2010–2019
Mianàra avy amin’i Almà sy i Amioleka
Ôktôbra 2016


18:33

Mianàra avy amin’i Almà sy i Amioleka

Maniry aho hoe ireo izay niala tamin’ny lalan’ny maha-mpianatra dia hijery amin’ny fony sy hianatra avy amin’i Almà sy i Amioleka.

Almà Zanany

Anisan’ireo olona tena tsy hay hadinoina ao amin’ny soratra masina i Almà Zanany. Na dia zanakalahin’ny mpaminany lehibe anankiray aza izy dia nisy fotoana nivily lalana ary lasa “lehilahy tena mamohehatra sy mpanompo sampy.” Noho ny antony izay tsy takatsika dia nanohitra mafy ny rainy izy ary nikasa ny hamotika ny Fiangonana. Ary nahita fahombiazana lehibe izy noho ny fahaizany mandaha-teny sy mandresy lahatra.1

Niova anefa ny fiainan’i Almà rehefa niseho taminy ny anjelin’ny Tompo anankiray ary niresaka taminy tamin’ny feo miova tsy ny feon’ny kotrobaratra. “Nampijalian’ny fijaliana mandrakizay, … dia nijaly tamin’ny fanaintainan’ny fanahy voaozona” i Almà nandritra ny telo andro sy telo alina. Avy eo toa nisy zavatra tsaroany nitondra hazavana tamin’ilay sainy rakotry ny haizina—fahamarinana mandrakizay anankiray izay nampianarin’ny rainy hoe, ho avy i Jesoa Kristy “hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.” Efa hatry ny ela no nolavin’i Almà ny hevitra toy izany saingy “nifantoka tamin’izany eritreritra izany” ny sainy tamin’izay ka dia napetrany tamim-panetrentena sy tamim-pahamatorana tamin’ny herin’ny sorompanavotan’i Kristy ny fitokiany.2

Niova i Almà rehefa avy niaina io toe-javatra io. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanokana ny fiainany mba hanarina ny zavatra nosimbainy izy. Ohatra mahery vaika iray teo amin’ny fibebahana sy ny famelan-keloka ary ny fahatokiana maharitra izy.

Voafidy handimby ny rainy ho lohan’ny Fiangonan’ Andriamanitra i Almà tamin’ny farany.

Tsy maintsy nahafantatra ny tantaran’i Almà ny olona rehetra tao amin’ny firenena Nefita. Mety ho feno sary sy tantara momba azy ny Twitter sy ny Instagram ary ny Facebook tamin’ny androny. Mety tena niseho tsy tapaka teo amin’ny fonon’ny gazety Zarahemla Weekly izy sy natao lohahevitra ho an’ny matoan-dahatsoratra an-gazety ary ny fandaharana manokana amin’ny fahitalavitra. Raha fehezina dia izy angamba no olona malaza tena be mpahafantatra tamin’ny androny.

Saingy rehefa hitan’i Almà fa nanadino an’ Andriamanitra ny olony ary lasa nieboebo sy nifanditra, dia nisafidy ny hiala tamin’ny asany amin’ny maha-olom-boafidim-bahoaka azy izy ary nanokana ny tenany “manontolo ho an’ny fisoronana avo araka ny lamina masin’ Andriamanitra,”3 hitory ny fibebahana teo anivon’ireo Nefita.

Nahita fahombiazana lehibe i Almà tamin’ny voalohany—mandra-pandehanany tany amin’ny tanànan’i Amônihà. Fantatry ny olona tsara tao amin’io tanàna io fa tsy mpitarika azy ireo ara-pôlitika intsony i Almà ary zara raha nanaja ny fahefan’ny fisoronana nananany izy ireo. Notevatevain’izy ireo sy nalain’izy ireo baraka izy ary noroahan’izy ireo hiala ny tanànany.

Nalahelo i Almà ka nandao ny tanànan’i Amônihà.4

Saingy nisy anjely iray niteny taminy mba hiverina.

Eritrereto fotsiny izany: nasaina niverina tany amin’ilay vahoaka izay nankahala azy sy nanenjika ny Fiangonana izy. Andraikitra mampidi-doza na mety mahafaty izany. Saingy tsy nisalasala i Almà. “Niverina faingana izy.”5

Efa nifady hanina nandritra ny andro maro i Almà raha niditra ny tanàna. Nanontany olon-tsy fantatra tanteraka iray izy tao raha mba “hanome hanin-kohanina ity mpanompon’ Andriamanitra mietry tena ity.”6

Amioleka

Amioleka no anaran’io lehilahy io.

