Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana


“Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
ankizy mihira

Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ry Fiadidian’ny Kilonga sy mpampianatra hira ao amin’ny Kilonga,

Ny hiran’ny Kilonga dia fitaovana mahery vaika mba hanampiana ny ankizy hianatra momba ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra sy ireo fahamarinana fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mihira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina. Hijanona ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo ankizy ny tonony sy ny feony mandritra ny fiainany.

Katsaho ny fanampian’ny Fanahy rehefa miomana hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny mozika ianao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hirainao. Ampio ireo ankizy hahita ny fomba ifandraisan’ny mozika amin’ny zavatra izay ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo any an-tokantrano sy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga. Ho voatahy ireo ankizy sy ny fianakavian’izy ireo amin’ny alalan’ireo ezaka feno fanoloran-tena ataonareo.

Tianay ianareo ary maneho fankasitrahana anareo izahay noho ny asa fanompoana feno fanoloran-tena ataonareo mba hampatanjahana sy hiarovana ireo ankizintsika izay sarobidy.

Ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Torolalana ho an’ny fampisehoana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay eo ambany fitarihan’ny eveka dia tanterahana mandritra ny telo volana farany amin’ny taona raha ny tokony ho izy. Amin’ny maha-fiadidian’ny Kilonga sy mpampianatra hira anareo dia ataovy izay hihaonana amin’ny mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà izay miahy ny Kilonga any am-piandohan’ny taona mba hanomboka hifanakalo hevitra momba ny drafitra hanatanterahana ny fampisehoana. Rehefa vitanareo ny drafitra dia akao fankatoavana avy aminy izany.

Tokony hanome fahafahana ny ankizy hampiseho ny zavatra nianarany sy ny fianakaviany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tany an-tokantrano, sy tao amin’ny Kilonga ilay fampisehoana, tafiditra amin’izany ireo hira ao amin’ny Kilonga izay nohirain’izy ireo nandritra ny taona. Diniho tsara ombam-bavaka ireo fitsipiky ny filazantsara sy hira izay manohana ny zavatra nianarany. Mandritra ny taona manontolo dia raiso an-tsoratra ireo lahateny izay nataon’ny ankizy sy ireo zavatra niainan’izy ireo manokana izay mety ho azo ampiasaina mandritra ilay fampisehoana. Asao ireo ankizy hizara soratra masina, tantara, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany mandritra ilay fampisehoana. Rehefa manomana ilay fampisehoana ianao dia eritrereto ireo fomba afaka hanampian’izany ireo mpiangona hifantoka amin’ny Mpamonjy sy ireo fahamarinana naveriny tamin’ny laoniny tamin’izao andro farany izao.

Ireo rantsana izay vitsy ankizy dia afaka mieritreritra fomba handraisan’ny fianakaviana anjara miaraka amin’ny zanany. Afaka mamarana ny fotoana amin’ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:

  • Tsy tokony handany fotoana ao amin’ny kilasin’ny Kilonga na any amin’ny fianakaviana ny famerenana.

  • Ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso, ny fanaovana fitafiana hanovana ny bika aman-tarehy, ary ny fampiasana horonam-peo na horonan-tsary dia tsy azo atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Jereo ny Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana 11.5.3, ChurchofJesusChrist.org.

Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana

5 minitra (fiadidian’ny Kilonga): Vavaka fanokafana, soratra masina na fanekem-pinoana, ary lahateny iray

20 minitra (mpampianatra hira): Fotoam-pihirana

Ny tanjon’ny fotoam-pihirana dia ny hanampiana ny ankizy hampitombo ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira. Ny fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira dia misafidy ireo hira ho an’ny volana tsirairay omban’io tanjona io ao an-tsaina. Ireo hira dia tokony hanamafy ireo fitsipika ianaran’ny ankizy momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy any amin’ny kilasy misy azy ireo sy any an-tokantrano. Misy lisitr’ireo hira izay manamafy ireo fitsipika ireo tafiditra ao anatin’ity torolalana ity. Ireo hira ireo dia atolotra ihany koa ao amin’ireo rindran-damina ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Rehefa mampianatra hira ireo ankizy ianao dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay efa nianaran’izy ireo momba ireo tantara sy fitsipika ara-potopampianarana ampianarin’ireo hira ireo. Azonao atao ny mijery ny rindran-damin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga izay ianaran’ireo ankizy ao amin’ny kilasiny. Hanampy anao hahafantatra ireo tantara sy fitsipika izay ianaran’izy ireo izany, amin’izay hitanao ny fomba hanohanana ny fianaran’izy ireo amin’ny hira.

