Iraka avy amin’ny Fiangonana
Mangataka anareo mpampianatra isan-tokantrano izahay ho irak’ Andriamanitra any amin’ireo zanany, mba hitia sy hikarakara ary hivavaka ho an’ireo olona nampiandraiketina anareo.
Vao tsy ela izay no nisy vehivavy iray tsy manambady, izay andeha ho antsoiko hoe Molly, izay raha nody tao an-tranony dia nahita fa difotry ny rano, nisy 5 santimetatra ny halaliny, ny tao amin’ny gorodona tao amin’ny lakavy. Tonga saina avy hatrany izy fa tsy maintsy nisy sasa lamba sy fandroana mihoatra noho ny mahazatra nataon’ireo mpiray vodirindrina taminy, izay mitambatra fantsona fivarinan-drano aminy, satria nivarina tany aminy ny rano maloto avy tany an-tranon’izy ireo.
Rehefa avy niantso namana iray i Molly hanampy azy dia nanomboka nandraoka ny rano tamin’ny siny kely sy ny vorodamba famaohana rano izy roa. Teo indrindra no nisy nampaneno ny lakolosim-baravarana. Nihoraka ilay namany hoe: “Ny mpampianatra isan-tokantranonao izany!”
Nihomehy i Molly. “Faran’ny volana tokoa androany,” hoy izy namaly, “fa azoko antoka fa tsy ny mpampianatra isan-tokantranoko izany.”
Nandeha nanokatra ny varavarana niaraka tamin’ny tongotra tsy nisy kapa, sy pataloha mando i Molly sady nanao saron-doha ary aro-tanana fingotra manara-damaody tsara mihitsy. Fa mbola tsy nisy dikany ity endriny tsy mahazatra raha oharina amin’ny endrik’ireto mpamangy nijaridina teo anatrehany. Tena ny mpampianatra isan-tokantranony tokoa!
“Azonao novelesina tamin’ny déboucheur aho!” hoy izy tamiko taty aoriana. “Fahagagan’ny fampianarana isan-tokantrano izao, ilay karazan-javatra izay tantarain’ireo Rahalahy ao anatin’ireo lahateny amin’ny fihaonambe maneran-tany!” Dia notohizany hoe: “Saingy raha teo am-piezahana hanapa-kevitra iny aho hoe hanoroka azy ireo sa hanolotra vorodamba famaohana rano, dia hoy izy ireo hoe: ‘Oay ry Molly! Miala tsiny izahay. Hitanay fa sahirana ianao. Tsy te hanelingelina izahay, fa hiverina amin’ny fotoana hafa.’ Ary dia lasa izy ireo.”
“Fa iza ilay tao?” hoy ilay namany nihikiaka avy any amin’ny lakavy.
Niaiky i Molly hoe: “Niriako ny hiteny hoe: ‘Tena tsy ireo Nefita Telo aloha e!’ saingy nifehy tena aho niteny tamin’ny fomba tena tony hoe ‘Ny mpampianatro isan-tokantrano ilay teo, saingy nahatsapa izy ireo hoe fotoana tsy tsara loatra izao hizaran’izy ireo ny hafany.’”1
Ry rahalahy isany, aoka hodinihantsika vetivety ny adidin’ny fisoronana izay voafaritra hoe “loharano voalohany ao amin’ny Fiangonana hanamp[iana]” ny olona tsirairay sy ireo fianakaviana ao aminy.2 Ala maro no nafoy tanteraka nanamboarana taratasy nanaovana boky handrindrana sy namerenana ny fandrindrana ny fampianarana isan-tokantrano. Lahateny fanentanana an’arivony no natao mba hamporisihana izany. Azo antoka fa tsy misy psychologue na aiza na aiza mety hahavita hiteraka fahatsapana ho meloka mihoatra noho io resaka fampianarana isan-tokantrano io. Kanefa dia mbola miady mafy isika mba hahavitana zavatra manakaikikaiky ny fenitra azo ekena mikasika ilay didin’ny Tompo hoe “mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana”3 amin’ny alalan’ny fampianarana isan-tokantrano tanterahin’ny fisoronana.