Olona manan-karena sy nalaza tao amin’ny tanànan’i Amônihà i Amioleka. Na dia avy amin’ny taranak’olona mpino maro aza izy dia lasa nangatsiaka ny finoany. Niaiky izy taty aoriana hoe: “Efa nantsoina imbetsaka aho ary tsy te hihaino; koa nahalala ny momba ireny zavatra ireny aho, kanefa tsy te [hino]; koa dia notohizako ny fikomiana tamin’ Andriamanitra.”7

Saingy nomanin’ Andriamanitra i Amioleka, ka rehefa nihaona tamin’i Almà i Amioleka dia nampandrosoany tao an-tranony ilay mpanompon’ny Tompo, ary nipetraka tao nandritra ny andro maro i Almà.8 Nanaiky ny handray ny hafatr’i Almà ny fon’i Amioleka nandritra izany fotoana izany ary nisy fiovana mahatalanjona nanenika azy. Nanomboka teo i Amioleka dia tsy hoe nino fotsiny fa lasa mpiaro ny fahamarinana koa.

Rehefa nandeha indray teny anivon’ny vahoakan’i Amônihà mba hampianatra i Almà dia nanana olona ho vavolombelona faharoa izy teo anilany—dia i Amioleka, mpiara-monina anankiray amin’izy ireo.

Anisan’ny tantara sady mahafinaritra no mampalahelo ao anatin’ny soratra masina rehetra ny toe-javatra nitranga taorian’izany. Afaka mamaky mikasika izany ianareo ao amin’ny Almà toko 8–16.

Te hangataka anareo mba hieritreritra fanontaniana roa aho androany:

Voalohany: “Inona no azoko ianarana avy amin’i Almà?”

Faharoa: “Inona no itoviako amin’i Amioleka?”

Inona no azoko ianarana avy amin’i Almà?

Ndeha hatomboko amin’ny fanontaniana ireo mpitarika rehetra taloha na amin’izao fotoana izao na ireo izay ho mpitarika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hoe: “Inona no azonareo ianarana avy amin’i Almà?”

I Almà dia lehilahy niavaka tamin’ny fananany talenta sy ny fahavitany zavatra. Mety mora ny mieritreritra fa tsy nila fanampiana na avy tamin’iza na tamin’iza izy. Kanefa inona no nataon’i Almà rehefa niverina tany Amônihà izy?

Nahita an’i Amioleka i Almà dia nangataka fanampiana taminy.

Dia nahazo fanampiana i Almà.

Tsy haiko hoe inona no antony, fa matetika isika amin’ny maha-mpitarika antsika, tsy dia mazoto mitady ireo Amiolekantsika sy mangataka fanampiana amin’izy ireo. Mieritreritra angamba isika fa afaka mahavita tsara kokoa ilay asa rehefa isika irery no manao azy, na tsy te hanahirana ny hafa isika, na mihevitra isika fa tsy te handray anjara ny hafa. Matetika loatra isika no misalasala ny hanasa ny olona mba hampiasa ireo talenta nomen’ Andriamanitra azy sy hirotsaka hanao ilay asa famonjena lehibe.

Eritrereto ny Mpamonjy—moa ve Izy nanomboka nanorina ny Fiangonany irery?

Tsia.

Ny hafany dia tsy hoe: “Aza misahirana. Ho vitako irery io.” Fa hoe “Avia, manaraha Ahy.”9 Nanentana ny fanahin’ireo mpanaradia Azy sy nanasa azy ireo sy nampianatra azy ireo Izy ary nametraka fitokiana tamin’izy ireo mba “hanao ny zavatra efa hitanareo fa ataoko.”10 Sady nanorina ny Fiangonany no nanamafy orina ny mpanompony koa i Jesoa Kristy tamin’izay fomba izay.

Na inona na inona toerana hanompoanareo amin’izao fotoana izao—na filohan’ny kôlejin’ny diakona izany, na filohan’ny tsatòka na Filohan’ny Vondrom-paritra—dia tsy maintsy mitady ireo Amiolekanareo ianareo raha te hahomby.

Mety ho olona tsotsotra izany na tsy tonga dia hita mihitsy aza eo anivon’ny olona miangona ao aminareo. Mety ho olona toa tsy vonona na tsy afaka ny hanompo izany. Mety ho tanora na olon-dehibe na lehilahy na vehivavy, na manan-traikefa na reraka na tsy mavitrika ao amin’ny Fiangonana ireo Amiolekanareo. Saingy ny zavatra mety tsy tonga dia hita dia ny fanantenan’izy ireo handre ireto teny ireto avy aminareo: “Mila anao ny Tompo! Mila anao aho!”