Mandritra ny fotoam-pihirana dia azonao averina jerena ihany koa ireo hira izay nianaran’ny ankizy teo aloha sy ireo hira izay ankafizin’izy ireo ny mihira azy. Rehefa mamerina mijery ianao dia asao ireo ankizy mba hizara ny eritreritra sy ny fahatsapana ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana hita ao anatin’ireo hira.

Ny Bokin-kiran’ny ankizy no loharano fototra ho an’ny mozika ao amin’ny Kilonga. Ireo hira avy ao amin’ny fihirana sy ireo nalaina tao amin’ny Namana sy ny Liahona dia mety amin’izany koa. Indraindray ireo ankizy dia afaka mihira hira momba ny fitiavan-tanindrazana na hira momba ireo andro fety izay azo atao tsara amin’ny andro alahady sy mifanaraka tsara amin’ny taonan’ireo ankizy. Tsy maintsy nahazoana lalana avy amin’ny episkôpà ny fampiasana ny hira hafa rehetra ao amin’ny Kilonga (jereo ny Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana, 11.2.4).

Sary
ankizy mihira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Topimaso momba ny Kilonga

Isan-kerinandro ny kilasin’ny Kilonga dia ahitana:

Fotoam-pihirana:25 minitra

Fifindrana:5 minitra

Kilasy:20 minitra

Ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga misy ankizy betsaka kokoa dia afaka mizara ireo ankizy ho vondrona roa ka ny vondrona iray mamonjy ny kilasin’ny Kilonga ary ilay vondrona iray hafa ao amin’ny fotoam-pihirana. Dia mifanakalo toerana fotsiny avy eo ireo vondrona roa. Amin’ny toe-javatra toy izany ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga dia mety ho mila manamboatra ireo fotoana naseho tetsy ambony mba hampifanarahana amin’ny toe-java-misy azy ireo.

Hira mandritra ny fotoam-pihirana

Janoary

Febroary

Martsa

Aprily

Mey

Jona

Jolay

Aogositra

Septambra

Ôktôbra

Nôvambra

Desambra

Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana

Tsarovy fa ny tanjon’ny fotoam-pihirana dia tsy hoe hampianarana ny ankizy hahay hihira fotsiny, fa mba hampiasana ny hira entina hanampiana azy ireo hampitombo ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireto hevitra manaraka ireto dia mety hanome aingam-panahy anao eo am-panaovanao drafitra hanatanterahana izany.

Mianara momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hizara ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy tamin’ny hira nohirainareo. Asao izy ireo hizara ny teny tian’izy ireo indrindra tamin’ilay hira izay namariparitra momba an’ Andriamanitra sy ny Mpamonjy.

Mamakia soratra masina mifandray. Ho an’ny ankamaroan’ireo hira ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy sy ny boky fihirana dia omena ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina mifandray. Ampio ireo ankizy hamaky ny sasany amin’ireo soratra masina ireo ary hiresaka ny amin’ny fomba ifandraisan’ireo soratra masina ireo amin’ilay hira hirainareo. Afaka manao lisitra ana andinin-tsoratra masina vitsy eny amin’ny solaitrabe ianao dia asao ny ankizy hampifandray ny andinin-tsoratra masina tsirairay amin’ny hira iray na andininy iray avy amin’ny fihirana iray.

