Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
6–12 desambra. Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2: “Mino isika”


“6–12 desambra. Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2: -Mino isika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“6–12 desambra. Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2: “Mino isika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Bemiray maneho tanana amin’ny volon-koditra samihafa

Ho an’ny lehilahy mendrika rehetra, nataon’i Emma Allebes

6–12 desambra

Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2

“Mino isika”

Rehefa mandalina Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2 ianao dia eritrereto ny fiantraikan’izany eo amin’ny Fiangonana. Inona no manaitra anao mikasika ireo fahamarinana izay ampianarin’izany?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tao anatin’ireo 200 taona hatramin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, dia nanohy nanome “fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonany Andriamanitra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61). Tamin’ny toe-javatra sasany, izany fanambarana izany dia nanome toromarika an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hitondra fanovana teo amin’ireo fitsipika mifehy sy ireo fomba fanaon’ny Fiangonana, “araka izay sitrapon’ny Tompo, izay mampifanaraka ny famindram-pony araka ny toe-piainan’ny zanak’ombelona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:15). Ny Filazana Ôfisialy 1 sy 2 dia maneho izany karazana fanambarana izany—ny iray dia nitondra ho amin’ny fampitsaharana ny fampakarana vady maro, ary ny iray dia namela ny olona avy amin’ny firazanana sy ny volon-koditra rehetra ho afaka ny hahazo ireo fitahian’ny fisoronana, ka anisan’izany ireo fitahiana azo avy amin’ny tempoly. Ny fanovana tahaka izany dia isan’ny hevitra fonosin’ilay hoe manana “fiangonana marina sy velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30), miaraka amin’ny mpaminany marina sy velona.

Fa misy zavatra tsy miova ihany koa, dia ireo fahamarinana fototra sy mandrakizay. Ary indraindray ny tanjon’ny fanambarana dia ny hanome hevitra fanampiny mahakasika ireo fahamarinana ireo, mba hanampiana antsika hahatakatra izany mazava kokoa. Ireo fanekem-pinoana, izay fehezan-teny fohy 13 nilazan’i Joseph Smith ny zavatra inoan’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia toa manatanteraka izany tanjona mba hanazava izany. Ireo karazana fanambarana ireo dia samy mitarika sy mitahy ny Fiangonana, Fiangonana iray izay miorina mafy eo amin’ny fahamarinana mandrakizay kanefa afaka mivoatra sy miova rehefa mampitombo ny fahatakarantsika ny Tompo mba hanampiana antsika hahavita hiatrika ireo fanamby amin’izao fotoana izao. Izany hoe “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Ireo fanekem-pinoana 1:9).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Ireo fanekem-pinoana

Ireo fanekem-pinoana dia mirakitra ireo fahamarinana fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Fomba iray azonao handalinana Ireo fanekem-pinoana ny manao lisitra ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny tsirairay avy amin’izy ireo ary avy eo dia mitady ireo soratra masina mifandray amin’ireo fahamarinana ireo. Ahoana no hanatsaran’ireo soratra masina ireo ny fahatakaranao ireo fahamarinana ao amin’ Ireo fanekem-pinoana?

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ireo fanekem-pinoana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; L. Tom Perry, “Ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ireo fanekem-pinoana,” Liahona, nôv. 2013, 46–48; “Chapitre 38: La tettre à Wentworth,” ao amin’ny Enseignement des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 467–80.

Ireo fanekem-pinoana 1:9; Filazana Ôfisialy 1 sy 2

Tarihina amin’ny alalan’ny fanambarana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

“Mino isika fa [Andriamanitra] dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Ireo fanekem-pinoana 1:9), na dia midika aza izany fa mila manova ireo fitsipika mifehy ny Fiangonana sy ireo fomba fanaony. Eritrereto izany fitsipika izany dia vakio ny Filazana Ôfisialy 1 sy 2, ary tadiavo ireo teny sy andian-teny izay mampatanjaka ny finoanao ny fanambarana mitohy. Inona no fanambarana mitohy nomena ny mpaminanin’ny Tompo izay tonga ao an-tsainao? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao? Ahoana no nampandrosoan’izany ny asa ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra?