Anisan’ny fanamby atrehantsika ny fivoaran’ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Fantatsika fa amin’izao hoe miely manerana ny paroasy sy sampana mihoatra ny 30.000 ny mpikambana, any amin’ny firenena sy faritra eo amin’ny 188, dia miteraka fanamby kokoa ny famangiana ny tokantranon’ireo rahalahy sy anabavintsika mihoatra ny tamin’ny niandohan’ny Fiangonana raha nifamangy ka nampianatra teo anivon’ny faritra tsy mihoatra ny kihondalana manaraka ireo mpiray vodirindrina.”
Ary manampy trotraka izany, any amin’ny rantsana maro ato amin’ny Fiangonana, dia voafetra ihany ny isan’ireo mpihazona fisoronana afaka manao fampianarana isan-tokantrano, ka tafakatra hatramin’ny fianakaviana ho karakaraina 18 na 20 avy ny anjaran’ireo izay afaka manompo. Mety misy koa ny olana ateraky ny fahalavirana, ny halafon’ny saran-dalana sy ny tsy fisian’ny fitaterana ary ny halavan’ny fotoana hiasana eo an-toerana sy ny andro tsy maintsy hiasana mandritra ny herinandro. Manginy fotsiny ireo fady sasantsasany entin’ny kolontsaina izay manakana ny famangiana any an-trano tsy nahazoana fanasana sy ny tsy fandriampahalemana izay mianjandy any amin’ny faritra maro maneran-tany. Eny vao manomboka mahatakatra ny maha-sarotra an’ilay olana isika.
Ry rahalahy, ao amin’ny tontolo tsara indrindra azo heverina sy ao amin’ny toe-javatra izay ahafahana manao izany, dia famangiana indray mandeha isam-bolana ny tokantrano tsirairay no mbola filamatra ezahan’ny Fiangonana tratrarina. Fa noho ny fahatakarana fa tsy azo tanterahina ny fanatratrarana ny idealy tahaka izany any amin’ny faritra maro maneran-tany, ary koa noho ny hoe mahatonga ireo rahalahy hahatsiaro ho toy ny tsy mahomby isika rehefa mangataka azy ireo hanao zavatra tsy ho azo tanterahina raha amin’ny fo tsy miangatra, dia nanoratra taratasy ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ato am-piangonana ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny desambra 2001, ka nanolotra ity torohevitra nentanim-panahy tena manampy ity, manao hoe: “Misy faritra sasany ato amin’ny Fiangonana,” hoy izy ireo nanoratra, “izay … mety ho tsy azo tanterahina ny hampianarana isan-tokantrano ny tokantrano tsirairay isam-bolana, noho ny tsy fahampian’ny isan’ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana sy ny karazana olana hafa eo an-toerana.” Voatanisantsika teo ny sasany amin’izany. “Raha misy ny toe-javatra tahaka izany,” hoy izy ireo nanohy, “dia tokony hanao izay fara-heriny ireo mpitarika hampiasana ny eo am-pelatanany mba hitandremana sy hankaherezana ny mpikambana tsirairay.”4
Ry rahalahy, raha toa aho ka misedra toe-javatra sarotra tahaka izany ao amin’ny paroasy na sampana misy ahy, dia ho tahaka izao no fomba hampiharanay sy ny namako ao amin’ny Fisoronana Aharôna ilay torohevitry ny Fiadidiana Voalohany (izay fitsipika ao amin’ny boky torolalana ankehitriny): Voalohany, na firy volana na firy volana vao ho vita, dia ho ezahinay tanterahina ilay baiko ao amin’ny soratra masina hoe “mamangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay,”5 ka handrafitra tetiandro izay hahafahanay mankany amin’ireo tokantrano ireo amin’ny fotoana izay tratra sy mety izahay. Mipetraka tsara ao anatin’io tetiandro io ny fanaovana ho lohalaharana ny fotoana anananay sy ny fifaneraserana matetika amin’ireo izay tena mila anay indrindra: dia ireo naman’ny Fiangonana izay ampianarin’ireo misiônera, ireo niova fo vao vita batisa, ireo marary, ireo manirery, ireo malaindaina, ireo tokantrano izay ahitana manano-tena mbola manan-janaka ao an-trano, sy ny sisa.
