Fanampiana amin’ny fandalinana
14. Sahan’ny Fasana


14. Sahan’ny Fasana

Sary
sary 14

Toerana mety ho nisy ny fasana an-jaridainan’i Josefa avy any Arimatia. Ny sasany tamin’ireo mpaminany ankehitriny dia nahatsapa fa napetraka tao amin’ity fasana an-jaridaina hita amin’ny sary ity ny vatan’ny Mpamonjy.

Ny zava-dehibe nitranga: Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana dia napetraka tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tao amin’ny vato ny vatany (Mat. 27:57–60). Ny andro fahatelo, nisy vehivavy maromaro nankao amin’ny fasana ary nahita fa tsy tao ny vatan’ny Mpamonjy (Mat. 28:1; Jao. 20:1–2). Nankao amin’ny fasana koa ny Apôstôly Petera sy Jaona ary nahita fa tsy tao ny vatan’ny Mpamonjy (Jao. 20:2–9). Niseho tamin’i Maria Magdala ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty (Jao. 20:11–18).

Hamoaka printy