Ny fankasitrahana amin’ny andro Sabata
Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny Sabata dia andro fankasitrahana sy fanehoam-pitiavana.
Ry rahalahiko sy anabaviko malala izay miparitaka manerana izao tontolo izao ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, feno fankasitrahana aho tamin’ny nangatahan’ny Filoha Thomas S. Monson ahy handaha-teny mandritra ny fihaonambe amin’izao andro sabata izao. Mivavaka aho mba hitondra ny teniko ho any am-ponareo ny Fanahy Masina.
Anio aho dia maniry ny hiresaka mikasika ny fahatsapan’ny fo. Ny anankiray ifantohako dia ny fankasitrahana—indrindra amin’ny andro Sabata.
Maro ireo zavatra maha feno fankasitrahana antsika: ny hatsaram-panahin’ny olona tsy fantatra iray, ny sakafo rehefa sendra noana iny, ny tafo eo ambony lohantsika rehefa misy tafiodrivotra, ny fahasitrananan’ny taolana tapaka iray, ary ny kiakin’ny zaza menavava vao teraka. Maro amintsika no mahatsiaro ho feno fankasitrahana amin’ny fotoana tahak’izany.
Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny Sabata dia tena fotoana tahak’izany, raha ny marina dia andro fankasitrahana sy fitiavana. Tamin’ny taona 1831 dia nampianatra ny Olomasina tao Jackson County, Missouri ny Tompo fa tokony hiantefa any an-danitra ny vavaka sy ny fisaoran’izy ireo. Ireo Olomasina tany am-piandohana dia nomena fanambarana mikasika ny fomba fitandremana ny andro Sabata sy ny fomba fifadian-kanina sy fivavahana.1
Izy ireo, sy isika ihany koa, dia nolazain’ny Tompo mikasika ny fomba fitsaohana sy fanehoana fisaorana mandritra ny Sabata. Hitantsika fa ny tena manan-danja indrindra dia ny fitiavana tsapantsika ho an’ireo mpanolotra ireo fanomezana. Indreto ny tenin’ny Tompo mikasika ny fomba fanehoana fisaorana sy ny fomba itiavana mandritra ny Sabata:
“Koa omeko azy ireo ny didy izay manao hoe: Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary hanompo Azy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. …
“Hisaotra ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ny zavatra rehetra.
“Hanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao, dia ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.”2
Ary avy eo dia nampitandrina ny Tompo mikasika ny loza misy raha toa isika tsy manana fankasitrahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpanolotra fanomezana Azy ireo: “Ary tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka manafintohina an’ Andriamanitra na mandrehitra ny fisafoahany afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tànany amin’ny zava-drehetra ary tsy mankatò ny didiny.”3
Maro aminareo izay mihaino no efa mahita fifaliana ao amin’ny Sabata ho andro fahatsiarovana sy fanolorana fisaorana an’ Andriamanitra noho ireo fitahiana izay atolony. Tsaroanareo ilay hira hoe:
Rehefa entin’ny onjam-piainana,
Ka mila ho kivy sy ketraka,
Dia isao ‘reo fitahiana marobe,
‘Zay arotsaky ny Tompo ho anao.
Isao, isao …
‘reo fitahiana.
Isao ‘zay …
… nomen’ny Tompo ho anao. …
Vesaran’ny zioga ve ny fiainanao?
Tsy zaka ve ny hazofijalianao?
Dia isao ‘reo fitahiana marobe,
Hadinonao ireo fanahiana re.4
Maharay taratasy sy fitsidihana avy amin’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky aho, izay mahatsiaro vesaran’ny fikorontanan-tsaina. Ny sasany dia efa saika mahatsapa, farafaharatsiny ho azy ireo, fa tsy misy intsony ny fanantenana. Manantena sy mivavaka aho fa izay zavatra holazaiko momba ny hoe mankasitraka ny andro sabata dia hanampy mba hampanjavona ireo ahiahiahy ary hahatonga ny fonareo ho velon-kira.
Ny fitahiana iray izay azontsika hanehoana fankasitrahana dia ny fahafahantsika manatrika izany fivoriana fanasan’ny Tompo izany, hivorian’ny mpianatry ny Tompo mihoatra ny iray na roa amin’ny anarany. Misy sasany any an-trano tsy tafatsangana avy eo am-pandriana. Misy sasany izay maniry ny ho eo amin’izay toerana misy anareo saingy miasa any amin’ny hopitaly sy mitandro ny filaminam-bahoaka na koa miaro anareo any amin’ny tany ngazana na ala mikitroka, eny na dia mety hamoizana ny ain’izy ireo aza izany. Ny fahafahanareo mivory miaraka amin’ny Olomasina iray hafa sy mandray ny fanasan’ny Tompo dia hanampy anareo mba hahatsapana fankasitrahana sy fitiavana noho ny hatsaran’ Andriamanitra.
