Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: “Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”


“13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: -Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary

13–19 desambra

Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Mino aho fa ny fihetsitsika manoloana ny fanambarana momba ny fianakaviana sy ny fomba fampiasantsika izany dia [fitsapana] ho an’ity taranaka ity. Mivavaka ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra aho mba hijoro tsy azo hozongozonina amin’izany fitsapana izany” (“Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 31). Saintsaino ireto teny ireto eo am-pandalinanao ny fanambarana ho an’ny fianakaviana amin’ity herinandro ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany aza dia tao anatin’ny fianakaviana iray isika, dia ny fianakavian’ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra. Rehefa tonga ny fotoana nialana teo anatrehan’Izy ireo dia tsy maintsy hoe nankahery ny nahafantatra fa ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra koa ny fianakaviana eto an-tany. Ilay lamina eto an-tany dia natao mba hanaraka ilay lamina lavorary any an-danitra.

Tsy misy antoka fa ho tonga lafatra ireo fianakaviana ety an-tany na hoe handeha tsara. Saingy araka ny nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring, ny fianakaviana “dia manome tombontsoa tena tsara ho an’ny zanak’ Andriamanitra … mba hotsenaina eto amin’izao tontolo izao miaraka amin’ilay hany fitiavana eto an-tany izay manakaiky ilay tsapantsika tany an-danitra, dia ny fitiavan’ny ray aman-dreny izany” (“Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 20). Noho ny fahafantarany fa tsy tonga lafatra ny fianakaviana ary mety hiharan’ny fanafihan’ny fahavalo, dia nandefa ny Zanany Malalany Andriamanitra mba hanavotra antsika sy hanasitrana ny fianakaviantsika. Ary nandefa mpaminanin’ny andro farany omban’ny fanambarana izy mba hiarovana sy hampatanjahana ny fianakaviana. Raha manaraka ny mpaminany isika ary mametraka ny finoantsika amin’ny Mpamonjy, na dia tsy mahatratra ilay tanjona masina faratampony aza ny fianakaviana eto an-tany, dia misy fanantenana ho an’ny fianakaviana, na eto an-tany na any an-danitra.

Sary

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary.”

Mazava tsara fa “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” dia mahakasika ny fianakaviana. Fa mahakasika ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra ihany koa izany. Fomba iray handalinana ilay fanambarana ny mitady ny zavatra ampianarin’izany momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana sy eto an-tany ary any aorian’ny fahafatesana. Inona no ianaranao rehefa mandalina ilay fanambarana amin’izany fomba izany ianao? Ahoana no hanampian’izany anao hahatakatra ny antony maha-manan-danja ny fianakaviana ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 28–31.

“Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”

Eritrereto hoe ireo andiam-pehezan-teny faha-enina sy faha-fito ao amin’ ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia lamina hahazoana “fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana.” Rehefa mamaky ireo andiam-pehezan-teny ireo ianao dia mitadiava fitsipika momba ny “fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby.” Dia mieritrereta fifandraisan’ny mpianakavy iray izay tianao hampatanjahana. Mahatsapa ho tokony hanao inona ianao? Ahoana no hampandraisanao anjara ny Mpamonjy ao anatin’ny ezaka ataonao?

Jereo ihany koa ny Richard J. Maynes, “Fanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy,” Liahona, mey 2011, 37–39.

“[Horaisina] ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra aho” amin’ny fomba hitondrako ny fianakaviako.

Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia ahitana fitahiana mahatalanjona izay ampanantenain’ny Ray any An-danitra an’ireo izay manaraka ny toroheviny. Ahitana fampitandremana mafonja ihany koa izany ho an’ireo izay tsy manaraka ny toroheviny. Hevero ny hanao lisitra ireo fitahiana sy fampitandremana hitanao.

