Fanampiana amin’ny fandalinana
26. Kaisaria Filipo


26. Kaisaria Filipo

Sary
sary 26

Hita eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona i Kaisaria Filipo. Iray amin’ireo loharano mamatsy ny Renirano Jordana izy. I Heroda Filipo, izay nanapaka io faritra io, dia nanorina tanàna teo ho fanomezam-boninahitra an’i Kaisara (mpanjakany) sy ny tenany; Paniasy no niantsoana ilay tanàna fahiny, Baniasy na Kaisaria Filipo no anarany ankehitriny.

Ny zava-dehibe nitranga: Nihaona tamin’ny mpianany tao Kaisaria Filipo ny Mpamonjy. Teo no nanambaràn’i Petera fa ny Mpamonjy no “Kristy, ilay Zanak’Ilay Andriamanitra velona.” Nampanantena an’i Petera ny “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitr” ny Mpamonjy rehefa izany (Mat. 16:13–20).

Hamoaka printy