Fanampiana amin’ny fandalinana
5. Fasan’ireo Patriarika


5. Fasan’ireo Patriarika

Sary
sary 5

Ity zavatra naorina ity izay iray amin’ireo malaza indrindra eo amin’ny Tany Masina dia naorin’ny mpanjaka Heroda teo amin’ny teo ambonin’ny toerana nisian’ny lava-baton’i Makpela araka ny lovantsofina, izay novidian’i Abrahama mba ho toerana handevenana ny fianakaviany (Gen. 23).

Ny zava-dehibe nitranga: Toerana ilevenan’i Sara (Gen. 23) sy i Abrahama (Gen. 25:9). Milevina ao koa i Isaka, i Rebeka, ary i Lea (Gen. 49:30–31). Nentina avy any Egypta nankany Kanana ny vatan’i Jakoba ary nalevina tao amin’io lava-bato io (Gen. 50).

Hamoaka printy