Eo am-pamitanay ny fandaharam-potoanay hamangiana ireo tokantrano, izay mety haharitra volana maromaro vao ho vita, dia hifandray amin’ny fomba hafa izahay amin’ireo olona sy fianakaviana ao amin’ny lisitray amin’ny alalan’ireo fomba izay natolotry ny Tompo. Azo antoka fa hitandrina ireo fianakaviana iandraiketanay izahay rehefa any am-piangonana ary dia, araka ny voalaza ao amin’ny soratra masina, “hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny.”6 Ankoatra izay dia hiantso an-telefaonina izahay, sy handefa e-mail sy sms, ary tafiditra ao koa ny firarian-tsoa amin’ny alalan’ny iray amin’ireo karazana tambazotra ifaneraserana maro azonay ampiasaina. Mba hanampiana eo amin’ny fiatrehana ireo zavatra ilaina manokana, dia mety handefa andinin-tsoratra masina izahay na teny nindramina tamina lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na hafatra ho an’ny Môrmôna nalaina tamin’ireo loharano marobe hita ao amin’ny LDS.org. Araka ny tenin’ny Fiadidiana Voalohany, dia hanao izay fara-herinay izahay eo amin’ny toe-javatra atrehanay, ary araka ny fitaovana eo am-pelatananay.
Ry rahalahy isany, ny antso ataoko anio hariva dia ny hampitomboanareo ny fahatakaranareo ny fampianarana isan-tokantrano. Aoka ianareo hihevitra ny tenanareo amin’ny fomba vaovao sy tsara kokoa ho toy ny iraky ny Tompo ho an’ireo Zanany. Midika izany fa ho afoy hatreo ny fomba nahazatra nanao tetiandro peta-toko, miendrika lalàn’i Mosesy, tanterahina amin’ny andro faran’ny volana izay ikoropahana hanomezana hafatra an-tsoratra avy tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana izay efa voavakin’ilay fianakaviana. Manantena kosa izahay, fa hametraka fahazarana ianareo hanana fiahiana tena izy sy mifantoka amin’ny filazantsara ho an’ireo mpikambana, mifampitandrina sy mifampikarakara, mamaha ireo filàna ara-panahy sy ara-batana amin’izay fomba mety hanampy.
Ankehitriny, raha ny mikasika ny hoe inona no “azo isaina” ho fampianarana isan-tokantrano dia “azo isaina” daholo izay zavatra tsara rehetra ataonao, koa hanaovy tatitra daholo! Eny tokoa, ny tatitra izay manan-danja indrindra dia ny fomba nitondranao soa sy nikarakaranao ireo izay eo ambany fiandraiketanao, izay tahaka ny tsy misy hidirany amin’izay fandaharam-potoana manokana, na izay toerana iray manokana. Ny zavatra manan-danja dia ianao tia an’ireo olonao sy manatanteraka ilay didy hoe “mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana.”7
Tamin’ny 30 mey tamin’ny taon-dasa, dia namoaka tsimoramora ny fiara fitondrany entana avy tao amin’ny garazy i Troy Russell namako, raha handeha hanolotra zavatra ho an’ny Deseret Industries teo an-toerana. Tsapany fa nanitsaka zavatra toy ny dongona ny kodiarana aoriana tamin’ny fiarany. Nihevitra izy fa nisy entana nilatsaka avy teny ambonin’ny fiara, ka dia nivoaka ary dia i Austeen zanany lahy sivy taona izay lalainy no hitany teo niankohoka teo amin’ny arabe. Na ireo hikiaka, na ilay tsodranon’ny fisoronana, na ireo mpitsabo mpanampy, na ireo mpiasan’ny hôpitaly, tamin’ity indray mitoraka ity, dia tsy nahomby avokoa. Tsy namana intsony i Austeen.
Tsy nahita torimaso ary tsy nahita fiadanana mihitsy i Troy ka tsy nety nampiononina. Hoy izy hoe mihoatra noho ny azony zakaina izao ka tsy vitany intsony tsotra izao. Saingy tao anatin’izany fotoana mahory indrindra izany no tonga ny hery manavotra anankitelo.