Noho ny Mpaminany Joseph Smith sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia misy fitahiana hafa izay azontsika isaina, dia ny fahafahana mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro—izay nomanina sy nohamasinina ary nozarain’ny mpanompon’ Andriamanitra nahazo lalana. Afaka ny ho feno fankasitrahana isika rehefa manamafy amintsika ny Fanahy Masina fa ireo teny ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, izay ataon’ireo mpihazona fisoronana nahazo lalana, dia hankasitrahan’ny Raintsika any An-danitra.
Amin’ireo fitahiana rehetra azontsika isaina, ny lehibe indrindra dia ny fahatsapana ho voavela heloka izay tonga rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa ho an’ny Mpamonjy isika, izay ny sorom-panavotany lehibe no hahafahatsika ho voadio amin’ny fahotana. Rehefa mandray ny mofo sy ny rano isika, dia mahatsiaro fa nijaly ho antsika Izy. Ary rehefa mahatsapa fankasitrahana ho an’ny zavatra nataony ho antsika isika dia hahatsapa ny fitiavany ho antsika sy ny fitiavantsika ho Azy.
Ny fitiavana, izay fitahiana azontsika dia hanamora ny fitandremantsika ny didy mba“hahatsiaro Azy mandrakariva.”5 Mety hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ianareo rehefa manao izany, ho an’ny Fanahy Masina ihany koa, izay nampanantenain’ny Ray any An-danitra fa hiaraka amintsika lalandava raha mitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika isika. Afaka manisa ireo fitahiana rehetra ireo isaky ny Alahady isika ka mahatsapa fankasitrahana.
Ny Sabata ihany koa no fotoana tsara indrindra hahatsiarovana ireo fanekempihavanana nataontsika tao amin’ny ranon’ny batisa mba hitia sy hanompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Ny fanatanterahana izany fampanantenana momba ny Sabata izany dia mety ahitana ny fandraisana anjara amin’ny fo manontolo ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hanorenana finoana sy fitiavana eo anivon’ireo rahalahy sy anabavintsika. Mety ho tafiditra anatin’izany fampanantenana izany koa ny fanamasinana amim-pifaliana ny antsonareo.
Mankasitraka ireo Alahady maro nampianarako ny kôlejin’ny diakona iray tao Bountiful, Utah, sy ny kilasin’ny Sekoly Alahady iray tany Idaho aho. Ary tsaroako ireo fotoana nanompoako tamin’ny naha-mpanampin’ny vadiko ahy tao amin’ny garderie, ary ny anjara asako tamin’izany dia ny mitsimpona sy mizara kilalao.
Taona maro vao fantatro tamin’ny alalan’ny Fanahy fa ny fanompoana tsotra ho an’ny Tompo izay nataoko dia nisy dikany teo amin’ny fiainan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Gaga aho fa ny sasany amin’izy ireo dia nahatsiaro sy nisaotra ahy tamin’ny ezaka mibadaba izay nataoko mba hanompoana azy ireo ho an’ilay Mpampianatra nandritra ireo andro Sabata ireo.
Toy ny tsy ahitantsika indraindray ny vokatry ny fanompoana ataontsika isaky ny Sabata, mety tsy ho hitantsika ny fitambaran’ny vokatra aterak’ireo mpanompon’ny Tompo hafa. Saingy ny Tompo dia manorina ny Fanjakany amin’ny alalan’ireo mpiandry ondry mahatoky sy manetry tena amim-pitoniana sy tsy arahina anjomara mizotra mankany amin’ny hoaviny feno voninahitra. Mila ny Fanahy Masina ny fahitana izany fahalehibeazana mitombo izany.
Nihalehibe sy nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo tany amin’ny sampana kely iray tany New Jersey aho. Mpikambana vitsy ihany no tao, niampy fianakaviana iray dia ny ahy izany. Dimy ambifitopolo taona lasa dia natao batisa tany Philadelphie aho, tao amin’ilay hany trano fiangonana naorina tao Pennsylvanie sy New Jersey. Tany amin’ilay toerana izay tsy nisy afa-tsy sampana kely iray tao Princeton, New Jersey tamin’izany dia misy paroasy roa lehibe any amin’izao. Ary andro vitsivitsy lasa izay dia tanora aman’arivony no nandray anjara tamin’ny fankalazana mialoha ny fanokanana ny Tempolin’ny Philadelphie Pennsylvanie.
Fony aho zatovolahy dia voantso ho misiôneran’ny distrika tao amin’ny hany trano fiangonana tany Albuquerque, Nouveau Mexique izay nitsaohanay tamin’ny alahady. Ankehitriny dia misy tempoly iray sy tsatòka efatra ao.
Nandao an’i Albuquerque aho mba handeha hianatra tany Cambridge, Massachusetts. Trano fiangonana sy distrika iray no nanenika ny Massachusetts sy Rhode Island. Nanivatsiva ireo havoanan’izany toerana mahafinaritra izany aho rehefa hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tao amin’ireo sampana madinika. Ny ankamaroan’izy ireo dia tao amin’ny toerana kely nofaina na tao amin’ny trano nasiam-panavaozana. Ankehitriny dia misy tempoly masin’ Andriamanitra ao Belmont, Massachussets, ary dia miparitaka manerana ny ambanivohitra ireo tsatòka.