Maro no maniry lalina ny hanompo an’ Andriamaniny. Te ho fitaovana eo am-pelatanany izy ireo. Te handroso ny antsimelony sy hijinja amin’ny heriny izy ireo mba hanomana ny tany amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy antsika. Te hanorina ny Fiangonany izy ireo. Saingy misalasala izy ireo hanomboka izany. Miandry angatahina izy ireo matetika.

Manasa anareo aho mba hieritreritra ireo olona any amin’ny sampana sy paroasy misy anareo ary any amin’ny misiôna sy tsatòka misy anareo izay mila mandre antso mba handray andraikitra. Efa niasa niaraka tamin’izy ireo ny Tompo—nanomana azy ireo, nanalefaka ny fony. Tadiavo izy ireo ka mijere amin’ny alalan’ny fo.

Tolory tanana izy ireo. Ampianaro izy ireo. Entano ny fanahin’izy ireo. Anontanio izy ireo.

Zarao amin’izy ireo ny teny nolazain’ilay anjely tamin’i Amioleka— fa [hitoetra amin’izy ireo sy ny tranony ny fitahian’ny Tompo.]11 Mety ho gaga ianareo hahita mpanompon’ny Tompo mafana fo anankiray izay mety nitoetra ho tsy hita tany raha tsy natao izany.

Inona no itoviako amin’i Amioleka?

Raha tokony hitady Amioleka ny sasany amintsika, ho an’ny hafa kosa ny fanontaniana dia mety hoe: “Inona no itoviako amin’i Amioleka?”

Mety lasa tsy dia ampy fanoloran-tena loatra ianao amin’ny maha-mpianatra anao nandritra ny taona maro. Mety nihena ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Mety nampanalavitra ny tenanao tamin’ny tenan’i Kristy ianao. Mety lasa diso fanantenana ianao na tezitra mihitsy. Toy ireo olona sasany tao amin’ny Fiangonana fahiny tao Efesosy, dia mety niala tamin’ny “fitiavanao voalohany ianao”12—ireo fahamarinana lehibe sy mandrakizain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Angamba fantatrao tao am-ponao tahaka an’i Amioleka fa ny Tompo dia “niantso [anao] imbetsaka” saingy “tsy te hihaino” ianao.

Saingy hitan’ny Tompo ao aminao ny zavatra hitany tao amin’i Amioleka—dia ilay fahafahana ho mpanompo mahery fo manana asa manan-danja hatao sy fijoroana ho vavolombelona ho zaraina. Misy asa fanompoana izay tsy misy mahavita amin’ny fomba hanaovanao azy. Nankinin’ny Tompo taminao ny fisoronany masina, izay mihazona ilay hery masina hitahiana sy hampitrakana ny hafa. Mihainoa amin’ny fonao ary araho ny bitsiky ny Fanahy.

Ny dia nataon’ny mpikambana iray

Nanohina ny foko ny dia nataon’ny rahalahy iray izay nanontany tena hoe: “Rehefa miantso ny Tompo, moa ve aho hihaino?” Ho antsoiko hoe i David io rahalahy mahafinaritra io.

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i David 30 taona lasa teo izay. Nanao asa fitoriana ny filazantsara izy ary avy eo nianatra tany amin’ny sekoly mampianatra lalàna. Tao anatin’ny fotoana nianarany sy niasany mba hamelomana ilay fianakaviana keliny dia nahita fampahalalana momba ny Fiangonana izay nampisafotofoto ny sainy izy. Arakaraka ny namakiany bebe kokoa ireo fitaovana tsy milaza afa-tsy zavatra ratsy ireo no nahatonga azy hikorontan-tsaina bebe kokoa. Farany dia nangataka ny hanesorana ny anarany tao amin’ny firaketana ny mpikamban’ny Fiangonana izy.

Nanomboka tamin’izay i David dia nandany fotoana betsaka, tahaka an’i Almà nandritra ny fotoana nikomiany, niadiana hevitra tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana sy nirotsahana tamin’ny fifampiresahana amin’ny alalan’ny internet niaraka tamin’ny tanjona hanohitra ny finoan’izy ireo.

Tena hainy tsara izany.

Ho antsoiko hoe Jacob ny iray amin’ireo mpikambana izay niadiany hevitra. Naneho hatsaram-panahy sy fanajana an’i David foana i Jacob, kanefa tsy nilefitra tamin’ny fiarovany ny Fiangonana koa izy.

