2010–2019
Ny faniriana marin’ny fanahy
Ôktôbra 2016


11:30

Ny faniriana marin’ny fanahy

Ny fotoana rehetra ao amin’ny vavaka sarobidy dia afaka ny ho fotoana masina hiarahana amin’ny Raintsika, amin’ny anaran’ny Zanaka, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ao anatin’ireo olana eto ambonin’ny tany dia tsy avela irery na oviana na oviana isika mba hanatanteraka ny asantsika, mba hiady ireo adintsika, mba hiatrika fahoriana na fanontaniana tsy voavaly. Nampianarin’i Jesoa Kristy tamin’ny fanoharana iray “fa ny olona dia tsy maintsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka.” Nilaza momba ny mpitsara iray izay tsy natahotra an’ Andriamanitra no tsy mena-maso olona Izy. Nisy mpitondratena iray tonga niverimberina teo aminy, niangavy mba homena rariny eo amin’ilay manana ady aminy. Tsy nety nanome fanampiana ho azy ilay mpitsara nandritra ny fotoana ela. Saingy vokatry ny fiangaviany tsy tapaka, dia nieritreritra ilay mpitsara nony farany hoe: “Mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.”

Dia nanazava i Jesoa avy eo:

“Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina … ?

“Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy.”

Ary dia nametraka ity fanontaniana ity ny Tompo: “Kanefa raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?”1

Ilaina amin’ny fampitomboana finoana ny vavaka. Rehefa tonga indray ny Tompo dia hahita olona izay mahay ny fomba fivavahana amim-pinoana sy olona vonona hahazo famonjena ve Izy? “Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.”2 Isika dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana, ary afaka mankamamy ny fiombonana manokana Aminy isika rehefa mivavaka “amin-kitsimpo, omban’ny tena fitiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy”3 ary manao asa araka ireo valinteny azontsika avy amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina avy eo. Amim-pinoana no hivavahantsika, hihainoantsika, ary hankatoavantsika mba hahafahantsika mianatra ny ho tonga iray amin’ny Ray sy ny Zanaka.4

Ny vavaka arahim-pinoana dia manokatra ny lalana hahazoana ireo fitahiana be voninahitra avy any an-danitra. Nampianatra ny Mpamonjy hoe:

“Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo:

“Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.”5

Raha manantena ny hahazo isika dia tsy maintsy mangataka sy mikatsaka ary mandondona. Raha nitady fahamarinana i Joseph Smith dia namaky tao amin’ny soratra masina hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”6 Nisokatra ny lanitra valin’ny vavaka tamim-pinoana nataony. Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy dia nidina tamim-boninahitra ary niresaka tamin’i Joseph Smith, nanomboka ny fahafenoan’ny fotoampitantanana. Ho antsika, ny fanasitranana amim-pahagagana, ny fiarovana mahery vaika, ny fahalalana avy amin’ Andriamanitra, ny famelan-keloka manafaka, ary ny fiadanana sarobidy dia anisan’ireo valinteny izay tonga amintsika rehefa manolotra ny “faniriana marin’ny fanahy”7 amim-pinoana isika.

Mivavaka amin’ny Raintsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, koa noho izany dia mampiditra ireo mpikambana telo ao amin’Ny Andriamanitra ao anatin’ny vavaka ataontsika isika.

Mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra isika ary Izy ihany satria Izy no “Andriamanitra any an-danitra, izay tsisy fetra sy mandrakizay … , mpahary ny lanitra sy ny tany mbamin’ny zavatra rehetra izay ao aminy.” Amin’ny maha-mpahary antsika Azy dia nanome didy Izy fa isika dia tokony “ho tia sy hanompo Azy, ilay hany Andriamanitra velona sady marina, ka Izy no hany tokony hitsaohan[tsika].”8

Rehefa mivavaka amin’ Andriamanitra amin’ny finoana ianareo dia “hampiononiny amin’ny fahorianareo, … [ary afaka] mivok[y] amin’ny fitiavany.”9 Ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara fa ireo vavaka nataon’ny rainy nandritra ny ady tamin’ny homamiadana izay tsy nandreseny dia nampianatra azy ny fifandraisana lalina manokana eo amin’ Andriamanitra sy ny zanany.

“Rehefa manjary ho mahery vaika ny fanaintainana dia hitanay nandohalika teo akaikin’ny fandriany izy ny maraina. Reraka tokoa izy ka sarotra ho azy ny niverina teo am-pandriana. Nolazainy taminay fa nivavaka izy, nanontany ny Rainy any An-danitra hoe nahoana izy no tsy maintsy nijaly mafy kanefa niezaka hatrany ny ho olona tsara. Nilaza izy fa nisy valinteny tsara tonga: ‘Mila zanakalahy maherifo Andriamanitra.’

