Fanampiana amin’ny fandalinana
12. Saha Getsemane


12. Saha Getsemane

Sary
sary 12

Io sarina hazo oliva antitra io dia nalaina teo amin’ny toerana iray izay misy ny Saha Getsemane araka ny lovantsofina. Nivavaka tsy lavitra teo ny Mpamonjy taorian’ny nandaozany ilay efi-trano ambony rihana ny alin’ny namadihana Azy.

Ny zava-dehibe nitranga: Tao no nanomboka nijaly noho ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy (Mat. 26:36–44; Mar. 14:32–41; F&F 19:16–19). Taorian’ny vavaka nataony dia namadika Azy i Jodasy Iskariota, ary nandao Azy nandritra ny fotoana fohy ny mpianany taorian’ny fisamborana Azy tao amin’ny zaridaina (Mar. 14:50). (Jereo ny TSM Getsemane.)

Hamoaka printy