Ny zavatra izay tsy hitako mazava tamin’izany dia ny fandrotsahan’ny Tompo ny Fanahiny tamin’ny olona nandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo. Tsapako izany saingy tsy nahita ny halehibe sy ny fandaharam-potoanan’ny fikasan’ny Tompo mikasika ny fanorenana sy fanomezana voninahitra ny fanjakany aho. Tamin’ny alalan’ny fanambarana, ny mpaminany iray dia nahita sy nandrakitra izay zavatra hitantsika ankehitriny. I Nefia dia nilaza fa ny fitambaran’ny isantsika dia tsy ho lehibe, saingy ny fitambaran’ny fahazavana entintsika dia hampitolagaga:
“Ary ny zava-nitranga dia nahatazana ny fiangonan’ny zanakondrin’ Andriamanitra aho, ary ny mpikambana tao dia vitsy. …
“Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”6
Amin’izao fotoampitantanana izao dia misy faminaniana mitovy amin’izany milazalaza ny toe-piainantsika sy ireo fahafahana miandry antsika izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:
“Tsy mbola takatrareo ny halehiben’ireo fitahiana eo an-tanan’ny Ray ary nomaniny ho anareo;
“Ary tsy mahatanty ny zavatra rehetra ianareo ankehitriny; kanefa, matokia fa hitari-dalana anareo Aho. Anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny mandrakizay.
“Ary izay mandray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra; ary ny zavatry ny tany dia hanampy ho azy, avo zato heny, eny, mihoatra aza.”7
Nahatsapa izany fiovana izany noho ny fitomboan’ny fankasitrahana ho an’ireo fitahiana sy ny fitiavan’ Andriamanitra tsy mitsaha-mitombo manerana ny Fiangonana aho. Toa mihafaingana izany eo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana mandritra ireo fotoana sy amin’ireo toerana izay isedrana ny finoan’izy ireo, ka ilan’izy ireo mitalaho fanampiana avy amin’ Andriamanitra mba hanohizan’izy ireo ny diany.
Ireo fotoana izay holalovantsika dia hifono fisedrana mafy toy ny tamin’ny vahoakan’i Almà rehefa teo ambany ziogan’i Amiolona ratsy fanahy, izay nanisy enta-mavesatra tsy hay zakaina teo an-damosin’izy ireo, izay tsy zaka nozakaina:
“Ary ny zava-nitranga dia tonga taminy tao amin’ny fahoriany ny feon’ny Tompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ny famatorana.
“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ny famatorana aza ianareo; ary izany no hataoko dia ny mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona ny Amiko rahatrizay sy mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ny fahoriany.
“Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’ i Almà sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky.”8
Izaho sy ianareo dia vavolombelona fa na oviana na oviana iska no mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra, indrindra rehefa sarotra izany dia maheno ny vavaka maneho fankasitrahana ataontsika ho an’izay efa nataony ho antsika Izy ary mamaly ny fangatahantsika hery mba haharetana hatramin’ny farany Izy. Tsy indray mandeha ihany Izy no efa nampifaly sy nampahery antsika.
Mety manontany tena ianareo hoe inona no tokony ataonareo mba hiainana sy hanompoana amin’ity andro Sabata ity sy mba hanehoana ny fankasitrahanareo ary hankaherezana ny tenanareo sy ny hafa ho an’ireo fisedrana izay miandry anareo.
Afaka manomboka anio amin’ny fanaovana vavaka fanehoana fisaorana noho ireo zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra ho anareo ianareo, manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana. Azonareo atao ny mivavaka mba hahafantatra izay tian’ny Tompo ataonareo mba hanompoana Azy sy ny hafa. Indrindra indrindra, afaka mivavaka ianareo mba hanoroan’ny Fanahy Masina anareo ny olona iray izay manirery ka tian’ny Tompo hotsidihinareo.
Afaka mampanantena anareo aho fa ho voavaly ny vavakareo ary rehefa manao asa araka ny valin’ny vavaka voarainareo ianareo dia ahita fifaliana mandritra ny Sabata ary ho heniky ny fankasitrahana ny fonareo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra dia mahafantatra anareo sy tia anareo. Nanao sorompanavotana ho anareo ny Mpamonjy. Fantatr’Izy ireo ny anaranareo toy ny nahafantarany ny anaran’ny Mpaminany Joseph rehefa niseho taminy Izy ireo . Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ary hanaja ireo fanekempihavanana hataonareo sy havaozinareo amin’ Andriamanitra Izy. Ny momba anareo dia hiova ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Hankaherezina ianareo manoloana ny fakam-panahy sy ny fahatsapana fiahiahiana momba ny fahamarinana. Hahita fifaliana amin’ny Sabata ianareo. Izany no ampanantenaiko anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.