8. Jerosalema
Mijery mianavaratra an’i Jerosalema. Eo afovoan’ny sary ny trano fivavahana Silamo rakofan’ny Tafo Boribory antsoina hoe Tafo Boriborin’ny Vatobe. Taloha dia nivavaka tao amin’ny tempoly izay niorina tao ny Jiosy. Nanodidina an’i Jerosalema fahizay ireo rindrina akaikin’ny Tafo Boribory. Eo ankavanan’ny rindrina ny lohasahan’i Kidrona. Ery ankavanana indrindra, ivelan’ny sary, ny tendrombohitra Oliva. Mianavaratra, eo ambadiky ny Tafo Boriborin’ny Vatobe no mety ho toerana nisy an’i Golgota na Kalvary.
Ny zava-dehibe nitranga: Nantsoina hoe Salema i Jerosalema fahizay (Sal. 76:2). Nandoa ny fahafolonkarena tamin’i Melkizedeka i Abrahama (Gen. 14:18–20). Avy hanao fanatitra an’i Isaka i Abrahama (Gen. 22:2–14). Nobaboin’i Davida tamin’ny Jebosita i Jerosalema (2 Sam. 5:4–9). Nanorina tempoly i Solomona mpanjaka (1 Mpan. 6–7). Nanainga ho any amin’ny tany nampanantenaina i Lehia (1 Ne. 1:4; 2). Nanompo, nanonitra ho an’ny otantsika, ary nitsangana tamin’ny maty ny Mpamonjy (Mat. 21–28). Araka ny efa naminanian’ny Mpamonjy, dia rava fotoana fohy taorian’ny nahafatesany i Jerosalema (JS—M 1:3–20). Hatao fahirano i Jerosalema amin’ny andro farany (Ezek. 38–39; Joela 2–3; Apôk. 11; 16). Hiseho eto ny Mpamonjy mialoha kely ny Fiaviany Fanindroany (Zak. 12–14; F&F 45:48–53). (Jereo ny TSM Jerosalema; Salema.)