifandray amin’ireo lalana hafa mankany amin’ny fahasambarana ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra rehetra. Rehefa avy nisaraka tamin’ny Lamanita ny Nefita dia niroborobo fatratra izy ireo rehefa nitandrina ireo lalàna sy fitsipika ary ny didin’ny “Tompo tamin’ny zavatra rehetra, araka ny lalàn’i Mosesy” (2 Nefia 5:10). Io lamina io dia singa iray hafa manan-danja amin’ny fiainana “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.”
Nampianatra ny Filoha Monson hoe: “Rehefa mitandrina ny didy isika dia ho sambatra kokoa sy hahafapo kokoa ary ho tsotra kokoa ny fiainantsika. Ho mora zakaina kokoa ireo fanamby sy olana, ary handray ireo fitahiana nampanantenain’ [Andriamanitra] isika.”8 Hoy koa izy hoe: “Ny fahalalana katsahintsika, ny valinteny izay tadiavintsika, ary ny hery izay irintsika hananana mba hiatrehana ireo fanamby eo amin’izao tontolo izao izay manahirana sy miovaova dia afaka ny ho azontsika rehefa mankatò amim-pahavononana ny didin’ny Tompo isika.”9
Nananatra antsika ny Mpamonjy hoe:
“Raha tia ahy hianareo dia hitandrina ny didiko. …
“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy” (Jaona 14:15, 21).
Fahafoizan-tena ho an’ny hafa sy fitiavana
Ny lalana tsara indrindra mankany amin’ny fahasambarana dia ny lalan’ny fahafoizan-tena ho an’ny hafa sy ny fitiavana. Fitiavana izay manana fiheverana, fahalianana, ary fiantrana lehibe ho an’ny olombelona rehetra. Ny fitiavana no lalana mitondra mivantana any amin’ny fahasambarana izay hanatsara sy hitahy ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa. Izany dia midika, araka ny nilazan’ny Mpamonjy azy, fa maneho fitiavana ianao, eny fa na dia amin’ny fahavalonao aza (jereo ny Matio 5:44).
Rehefa manao izany ianao dia hanatanteraka ilay didy lehibe kokoa mba ho tia an’ Andriamanitra. Ianao dia ho afaka ny tsy hiraharaha ireo zavatra ratsy mitranga, ireo zavatra maharikoriko, ireo zavatra tsy mampahomby, ary ireo zavatra tsy mahafinaritra. Ny fahasambarana marina sy maharitra dia tsy azo raha tsy rehefa misafidy ny “[hitia] an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra” isika (Matio 22:37; jereo koa ny Deoteronomia 6:5; Marka 12:30; Lioka 10:27).
Enga anie isika tsirairay avy samy hifidy ny hitia ny Tompo sy hanaraka ny lalany mankany amin’ny fahasambarana, izay “antony sy fomba namolavolana ny fisiantsika.”10