Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: “Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”


“13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: -Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“13–19 desambra. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
fianakaviana iray

13–19 desambra

Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”

Inona avy ireo fitsipiana hitanao ao amin’ny “Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” izay tsapanao fa itaoman’ny Fanahy anao mba hozarainao amin’ny ankizy? Rehefa miomana hampianatra ianao dia raketo ireo fitaomam-panahy voarainao avy amin’ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hitondra sary na hanao sary ny olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo mba haseho amin’ny iray kilasy. Asaivo mizara zavatra izay tian’izy ireo momba ny fianakaviany na ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fianakaviany tamin’ity herinandro ity izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Manan-danja eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fianakaviana.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao hanampy ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay tena manan-danja amin’izy ireo ka tiany hotantaraina aman’ny lona rehetra ny momba izany. Asehoy ny ankizy ny tahadika irain’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ary hazavao fa ireo mpaminany sy apôstôly no nanoratra izany mba hilazana amin’ny rehetra ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana amin’ny Ray any An-danitra. Anontanio ny ankizy ny antony hiheverany fa tena manan-danja amin’ny Ray any An-danitra ny fianakaviana. Mizarà zavatra avy amin’ilay fanambarana izay tsapanao fa ilain’ny rehetra ho fantatra.

  • Ampisehoy sarina tempoly iray sy sarina fianakaviana iray ny ankizy. Avelao ny ankizy hihazona ireo sary ireo mandritra ny hamakinao ireo ny fehezan-teny farany amin’ny andiam-pehezan-teny fahatelon’ny Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao. Asaivo tondroin’izy ireo izay sary marina rehefa mamaky ny teny hoe “tempoly” sy “fianakaviana” ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa noho ireo ôrdônansin’ny tempoly dia afaka ny ho iray mandrakizay ny fianakaviantsika. Miaraha mihira hira iray momba ny fianakaviana mandrakizay toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99), ary ampio ny ankizy hitady ireo teny toy ny “tempoly” ary ny “fianakaviana” eo am-pihainoana.

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra azontsika atao mba hampatanjaka zavatra isan-karazany toy ny nifintsika, ny vatantsika, na ny trano iray. Inona no azontsika atao mba hampatanjaka ny fianakaviantsika? Ampio ny ankizy hahatakatra fa ireo fitsipika izay mitondra ho amin’ny fahasambarana eo amin’ny fiainam-pianakaviana dia hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahafiton’ny Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao (jereo koa ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity). Ampio ny ankizy hanao drafitra ny amin’ireo fomba hampatanjahan’izy ireo ny fianakavian’izy ireo.

    Sary
    fianakaviana iray miara-mahandro

    Ny ray aman-dreny dia tokony hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.

Izaho dia “fanahy izay zanakalahy [na] zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”

Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao dia mampianatra fa isika rehetra dia zanaky ny Ray aman-dReny any An-danitra ary eto an-tany isika mba ho tonga kokoa tahaka Azy Ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hiaraho mihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2). Anipazo baolina na zavatra malemilemy iray eny amin’ny ankizy iray rehefa miteny ianao hoe: “Izaho dia mahafantatra zanak’ Andriamanitra iray antsoina hoe [anaran’ankizy].” Angataho izany ankizy izany hanipy ilay zavatra any amin’ny ankizy iray hafa sady miteny toy ilay nolazainao ka ampiany ny anaran’ilay ankizy. Averimbereno ilay asa atao mandrapandraisan’ ny ankizy tsirairay anjara. Mijoroa ho vavolombelona fa ny ankizy tsirairay dia “fanahy izay zanakalahy [na] zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”

  • Eritrereto ireo fomba ahafahanao maneho fa noho ny maha-zanaky ny Ray aman-dReny any An-danitra antsika dia afaka ny ho tonga tahaka Azy Ireo isika. Ohatra, mampisehoa sarina biby sy ny zanak’izy ireo na ny sarinao sy ny ray aman-dreninao na ny zanakao, ka ampio ny ankizy hahita fitovian-javatra. Mijoroa ho vavolombelona fa ny zazakely dia mitombo ka mitovy amin’ny ray aman-dreniny, ary indray andro any isika dia ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Ny fianakaviana fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao dia nambara ho fanamafisana ireo fahamarinana mandrakizay momba ny fianakaviana. Eritrereto ny fomba hahafahanao manampy ny ankizy hampatanjaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ny amin’ireny fahamarinana ireny.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy raha fantatr’izy ireo hoe iza no nanoratra ny Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao. (Manoritsoritra ny fomba nanoratana izany ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ilay hafany manao hoe: “Ilay drafitra sy ilay fanambarana” [ Liahona, nôv. 2017, 28–31].) Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ireo teny hoe “manambara amim-boninahitra” eo amin’ny andalam-pehezan-teny fampidirana. Avy eo dia angataho izy ireo hizara ny heviny ny amin’ny antony hoe mahatonga ireo mpaminany sy apôstôly “manambara amim-boninahitra” ireo fahamarinana momba ny fianakaviana amin’izao androntsika izao.

