Manompo
Ilaina avokoa ny mpikambana tsirairay, ary samy mila fahafahana hanompo avokoa ny mpikambana tsirairay.
Fony aho mbola zazalahy dia nankafiziko ery ny niara-niasa tamin’i Lyman dadatoako sy i Dorothy nenitoako tao amin’ny toeram-piompian’izy ireo. I Dadatoa Lyman matetika no mitarika ny tetikasanay, ary manampy sy mitondra ilay kamiao Dodge efa antitra matetika i Nenitoa Dorothy. Tsaroako ny fientanentanam-po rehefa niraikitra tao anaty fotaka izahay na niezaka niakatra havoana mideza iray: Nivazavavaza i Dadatoa Lyman hoe: “Dorothy, ataovy mifandray io!” Tamin’izany fotoana izany aho no nanomboka nivavaka. Niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo sy taorian’ny fikitroha-nifin-kodiarana dia toa tratran’i Nenitoa Dorothy ny fampifandraisana. Rehefa voahidy tsara sy niara-nihodina ny kodiarana rehetra dia nandroso ilay fiara ary nitohy ny asanay.
Ilay hoe “atao mifandray” dia entina ilazana ny fampidirana vitesse manokana iray izay mandahatra kodiarana maromaro misy nifiny mba hiara-hiasa ka hiteraka hery misintona bebe kokoa.1 Ny vondron-kodiarana misy nifiny mifandray ao amin’ny fiara tsy mataho-dalana dia mamela anao hampidina ny vitesse sy hamokatra angovo bebe kokoa ary hihetsika.
Tiako ny mieritreritra antsika tsirairay ho isan’ny vondron-kodiarana misy nifiny mifandray iray rehefa miara-miasa ato amin’ny Fiangonana—any amin’ireo paroasy sy sampana, any amin’ireo kôlejy sy vondrona fanampiny. Tahaka ireo kodiarana misy nifiny izay mitambatra ka mamokatra angovo bebe kokoa rehefa mifandray, no ananantsika hery bebe kokoa rehefa miara-miasa isika. Rehefa miray hina isika mba hifanompo, dia mahavita betsaka kokoa isika rehefa miaraka noho izay mety ho vitantsika samirery. Mampientam-po ny manolo-tena sy miray hina rehefa manompo sy manampy ao amin’ny asan’ny Tompo.
Fitahiana ny manompo
Ny fahafahana manompo no iray amin’ireo fitahiana lehibe amin’ny maha-mpikambana ato amin’ny Fiangonana.2 Hoy ny Tompo: “Raha tia Ahy ianao dia hanompo Ahy,”3 ary manompo Azy isika rehefa manompo ny hafa.4
Rehefa manompo isika dia manakaiky kokoa an’ Andriamanitra.5 Lasa mahafantatra Azy isika amin’ny fomba izay mety tsy ho nisy raha tamin’ny fomba hafa. Mitombo ny finoantsika Azy. Voadinika tsara ireo olantsika. Lasa mahafapo kokoa ny fiainana. Mitombo ny fitiavantsika ny hafa, sy ny faniriantsika hanompo. Amin’ny alalan’io dingana io isika dia ho lasa tahaka an’Andriamanitra bebe kokoa, ary ho vonona tsara kokoa isika ny hiverina any Aminy.6
Araka ny nampianarin’ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Ny fanompoana dia tsy zavatra iaretantsika eto an-tany mba hahazoana ny zo hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fanompoana no tena fototry ny maha-fiainana voasandratra any amin’ny fanjakana selestialy.”7
Mety ho sarotra ny fanompoana
Ny fanompoana ato am-piangonana anefa dia mety ho sarotra rehefa angatahina hanao zavatra izay mampatahotra antsika isika, na rehefa sasatry ny manompo isika, na rehefa voantso hanao zavara izay tsy hitantsika ho manintona am-boalohany isika.
Vao tsy ela aho no nahazo andraikitra vaovao. Nanompo tany amin’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana aho. Tena nahafaly ahy ny nanompo tany amin’ny toerana izay mbola maha-somary tanora sy eo am-panorenana ny Fiangonana, ary tianay ireo Olomasina. Dia voantso hiverina taty amin’ny Foiben’ny Fiangonana aho avy eo, ary tena tsoriko fa tsy dia feno hafanam-po aho. Nitondra ahy tamin’ny toe-javatra izay tsy mahazatra ahy ny fiovana teo amin’ny andraikitra.