Inona no zavatra ataonao mba hanarahana ny torohevitra omen’ Andriamanitra ao amin’io fanambarana io? Raha mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra ianao anio, dia inona no anananao fatokian-tena mba horesahina Aminy mikasika ny fifandraisan’ny fianakavianao? Inona no ilainao hatsaraina?

Jereo koa ny Almà 5:15–22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–25; 93:39–44.

Sary

Tokony hanabe ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ireo ray aman-dreny.

Afaka mahazo ireo fitahiana nampanantenaina ve aho raha tsy lavorary araka ny tokony ho izy ny fianakaviako?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny fanambarana ny fahamarinana fototra mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy midika akory hoe tsy miraharaha na manambany ny fahafoizantena sy ny fahombiazana asehon’ireo izay tsy mbola afaka miaina io rafitra tena tsara io amin’izao fotoana izao. … Manana fanomezam-pahasoavana ny tsirairay, manana talenta ny tsirairay ary afaka mitondra anjara biriky ao amin’ilay drafitra masina navelatra isaky ny taranaka tsirairay. Zavatra tsara maro sy zavatra tena ilaina maro—ary indraindray aza ny zavatra rehetra ilaina amin’izao fotoana izao—no azo tanterahina ao anatin’ny toe-javatra izay tsy tonga lafatra. … Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany” (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 52).

Sary

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

“Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.”Raha hanampy ny fianakavianao ny hiresaka fotopampianarana mifandray amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy, dia mety hanampy ity loharanom-pitaovana manaraka ity: Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25–28.

“Ny drafitra masin’ny fahasambarana”Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia azonao soratana ao anatina fizarana miisa telo amin’ny taratasy iray ny hoe fiainana talohan’ny nahaterahana, fiainana an-tany, ary fiainana aorian’ny fahafatesana . Hiaraho manadihady ilay fanambarana dia soraty eo amin’ilay taratasy ny zavatra nianaranareo momba ny tsirairay avy amin’ireo ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra ireo. Nahoana ny fianakaviana no manan-danja lehibe amin’ Andriamanitra toy izany?

Afaka ny ho iray mandrakizay ny fianakaviana.Azonareo atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Le Plan du salut - Nous sommes toujours une famille” (ChurchofJesusChrist.org). Karohy ao anatin’ ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ireo fahamarinana izay takatr’ilay zatovolahy ao anatin’ny horonan-tsary sy nanampy azy hanam-pinoana.

“Fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana.”Mba hiresadresahana mikasika ny fomba hahazoana “fahasambarana bebe kokoa ao amin’ny fiainam-pianakavianao” dia azonareo atao ny miaraka mihira hira iray momba ny fianakaviana, toy ny “Nos foyer ici-bas” (Cantiques, no. 188). Inona no ianarantsika avy amin’ilay hira sy avy amin’ ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izay hitondra fifaliana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika? Ahoana no hahazoantsika antoka fa ny fianakaviantsika dia “miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo”? Makà fampianarana iray izay tianareo hianarana amin’ity herinandro ity.

“[Manamafy] orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina.”Inona no ezaka ataon’i Satana mba hampihen-danja ny herin’ny fianakaviana eto amin’izao tontolo izao? Inona no azontsika atao mba hanamafy orina ny fianakaviana? Mba hitadiavana hevitra dia jereo ny hafatra nozarain’i Bonnie L. Oscarson hoe “Mpiaro ilay Fanambarana momba ny Fianakaviana” (Liahona, mey 2015, 14–17).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso hohiraina: “Notre foyer ici-bas,” Cantiques, no. 188.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mahita ny fitiavan’ Andriamanitra. Nampianatra ny Loholona M.Russell Ballard fa “ny filazantsara dia filazantsaran’ny fitiavana, izany hoe fitiavana an’ Andriamanitra sy fifankatiavana” (“God’s Love for His ChildrenEnsign,May 1988, 59). Eo am-pamakianao ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia raiso an-tsoratra na asio marika ireo porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra izay manan-danja indrindra aminao.

Hamoaka printy