  • Mizarà fehezan-teny vitsivitsy avy amin’ny Ny fianakaviana: Fanamabarana ho an’izao tontolo izao izay tena manan-danja aminao. Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ireo fahamarinana ireo. Ho nanao ahoana ny fiainantsika raha toa ka tsy nahafantatra ireo zavatra ireo isika? Iaraho mihira ny hira iray izay mifandray amin’ireo fahamarinana hita ao amin’ny fanambarana, toy ny: “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” na “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 86, 98).

  • Ampisehoy sary (na asao hanao sary izy ireo) izay maneho ireo fahamarinana hita ao amin’ny Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao. Mety ho sarin’ny tempoly, na fianakaviana mivavaka na miara-milalao, na olon-droa manatanteraka fanambadiana izany. Asao ny ankizy hitady fehezan-teny ao amin’ny Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao izay mifandray amin’ireo sary ireo. Inona no ampianarin’ireo fehezan-teny ireo antsika?

  • Manomàna fanontaniana izay azo valina ao amin’ny Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao, toy ny hoe: “Inona no zavatra tsapan’ Andriamanitra momba ny fanambadiana?” sy ny hoe: “Inona no maha-sambatra ny fianakaviana?” Avelao ny ankizy tsirairay hisafidy fanontaniana iray ary ampio izy ireo hitady ny valiny ao amin’ilay fanambarana.

  • Manasà ny iray amin’ny reny na rain’ny iray amin’ny ankizy mba hizara amin’ny iray kilasy ny fomba “[hifanampiany] amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” amin’ny “andraikitra masina” sahaniny ao amin’ny fianakaviany. Asao ireo ankizy hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana ny ho vady sy ho ray sy reny marin-toetra.

Faran’izay sambatra ny fianakaviana rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy.

Tia ny zanany tsirairay ny Ray any An-danitra, ary tiany ho sambatra izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa ny tena fahasambarana dia avy amin’ny fanarahana ireo fampianarana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sary lehibe ana fo eny amin’ny solaitrabe, ary asao ny ankizy hamaky ny andiam-pehezan-teny faha-fito ao amin’ny Ny Fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao. Asaivo tadiavin’izy ireo ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba hanampiana ny fianakavian’izy ireo mba ho sambatra, ary soraty ao anatin’ilay fo ny valin-tenin’izy ireo. Asao ny ankizy mba hisafidy zavatra izay azon’izy ireo atao mba hampahasambatra kokoa ny ankohonan’izy ireo.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra tamin’ny fotoana izay nahatsapan’izy ireo hoe tian’ny olona iray tao amin’ny fianakaviany. Ampio ny ankizy hamantatra ireo fitsipika avy amin’ny andiam-pehezan-teny faha-fito ao amin’ny Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao izay afaka manampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana hahatsapa hoe tiana. Inona no tokony ho fiantraikan’ny fahalalantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fomba itondrantsika ireo fianakaviantsika?

  • Anontanio ny ankizy izay mety holazain’izy ireo raha toa ka manontany azy ireo ny namana iray hoe nahoana no manan-danja ny manambady na ny manan-janaka. Ahoana no ahafahantsika manampy io namana io hahatakatra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana amin’ny Ray any An-danitra? Ampio ny ankizy hitady fehezan-teny ao amin’ny Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao izay metyhanampy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hanao drafitra mba hanao zavatra mba hampatanjahana ny fianakavian’izy ireo. Amporisiho izy ireo hizara ny drafitr’izy ireo amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany any an-trano.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao hahatakatra ny toe-javatra iainan’ny ankizy. Rehefa mampianatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao ianao, dia aoka hitsinjo ireo ankizy izay tezaina ao amin’ny fianakaviana izay tsy mitovy amin’ireo tarigetra voasoritsoritra ao amin’ilay fanambarana. Mitandrema tsara mba tsy hahatafateny zavatra izay mety hanakivy azy ireo na hahatsapan’izy ireo tena ho latsa-danja.

Hamoaka printy