Rehefa nandeha ny taona dia lasa nifanaja sy nifampinamana i David sy i Jacob. Ny zavatra tsy fantatr’i David dia hoe nivavaka ho azy i Jacob ary nanao izany am-polo taona mahery tamim-pahatokiana izy. Nosoratany mba hivavahana any amin’ireo tempolin’ny Tompo mihitsy aza ny anaran’ilay namany ary nanantena izy fa hihamalefaka ny fon’i David.

Rehefa nandeha ny fotoana dia niova tsimoramora tokoa i David. Nanomboka nahatsiaro tamin-kamamiana ireo zavatra ara-panahy niainany taloha izy ary nahatsiaro ny fifaliana tsapany tamin’izy mpikamban’ny Fiangonana.

Tahaka an’i Almà, dia tsy nanadino tanteraka ireo fahamarinan’ny filazantsara izay nisy fotoana nekeny izy. Ary tahaka an’i Amioleka dia nahatsapa i David fa nanolo-tanana azy ny Tompo. Mpiara-miombon’antoka tao amin’ny orinasa iray misahana ny lalàna i David tamin’izany—asa faran’izay tsara. Lasa nalaza ho mpitsikera ny Fiangonana izy ary be hambom-po loatra ka tsy sahy nangataka ny hiverina ho mpikambana.

Na dia izany aza dia nitohy ny fahatsapany ny fisarihan’ilay Mpiandry Tsara.

Ninoany tamin’ny fony ilay soratra masina hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”13 Nivavaka izy hoe: “Andriamanitra malala ô! Te ho Olomasin’ny Andro Farany indray aho, saingy manana fanontaniana izay mila valiny aho.”

Nanomboka nihaino ireo bitsiky ny Fanahy sy ireo valinteny azo avy amin’ny fitaomam-panahy nomen’ny namana izy, tamin’ny fomba izay mbola tsy nataony velively teo aloha. Nifandimby niova ho finoana ireo ahiahiny mandra-pahafantany indray tamin’ny farany fa afaka mahatsapa fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny izy.

Tamin’io fotoana io dia fantany fa ho afaka ny handresy ny hambom-pony izy ary hanao izay azo atao mba horaisina indray ao amin’ny Fiangonana.

Niditra ny ranon’ny batisa i Davida tamin’ny farany ary nanomboka nanisa ireo andro izay hahafahana mamerina aminy ireo fitahiany.

Faly aho manambara fa naverina tamin’i David ireo fitahiany tamin’ny fahavaratra lasa teo. Mandray anjara tanteraka ao amin’ny Fiangonana indray izy ary mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara ao amin’ny paroasiny. Araraotiny ny fotoana tsara rehetra mba hiresahana mikasika ny fiovany sy mba hanarenana ny zavatra nosimbainy ary mba hijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Famaranana

Ry rahalahiko malala, ry namako malala, ndeha isika hitady sy hikaroka an’ireo Amioleka ao amin’ny paroasintsika sy ny tsatòkantsika ary hanentana ny fanahiny sy hiantehitra amin’izy ireo. Misy Amioleka maro ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Mety mahafantatra anankiray ianao. Mety iray amin’izany ianao.

Mety efa nibitsika taminao ny Tompo, nanosika anao mba hiverina amin’ny fitiavanao voalohany, hizara ireo talentanao, hampiasa amim-pahamendrehana ny fisoronana ary hiaraka hanompo amin’ireo Olomasina namanao mba hanakaikezana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

Fantatry ny Mpamonjy malalantsika ny toerana misy anao. Fantany ny ao am-ponao. Maniry ny hanavotra anao Izy. Hanolo-tanana anao Izy. Sokafy fotsiny Aminy ny fonao. Maniry aho hoe ireo izay niala tamin’ny lalan’ny maha-mpianatra—na dia kely fosiny aza—dia hibanjina ny hatsaran’ Andriamanitra sy ny fahasoavany, hijery amin’ny fony, hianatra avy amin’i Almà sy Amioleka, ary hihaino ilay tenin’ny Mpamonjy izay manova fiainana hoe: “Avia, manaraha Ahy.”

Mamporisika anareo aho mba hanome lanja ny antsony satria azo antoka fa hahazo ny valisoan’ny lanitra ianareo. Ny fitahian’ny Tompo dia hitoetra aminareo sy ny tranonareo.14

Izany no ijoroako ho vavolombelona ary apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.