Ny voalohany dia ilay fitiavana sy fanahy manome toky avy amin’ny Raintsika any An-danitra, fiahiana izay nampitaina tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nankahery an’i Troy ka nampianatra azy sy nitia azy, ary nibitsika fa fantatr’ Andriamanitra tsara izany hoe mamoy Zanakalahy kanto sy lafatra izany. Ny faharoa dia i Deedra vadiny, izay namihina an’i Troy sy nitia azy ary nampahatsiahy azy fa izy koa dia namoy an’io zanakalahy io, ary tapa-kevitra ny tsy hamoy vady ihany koa. Ary ny fahatelo ao amin’ity tantara ity dia i John Manning, mpampianatra isan-tokantrano tena niavaka.
Tsoriko fa tsy fantatro hoe isaky ny inona i John sy ilay zatovo namany no mamangy ny tokantranon-dry Russell, na hoe inona no hafatra nampitaina rehefa tonga any izy ireo, na hoe manao ahoana no fomba nitateran’izy ireo ny zavatra niainany tany. Fa ny fantatro dia tamin’ny lohataona farany teo Rahalahy Manning dia nanolo-tanana an’i Troy Russell ary nampiarina azy hiala tao amin’ilay fahoriana teo amin’ilay arabe, tsy misy hafa amin’ny hoe izy mihitsy no nandray an’i Austeen kely. Araka ilay mpampianatra isan-tokantrano na ilay mpiandry na ilay rahalahy ao amin’ny filazantsara izay nantenaina taminy, dia noraisin’i John an-tanana tsotra izao fotsiny ny fiahiana ao amin’ny fisoronana an’i Troy Russell sy ny fitsimbinana azy. Nanombohany izany dia hoy izy: “Troy a! tian’i Austeen hanohy hijoro ianao, anisan’izany ny hoe ho eo amin’ny kianja filalaovana basket, koa dia ho avy eto aho isa-maraina amin’ny 5:15. Aoka ianao ho vonona satria tsy te ho voatery handroso an-trano aho hamoha anao. Ary fantatro fa tsy tian’i Deedra hanao izany koa aho.”
“Tsy te hanao basket aho tamin’izany,” hoy i Troy tamiko taty aoriana, “satria taloha aho dia nitondra an’i Austeen niaraka tamiko foana ny maraina toy izany sady fantatro fa haharary loatra amiko ny fahatsiarovana. Saingy nisisika ihany i John, ka dia nanao aho. Nanomboka tamin’io andro voalohany io dia niresaka izahay, na ny marina kokoa, niresaka aho dia nihaino i John. Niteny foana aho nandritra ny dia hatrany am-piangonana, ary avy eo nandritra ny dia niverina hody. Indraindray dia miresaka eo aho rehefa miantsona eo anoloan’ny trano ny fiaranay sady mandinika ny masoandro miposaka eo amin’ny tanànan’i Las Vegas. Sarotra ilay izy tamin’ny voalohany, fa rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga saina aho fa ny nahitako ny heriko indray dia tao amin’ny mpilalao basket tato am-piangonana iray nirefy 1,88 metatra izay votsa sy tena mampalahelo tanteraka ny fomba fitifirany baolina eny am-panidinana, izay tia ahy sy nihaino ahy mandra-piposaky ny masoandro indray teo amin’ny fiainako noho ny farany.”8
Ry rahalahiko ato amin’ny fisoronana masina, rehefa miresaka momba ny fampianarana isan-tokantrano isika, na ny fitandremana, na ny fanompoana olona manokana ao amin’ny fisoronana, antsoy amin’izay tianareo hiantsoana azy—dia izany no resahantsika. Ny angatahanay anareo amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano anareo, dia ny ho irak’ Andriamanitra any amin’ireo zanany, ny hitia sy hikarakara ary hivavaka ho an’ny olona nampiandraiketina anareo, tahaka ny hitiavanay sy hikarakaranay anareo ary hivavahanay ho anareo. Enga anie ianareo ho malina eo am-pikarakarana ny andian’ondrin’ Andriamanitra amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny toe-javatra misy anareo, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’ilay Mpiandry Ondry Tsara antsika rehetra, ary vavolombelony aho, dia i Jesoa Kristy Tompo, amena.