“Koa naharitra hatramin’ny farany izy, nahatoky fa tia azy sy nihaino azy ary hankahery azy Andriamanitra. Sambatra izy nahafantatra mialoha sy tsy nanadino na oviana na oviana fa azo atao ny manakaiky an’ Andriamanitra be fitiavana amin’ny vavaka.”10

Mivavaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika satria ao amin’i Kristy ny famonjena antsika, ary “tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazontsika famonjena.”11 Manatona ny Ray isika amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy12 satria Izy no Mpisolovava antsika amin’ny Ray, ary miaro ny tombontsoantsika Izy.13 Nijaly Izy, novoa-drà, ary maty mba hanome voninahitra ny Rainy, ary ny fiarovany feno famindrampo antsika dia manokatra ny lalana ho antsika tsirairay mba hahazo fiadanana eto amin’ity fiainana ity sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Tsy tiany hijaly ela isika na hiaritra fisedrana mihoatra noho izay ilaina. Tiany isika hitodika any Aminy ary hamela Azy hanamaivana ny enta-mavesatsika, sy hanasitrana ny fontsika, ary hanadio ny fanahintsika amin’ny alalan’ny heriny manadio. Tsy tiantsika velively ny hanonom-poana ny anarany amin’ireo teny tsianjery sy miverimberina. Fanehoana ny fitiavantsika feno fanoloran-tena, ny fankasitrahantsika mandrakizay, ary ny faniriantsika mafy mba hivavaka tahaka ny nivavahany, mba hanao zavatra araka ny nataony, ary mba ho tonga tahaka Azy ny vavaka amin-kitsimpo atolotra amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy.

Mivavaka amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika satria “izay mangataka ao amin’ny fanahy dia mangataka araka ny sitrapon’ Andriamanitra.”14 Rehefa mivavaka amim-pinoana isika dia afaka mitarika ny eritreritsika ny Fanahy Masina ka hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ireo tenintsika. “Aza mangataka mba hahazoanareo mandany izany amin’ny filanareo, fa mangataha kosa amin’ny fiorenana tsy voahozongozona mba tsy hanekenareo ny fakampanahy, fa mba hanompoanareo kosa ny Andriamanitra velona sady marina.”15

“Tsy hoe manan-danja fotsiny ny tokony hahafantarantsika ny fomba fivavahana, fa mitovy lanja amin’izany ny tokony hahafantarantsika ny fomba handraisana ny valin’ny vavaka ataontsika, ny hahay hanavaka, ny ho malina, ny ho afaka hahita amin’ny fahitana mazava sy hahatakatra amin’ny fikasana mazava ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tanjony mikasika antsika.”16

Nizara izao ny Filoha Eyring: “Nisy ireo vavaka nataoko no nivaly. Ireo valim-bavaka ireo dia nazava indrindra rehefa adino ny zavatra iriako fa resin’ny filana mba hahafantatra izay irian’ Andriamanitra. Amin’izay no afaka ambaran’ilay feo tony sy malefaka amin’ny fanahy ny valinteny avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ka azo soratana ao am-po.”17

I Kristy miaraka amin’ireo Apôstôly
I Kristy tao Getsemane

Rehefa niditra ny Sahan’i Getsemane ny Mpamonjy dia fadiranovana ny fanahiny, toy ny efa ho faty. Tao anatin’ny fahoriany lalina dia ny Rainy no hany tokana nahafahany nitodihana. Nitalaho Izy hoe: “Raha azo atao dia aoka hesorina amiko ity kapoaka mangidy ity.” Kanefa nampiany hoe: “Nefa aoka tsy sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”18Na tsy nanam-pahotana aza ny Mpamonjy dia nantsoina mba “[hiaritra] fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany,” anisan’izany ny aretina sy rofin’ny olony. “Miaritra araka ny nofo [Izy] mba hahazoany maka eo Aminy ny fahotan’ny olony, mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàny araka ny herin’ny fanafahany.”19 In-telo Izy no nivavaka hoe: “Ray ô, aoka ny sitraponao no hatao.”20 Tsy nesorina ilay kapoaka. Tao anatin’ny vavaka tamim-panetrentena sy mahatoky no nanomezana azy tanjaka handroso sy hanatontosa ny asa masina nanirahana azy mba hiomana amin’ny famonjena antsika, mba hahafahantsika mibebaka, mino, mankatò, ary mahazo ireo fitahian’ny mandrakizay.

I Kristy nivavaka tao Getsemane

Tsy voatery izay irintsika ny valim-bavaka azontsika. Kanefa amin’ireo fotoan-tsarotra, ireo vavaka ataontsika dia manjary ho fanohanana feno fitiavana sy famindrampo lehibe. Mandritra ny fitalahoantsika dia enga anie isika hahazo tanjaka mba handroso, ary hanatanteraka ny zavatra rehetra izay notendrena mba hataontsika. Hoy ny Tompo tamin’ireo Olomasiny izay niaina tao anatin’ny fotoan-tsarotra: “Koa aoka hionona ny fonareo … ; fa eo an-tanako ny nofo rehetra; mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”21

Na mivavaka mitokana isika, na miaraka amin’ny fianakaviantsika, na any am-piangonana, na any amin’ny tempoly, na, na aiza na aiza misy antsika; na isika mivavaka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka mikatsaka famelan-keloka, ny fahendren’ny lanitra, na ny tanjaka mba haharetana fotsiny, dia mivavaka amin’ny fo manontolo mandrakariva isika, miantoraka amin’ Andriamanitra tsy tapaka ho tombontsoantsika sy ho tombontsoan’ireo izay manodidina antsika. Ireo faniriana marina izay atolotra amin’ny fanahin’ny fankasitrahana noho ireo fitahiana sesehena sy fankasitrahana noho ireo leson’ny fiainana dia mitondra finoana mafy orina an’i Kristy ao am-pontsika, “fanantenana mamirapiratra ary fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”22

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vavaka. Tsy tokony hahatsapa ho very na irery na oviana na oviana isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fotoana rehetra ao amin’ny vavaka sarobidy dia afaka ny ho fotoana masina hiarahana amin’ny Raintsika, amin’ny anaran’ny Zanaka, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.