Fenoy ny banga. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andininy iray amin’ilay hira ka esory ireo teny manan-danja. Avy eo dia asao ireo ankizy mba hihira ilay hira, sady hihaino ireo teny izay mameno ireo banga. Eo am-pamenoan’izy ireo ny banga tsirairay dia mifanakaloza hevitra momba ireo fitsipiky ny filazantsara izay ianaranareo avy amin’ireo teny tsy ampy.

Sary
ankizy mihira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ireo ankizy mba hihaino teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay mampianatra ilay fitsipiky ny filazantsara ao amin’ilay hiran’ny Kilonga. Asaivo manangana ny tanany izy ireo rehefa mahare zavatra manampy azy ireo hahatakatra ilay fahamarinana izay hirain’izy ireo. Asao izy ireo hizara ny zavatra izay ren’izy ireo.

Mizarà fijoroana ho vavolombelona. Mizarà fijoroana ho vavolombelona fohifohy amin’ny ankizy mikasika ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao amin’ireo hiran’ny Kilonga. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fihirana dia fomba iray ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona sy mahatsapa ny Fanahy.

Mijoroa ho vavolombelona. Asao ireo ankizy hifandimby hijoro ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny hira izay hirainy na ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira. Anontanio azy ireo ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mihira ilay hira ary ampio izy ireo hahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Mampiasà sary. Angataho ireo mpianatra mba hanampy anao hitady na hanao sary izay mifandray amin’ireo teny na andian-teny manan-danja ao amin’ilay hira. Asao izy ireo hizara ny fomba ifandraisan’ilay sary amin’ilay hira sy ny zavatra ampianarin’ilay hira. Raha mampianatra ilay hoe: “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46) ohatra ianao, dia afaka manisy sary manerana ny efitrano izay maneho ireo teny manan-danja avy ao amin’ilay hira (toy ny anjely, feon’antsiva, ary ny kintana,). Asao ireo ankizy hanangona ireo sary ary hihazona izany araka ny filaharan’izany marina rehefa miaraka mihira ilay hira ianareo.

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Afaka mampiasa zavatra azo tsapain-tanana ianao mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ana hira iray. Ohatra ny hira hoe: “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53) dia miresaka momba ny orana. Azonao ampisehoana sary-na orana na rano iray vera ny ankizy ary resaho ny amin’ny fomba hanadiovan’ny batisa sy ny Fanahy Masina ny fanahintsika toy ny ranon’orana manadio ny tany; izany koa dia mety hitarika amina fifanakalozan-kevitra momba ireo fitahiana avy amin’ny fahavitan’ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Entano ny fizarana zavatra niainana manokana. Ampio ireo ankizy hampifandray ireo fitsipika ampianarina ao amin’ilay hira amin’ireo traikefa izay niainany ireo fitsipika ireo. Ohatra, mialoha ny hihirana ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99), dia azonao asaina manangana ny tanany ireo ankizy raha toa ka efa nahita tempoly izy ireo. Asao izy ireo mba hieritreritra eo am-pihirany ny zavatra tsapany rehefa mahita tempoly iray izy ireo.

Mametraha fanontaniana. Maro ireo fanontaniana azonao apetraka rehefa mihira ianareo. Ohatra, azonao anontaniana ireo ankizy hoe inona no zavatra nianarany avy amin’ny andininy tsirairay amin’ilay hira. Azonao angatahina ihany koa izy ireo mba hieritreritra ireo fanontaniana izay voavalin’ilay hira. Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra iray momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira izany.

Henoy ny valiny. Asao ireo ankizy hihaino ny valin’ireo fanontaniana. Ilay hira hoe: “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20) ohatra, dia ahitana fanontaniana sy valiny maro. Azonao atao ny mametraka ireo fanontaniana amin’ny ankizy ary avy eo dia asaivo henoiny ny valin’ireny eo am-pihirany.

Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga

Ny ankizy dia mahay hira iray amin’ny alalan’ny famerimberenana mihaino sy mihira izany. Hirao amin’ny ankizy foana ny tonon’ny hira vaovao iray—aza vakina na tanisaina fotsiny izany. Izany dia manampy ireo ankizy hampifandray ilay feon-kira amin’ireo tonon-kira. Rehefa avy nampianarina ny hira iray dia avereno amin’ny fomba mahafinaritra samihafa izany mandritra ny taona. Ireto ambany ireto misy hevitra mba hanampiana ny ankizy hianatra sy hamerina ireo hira.

