Mandra-pihaonantsika indray
Ny maha-tena nisy ny Fitsanganana tamin’ny maty
Avy amin’ny lahateny iray natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aprily 2014.
I Jesoa Kristy raha ny marina no hany anarana na fomba izay ahafahan’ny famonjena ho tonga amin’ny zanak’olombelona.
Eritrereto vetivety ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay, ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo adihevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho rabbin fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.
Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.
Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.
Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.
Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novanginy taorian’ny nahafatesany.
Noho izany, dia ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary “hanjaka eto an-tany mihitsy” [Fanekem-pinoana 1:10].
Noho izany, dia misy ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra.
Noho ny fisian’ny Fitsanganan’i Kristy amin’ny maty dia tsy mitombina ireo ahiahy momba ny fahatanterahan’ny hery sy ny fahalalana ary ny hatsaram-pon’Andriamanitra Ray, izay nanolotra ny Zanany Lahitokana mba ho fanavotana an’izao tontolo izao. Tsy marim-pototra ireo ahiahy mahakasika ny dikan’ny fiainana sy ny tanjony. I Jesoa Kristy raha ny marina no hany anarana na fomba izay ahafahan’ny famonjena ho tonga amin’ny zanak’olombelona. Tena marina ny fahasoavan’i Kristy, izay manolotra ny famelan-keloka sy ny fanadiovana ho an’ny mpanota mibebaka. Ny finoana dia tena mihoatra noho ny zavatra heverin’ny saina na ny zavatra izay foronin’ny saina. Misy ny fahamarinana faratampony sy ho an’ny rehetra, ary misy ny fenitra ara-pitondrantena tsy mitongilana ary tsy miovaova araka izay nampianariny.
Noho ny maha-tena nisy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia sady azo tanterahina no tena maika ny fibebahana amin’izay mety ho fandikana ny lalàny sy ny didiny. Tena nisy ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy, toy izany koa ny fampanantenany tamin’ireo mpianany fa hoe afaka manao izany koa izy ireo ary asa lehibe kokoa noho izany mihitsy aza. Tsy maintsy hery tena misy ny fisoronany, izay “mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra. Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” [F&F 84:19–20]. Noho ny maha-tena nisy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, dia tsy ny fahafatesana no hiafarantsika, ary na dia “rehefa levona ny hoditsika, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofo[ntsika] [isika], dia hahita an’ Andriamanitra” [Joba 19:26].