Indray alina rehefa avy nieritreritra ilay fiovana izay ho avy aho dia nanofy an’i Joseph Skeen razambeko. Fantatro avy tao amin’ny diariny fa rehefa nifindra tao Nauvoo izy sy i Maria vadiny dia nanam-paniriana hanompo izy, koa dia nikatsaka ny Mpaminany Joseph Smith izy ary nanontany ny fomba ahafahany manampy. Nandefa azy mba hiasa teny amin’ny saha ny Mpaminany ary nolazainy izy mba hanao izay tsara azony atao, koa dia nataony izany. Niasa tao amin’ny toeram-piompian-dry Smith izy.8
Nisaintsaina ilay fahafahana nananan’i Joseph Skeen aho tamin’ny nandraisany iraka tamin’ny fomba toy izany. Tampoka teo dia nahatsapa aho fa nanana fahafahana mitovy amin’izany, tahaka antsika rehetra. Ny antso rehetra ato am-piangonana dia avy amin’ Andriamanitra—amin’ny alalan’ireo mpanompony voatendry.9
Nahatsapa fanamafisana miavaka ara-panahy aho fa avy tamin’ny fanentanam-panahy ilay andraikitro vaovao. Tena zava-dehibe ny fahatakaransika izany fifandraisany izany—dia ny hoe ny antsontsika dia tonga ara-bakiteny amintsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Taorian’io zavatra niainako io dia niova ny fomba fihetsiko, ary feno faniriana lalina ny hanompo aho. Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana mibebaka sy noho ny foko izay niova. Tiako ny andraikitro vaovao.
Na dia mieritreritra aza isika fa ny antsontsika ato am-piangonana dia hevitry ny mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana fotsiny, na hoe tonga tamintsika satria tsy misy olona hanaiky izany, dia ho voatahy isika rehefa manompo. Saingy rehefa manaiky ny tanan’ Andriamanitra isika amin’ny antsontsika sy manompo amin’ny fontsika manontolo, dia hisy hery fanampiny ho tonga amin’ny fanompoantsika, ary lasa tena mpanompon’i Jesoa Kristy isika.
Mitaky finoana ny fanompoana
Ny fanatanterahana ny antso dia mitaky finoana. Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’i Joseph niasa teo amin’ilay toeram-piompiana dia lasa narary mafy izy sy i Maria. Tsy nanam-bola izy ireo ary teo anivon’olona tsy fantatra. Fotoan-tsarotra ho azy ireo izany. Tao anatin’ilay diariny izy dia nanoratra hoe: “Niasa hatrany izahay [sady] nijanona ho mahatoky tao amin’ny Fiangonana tamin’izay finoana kely izay nanananay, na izany aza dia niezaka nandringana anay sy nampody anay ny devoly.”10
Tena feno fankasitrahana mandrakizay izaho sy ireo taranaka hafa an-jatony maro fa tsy niverina nody i Joseph sy i Maria. Tonga ny fitahiana rehefa maharitra amin’ireo antso sy ireo andraikitra sahanintsika isika ary mijanona amim-pahatokiana amin’ny finoana rehetra izay ananantsika.
Mahafantatra mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara iray aho izay manainga ny fanahin’ireo mpianany rehefa mampianatra, saingy tsy toy izany foana anefa izany hatrizay. Rehefa avy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy dia nahazo antso mba hampianatra tao amin’ny Kilonga. Nahatsapa izy fa tsy nanana traikefa mba hampianatra, kanefa noho ny fahafantarany ny maha-zava-dehibe ny fanompoana, dia nanaiky izy. Vetivety dia resin-tahotra izy, ary dia nijanona tsy nandeha intsony amin’izay tsy hampianatra. Isaorana fa nahatsikaritra ny tsy fahatongavany ny mpampianatra isan-tokantranony, ka namangy azy, ary nanasa azy mba hiverina. Nanampy azy ny eveka sy ireo mpikambana tao amin’ny paroasy. Farany, rehefa nitombo ny finoany dia nanomboka nampianatra ireo kilonga izy. Rehefa nampihatra fitsipika tao amin’ny Mampianatra araka ny Fomban’ny Mpamonjy, izy, dia nitahy ny ezaka nataony ny Tompo, ary lasa mpampianatra manan-talenta izy.11
Ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo ao anatintsika rehetra dia toa manome fahafahana antsika hanala tsiny ny tenantsika amin’ny fanompoana noho ny antony toy ny hoe: “Tsy mbola vonona ny hanompo aho; mbola mila mianatra bebe kokoa aho,” na hoe “Vizaka aho ka mila maka aina,” na “Antitra loatra aho—anjaran’ny hafa indray izao,” na hoe “Be atao loatra tsotra izao aho.”