Manaova fanehoana ny feo. Mba hanampiana ny ankizy hahay ny feon-kira iray dia ataovy mitsotra marindrano ny tananao ary rehefa mihira ireo teny ianao dia ampiakaro ny tananao mba hanehoana ny feo avo ary ampidino izany mba hanehoana ny feo ambany.

Ataovy manako. Asao ireo ankizy mba ho mpanaraka anao amin’ny famerenana izay hirainao. Hirao amin’ny ankizy ny andian-teny fohy na andalana iray, ary avy eo dia asaivo mihira izany izy ireo.

Mampiasà fiovaovana. Hirao amin’ny fomba samihafa ny hira toy ny mibitsibitsika, na mihira ny feon-kira, na mitehaka ny paikam-peonkira, na manovaova ny fanara-drindra, na mihira rehefa mipetraka na mitsangana. Afaka manamboatra goba iray vita avy amin’ny taratasy ianao, eo amin’ny sisin’ilay goba tsirairay dia anoraty fomba hafa hihirana. Manasà ankizy iray hamarimbarina ilay goba mba hanapahana ny fomba hihiran’ireo ankizy ilay hira.

Mihirà anaty vondrona. Omeo andian-teny iray mba hohiraina eo am-pitsanganana ny ankizy tsirairay na ny kilasy tsirairay, ary avy eo dia asaivo mifanakalo fehezan-teny izy ireo mandrapahafahan’ny iray kilasy na ny tsirairay mihira ny andian-teny rehetra.

Mampiasà fihetsika. Asao ireo ankizy hieritreritra fihetsika tsotra mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny tonon-kira sy ny hafatra ampitain’ny hira iray. Rehefa mihira ilay hoe: “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 11) ohatra ianareo, dia azonao atao ny manasa ny ankizy hamoritra ny tanan’izy ireo, hampiondrika ny lohany, ary hametraka ny tanany eo amin’ny faritra misy ny fony rehefa mihira ireo andalana mifanojo amin’izany.

Mihira ny ankizivavy, mihira ny ankizilahy. Manaova sarina ankizilahy iray sy sarina ankizivavy iray. Rehefa mamerina hira iray dia hazony ny iray amin’ireo sary mba hilazana hoe iza no tokony hihira izany ampahany amin’ny hira izany.

Manipaza zavatra ao anaty harona. Mametraha harona na fasian-javatra hafa misy laharana eny anoloan’ny efitrano, arakaraka ny isan’ireo andinin’ny hira iray manokana. Asao ny iray amin’ireo ankizy mba hanipy harona kely iray misy voan-javatra ao anatiny na taratasy naforiporitra ao amin’ilay fitoeran-javatra na eo akaikin’ny fitoeran-javatra iray misy isa. Asaivo hirain’ireo ankizy ireo andininy mitovy laharana amin’ilay fitoeran-javatra.

Mampifandraisa sary iray amina andian-teny iray. Soraty ao anaty ampahan-taratasy avokoa ny andalana tsirairay amin’ilay hira, ary mitadiava sary izay maneho ny andalana tsirairay. Apetraho eny amin’ny faritra iray ao amin’ny efitrano ireo sary ary apetraho eny amin’ny faritra iray hafa ao amin’ny efitrano ireo taratasy. Hirao ilay hira ary angataho ny ankizy mba hampifandray ireo sary amin’ireo teny.

Mamoròna petadrindrina. Mampisehoa petadrindrina misy ireo teny avy ao amin’ny andininy tsirairay na sary izay maneho ireo teny. Eo am-pihiran’ireo ankizy dia tampeno ny teny na ny sary sasany mandrapahavitan’izy ireo mihira ilay andininy manontolo tsy misy petadrindrina. Azonao asaina ihany koa ireo ankizy mba hanampy anao hanamboatra ireo petadrindrina.

Hamoaka printy