Jereo koa ny Amosa 3:7; 2 Nefia 28:30.

Filazana Ôfisialy 1

Tsy maintsy mandroso ny asan’ Andriamanitra.

Ao amin’ny “Ampahany tamin’ireo lahateny telo nataon’ny filoha Wilford Woodruff mikasika ny Manifestô” (any amin’ny fiafaran’ny Filazana Ôfisialy 1), inona avy ireo antony nomen’ny mpaminany fa nahatonga ny Tompo nampitsahatra ny fampakarana vady maro? Inona no ampianarin’izany anao momba ny asan’ Andriamanitra?

Sary
sary hosodoko maneho an’i Wilford Woodruff

Wilford Woodruff, nataon’i H. E. Peterson

Filazana Ôfisialy 2

Afaka matoky ny Tompo isika, na dia rehefa tsy lavorary aza ny fahatakarana ananantsika.

Mampianatra antsika hatoky ny Tompo ny soratra masina (jereo ny Ohabolana 3:5), ary izany no nataon’ireo taranaka Afrikana maro izay mpikamban’ny Fiangonana rehefa tsy mbola nanome azy ireo ny fanendrena ho an’ny fisoronana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly ny Fiangonana. Na dia tsy nahatakatra ny antony nisian’io lalàna io aza izy ireo, ary matetika no nahatsapa ho voadona noho ireo fanazavana nampianarina tamin’izany fotoana izany, izay lavin’ny Fiangonana ankehitriny, dia taranaka Afrikana mpikambana maro no natoky ny Tompo sy nitoetra ho mahatoky nandritra ny androm-piainany. Eo am-pamakianao ny Filazana Ôfisialy 2, dia saintsaino ny fomba nianaranao natoky ny Tompo na dia rehefa tsy lavorary aza ny fahatakarana anananao.

Mety hanampy anao hahazo fitaomam-panahy ny fianarana momba ny finoan’ireo mpikambana mainty hoditra ato amin’ny Fiangonana.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Ireo fanekem-pinoana.Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fianakavianao mamorona “lesona kely vitsivitsy” ho an’Ireo fanekem-pinoana. Ohatra hoe mandritra ny herinandro dia afaka maka fanekem-pinoana iray ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ary mitady soratra masina, sary, hira ao amin’ny fihirana, na hiran’ny ankizy mifandray amin’izany, na mizara zavatra niainana manokana.

Na afaka mifandimby ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hifametraka fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny zavatra inoantsika ary avy eo dia mamaly ireo fanontaniana ireo amin’ny fanekem-pinoana iray.

Filazana Ôfisialy 1 sy 2.Ny Filazana ôfisialy 1 sy 2 dia manampy antsika hahatakatra ny anjara asa sahanin’ny fanambarana maoderina ao amin’ny Fiangonana. Rehefa miara-mamaky izany ny fianakavianao dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ny fomba hitarihan’ny mpaminany antsika “amin’ ny alalan’ ny fitaoman’ Andriamanitra Tsitoha” (Filazana Ôfisialy 1). Ahoana no hampatanjahan’ireo filazana roa ireo ny finoantsika ny Andriamanitra velona iray izay mitarika mivantana ny Fiangonany? Toy ny ahoana no ahitantsika ny fiasan’ny tanany ao anatin’ny asan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao? Mety hanapa-kevitra ny hiara-hikaroka ny sasany amin’ireo loharanom-pitaovana voatanisa ao amin’ny “Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina” etsy ambony ianareo.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Hajao ireo didy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 68.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. “Rehefa manohy ny fanaraha-maso mikasika ny fanasana iray mba handray andraikitra ianao, dia mampiseho amin’ny [olona ao amin’ny fianakavianao] fa miraharaha azy ireo sy miraharaha izay fitahiana entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manome azy ireo fahafahana hizara ny zavatra niainany koa ianao,” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Hamoaka printy