Rahalahy sy anabavy, ny fanekena sy ny fanatanterahana ny antso iray dia fihetsika maneho finoana. Afaka matoky ny zavatra naverimberin’ny Filoha Thomas S. Monson nampianarina isika, izay manao hoe: “Izay antsoin’ny Tompo, dia hitan’ny Tompo fa mendrika” ary “Rehefa manompo ny Tompo isika, dia natao hahazo ny fanampian’ny Tompo.”12 Na sahirana loatra isika na tsy miraika, na matahotra loatra isika na leo be, dia tian’ny tompo hampidina ny vitesse sy hamokatra angovo bebe kokoa ary hanompo isika.
Tsy mahita famantarana aho hoe be atao loatra na reraka loatra ny Filoha Monson sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ohatra velona amin’ny fomba iray manentana ny fanahy izay maneho ny hery tonga amin’ny fiainantsika rehefa mampihatra finoana sy manaiky ireo andraikitra omena ary manatanteraka izany amim-panoloran-tena sy fanokanan-tena izy ireo. “Nataon’[izy ireo] teo amin’ny kodiarana [ny sorony]”13 taona maro lasa izay, ary mbola manosika hatrany, mandroso, sy miakatra izy ireo.
Eny, manompo amina antso manan-danja izy ireo, saingy manan-danja avokoa ny antso na ny andraikitra tsirairay. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley, mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana teo aloha: “Samy mandray anjara ao anatin’ity asa makadiry ity isika tsirairay avy. … Ny andraikitrao dia tena zava-dehibe ao amin’ny tontolo misy anao tahaka ny maha-zava-dehibe ny andraikitro ao amin’ny tontolo misy ahy. Tsy misy antso kely na vokany kely ato amin’ity fiangonana ity.”14 Manan-danja avokoa ny antso tsirairay.15
Ndeha hanompo
Ndeha hiarina amin’ny finoana, “[hametraka ny sorotsika] eo amin’ny kodiarana,” ka hampandroso ity “asa masina ity.”16 Ndeha “hataontsika mifandray izany,” miaraka amin’i Nenitoa Dorothy be finoana. Amin’ny maha-mpiray tampo antsika dia ndeha hanompo.
Raha te hahatsara ny andron’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao ianao dia anontanio azy izao fanontaniana izao “Inona no azoko anampiana?” “Aiza no tian’ny Tompo hanompoako?” Rehefa mivavaka sy mandinika ireo andraikitrao manokana sy eo amin’ny fianakaviana ary arak’asa izy dia hahazo ny fitaomam-panahy hanome ny antso sahaza ho anao. Rehefa atokana ianao dia handray tsodranon’ny fisoronana mba hanampy anao hahomby. Tena ho voatahy ianao! Ilaina avokoa ny mpikambana tsirairay, ary samy mila fahafahana hanompo avokoa ny mpikambana tsirairay.17
I Jesoa Kristy no Ohatra ho antsika
I Jesoa Kristy, ilay Ohatra ho antsika, dia nanome ny ainy ho an’ny asan’ny Rainy. Tao amin’ilay Filankevitra Lehibe talohan’ny nahariana izao tontolo izao, i Jesoa, ilay voafidy sy vaohosotra hatrany am-boalohany, dia nanolo-tena hoe: “Inty aho, iraho aho.”18 Tamin’ny fanaovany izany Izy dia lasa mpanompontsika rehetra ara-bakiteny. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny hery azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia afaka manompo ihany koa isika. Hanampy antsika Izy.19
Manolotra ny fitiavana avy ato am-poko aho ho anareo izay mety tsy ho afaka manompo amin’ny fomba mahazatra amin’izao fotoana izao noho ny toe-javatra manokana kanefa miaina ny fiainanareo amin’ny fanahin’ny fanompoana. Mivavaka aho ny mba hitahiana anareo amin’ny ezaka ataonareo. Maneho fankasitrahana an’ireo izay milofo amin’ny antsony isan-kerinandro koa aho, sy ireo izay hanaiky tsy ho ela ireo antso mba hanompo. Omen-danja avokoa ny fandraisana anjara sy ny fanoloran-tena rehetra, avy Aminy izay tompointsika indrindra indrindra. Handray ny fahasoavan’ Andriamanitra avokoa izay rehetra manompo.20
Na manao ahoana na manao ahoana ny taonantsika sy ny toe-piainantsika, ndeha hataontsika ho “filamatra” ny fanompoana.21 Manompoa ao amin’ny antsonao. Manaova asa fitoriana. Tompoy ny reninao. Manompoa olon-kafa. Tompoy ny namanao. Manompoa fotsiny.
Ny Tompo anie hitahy antsika tsirairay amin’ny ezaka ataontsika mba hanompo sy ho tonga tena mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.22 Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary mitarika ity asa ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena